FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 3-4
  • Fifangaroan-javatra mahafaty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fifangaroan-javatra mahafaty
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanandramana hametra ny fahavoazana
  • Vidiny mihamavesatra hatrany
  • An’iza ny fahadisoana?
    Mifohaza!—1991
  • Fomba Hisorohana ny Lozam-piarakodia
    Mifohaza!—2011
  • Mifanatrika amin’ireo niharan-doza
    Mifohaza!—1991
  • Inona no Atao Rehefa Mitohana ny Fifamoivoizana?
    Mifohaza!—2007
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 3-4

Fifangaroan-javatra mahafaty

ARAKA NY filazan’ny filoham-pirenena amerikana, George Bush, dia “zava-manahirana iray lehibe” izy io; araka ny nambaran’ny Star any Afrika atsimo kosa, dia “toe-javatra mahatsiravina izany” ; ny U.S.News & World Report moa dia milaza ny amin’ny “areti-mifindra iray” ary ny vehivavy iray velom-panahiana dia mihevitra azy ho “loza ho an’ny fiaraha-monina”.

Ny amin’ny SIDA ve no asiana fitenenana eto? Tsia, fa ny loza hafa izay, any amin’ny ankamaroan’ireo tany eto amin’izao tontolo izao, dia mamono lavitra amin’izao fotoana izao noho ilay viriosy mampahatahotra. Fa inona anefa izany? Ireo vokatra ateraky ny fifangaroan-javatra mahafaty iray: ny alkaola eo am-pamiliana.

Mahafaty olona eo amin’ny 300 000 eo ho eo ny lozam-pifamoivoizana isan-taona, maneran-tany. Amin’ireo an-tapitrisany maro maratra, dia an’aliny maro no nanjary nitondra takaitra mandra-pahafaty. Eo amin’ny lafin’ny vola, dia an’aliny tapitrisa ariary maro no tombam-bidin’ny fahavoazana isan-taona. Vokatry ny fisotroana zavatra misy alkaola anefa ny ampahany lehibe amin’ireny loza ireny.

Voavinavina fa teo anelanelan’ny taona 1980 sy 1990, ny SIDA dia nahafaty olona teo amin’ny 100 000 tany Etazonia. Kanefa, nandritra io vanim-potoana io ihany, no namoizan’ny amerikana miisa ho 250 000 eo ho eo ny ainy noho ny fahamamoana eo am-pamiliana. Amin’ny ankamaroany, dia mamely mivantana ireo izay zatra mifindrafindra olona iraisana sy ireo mpampiasa zavatra mahadomelina atsindrona ny SIDA. Ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana kosa anefa, raha ny aminy, dia mamono, tsy ilay manao fahadisoana ihany fa ny tsy manan-tsiny koa.

Tsy mianina fotsiny amin’ny fanesorana ain’olona amin’ny fomba tampoka sy mahery vaika indrindra izy. Mazàna tokoa izy io no manamontsana fianakaviana ihany koa, mandentika havana, zanaka sy vady ao anatin’ny fisaonana.

Fanandramana hametra ny fahavoazana

Tsy mitandro hasasarana ny maro mba hamerana an’io onja mandripaka io. Any Etazonia, ny fikambanam-bahoaka toy ny RID (Ho amin’ny fanafoanana ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana) ny MADD (Reny manohitra ireo mpamily mamo) dia manao asa fanentanam-bahoaka, raha mbola mandeha ireo fandaharana toy ny Stop-DWI (Famongorana ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana). Manana fikambanana toy izany izay sady manampy ireo niharan-doza hampanan-kery ny zony no miady ho amin’ny fanavaozana ireo lalàna ihany koa ny tany hafa.

Eo anivon’ireo pôlisy, dia nampitomboina ny ezaka mba hanatratrarana ireo mpamily mamo, ary izany dia noho ny fanaovana fanaraha-maso ny fatran’ny alkaola ao amin’ny ra indrindra. Nisy lalàna najoro ihany koa izay nahatonga ny fanomezana zava-pisotro misy alkaola ireo mpitondra fiarakodia ho azo anenjehana araka ny lalàna. Asaina mba hanara-dalàna amin’ny alalan’ny peta-drindrina mihitsy aza ireo mpamily.

Vidiny mihamavesatra hatrany

Na dia eo aza ireo fepetra rehetra ireo, hatraiza hatraiza dia tsy mitsahatra ny mihamavesatra ny fahafatesana ateraky ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana. Any Brezila, dia fototry ny fahafatesan’ny olona iray isaky ny 21 minitra — izany hoe 25 000 eo ho eo isan-taona — ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana, ka mampiseho ny 50 % eo ho eo amin’ny fitambaran’isan’ireo izay maty eny an-dalana ao amin’io firenena io izany. Any Angletera toy ny any Alemaina, ny habetsahana dia toa eo amin’ny 20 % eo ho eo. Araka ireo loharanom-baovao samihafa, any Meksika, ny 80 % amin’ireo loza 50 000 namoizana ain’olona dia heverina fa andraikitr’ilay antsoin’ny gazety El Universal any Mexico hoe ‘ilay fahadisoan’olombelona noho ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana indrindra. ’

Voavinavina fa tompon’andraikitra amin’ny 25 % mahery amin’ireo lozam-pifamoivoizana any Afrika Atsimo ny alkaola. Any Etazonia indray, dia mandratra eo amin’ny 650 000 eo ho eo amin’ny antsalany, ka ny 40 000 aminy dia voa mafy tokoa, ireo loza ateraky ny alkaola; ary mampiseho eo amin’ny antsasak’ireo maty eny an-dalana eo ho eo ireo olona 23 000 mahery izay namoy ny ainy tamin’ireny loza ireny.

Any Etazonia, ao amin’ny fanjakan’i Washington, rehefa very ny fanantenana ny hahita ny hidinan’ny bilok’isan’ireo mpitondra fiarakodia mamo, dia nanapa-kevitra ny fikambanan’ireo niharan-doza fa handamina fifanakalozan-kevitra manodidina ny latabatra boribory, fandaharana izay nanjary tafiditra tao amin’ireo fomba fitsarana miaraka amin’ny fanamelohana ireo olona voambara fa meloka ho nitondra fiarakodia teo am-pahamamoana. Atao any amin’ny toerana maro ao amin’io tany io ilay fandaharana ankehitriny. Ny tanjony dia ny hampifanatrika ireo nandika lalàna amin’ny vokatra mampalahelo izay mety hateraky ny fihetsik’izy ireo miala andraikitra. Manery azy ireo hihaino izay tian’ireo niharan-doza sy ny mpikambana ao amin’ny fianakaviany hambara aminy ny fitsarana, mba hahatsapan’izy ireo ilay vidiny mahatsiravina aloa noho ny alkaola. Nahazo fanasana hanatrika ny iray amin’ireny fandaharana ireny ny Mifohaza!

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Dominic D. Massita, Sr./Accident Legal Photo Service of New York

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara