FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 5-7
  • Mifanatrika amin’ireo niharan-doza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifanatrika amin’ireo niharan-doza
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo niharan-doza
  • Ny olona meloka iray
  • Famaranana
  • An’iza ny fahadisoana?
    Mifohaza!—1991
  • Fifangaroan-javatra mahafaty
    Mifohaza!—1991
  • Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
    Mifohaza!—1993
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 5-7

Mifanatrika amin’ireo niharan-doza

AO AMIN’NY zaratanin’i Genesee (ao amin’ny fanjakan’i New York) no mitranga ity fisehoan-javatra ity, ao amin’ny biraon’ny fikambanan’ireo niharan-doza noho ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana. Indro eo, olona enina tafakambana ao anatin’ny alahelo, samy mampiseho ny sarin’ny iray na ny maromaro amin’ireo havany akaiky, mandray anjara amin’ny fanandraman-javatra mampahory iray: ny fanandramana hampisy dona psikôlôjika eo amin’ireo mpamily tratra ho manana fetran’alkaola mihoatra ny ara-dalàna ao amin’ny rany.

Izao manaraka eto izao dia famintinana fohy ny resaka nifanaovan’izy ireo, nataon’ny Mifohaza!.

Ireo niharan-doza

Ray iray: “Inty ny zanakay lahy, Eric. Karazan’ankizy hirin’ny ray aman-dreny rehetra hananana; mahay vazivazy, tsy ialan-tsiky ny molony. Manoloana anareo anefa ankehitriny ny ray iray mivarahontsana namoy zanakalahy 17 taona. Ireo nofinofinay, ireo fanantenanay, ny hoavinay, ny fitiavanay — izany rehetra izany dia nirodana tao anatin’ny fotoana fohy avokoa, novonoin’ny mpamily mamo.

“Mankeny am-pasana izahay mivady. Izany sisa no hany mbola mampiray anay aminy. Mamerina mamaky ireto tenin’i Eric izay nasainay nosokirina teo amin’ny fasany ireto izahay: ‘Halahelo mafy anareo aho, kanefa antenaiko fa tsy hifanalavitra akory isika rehetra; raha izany no tsy maintsy hitranga, dia hitomany aho satria ho niriko ny tsy handao anareo mihitsy. ’ Na izahay koa aza tsy naniry ny handao azy. ”

Vehivavy tanora mpitondratena iray: “Inty ny fianakaviako. Raha ilay nirava avy tamin’ny lanonan-panambadiana iray iny ny tovolahy 22 taona dia niainga nitondra ny kamiaonetiny tamin’ny fanantitranterana fa mbola vory saina tsara izy. Niditra tamim-pirimorimoana tao amin’ny lalana iray somary maizimaizina sy tsy fantany izy, tsy niraharaha ny takela-by fampahafantarana amin’ny fifamoivoizana ary nandona anay rehefa avy tsy nanaja “stop” . Ny hany tadidiko avy eo, dia ny nahatsiarovako tena nanana tratra nanaintaina. Nananosarotra tokoa, tafahiratra ihany ny masoko ary nijery tany amin’ny vadiko aho. Indro izy nihohoka teo amin’ny family. Ny zanako injao nitomany. Nanontany aho hoe: ‘fa inona no nitranga? ’

“Tsy nisy namaly. Efa maty i Bill vadiko; 31 taona izy tamin’izay. Maty ihany koa ny zanako lahimatoa, 6 taona sy ireo zanako kambana 4 taona. Tsy nisy niangana mba ho ahy afa-tsy ilay zanako vavikely 9 volana, izay naiditra hôpitaly nahazo ratra mafy teo amin’ny lohany.

“Nalevina ny alarobia maraina ny vadiko sy ireo zanako telo. Andro nanjombona; avy ny orana. Teo amin’ny fandrian’ny hôpitaly nandriako aho, nieritreritra ireo vatam-paty efatra, ireo vatana efatra torotoro, ireo olona efatra izay tsy ho hitako, tsy ho reko na hokasihiko intsony mihitsy. Ahoana no hahafahako hiaina tsy hisy azy ireo?

“Voatery nanorina fiainana vaovao niaraka tamin’ny zanako vavy aho. Namidiko ny trano; maro loatra ny fahatsiarovana namatotra ahy taminy. Tsy mbola vitako foana ny mieritreritra fa ny vadiko sy ireo zanako telo mahafatifaty dia ao am-pasana. Ny fanahiako rehetra, izay rehetra azoko nomena tamin’ny fiahiana sy fitiavana dia tsy ampy niarovana azy ireo. Tsy ampy hery ireo teny mba hilazalazana ny alaheloko, ny fahadisoam-panantenako sy ny fahatsapako tena ho manirery. Zara raha nanana fotoana niainana izy ireo.

“Ilay olona nandrava ny fianakaviako dia tsy hoe mpanao heloka bevava mafy hatoka akory, na za-dratsy amin’ny alkaola, na mpamerimberina heloka; tovolahy toy ny fahita ihany izay nirava avy tamin’ny takarivam-pikoranana iray izy io. Miaritra izao fijaliana izao aho satria nanapa-kevitra ny hitondra fiarakodia ny olona iray na dia nisotro aza. Iriko tsy hihatra aminareo mihitsy ny zavatra toy izany, na aminareo na amin’olona izay maminareo. ”

Reny iray: “Rhonda Lynn no anaran’ny zanako vavy. Tokony hahazo ny bakalôreany ny 21 Jona izy. Ny 10 Jona anefa, no nianatra nitondra fiarakodia farany izy. Tamin’io andro io, ny olona roa avy nikorana sy nisotro be dia be dia nandray ny fanapahan-kevitra ny hitondra fiarakodia tsy nieritreritra ny andraikiny. Tao anatin’ny ampahan-tsegondra monja dia nifarana ny zavatra rehetra. Maty i Rhonda sy ilay mpampianatra azy ary ny roa tamin’ireo mpiara-nianatra taminy.

“Tamin’io tolakandro io, dia naharay antso an-telefaonina aho nampandre ahy fa niharan-doza i Rhonda. Tsy nisaina afa-tsy zavatra iray monja aho: ny hankany aminy. Nony tonga teny amin’ny hôpitaly aho, dia nanoro hevitra ahy ny teny mba tsy hitady hahita azy. Kanefa nila ny nahafantatra aho. Nasaiko nosongana ilay firakotra. Nivonto nahatsiravina no sady rakotry ny ratra ny tarehiny. Nijajirika teo aho nibanjina ireto masony tsara tarehy, nikasika ny sandriny, kanefa dia tsy afaka nanao na inona na inona ho an’ity vatana torotoro afa-tsy ny nanafosafo ireto volony meva. Tsy nihontsina izy. Efa maty.

“Izaho no nanana ny andraikitra sarotra nampahafantatra ilay vaovao ny rainy sy ireo anadahiny. Hatreo, dia tsy toy ny teo aloha intsony ny fiainanay; mahatsiaro fahabangana mahatsiravina izahay. Raha mbola mba afaka mamihina azy indray mandeha indray mantsy izahay! Tsy ho toy ny teo aloha intsony mihitsy ny fiainana. Ny hany sisa tavela ho anay, dia ireo fahatsiarovana. ”

Ny olona meloka iray

Tovolahy iray: “Hafa noho izay efa renareo hatreto ny tantarako. Nanomboka izy io, 23 volana lasa izay. Tsaroako toy ny vao omaly ihany. Tamin’io hariva io, dia nandray anjara tamin’ny fifaninanana “bowling (lalao ‘boules’ na kanety be)” ilay tovovavy niaraka tamiko, ka nanapa-kevitra ny hanendry vera vitsivitsy aho eo am-pijerena azy milalao. Angamba nahalany labiera dimy na enina teo aho tao anatin’ny adiny roa sy sasany. ‘Mbà misaina, hoy aho anakampo, andraso aloha ho afaka ny adiny iray vao mitondra fiarakodia. ’

“Efa nandeha nandritra ny antsasak’adiny teo ho eo aho raha nahita “ambulance” teo amin’ny lalana. Nisy lehilahy iray koa teo ampovoan’ny arabe nandamina ny fifamoivoizana. Tratra aoriana vao hitako izy. Niezaka niala azy aho tamin’ny fanodinana haingana ny family sy tamin’ny fanitsahana ny fanisatra. Rehefa vaky niparitaka ny fitaratra anoloana, dia izao no tonga avy hatrany tao an’eritreritro: ‘Enga anie ka mba ho diera na alika! ’ Kanefa dia fantatro tsara fa tsy ho izany mihitsy. Nivoaka ny fiarakodia aho ary nihazakazaka nanatona ilay olona no sady niantsoantso hoe: ‘Mandeha ve izy izao? Eh! Mandeha ve izy izao? Tsy namaly izy. Toa hitako indray, izany izaho nijajirika teo akaikiny, nibanjina ny tarehiny. Endrika efa nosaloram-pahafatesana no teo.

“Tonga ireo pôlisy mpitandro ny fifamoivoizana an-dalambe ary nanontany ahy. ‘Tena maneho fiaraha-miasa kosa ianao, hoy izy ireo tamiko tamin’ny farany, fa saingy toa hafahafa izany famindranao sy fiteninao izany. Nisotro angaha ianao? ’ Nentin’izy ireo tany amin’ny paositry ny pôlisy aho, ary nampanaovina “alcootest (fijerena ny fatran’alkaola ao amin’ny ra)” tany. Nanana fianjatoan’ny fatran’alkaola 0,08 aho [fatran’alkaola mihoatra ny fetra ara-dalàna ekena any amin’ny ankamaroan’ireo fanjakana amerikana]. Tsy haiko ninoana ny hoe nety ho nitranga tamiko izany. Nihevitra aho fa tsy hitranga amiko mihitsy ny zavatra toy izany. Kanefa dia tena voaheloka ho namono olona tsy nahy sy nitondra fiarakodia teo am-pahamamoana tokoa aho.

“Hahazo ny diplaomako amin’ny maha-mpampianatra ahy aho iray volana atỳ aoriana. Hevero ny endrika tanan’ireo mpampianatra eo amin’ny fiaraha-monina. Antenaina amin’izy ireo ny tsy hananany tsiny amin’ny fitondrantena. Ary izany no nezahiko natao hatramin’izay. Kanefa izao dia toa hitako ho nafoiko avokoa ny zavatra rehetra.

“Voaheloka herintaona sazy mihantona aho, 19 volana tsy mahazo mitondra fiarakodia, ary nandoa lamandy 250 dôlara (375 000 FMG). Nandany faran’ny herinandro iray tany am-ponja ihany koa aho, nandany 600 ora tamin’ny asa fanasoavam-bahoaka ary nanaraka fianarana fampahafantarana momba ny alkaola nandritra ny sivy herinandro. Tsinontsinona anefa izany. Tsaroako indrindra ireo alina mahataitra ahy tampoka, ny tarehin’io lehilahy io eo anoloan’ny masoko. Tsy maintsy niatrika ny mason’ireo namako sy ny fianakaviako ihany koa aho. Toy ny hoe nilaiko ny niady mba hanohizako miaina. Tsy azoko antoka akory aza raha mbola mendrika ny hatao izany. Tsy maintsy hiverina hampianatra aho ary hiatrika ireo ankizy rehetra ireo. Tsy haiko ny tsy hanontany tena hoe firy amin’izy ireo no nahalala izay nataoko. Ary tsy lazaiko intsony ny fanenenako sy ny fahatsiarovako tena ho meloka eo imason’ny fianakavian’ilay lehilahy novonoiko.

“Ny alina nitrangan’ilay loza, dia nanao ny zavatra sarotra indrindra teo amin’ny fiainako aho: nantsoiko an-telefaonina ny reniko ary hoy aho taminy: ‘Neny a, nahafaty olona tamin’ny lozam-piarakodia aho. Avia alao aho. ’ Nony tonga izy, dia niantoraka nifamihina izahay mianaka, ary nitomany. Tsy iriko ny hiainan’olon-kafa, eny fa na dia ny fahavaloko lehibe indrindra aza, izay niainako. Ny fitondrana fiarakodia eo ambanin’ny fanapahan’ny alkaola dia loza iray izay tiako hiadiana. Rehefa mody any aminareo ianareo aorian’ity fivoriana ity, dia tsarovy izahay. Aza hadinoina mihitsy.”

Famaranana

Patricia Johnston, izay nitarika ilay fivoriana, dia namarana azy io tamin’ny fitantarana ny loza namoizan’ny rainy izay mpidoroka ny ainy. “Raha azoko natao an-tavoahangy ny alahelo ateraky ny alkaola ka azoko natao indray nigoka, hoy izy, dia tsy hisy intsony mihitsy hilàna fandaharana toy itony hafa. ”

Tamin’ny farany, dia nanontany ny prezidà raha toa ka misy manana fanontaniana. Tsy nisy nanana ny rehetra. Kanefa kosa dia maro no nilaza tamin’ny maso nanganohano hoe: “Tsy hitondra fiarakodia intsony mihitsy aho raha vao avy misotro. ”

Ny fotoana ihany no hanambara hoe firy amin’ireo nandika lalàna nampandalovina fifanatrehana toy ireny no hanaja izany voady izany. Ary dia mbola eo ihany ny lafiny mampahatahotra amin’ilay tarehin-javatra: ireo mpitondra fiarakodia an-tapitrisany maro tsy tompon’ny tenany tsara intsony izay tsy tratra.

Mampiseho ny tatitra vao haingana avy amin’ny Biraon’ny antotan’isa ara-pitsarana (miankina amin’ny ministeran’ny Fitsarana amerikana) fa tao anatin’ny herintaona dia olona efa ho roa tapitrisa no voasambotra tany Etazonia noho ny fitondrana fiarakodia eo am-pahamamoana. Kanefa manondro koa ireo tarehimarika fa, ho an’ny fisamborana iray, dia mpitondra fiarakodia mamo 2 000 no tsy tratra any amin’ireo faritany tsy misy fanaraha-maso, ka maro amin’izy ireo no mpamono olona am-perinasa.

Fa inona no nety ho nampiforona ny tontolo manodidina mpiteraka fihetsika tsy mieritreritra ny andraikitry ny tena mampidi-doza toy izany? Nahoana no tsy mahazo vokatra mampiaiky eo amin’ny ady atao amin’ny fahamamoana eo am-pamiliana ny olona? Aoka isika handinika ny sasantsasany amin’ireo antony tafiditra.

[Sary, pejy 7]

Famerenana izay zava-nitranga nandritra ny fifanatrehan’ny mpandika lalàna iray tamin’ireo niharan-doza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara