Nanandrana nanova ny tontolo aho
TERAKA tany Nouvelle-Orléans, any Louisiane (Etazonia) aho, tamin’ny jona 1954. Izaho no fahadimy aminay 11 mianadahy. Katolika nafana fo ny ray aman-dreniko, hany ka nalefany tany amin’ny sekolin’ny misiona teo an-toerana izahay. Mpikarakara teny amin’ny otely aho tao am-piangonana, nifoha aloha be matetika ny maraina mba hamonjy lamesa, ary hatramin’ny mbola kely dia efa naniry ny ho tonga pretra katolika ary hanompo an’Andriamanitra sy ny olona. Noho izany, rehefa nahazo diplaoma avy ao amin’ny kilasy fahavalo aho, dia niditra tao amin’ny Semineran’ny Teny avy amin’Andriamanitra an’i Md. Augustin, any Bay St. Louis, any Mississipi.
Raha vao tonga tao aho dia nahita fa tsy masina araka ny niheverako azy ireo pretra. Nahatsikaritra lainga sy teny ratsy ary fimamoana aho. Nisy pretra iray nanana fironana ho amin’ny fandriana amin’ny lahy tahaka azy. Ny iray hafa notsidihin’ny zanaky ny iray tam-po amin’ny pretra hafa iray matetika, ary nanjary bevohoka taminy io zazavavy io tatỳ aoriana. Ny vahaolana tamin’izany dia ny famindrana ilay pretra ho any amin’ny seminera hafa iray. Niseho ny fahadisoam-panantenana ary maty ny faniriako lalina ho tonga pretra, nefa mbola velona ny faniriako hanompo an’Andriamanitra.
Nonina tao amin’ny seminera aho sady nanaraka fanompoam-pivavahana tao, saingy nianatra tany amin’ny lise iray izay saiky tsy nisy afa-tsy fotsy hoditra aho. Tao aho dia niharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Tsy hoe tsy mbola voan’ny fanavakavahana tamin’ireo endrika maro isehoany aho akory teo aloha, indrindra fa ireo fampahatsiahivana hita hatraiza hatraiza ny amin’ny maha-“ambany” ahy, ireo famantarana eny akaikin’ny fantsakana sy ny trano fivoahana iombonana, manao hoe: “Ho an’ny fotsy hoditra ihany” sy “Ho an’ny mainty hoditra ihany”, ary ireo fanevatevana ara-bolon-koditra soratsoratam-poana eny amin’ny rindrina, toy ny hoe: “Tsy azon’ny mainty idirana.”
Kanefa, tao amin’ny lise, izany dia nihatra kokoa tamin’ny tenako manokana. Ny anaram-bosotra fanambaniana, ny vazivazy momba ny volon-koditra tsy misy farany, ny fiangarana naseho tamin’ny mpianatra fotsy hoditra, ny fanavakavahana ny mainty hoditra — nahatonga ahy ho tezitra sady feno fankahalana izany. Ny sasany tamin’ireo mpianatra mainty hoditra vitsy an’isa dia nahatsapa ny ilàna hitondra antsy na hareza, sao dia misy manafika. Nanjary tafiditra tao amina fanaovan-javatra mampiasa herisetra, toy ny fitarihana fampiharana ankivy (boycottages), aho.
‘Ahoana no ahafahan’ny olona manao izany amin’olona?’
Teo amin’ny faha-11 taonako tao amin’ny lise, dia namaky ny The Autobiography of Malcom X (Ny tantaram-piainan’i Malcom X, nataon’ny tenany ihany) aho. Nanjary babon’io boky io tanteraka ny saiko. Tamin’ny alina, taorian’ny tsy maintsy hamonoana ny jiro, dia nentiko tao am-pandriana ilay boky, ary novakiko tamin’ny jiro fanao am-paosy tao anaty bodofotsy. Namaky boky momba ny fivarotana andevo afrikana koa aho. Nanana boky nisy sary mampiseho ireo sambo nitondra andevo, ahitana ny fomba fanaovana fatra-tsaonjo ny mainty hoditra, aho; raha sendra maty ny iray tamin’izy ireny dia natsipy tany ivelany fotsiny mba hohanin’ireo antsantsa izay nanaraka ireny sambo ireny. Namela soritra tao amin’ny fahatsiarovako ny zavatra toy izany. Raha natory aho ny alina dia nahita izany zavatra izany nihatra tamin’olona, ka nanontany tena hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny olona manao izany amin’olona?’ Nampitombo fankahalana ny fotsy hoditra aho.
Tamin’ny fotoana nahatongavako tany amin’ny oniversite ka nisehoan’ny “Black Panthers” (fihetsiketsehana ara-tsosialy) tao amin’ny “campus”, dia efa vonona hiaraka tamin’izy ireo aho. Nino izy ireo fa ny fitanana basy no manome hery, ary tsy maintsy hisy ra mandriaka eto Amerika eo amin’ny samy hafa volon-koditra. Niombon-kevitra tamin’izy ireo aho. Nirin’izy ireo ny hahatongavako ho anisany, nefa tsy nanao izany aho. Nivarotra ny gazetin’izy ireo “Black Panther” aho sy niara-nampiasa zava-mahadomelina taminy, saingy tsy afaka niombon-kevitra taminy tamin’ny tsy finoany an’Andriamanitra. Mbola nino an’Andriamanitra aho na dia diso fanantenana tamin’ny fivavahana katolika aza noho ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fihatsarambelatsihin’ireo pretra tao amin’ny seminera. Tamin’izay fotoana izay no niheverako marina tokoa ny hamono tena tamin’ny fitsambikinana avy teny amin’ny tetezan’ny Reniranon’i Mississipi.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy “Black Muslim” (silamo mainty hoditra) iray tonga tao amin’ny “campus”, nivarotra ny gazety Muhammad Speaks. Niresaka ny amin’ny toe-piainana mampahonena nisy ny mainty hoditra izahay ary nanomboka nankany amin’ireo fivorian’ny “Black Muslim” aho. Nankahala ny fotsy hoditra izy ireo — izy ireo no nampahafantatra ahy ilay hevitra hoe ny fotsy hoditra no Devoly. Tsia, tsy hoe sahala amin’ny devoly fotsiny izy ireo, na hoe avy amin’ny devoly fotsiny fa izy mihitsy no Devoly, izay manazava ny antony nampiharan’ny fotsy hoditra habibiana toy izany tamin’ny mainty hoditra. Nataony ahoana ireo Indiana amerikana sy ireo mainty hoditra fony nisy fivarotana andevo? An-tapitrisany maro tamin’izy ireny no novonoiny, izany no nanaovany azy!
Azo antoka fa tsy ny rehetra no Devoly
Tonga “Black Muslim” àry aho. Navelako ny tena anarako, satria teny frantsay ny hoe Dugué, ary novako ho X. Nanjary hoe Virgil X aho. Tamin’ny naha-Black Muslim ahy, dia be zotom-po ery aho nivarotra ny gazetin’izy ireo sy tamin’ny asa hafa. Nihevitra aho fa izany no fomba anompoana araka ny tokony ho izy an’Andriamanitra. Nefa rehefa avy niaraka fotoana kelikely tamin’ireo “Black Muslims” aho, dia nanomboka nisalasala ny amin’ny sasantsasany tamin’ireo fampianarany sy ny sasantsasany tamin’ireo fanaony — hatramin’ilay hevitra hoe ny fotsy hoditra no Devoly.
Marina fa fanandraman-javatra ratsy no hitako avy tamin’ny fotsy hoditra teo amin’ny fiainako, nefa azo kilasina avy hatrany ho Devoly avokoa ve izy rehetra? Nieritreritra ny amin’ilay mpampianatra lalao baskety fotsy hoditra, izay nangoraka ny mainty hoditra, aho. Manaraka izany dia nisy mpisolovava tanora fotsy hoditra izay nisolo tena ahy tamin’ny raharaha momba ny fanavakavahana niadiana tamin’ny Komity mpitantana ny Sekoly tany Nouvelle-Orléans. Nisy fotsy hoditra mendrika hafa fantatro teo amin’ny fiainako — azo antoka fa tsy afaka ny ho Devoly avokoa izy rehetra.
Ankoatra izany, dia nieritreritra ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty aho. Nampianatra ireo “Black Muslims” fa rehefa maty ianao dia vita hatreo ny aminao — izay no izy! Nefa nanjohy hevitra aho hoe: ‘Raha toa Andriamanitra afaka namorona ny olona avy ao amin’ny vovoka, dia azo antoka fa afaka manangana azy avy ao am-pasana izy.’ Nanaraka izany ny endriny ara-bolan’ireo “Black Muslims”. Nahalafo gazety Muhammad Speaks 300 isan-kerinandro aho, 1 200 isam-bolana ary nitondra ny vola tany amin’izy ireo. Ny latsakemboka amin’ny maha-mpikambana tsy maintsy naloanay. Ny ampahany lehibe tamin’ny fitoriany dia nihodinkodina teo amin’ny vola. Efatra ora teo ho eo no mba nananako hatoriana isan’alina. Nanolotra ny fiainako manontolo ho an’ny “Black Muslims” aho. Ary izao dia nitombo tao an-tsaiko ny fisalasalana momba ny sasantsasany tamin’ireo fampianarany. Izany rehetra izany dia niverimberina tao an-dohako avokoa.
Indray andro, tamin’ny Desambra 1974, tany am-piasako, tao amin’ny toerana fanaovan-draharaha iray ihaonan’ny olona eo an-toerana, dia nanomboka nisamboaravoara tao an-tsaiko izany fiheverana rehetra izany. Fihetseham-po tsy mbola tsapako teo aloha mihitsy izany. Nihevitra aho fa nihoatra noho izay takatry saiko izany. Voatery niala haingana aho talohan’ny hitrangan-java-dratsy. Nila ny naka aina kely aho mba hieritreretana ny hevitry ny fiainako. Nilaza tamin’ireo tao am-piasana aho fa voatery tsy ho eo mandritra io andro io. Tsy nanome fanazavana azy ireo aho
Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hampiseho ahy ny Fahamarinana
Nandao ny asako aho ary nody haingana tany an-trano. Nandohalika aho ary nivavaka tamin’Andriamanitra. Nivavaka aho mba hahita ny fahamarinana. Izay no vao voalohany nangatahako tamin’Andriamanitra mba hampahafantatra ahy ny fahamarinana ka hitarika ahy ho amin’ny fandaminana nanana izany. Teo aloha aho dia nivavaka mba hampisehoany ahy ny fomba hanampiana ny olona mainty hoditra, sy mba hahitana ny fandaminana mpanavakava-bolon-koditra marina nankahala ny fotsy hoditra. Izao anefa aho dia nivavaka mba hahita ny fahamarinana fotsiny, na manao ahoana izy io na manao ahoana, na aiza na aiza misy azy. “Raha i Allah ianao, dia ampio aho. Raha tsy Allah ianao, na iza ianao na iza, dia miangavy anao, ampio aho. Ampio aho hahita ny fahamarinana.”
Tamin’izay fotoana izay aho dia nampiasa ny tena anarako hoe Virgil Dugué indray. Mbola niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko tany Nouvelle-Orléans aho. Rehefa nifoha aho ny ampitson’ny nivavahako tamin-kafanampo tamin’Andriamanitra, dia nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) iray tao an-trano. Tsy fantatro izay nahatonga azy io tao. Tsy mahazatra izany satria tsy mbola nahita zavatra vita an-tsoratra avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-trano mihitsy aho teo aloha. Nanontany aho raha nisy tamin’ny mpianakavy nahafantatra ny niavian’izy io. Tsy nisy. Tsy maintsy ho nisy nanisika tao ambany varavarana izy io.
Nomerao tamin’ny 15 Desambra 1974 (15 martsa 1976 amin’ny teny malagasy) ilay izy. Nisy sarin’i Maria sy Josefa ary Jesosy tao am-pihinanam-bilona teo amin’ny fonony (ao anatiny ny sary amin’ny teny malagasy) — fotsy hoditra! Ary rehefa nahita ny fanontaniana hoe: “Izao ve no fomba fanomezam-boninahitra an’i Jesosy Kristy?” aho dia nieritreritra hoe: ‘Hamaly eny izao ry zareo ary hilaza fa tokony hotolorana fanompoam-pivavahana i Jesosy.’ Raha nomerao hafa tamin’ilay gazety izy io, dia angamba efa natsipiko terỳ. Nefa nanokatra ilay izy aho ary nandinika ny lahatsoratra voalohany ka nahafantatra fa nilaza izy ireo fa tsy Andriamanitra akory i Jesosy, ary tsy tokony hivavahana. Tena fanambarana izany ho ahy! Nino aho fa ireo antokom-pinoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana rehetra dia nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jesosy ary koa fa nino avokoa izy rehetra fa Andriamanitra i Jesosy.
Izaho anefa dia nino noho ny naha-Black Muslim ahy fa tsy Andriamanitra i Jesosy. Namaky andinin-teny maro tao amin’ny Soratra masina mampiseho fa tsy Andriamanitra i Jesosy, izy ireo, ka anisan’izany ilay ao amin’ny Jaona 14:28 manao hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” Nampianatra izy ireo fa mpaminany iray i Jesosy, ary i Elijah Muhammad, mpitarika ny Black Muslims, dia heverina ho ny mpaminany farany. Noho izany, dia nahalala aho fa tsy Andriamanitra i Jesosy, ary rehefa namaky izany tao amin’ilay lahatsoratra aho dia toy ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina tamiko. Tamin’ny fotoana nahatongavako teo amin’ny fifaranan’ilay lahatsoratra dia zary moana teo aho. Tsy hitako izay hoeritreretina. Tsy niaiky aho fa io no tena fahamarinana. Nefa vao voalohany aho no nahatakatra fa tsy ny fivavahana rehetra milaza tena ho kristiana akory dia mankalaza ny krismasy na andro fety hafa miorina amin’ny fanompoan-tsampy daholo. Ary hatramin’ny nivavahako mba hahita ny fahamarinana, dia nieritreritra aho hoe: ‘Sao dia ity no izy? Ity ve no valin’ny fivavahako?’
Tao amin’ny “annuaire”-n’ny telefaonina aho dia nikaroka ny nomeraon’ireo fiangonana rehetra milaza ho kristiana. Niantso azy ireny aho ary nanontany tsotra hoe: “Mankalaza ny krismasy ve ianareo?” Namaly eny daholo ry zareo, ary dia napetrako ny telefaonina. Rehefa ela ny ela, dia ny Vavolombelon’i Jehovah sisa tsy azoko. Izany ve no valin’ny fivavahako? Tsy mbola nandre azy ireo mihitsy aho. Angamba tonga ny fotoana handrenesako azy. Niantso an-telefaonina ny Efitrano Fanjakanan-dry zareo aho. Lehilahy fotsy hoditra no namaly. Naniry ho tonga any an-tranoko izy hiara-mianatra ny Baiboly amiko. Malina anefa aho. Namaly tsia aho. Fotsy hoditra izy; mety mbola ho ny Devoly izy.
Nanontany aho ary nahazo valiny
Noho izany dia an-telefaonina no nifampiresahanay. Sambany aho teo amin’ny fiainako vao mba nahatsiaro afapo. Niantso azy isan’andro aho, nanontany misimisy kokoa ihany, ary nahazo valiny bebe kokoa. Nanome porofo ahy izy. Nohamafisiny tamin’ny andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly izay nolazainy. Voatohina aho. Sambany vao mba nisy nampiasa Baiboly hamaliana ny fanontaniako. Nanomboka nahatsinjo tara-panantenana aho. Nahazo Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy konkordansa kely any amin’ny farany aho. Namaky azy io tamim-pitandremana aho ary nahafantatra fahamarinana maro hafa koa.
Rehefa afaka iray volana, dia nifindra nankany Dallas, any Texas, aho. Rehefa tafapetraka tsara aho, dia niantso an-telefaonina ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Naka ahy tany an-trano ilay olona namaly ahy, ary nitondra ahy tany amin’ny fivoriana tao amin’ny efitrano. Tany no nampahafantarany ahy Vavolombelona iray nanaiky hiara-mianatra amiko. Nankany an-tranony aho mba hanaovanay ilay fianarana. Nahatsiaro ho mosarena ara-panahy aho, hany ka nianatra intelo isan-kerinandro izahay ary ora maromaro isaky ny fianarana. Curtis no anarany. Niandry teo an-tokonam-baravarany aho rehefa nody avy niasa izy. Naneho faharetana aoka izany tamiko izy. Tsy fantatro ny hoe indray mandeha isan-kerinandro mandritra ny adiny iray monja ny fianarana ny Baiboly any an-tokantrano mazàna, ary tsy nilaza izany tamiko mihitsy i Curtis. Nanomboka niara-nianatra tamiko izy tamin’ny Janoary na Febroary 1975; vitanay ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny volana May tamin’iny taona iny.
Tsy ela taorian’izay aho dia niverina tany Nouvelle-Orléans, nanatrika ireo fivoriana nataon’ny Vavolombelona tany amin’ny Efitrano Fanjakana, avy eo dia nanomboka nandeha isan-trano mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Tsapako fa satria aho be zotom-po tamin’ny naha-Black Muslim ahy, ka nandany 100 ka hatramin’ny 150 ora isam-bolana nivarotana Muhammad Speaks, ary tsy natory afa-tsy adiny efatra isan’alina, dia tokony ho be zotom-po aho amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah ahy. Ankoatra ny fandinihako ny Soratra masina àry dia nitory sy nitarika fampianarana Baiboly maro tany an-tokantranon’ny hafa aho. Raha ny marina, dia tsaroako fa tao amin’ny fandaharana iray tamin’ny fivoriana momba ny asa, dia nanontany ahy toy izao ilay mpitari-draharaha:
“Ora firy no laninao tamin’ny asa fanompoana tamin’ny volana lasa?”
“Zato ora teo ho eo.”
“Mitarika fampianarana Baiboly firy ianao?”
“Folo.”
Nisy feo nibitsibitsika re teo anivon’ny mpanatrika tamin’izany tarehimarika ambony izany, nefa nanontany tena aho hoe: ‘Nilaza zavatra ratsy ve aho? Sao dia tsy ampy ny vitako?’
Tanteraka ny faniriako
Nandroso hatramin’ny fanoloran-tena aho, ary natao batisa tamin’ny 21 Desambra 1975. Ny taona nanaraka an’iny dia notahin’i Jehovah aho tamin’ny nanomezany ahy vady mahafinaritra, dia i Brenda. Raha ny marina, dia tamin’ny andro nanaovana batisa ahy no nahitako an’i Brenda voalohany. Mpitory ilay Fanjakana manontolo andro izy tamin’izay, ary nanohy izany taorian’ny nivadianay. Roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1978, dia nanomboka fitoriana manontolo andro niaraka taminy aho. Roa taona taorian’izay, tamin’ny 1980, dia nasaina ho tonga mpikambana ao amin’ny Fianakavian’ny Betela eto Brooklyn, New York, foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izahay sy Brenda. Mbola manompo an’i Jehovah ao izahay izao.
Rehefa mandinika ny fiainako tamin’ny lasa aho, dia mahatsiaro ny fahazazako fony aho naniry ho tonga pretra katolika ka hanompo an’Andriamanitra sy ny olona. Eritreretiko ny amin’ny fikatsahako zava-kendrena, voalohany indrindra, niaraka tamin’ny “Black Panthers” ary avy eo, niaraka tamin’ny “Black Muslims”, ary tadidiko ireo andro nahatsiarovako fahadisoam-panantenana niaraka tamin’ireo fihetsiketsehana ireo, toy ny nahitako fahadisoam-panantenana tao amin’ny fikambanan’ny pretra teo aloha. Nefa na dia tao aza izany rehetra izany, dia tsy nihozongozona mihitsy ny finoako an’Andriamanitra. Misaotra an’i Jehovah aho fa nafahany tamin’ny mpivavaka diso sy ny fanombohana niditra tamin’ny politika ka nataony teo amin’ny lalana mankamin’ny fahamarinana sy ny fiainana.
Ela ny ela ka tanteraka ihany ny faniriako hanompo an’Andriamanitra sy ny olona! — Notantarain’i Virgil Dugué.
[Sary, pejy 20]
Virgil sy Brenda Dugué