FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/8 p. 11-13
  • 100 Taona Nisian’ny Sarimihetsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 100 Taona Nisian’ny Sarimihetsika
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fe-potoana tsy nisy feo
  • Feo sy loko
  • Fampielezan-kevitra tamin’ny fotoan’ny ady
  • Krizy
  • Fiantraikany ara-tsosialy
  • Misy maha-zava-dehibe azy ve ny sarimihetsika jereko?
    Mifohaza!—1991
  • Inona no Filma Hojerenao?
    Mifohaza!—2005
  • Ahoana no ahafahako mifantina sarimihetsika mendrika iray?
    Mifohaza!—1991
  • Mpijery Mora Voa
    Mifohaza!—2005
Mifohaza!—1996
g96 8/8 p. 11-13

100 Taona Nisian’ny Sarimihetsika

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

TSY dia hoe vokatry ny famoronana zava-baovao voafaritra tsara akory ny sinema, fa vokatra fara tampon’ny fikarohana sy ny fanandramana niraisam-pirenena naharitra 75 taona teo ho eo kosa. Tamin’ny 1832, ny phénakistiscope, noforonin’ilay belza atao hoe Joseph Plateau, dia nahatafavoaka fihetsehana avy tamina fitohitohizan-tsary. Teto Frantsa, noho ny fanampian’i Joseph Niepce sy i Louis Daguerre, dia nanjary tontosa tamin’ny 1839 ny fomba fanaovan-tsary iray mba hanovana ho sary ny zava-misy. Nanitatra bebe kokoa io hevitra io i Emile Reynaud, frantsay, ka nandefa sary tantera-pahazavana nahetsika izay hitan’ny olona ana hetsiny maro teo anelanelan’ny taona 1892 sy 1900.

Vao maherin’ny 100 taona lasa izay no niseho ny fandrosoana lehibe teo amin’ny sarimihetsika. Tamin’ny 1890, i Thomas Edison, ilay amerikana mpamorona malaza, sy i William Dickson, anglisy mpanampy azy, dia namolavola fakantsary iray nanana habe sy lanja toy ny an’ny piano kely mijoro iray, ary ny taona nanaraka i Edison dia nanao fangatahana fankatoavam-pamoronana momba ny fitaovana fijerena iray natao ho an’olona iray, fitaovana nantsoina hoe kinétoscope. Nalaina sary tao amin’ilay studio fanaovana sarimihetsika voalohany teo amin’izao tontolo izao, dia ny Black Maria, any West Orange, New Jersey, ireo sarimihetsika, izay noraisina tamin’ny filma lavalava loadoaka, 35 milimetatra. Nanasongadina teatira nampihomehy isan-karazany, cirque, sy fizarana tamin’ny fampisehoana an-tsehatra avy tany andrefana tamin’i Etazonia, ary koa ampahany tamin’ny tantara an-tsehatra nahita fahombiazana tany New York, ireny sarimihetsika ireny. Nosokafana tany New York ny fivarotana kinétoscope voalohany tamin’ny 1894, ary tamin’io taona io ihany dia nisy milina maromaro naondrana nanketo Eoropa.

Na dia tsy liana tamin’ny fandefasana sarimihetsika aza i Edison teo am-boalohany, dia voatery nanamboatra milina fandefasan-tsary iray izy mba hisakanana ny fifaninanana. Tamin’ny Aprily 1896 no naseho voalohany tany New York ny vitascope namboariny. Niteraka famoronana fivondronana orinasa, mba hanaovana am-pihi-mamba tanteraka ny indostrian’ny sarimihetsika, ny ady momba ny fankatoavam-pamoronana, izay izy no nanomboka azy io tatỳ aoriana.

Ny kopia iray tamin’ny kinétoscope nataon’i Edison no nanome hevitra an’i Auguste sy i Louis Lumière, tompon’indostria tany Lyon, eto Frantsa, mba hamorona fakantsary nahodina tanana, izay sady afaka naka sary no afaka nandefa sarimihetsika. Nahazo fankatoavam-pamoronana tamin’ny Febroary 1895 ny cinématographe (avy amin’ny teny grika hoe kinema, midika hoe “fihetsehana”, sy ny hoe graphein, midika hoe “maneho an-tsary”) nataon’izy ireo, ary tamin’ny 28 Desambra “no nitranga ny fampisehoana sarimihetsika ofisialy voalohany teo amin’izao tontolo izao” tao amin’ny Grand Café, 14 Boulevard des Capucines, Paris. Ny ampitson’iny, dia Parisiens 2 000 no nirohotra nankao amin’ny Grand Café mba hijery io zava-mahagaga farany indrindra novokarin’ny siansa io.

Tsy ela ry Lumière mirahalahy dia nanokatra trano sinema sy nandefa mpaka sary nanerana izao tontolo izao. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nanao sarimihetsika 1 500 teo ho eo momba ny toerana na ny fisehoan-javatra nalaza teo amin’izao tontolo izao, toy ny fanomezam-pahefana ny Tzar Nicolas II tany Rosia, izy ireo.

Ny fe-potoana tsy nisy feo

Variana tamin’izay hitany i Georges Méliès, mpanao majika sy tompon’ny teatira iray tany Paris. Nilaza ny fahavononany hividy ilay cinématographe izy. Toa izao ny valin-teny azony: “Tsia, tsy amidy ny cinématographe. Ary misaora ahy ianao, ry tovolahy; tsy manana ny hoaviny io zava-baovao noforonina io.” Nisikina herim-po anefa i Méliès ka nanomboka nanao sarimihetsika tamin’ny alalan’ny fitaovana nentiny avy tany Angletera. Noho ireo trucages sy tantara noforoniny, dia nanova ny sinematografia hanana endrika zavakanto i Méliès. Tamin’ny 1902, dia nahita fahombiazana tany amin’ny firenena maro ilay sarimihetsika nataony hoe Le Voyage dans la lune. Tao amin’ny studio nampiasainy tany Montreuil, any an-tsisin’i Paris, dia nanao sarimihetsika maherin’ny 500 izy — ka maro tamin’izy ireo no nolokoana tamin’ny tanana.

Tokony ho tamin’ny 1910, ny 70 isan-jaton’ny sarimihetsika naondrana naneran-tany dia avy teto Frantsa. Ny nahatonga izany voalohany indrindra dia noho ny nanaovan-dry Pathé mirahalahy ny sinema ho indostria, izy ireo izay nanan-java-kendrena hoe ho tonga “teatira, gazety, sy sekolin’ny ampitso” ny sinema.

Tamin’ny 1919, i Charlie Chaplin, i Douglas Fairbanks, i David W. Griffith, sy i Mary Pickford, dia nanorina ny United Artists (Artista Tafaray) mba handravana ny fanaovan’ilay fivondronana orinasa am-pihi-mamba ara-barotra. Tamin’ny 1915, dia ilay hoe Birth of a Nation (Fahaterahan’ny Firenena Iray) nataon’i Griffith no sarimihetsika voalohany nalaza noho ny fahombiazany, novokarin’ny Hollywood. Nahatonga rotaka sy fahafatesan’olona sasany mihitsy aza io sarimihetsika mikasika ny Ady An-trano Amerikana niteraka ady hevitra be io, tamin’ny fotoana namoahana azy, satria nirakitra hevitra feno fanavakavaham-bolon-koditra. Nahita fahombiazana goavana anefa izy io, satria nisy mpijery maherin’ny 100 tapitrisa, ka nahatonga azy io ho ny iray tamin’ny sarimihetsika nahazoan-tombony indrindra hatramin’izay.

Taorian’ny ady lehibe voalohany, ireo sarimihetsika “dia nampahafantatra an’i Amerika manontolo ny tontolon’ireo boîtes de nuit, toerana fanarian-dia any ambanivohitra, toeram-pivarotan-toaka tsy ara-dalàna, sy ny hamaivanan-doha ara-pitondran-tena niaraka tamin’izy ireny”. Saika nanjavona teo amin’ny efijery amerikana ny sarimihetsika vahiny, fa nahaforona ny 60 ka hatramin’ny 90 isan-jaton’ny fandaharana tany an-toeran-kafa teo amin’izao tontolo izao kosa ireo sarimihetsika amerikana. Nampiasaina ho fitaovana iray nankalazana ny fomba fiaina amerikana sy ny entam-barotra amerikana ny sarimihetsika. Tetsy an-danin’izany, dia nahatonga ny olona toa an’i Rudolph Valentino, i Mary Pickford, sy i Douglas Fairbanks, ho lasa andriamanitra mihitsy, ilay “rafitra momba ny mpilalao malaza” vao niforona.

Feo sy loko

“Neny a, henoy ange itỳ e!” Tamin’ireo teny ireo i Al Jolson, tao amin’ilay hoe The Jazz Singer (Ilay Mpihira Jazy), tamin’ny 1927, no namarana ny fe-potoana volamenan’ny sarimihetsika tsy nisy feo ka nampahafantatra an’izao tontolo izao ny sarimihetsika nampiarahina tamin’ny feo. Nisy fanandramana nampiasana kapila nandeha tamin’ny grafofona efa natao nanomboka tamin’ny fiandohan’ny sinema mihitsy, kanefa efa tamin’ireo taona 1920, niaraka tamin’ny fahatongavan’ny fandraisam-peo elektrika sy ny fanamafisam-peo nampiasana valva, vao nandeha tsara ny sarimihetsika nisy feo. Tsy hoe tsy nisy olana akory ny fampidirana ny feo.

Niditra tao amin’ny sinema tamin’ny alalan’ny filma nolokoana tamin’ny tanana ny loko teo am-boalohany. Tatỳ aoriana, dia natomboka ny fampiasana stencils. Nolokoana ireo filma satria tsy nisy ny fomba fanaovana filma miloko nandaitra. Nampiasaina ny fomba samihafa, mandra-pahitan’ny Technicolor fahombiazana tamin’ny fomba fampiasany loko telo tamin’ny 1935. Kanefa, efa taorian’ny nitiavan’ny besinimaro fatratra ilay hoe Autant on emporte le vent, tamin’ny 1939, vao noheverina ho zavatra manintona mpijery ny loko.

Fampielezan-kevitra tamin’ny fotoan’ny ady

Nandritra ny fitambotsorana ara-toe-karena tamin’ireo taona 1930, ny sinema dia nampiasaina ho “rongonin’ny vahoaka”. Rehefa nihananatona ny ady anefa izao tontolo izao, dia nanjary fanararaotana olona sy fampielezan-kevitra no nampiasana ny sinema. Niantso ny sinema hoe “l’arma più forte”, na “ny fitaovam-piadiana mahery indrindra”, i Mussolini, fa teo ambany fitondran’i Hitler kosa, dia nanjary mpitondra tenin’ny sosialisma nasionaly, mba hanasana atidoha ny tanora voalohany indrindra, izy io. Nanandratra tamin’ny fomba nandaitra an’ireo mpitarika nazia ho andriamanitra ireo sarimihetsika, toy ilay hoe Der Triumph des Willens (Ny Fandresen’ny Sitrapo) sy ilay hoe Olympia. Tetsy an-danin’izany, dia nampandroso ny fankahalana Jiosy ilay hoe Jud Süss (Süss jiosy). Ary tany Grande-Bretagne, ilay hoe Henry V nataon’i Laurence Olivier dia nampiasaina ho fandrisihana ny saina sy ny fo hiomana ho amin’ilay andro hanombohana ny ady sy ho amin’ny famoizana miaramila hanaraka izany.

Krizy

Taorian’ny ady lehibe faharoa, rehefa nanjary nihanisy hatraiza hatraiza ny televiziona, dia nijanona tao an-tranony ny olona fa tsy nandeha nijery sinema. Nidina be ny isan’ny mpijery tany Etazonia, ka nihena ho antsasany tao anatin’ny folo taona monja. Trano sinema an’arivony maro no voatery nakatona, ary nihena ampahatelony ny famokarana sarimihetsika, na dia teo aza ny fampidirana filma be velarana sy feo stéréo iraizotra tamin’ireo taona 1950. Natao ny famokarana sarimihetsika nalaza noho ny fahombiazany, nandaniana dolara an-tapitrisany maro, toy ilay hoe Les Dix Commandements (1956) nataon’i Cecil B. de Mille, tamin’ny fiezahana hampifandanja io fifaninanana io. Nahita fihenana be teo amin’ny isan’ny mpijery koa ny sinema eoropeana.

Fiantraikany ara-tsosialy

Nantsoina hoe fitaratry ny fiaraha-monina ny sinema. Raha ny marina, dia sarimihetsika maro tamin’ireo taona 1970 no nampiseho taratry “ny fahasorisorena, ny tsy fahafaham-po, ny fahadisoam-panantenana, ny tebiteby, ny fironana ho fatra-piahiahy” tamin’izany fotoana izany, araka ny hita tamin’ny fahalianana indray tamin’ny sarimihetsika mampihorohoro sy ny “fahavarianana mbola tsy nisy toy izany tamin’ny satanisma sy ny asan’ny maizina”. Natao ho “fanarian-dia tamin’ny loza teo amin’ny fiainana tena izy”, ireo sarimihetsika momba ny loza. (World Cinema —A Short History). Tetsy an-danin’izany, ireo taona 80 dia nahitana izay nantsoin’ny mpanao gazety frantsay iray hoe “fiezahana tamim-piniavana hanova ho ara-dalàna ny firaisana vetaveta”. Tamin’ireo sarimihetsika naseho tao amin’ny Festival de Cannes tamin’ny 1983, ny antsasany dia nanana ho foto-kevitra ny amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy na ny firaisana amin’ny havana akaiky. Nanjary foto-kevitra niverimberina foana tao amin’ireo sarimihetsika maoderina ny herisetra. Tamin’ny 1992, ny 66 isan-jaton’ny sarimihetsika novokarin’ny Hollywood dia nisy ampahany feno herisetra. Ary raha nanan-java-kendrena, tamin’ny ankapobeny, ny herisetra tamin’ny lasa, ankehitriny izy io dia tsy misy heviny mihitsy.

Inona no vokatry ny fampisehoana toy izany? Tamin’ny Oktobra 1994, rehefa nisy olon-droa tanora tsy nanao heloka bevava teo aloha, nampiasa herisetra tany Paris ka namono olona efatra, dia voakasika mivantana ilay sarimihetsika hoe Tueurs nés, izay nisy mpivady namono olona 52. Amin’ny fomba mitombo hatrany, ireo sosiology dia maneho fanahiana mikasika ny hery ananan’ny herisetra — indrindra eo amin’ny tanora, izay mihevitra an’ireny sary ireny ho modely ara-pitondran-tena. Mazava ho azy fa tsy ny sarimihetsika rehetra no mankalaza ny herisetra na ny fahalotoam-pitondran-tena. Nisy sarimihetsika vao haingana toy ilay hoe Le Roi Lion nisongona ny sarimihetsika be mpijery indrindra teo aloha.

Rehefa nanontanian’ny gazety Le Monde any Paris ny mpanao sarimihetsika sady mpilalao malaza iray momba ny fomba nananan’ny sinema heriny teo amin’ny fiaraha-monina nandritra ny 100 taona lasa, dia namaly izy fa na dia teo aza ny hoe “nankalaza ny ady, nampiseho an’ireo jiolahy ho be herim-po, nanolotra vahaolana notsorina loatra sy fitenenana mankaleo ara-pivavahana, namorona fanantenan-javatra sandoka, sy nampandroso ny fivavahana tamin’ny harena sy ny fananana sy ny hatsaran-tarehy ara-batana tsy mankaiza ary ireo zava-kendrena tsy mijery ny zava-misy sy tsy mendrika maro be hafa” ny sinema, dia nanome ho an’ny olona an-tapitrisany maro kosa, fahafahana noraisina an-tanan-droa mba handosirana ny zava-misy henjana eo amin’ny fiainana andavanandro.

Rehefa maty ny jiro ka mandeha ny sarimihetsika, indraindray isika dia mety mbola hahatsapa ihany ilay fanintonana mahery nambabo aoka izany ny olona, maherin’ny 100 taona lasa izay.

[Efajoro/Sary, pejy 13]

Ilay “Photo-Drame de la création”

Tamin’ny faran’ny 1914, dia nisy olona sivy tapitrisa teo ho eo tany Aostralia, Eoropa, Nouvelle-Zélande, sy Amerika Avaratra, nahita maimaim-poana ilay fampisehoan’ny Fikambanana Watch Tower hoe “Photo-Drame de la création”. Ilay fandaharana naharitra adiny valo izay nisy fizarana efatra dia voaforona sarimihetsika sy sary diapositives, nampiarahina tamin’ny feo sy mozika. Samy nolokoana tamin’ny tanana ireo sary diapositives sy ireo filma. Natao mba “hampitomboana fahatakarana ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra araka izay voalazalaza ao anatin’izy io”, ilay “Photo-Drame”. Anisan’ireo zavatra nisongadina ny fivelaran’ny voninkazo iray sy ny fisehoan’ny akohokely iray vao fohy, voarakitra teo amin’ny filma tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsary toa nohafainganina.

[Sary, pejy 11]

Ilay “Cinématographe Lumière”, nahazoana fankatoavam-pamoronana tamin’ny Febroary 1895

[Sary nahazoan-dalana]

© Héritiers Lumière. Collection Institut Lumière-Lyon

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

© Héritiers Lumière. Collection Institut Lumière-Lyon

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara