FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 66
  • Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tsapanao?
  • Inona no azonao atao?
  • Ahoana Raha Nisaraka Ianareo Roa?
    Mifohaza!—2015
  • Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Ahoana no Hataoko fa Nisarahany Aho?
    Mifohaza!—2009
  • Ahoana no Ahafahako Mitsahatra Tsy ho Tia Olona Iray?
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 66
Ankizilahy malahelo be, mitazona rojo misy sarina fo

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?

Hoy i Steven: “Rehefa nisaraka izahay, dia tena kivy be aho. Mbola tsy nalahelo be hoatr’izany mihitsy aho.”

Efa nisaraka tamin’ny olon-tianao koa ve ianao dia nalahelo be? Raha izany, dia mety hanampy anao ity lahatsoratra ity.

  • Inona no tsapanao?

  • Inona no azonao atao?

Inona no tsapanao?

Tsy maintsy miteraka ratram-po ho anareo roa ilay fisarahana.

  • Raha ianao no nangataka ny hisaraka, dia mety ho tsapanao ny tsapan’i Jasmine. Hoy izy: “Nenjehin’ny eritreritro foana aho satria fantatro hoe nandratra ny fon’ilay olona tiako taloha aho. Tsy tiako intsony ny hanao hoatr’izany.”

  • Raha tsy ianao no nangataka ny hisaraka, dia mety hahatsapa hoatran’ireny olona maty havana ireny ianao. Hoy ny tovovavy atao hoe Janet: “Tena nalahelo be aho. Tamin’ny voalohany aloha aho tsy nety nino, avy eo tezitra be, dia nanambitamby, avy eo kivy be, ary efa ho herintaona tatỳ aoriana vao nanamboatra saina.”

Tadidio izao: Mety ho kivy be ianao rehefa nisaraka ianareo. Hoy ny Baiboly: ‘Mahamaina taolana ny fahakiviana.’​—Ohabolana 17:22.

Inona no azonao atao?

  • Olona miresaka

    Miresaha amin’ny olona matotra atokisanao. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Ho afaka hisaina ianao ka ho azonao tsara izay manjo anao, rehefa miresaka an’izay ao am-ponao amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny namana matotra iray.

    “Nitokantokana aho nandritra ny volana maro, ary tsy noresahiko tamin’iza na iza ny tao am-poko. Afaka manampy anefa ny tena namana. Rehefa noresahiko tamin-dry zareo izay tao am-poko, dia izay aho vao tsy nalahelo be intsony.”—Janet.

  • Atidohan’olombelona

    Eritrereto hoe inona no azonao ianarana. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Miezaha hanana fahendrena, ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina.” (Ohabolana 4:5) Lasa misy zavatra fantatrao momba anao rehefa mandinika an’izay nitranga ianao. Lasa hainao koa hoe inona no tokony hatao rehefa diso fanantenana ianao.

    “Rehefa nisaraka izahay, dia hoy ny namako iray: ‘Inona izao no lasa fantatr’ialahy momba ny fiarahana amin’ankizivavy? Dia ahoana no hataon’ialahy rehefa miaraka amin’ankizivavy hafa any aoriana?”—Steven.

  • Olona mivavaka

    Mivavaha. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Ho maivamaivana ny alahelonao, rehefa mivavaka ianao. Mety ho afaka hisaina tsara koa ianao amin’izay.

    “Mivavaha foana, fa fantatr’i Jehovah hoe malahelo be ianao, sady izy no mahafantatra tsara kokoa noho ianao ny tena zava-misy.”​—Marcia.

  • Tanana manampy

    Manampia olona. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Filipianina 2:4) Vetivety ianao dia tsy halahelo be intsony, arakaraka ny iezahanao hanampy olona.

    “Hoatran’ny hoe maizina tamiko ny tany aman-danitra, rehefa nisaraka izahay. Mbola maharary kokoa noho ny ratra amin’ny vatana ny ratram-po. Hitako anefa hoe lasa tsy dia malahelo be intsony aho, rehefa mandeha ny fotoana. Mila manam-paharetana fotsiny aho.”​—Evelyn.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara