Paradisa sa Toerana Fanariam-pako — Iza Amin’ireo no Tianao Kokoa?
TSY hisy olona ho diso hevitra ny aminy, fa hahafantatra azy avy hatrany ho: mpizaha tany eoropeana iray mila fialan-tsasatra tsara sy may ny hifaly amin’ny tanin’andro eo amin’ny nosy kanto iray toy ny paradisa. Raha namakivaky ireo dongom-pasika midadasika manamorona ny ranomasina izy dia nanavatsava tamim-pitandremana teo amin’ny fakofakon-tavoahangy, fatin-kapoaka, harona plastika, fonon-tsiligaoma sy fonom-batomamy, gazety sy gazetiboky tsy nilaina intsony. Hita mihitsy fa tsy faly izy no sady nanontany tena raha io ilay paradisa nanaovany dia lavitra mba hotratrarina.
Mba efa nandalo fanandraman-javatra toy izany ve ianao? Nahoana ny olona no manonofy fialan-tsasatra any amin’ny paradisa iray, kanefa raha vao tonga any izy, dia toa tsy enjehin’ny fieritreretany akory rehefa manova azy io ho toeram-panariam-pako?
Tsy any amin’ny “paradisa” ihany
Io tsy firaharahana miharihary ny amin’ny hakanton-javatra sy ny filaminana ary ny fahadiovana io dia tsy manokana ho an’ny toerana toa “paradisa” izay itangoronan’ny mpizaha tany ihany. Ireo fitambaran’olona maoderina koa dia voa mafy noho ny fandotoana saiky eny rehetra eny. Misy fandraharahana maro dia maro mahatonga fandotoana be amin’ny famoronana zavatra fanary an-taoniny maro. Ny tsy fanariana amin’ny fomba mety ireo faikan-javatra misy poizina sy ireo fihanahan’ny solitany noho ny loza tampoka dia manambana ny hanimba faritra midadasika amin’ny tanintsika, ka mahatonga azy ireny ho tsy azo iainana.
Mandoto koa ireo ady. Raha mbola feno horohoro izao tontolo izao teo am-pitazanana, dia nanampy fatrany vaovao tamin’izany ny adin’ny Golfe Persique tamin’ny 1991. Ireo tafika irakiana dia ninia nandrehitra tobin-tsolitany 600 teo ho eo, ka nanova an’i Koweït ho “fahitana mahatsiravina ny amin’ny helo”, araka ny nilazalazan’ny gazety eoropeana iray azy. Ilay gazetiboky alemanina hoe Geo dia nilaza io afobe io ho “ny loza amin’antambo lehibe indrindra nataon’olombelona tamin’ny tontolo iainana”.
Tamin’ny faran’ny adin’ny Golfe, dia nisy asa fanadiovana natomboka avy hatrany. Ny famonoana fotsiny ny afo tao amin’ireo tobin-tsolitany nirehitra dia nitaky asa mafy am-bolana maro. Nanao tatitra ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana fa ny fandotoana mitombo any Koweït dia mety hahatonga ny tahan’ny fahafatesana any, hiakatra hatramin’ny 10 isan-jato.
Tsy mampidi-doza kokoa, saingy tena mahasosotra
Isaky ny ohatra tsirairay miavaka sy mibaribary eo amin’ny fandotoana ny tontolo iainana amin’ny ambaratonga lehibe, dia misy ohatra an’arivony maro eo amin’ny ambaratonga kely. Ireo mpanipitsipy fako sy ireo “mpanakanto” mpanoratsoratra sy mpanao sarisary eny amin’ny rindrina dia mety tsy ho mpandoto hampidi-doza kokoa, kanefa na dia izany aza, dia manampy amin’ny fanesorana amin’ny planeta Tany ny fahafahany ho tonga paradisa izy ireo.
Any amin’ny toerana sasany, dia mahazatra aoka izany ireo soratsoratra eny amin’ny rindrina hany ka nanjary “jamba tsy mahita soratsoratra eny amin’ny rindrina” ny mponina an-tanàn-dehibe, ka tsy mahamarika azy ireny intsony mihitsy. Hita eny amin’ny fiarandalamby mandeha any ambanin’ny tany ireny soratsoratra ireny, eny amin’ny rindrin-trano, eny amin’ny trano kely fandefasana telefaonina. Tsy voafetra ho any amin’ny toerana fivoaham-bahoaka intsony ny soratsoratra amin’ny rindrina.
Misy tanàn-dehibe sasany feno trano noravaravana sady tsy onenana. Ireo faritra misy fonenana dia ratsy endrika noho ireo trano sy tokotany tsy voakarakara. Fatina fiarakodia, milina tsy ampiasaina intsony, ary kojakojan-javatra efa tonta no mameno fako ireo tokotany manodidina ny toeram-piompiana izay ho nanintona nahafinaritra raha tsy nisy an’ireo.
Eo amin’ny antokon’olona sasany, ny olona dia toa tsy miraharaha ny amin’ny fananana vatana tsy madio sy misavoritaka. Ny fandehandehanana eny rehetra eny amin’ny fitafiana tsizarizary dia tsy vitan’ny hoe mety ho azo ekena fotsiny fa lamaody mihitsy aza. Izay tia filaminana sy fahadiovana dia heverina ho faran’izay lamaody antitra.
Asa goavana toy inona moa izany!
Goavana toy inona moa ny asa fanadiovana manokana hilaina mba hanovana ireo torapasika sy ireo ala ary ireo tendrombohitry ny fonenantsika eto an-tany hitovy amin’ireo paradisa izay atao sary eo amin’ny fonon’ireo gazetiboky malama mamirapiratra natao ho an’ny mpizaha tany — ambonin’izany izay tsy maintsy hatao amin’ireo tanàn-dehibe, ireo tanàna sy ireo toeram-piompiana ary amin’ny olona mihitsy!
Ilay mpizaha tany voatonona etsy aloha dia faly nahita antokona mpiasa mpanadio izay nandehandeha nanerana ilay faritra nanaisotra izay fakofakon-javatra vaventy, taoriana kokoa tamin’iny andro iny. Izy ireo anefa dia namela vakin-tavoahangy, saron-tavoahangy, tsinginy kely amin’ny kapoaka, sy tapa-tsigara maro loatra ka tsy voaisa. Koa na dia taorian’ny fanadiovana iray aza, dia mbola nisy porofo maro be fa ilay faritra taza-maso dia misy ifandraisany akaiky kokoa amin’ny toerana fanariam-pako iray fa tsy amin’ny paradisa iray.
Hitaky ny fanesorana ireo sisa tavela rehetra amin’ireo zavatra manimba ireo ny fanadiovana maneran-tany iray mba hamonjena ny planeta Tany. Misy fanantenana ve fa hitranga izany fanadiovana izany? Raha izany no izy, amin’ny fomba ahoana? Iza no hanatanteraka izany? Rahoviana?