Inona no Holazainao Amin’ny Miozolimanina?
1 Efa nitory tamin’ny Miozolimanina ve ianao? Raha izany no izy, dia fantatrao angamba fa mino mafy an’Andriamanitra ny Miozolimanina. Kanefa, tsy mahalala firy ny amin’ilay Paradisa ho avy eto an-tany, araka ny nambaran’ny mpaminanin’i Jehovah mialoha izy ireo, ary maniry ny hizara izany fanantenana izany aminy isika. (1 Tim. 2:3, 4). Ireto fanazavana manaraka ireto dia tokony hanampy anao hanao fanambarana tsara.
2 Mino an’i Allah, na Andriamanitra, ny Miozolimanina, ary inoany fa i Mahometa dia mpaminanin’Andriamanitra. Ny Kôrana no boky masiny, ary ny fivavahany dia antsoina hoe Silamo, izay midika hoe “fanekena”. Milaza ny Kôrana fa ratsy ny mandainga sy ny manompo sampy, ary iray Andriamanitra sady tsy anisan’ny Trinite. Afa-tsy izany koa, dia mampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny afobe mirehitra ary ny paradisa any an-danitra izy io. Manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ny Miozolimanina, nefa mino fa novana izy io, fa ny Kôrana kosa, dia mbola amin’ny fiteny tany am-boalohany ihany sy voahazona ho madio.
3 Aoka ianao ho sariaka sy hahay handanjalanja ary hahay hanavaka: Rehefa miresaka amin’ny Miozolimanina iray, dia aoka ianao ho sariaka sy hahay handanjalanja. (Ohab. 25:15). Tadidio fa miorina mafy ny zavatra inoan’ny Miozolimanina, ary nianarany tsianjery ny ankamaroan’izy ireo. Noho izany, ny fanjohian-kevitra momba ny fampianarana ara-pivavahana sy ny fanaporofoana amin’ny tenany izay sitrapon’Andriamanitra dia tsy anisan’ny fanabeazana azy ara-panahy. (Rom. 12:2). Mba hanampiana ny Miozolimanina, dia zava-dehibe ny faharetana sy ny fahazoana ny fihevitry ny hafa. — 1 Kor. 9:19-23.
4 Halaviro ny fampiasana teny izay hahatonga ny Miozolimanina iray hampifandray anao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Ataovy mazava fa tsy anisan’ny fivavahana katolika na protestanta ianao, fa hafa mihitsy. Resaho ho Bokin’Andriamanitra ny Baiboly. Koa satria mankahala ilay teny hoe “Zanak’Andriamanitra” ny Miozolimanina, dia tsara indrindra mazàna ny tsy mampiasa azy io, na miresaka momba io foto-kevitra io, raha tsy efa nisy fandrosoana ara-panahy. Kanefa, afaka miresaka momba an’i Jesosy ianao, ka miantso azy hoe mpaminany na mpitondra hafatra. Halaviro ny fifandirana. Raha hitanao fa manomboka miseho ny fahatezerana, dia mialà amim-pahalalam-pomba avy hatrany.
5 Tsara indrindra ny hiresahana amin’ny olona iray monja, fa tsy amin’ny antokon’olona. Mazàna no tsara raha vehivavy no mitory amin’ny vehivavy, ary lehilahy no mitory amin’ny lehilahy. Miharihary fa misy maningana ny amin’io, nefa tokony hisy fahaiza-mitsara zavatra tsara. Afa-tsy izany koa, dia sarotiny amin’izay heveriny fa fitafiana sy fisehoana ankapobe tsy maotina anaovan’ny vehivavy ny Miozolimanina maro. Mila ny mahafantatra an’izany ny anabavy. — 1 Kor. 10:31-33.
6 Zavatra tokony horesahina: Miresaha amim-pahatsorana ny amin’ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany. Aza misalasala milaza fa tena mino ianao, fa iray Andriamanitra (fa tsy Trinite), ary ratsy ny fanompoan-tsampy. Miresaha ny amin’ny faharatsiana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny — ny ady, ny hotakotaka, ny fankahalana ara-pirazanana, ary ny fihatsarambelatsihy, izay miharihary eo anivon’ny mpivavaka maro be.
7 Ilay bokikely hoe Le temps de la vraie soumission à Dieu, dia hanome anao fahatakaran-javatra fanampiny ny amin’ny foto-dresaka izay azo ampiasaina, mba hanombohana resaka amin’ny Miozolimanina. Izy io dia natao hanintonana ny Miozolimanina mipetraka any amin’ny faritra izay mety tsy hampisalasala azy ny hianatra Baiboly.
8 Azonao atao ny milaza toy izao:
◼ “Manao ezaka manokana mba hiresahana amin’ny Miozolimanina aho. Efa namaky momba ny fivavahanao aho, ary mino fa tsy diso aho, raha milaza fa mino Andriamanitra tokana sady marina sy ny mpaminany rehetra ny Miozolimanina. [Avelao izy hamaly.] Tiako ny hilaza aminao ny amin’ny faminaniana fahiny izay nanambara mialoha fa hovana ho paradisa ny tany. Azoko atao ve ny mamaky aminao izay nosoratan’ilay mpaminany? [Vakio ny Isaia 11:6-9.]” Raha misy fahalianana, dia tohizo ny resaka, amin’ny fandinihana ny pejy faha-15, eo amin’ilay lohatenikely hoe “La nécessité de rechercher la vérité”, ao amin’ilay bokikely hoe Le temps de la vraie soumission à Dieu. Apetraho ilay bokikely, ary manaova fandaharana ny hiverina hitsidika.
9 Rehefa manasa olona handinika ilay bokikely hoe Le temps de la vraie soumission à Dieu, dia tsara indrindra ny hanaovana azy io ho resadresaka, fa tsy fampianarana Baiboly. Rehefa vitanao ilay bokikely, dia tokony ho vonona hianatra ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana ilay mpianatra. Ny zavatra vita an-tsoratra hafa izay natao indrindra ho an’ny Miozolimanina, dia ny taratasy mivalona hoe Le chemin du Paradis: Comment le trouver?
10 Noho io fahalalana ny zavatra inoan’ny Miozolimanina sy ny zavatra mahasarotiny azy io, dia afaka manavaka isika, eo amin’ny fifantenantsika ny boky izay atolotsika ny Miozolimanina, sy eo amin’ny fomba itoriantsika amin’izy ireo. Enga anie i Jehovah hanohy hitahy ny ezaka ataontsika, mba hanampiana ny karazan’olona rehetra hiantso ny anarany ka ho voavonjy. — Asa. 2:21.