MBA ANDRAMO IZAO
Zarao Izay Nianaranao
Mamelombelona antsika ny mianatra. Vao mainka anefa isika ho velombelona raha zaraintsika amin’ny hafa ny vatosoa ara-panahy mampahery hitantsika. Hoatr’izao ny fomba ilazan’ny Ohabolana 11:25 an’izany: “Izay manome rano dia homena rano koa.”
Rehefa zaraintsika amin’ny hafa izay nianarantsika, dia lasa tadidintsika sy azontsika kokoa ny hevi-dehibe. Faly koa isika mizara an’ireny vatosoa ireny amin’ny hafa satria mahasoa an-dry zareo ilay izy.—Asa. 20:35.
Soso-kevitra: Mitadiava hirika hiresahana an’izay nianaranao amin’ny olon-kafa, amin’ny herinandro. Azonao atao, ohatra, ny miresaka amin’ny havana, mpiara-mivory, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpiray tanàna, na olona hitanao eny amin’ny fanompoana. Ezaho hazavaina amin’ny fomba tsotra sy mazava ilay hevitra.
Tadidio izao: Zarao izay nianaranao mba hampaherezana ny hafa, fa tsy hoe mba hampiderana fahaizana.—1 Kor. 8:1.