Ahoana no nanovan’ny televiziona an’izao tontolo izao
TAMIN’NY fotoam-pialan-tsasatra farany teo, dia nanova an’izao tontolo izao ho kianja filalaovam-baolina goavana ny televiziona. Foana tsy nisy olona ireo araben’i Roma, noho ireo Italiana teo amin’ny 25 tapitrisa teo ho eo mbola teo am-pijerena ny fiadiana izay ho tompon’ny amboara maneran-tany teo amin’ny lalao baolina kitra. Nitovy tamin’izany ny zava-niseho tany Buenos Aires sy tany Cameroun, atsy Afrika andrefana, izay nitsilopilopian’ireo tara-pahazavana nitovy, nanopy manga somary nanjombonjombona teny amin’ireo varavarankely raha mbola niara-nihorakoraka ny olona an-tapitrisany maro. Tany Liban, tany rotidrotiky ny ady, dia nisy miaramila nametraka televiziona teo amin’ny kalesin’izy ireo nijanona. Voavinavina fa ny 20 % tamin’ny mponina teto amin’ny planeta no nanaraka ny fihodinana farany tamin’ilay fifaninanana, ny tarehy voazavan’ny hazavana somambisamby, sondriana amin’ilay vata fahitana lavitra toy ny lolofotsy amin’ny afo.
Tsy maningana akory io zava-nitranga lehibe momba ny televiziona io. Tamin’ny 1985, dia efa ho ny ampahatelon’ny mponina maneran-tany — olona niisa ho 1 600 000 000 teo ho eo — no nijery ilay konseritra “rock” nantsoina hoe Live Aid. Nahafahana nanapariaka io fampisehoana io tany amin’ny tany 150 teo ho eo, hatrany Island ka hatrany Ghana, ny satelita teo amin’ny roa ambin’ny folo.
Koa satria hita any amin’ny toerana rehetra ny televiziona, dia eo afovoan’ny fanovana iray tsy re tsaika. Ny fiovan’ireo vata fahitana lavitr’ireo taona 20 sy 30 nisy sary nipararetra nanjary ho ireo fitaovana be kojakojany môderina izay mampitambatra ny loko amin’ny fahazavan’ny sary dia nomban’ny fitomboan’ny varotra maneran-tany aoka izany. Tamin’ny 1950, dia latsaka ny 5 tapitrisa ny televiziona teto amin’izao tontolo izao; amin’izao andro izao, dia manakaiky ny 750 000 000 ny tarehimarika.
Mampiseho tsara ny hery ananan’ny televiziona hampitambatra ny planeta ho amin’ny famoaham-baovao iray ihany ny fisehoan-javatra toy ny fiadiana izay ho tompon’ny amboara maneran-tany eo amin’ny lalao baolina kitra. Nanova ny fomba fandraisantsika ny tontolo manodidina antsika ny televiziona. Nandray anjara tamin’ny fanaparitahana mora foana hevitra sy vaovao, na harena na foto-javatra ara-kolontsaina mihitsy avy amin’ny tany iray mankamin’ny iray hafa izy io, zavatra izay voasakan’ny sisin-tany ara-politika na jeôgrafika taloha. Nanova izao tontolo izao ny televiziona. Mihevitra ny sasany fa afaka manova mihitsy ireo olona izy io.
Nanao pirinty ny Baiboliny voalohany i Johannes Gutenberg tamin’ny 1455, ka nampiova tamin’izany koa ny fomba fifandraisan’ny sarambabem-bahoaka. Azo natao hatreo ny mampita rehefa mety ho hafatra amin’ny ampahany betsaka kokoa amin’ny mponina, ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy ary amin’ny vidiny kelikely kokoa. Noho izy ireo tsy ela dia nahatsapa ny herin’ny pejy vita pirinty, ireo fanjakana dia nanandrana nametra azy tamin’ny alalan’ny fitsipi-pifehezana manokana. Kanefa dia mpamaky betsaka kokoa hatrany no voakasika. Nanamarika ny mpanoratra tantara iray atao hoe Alexis de Tocqueville tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-19 fa ireo gazety dia nanana ny hery mahagaga hampiditra hevitra iray ihany ao an-tsain’ny olona miisa ho 10 000 ao anatin’ny indray andro.
Inona àry no holazaina ny amin’ny televiziona! Afaka mampiditra hevitra mitovy ao anatin’ny saina an-jatony tapitrisa maro izy io, ary izany dia indray miaraka. Ankoatra izany, dia tsy mitaky amin’ireo izay iantefany ny fahaizana be kojakojan’ny soratra izy na ny hamoronan’izy ireo ihany ireo sary sy ireo fahatsapana an-tsaina, tsy mba toy ny amin’ireo pejy vita pirinty. Mampita ireo hafany miaraka amin’ny feo sy sary izy, mampiditra izany ao anatin’ny fanangolena rehetra azony atao.
Nahatakatra haingana ny tombony azony sintonina avy amin’ny televiziona ireo mpanao politika. Nahay nampiasa azy io tamim-pahakingana i Dwight Eisenhower, nandritra ilay fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 1952, tany Etazonia. Araka ilay boky hoe Mirimorimo — Ny fivoaran’ny televiziona amerikana (anglisy), dia nandresy tamin’ny latsa-bato izy satria niseho ho ny mpilatsaka hofidina nanintona indrindra tamin’ny fisehoany tao amin’ireo fampahalalam-baovao. Nilaza io boky io ihany fa nandray anjara, angamba mbola lehibe kokoa ihany, tamin’ny nandresen’i John Kennedy an’i Richard Nixon tamin’ny latsa-bato tamin’ny 1960 ny televiziona. Taorian’ny adihevitra an-televiziona iray, dia naleon’ny mpijery televiziona i Kennedy. Ireo mpihaino izay nanaraka ilay fifanatrehana tamin’ny radiao kosa anefa dia nampitovy lanja an’ireo lehilahy roa. Fa nahoana no nisy io fahasamihafana io? Satria raha hita ho hatsatra sy valaka i Nixon teo amin’ny efijery (écran), ilay mpifanandrina taminy izay sady natanjaka no nivolom-barahina kosa dia feno fatokiana sy fahavitrihana. Taorian’ny latsa-bato, dia nanambara toy izao i Kennedy momba ny televiziona: “Raha tsy noho io fitaovana vaovao mora ampiasaina io dia tsy ho nanana fanantenana mihitsy isika.”
Nanohy nampihatra ny hery mitaonany manerana izao tontolo izao io “fitaovana vaovao mora ampiasaina” io; hany ka nanomboka niantso azy io ho ny hery matanjaka fahatelo ny sasany. Nahatonga ho afaka hampita ireo kaika (signaux) any ankoatran’ny sisin-tany sy ny oseana ny fampiasana satelita. Nampiasa ny televiziona ho toy ny lampihazo hahazoana ny fanohanana iraisam-pirenena sy hamakiana bantsilana ireo mpifanandrina aminy ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao. Nanao azy io ho mpitondra fampielezan-kevitra any an-tanim-pahavalo ny fanjakana sasany. Ankoatra izany, toy ny nanandraman’ireo fitondram-panjakana hametra ny fiantraikan’ny famoronan’i Gutenberg raha vao hitan’izy ireo ny heriny, dia toy izany koa fa maro no nibodo ny televiziona. Efa ho ny antsasak’ireo firenena teto amin’izao tontolo izao no nanapariaka ireo fandaharany teo ambany fanaraha-mason’ny fanjakana, tamin’ny 1986.
Kanefa, nahatonga io fanaraha-maso io ho nihasarotra hatrany ireo fandrosoana ara-teknika. Mampita kaika izay azon’olon-tsotra mihitsy aza raisina amin’ny alalan’ny “antenne parabolique” somary nohakelezina ireo satelita, amin’izao fotoana izao. Ny fampiasan’ireo mpanao sarimihetsika noho ny fahafinaretana tsy tambo isaina ireo fakan-tsary kely video azo entin-tanana dia mampisy onjan-tsary mikasika ireo fisehoan-javatra rehetra mety hahaliana.
Ny CNN (Cable News Network), filazam-baovao amerikana iray, dia manangona vaovao avy amin’ny tany 80 eo ho eo sy mampita azy ireny hatraiza hatraiza maneran-tany. Noho io fampitana tsy ankijanona ary maneran-tany ny vaovao io, dia saika azo atao ny manome avy hatrany ho an’izay rehefa mety ho fisehoan-javatra ny toetra maha-iraisam-pirenena.
Tsy mianina intsony amin’ny fitantarana ireo fisehoan-javatra ny televiziona; mihamanan-kery eo amin’ny fandehany izy. Nandray anjara lehibe izy io ohatra, tamin’ireo fitohitohizana fiovana nanozongozona an’i Eoropa Atsinanana tamin’ny 1989. Tany Prague, any Tsekôslôvakia, ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-dalambe dia nitaky tamin-kiakiaka sy antsoantso ny mba “hisehoana mivantana” ao amin’ny televiziona. Ankoatra izany, raha niditra an-keriny tany amin’ireo tranom-panjakana sasantsasany, na trano mimanda, na toeram-pamaharan’ny pôlisy, ireo revolisionera teo aloha, ireo revolisioneran’ny 1989 kosa dia niady ny mba hahatafidirana ao amin’ireo tranon’ny televiziona aloha. Avy tao amin’ny iray tamin’ireny toerana ireny koa no nanombohan’ny fitondram-panjakana “roumain” nitondra ilay tany. Mety ho tsy tafahoatra mihitsy àry ny filazana ny televiziona ho ny hery matanjaka fahatelo.
Kanefa, tsy eo amin’ny pôlitika ihany no mampihatra ny hery mitaonany ny televiziona. Eo am-panovana ireo fahamboniana ara-pitondrantena sy ara-kolontsaina eo amin’izao tontolo izao koa izy. Raha ny amin’io dia voampanga matetika ho manao ‘fanjanahana ara-kolontsaina’ ry zareo any Etazonia; kianina izy ireo ny amin’ny fampanjakany ny kolontsainy amin’ny alalan’ny televiziona. Ireo mpamorona sarimihetsika amerikana no voalohany namorona, tany amin’ny faran’ireo taona 40 sy tao anatin’ireo taona 50, karazan-tsarimihetsika mitohitohy hatao varotra izay namidin’izy ireo tany ivelany tamin’ny vidiny ambany lavitra noho izay vita any an-toerana.
Nanafatra hatramin’ny 60 % tamin’ny fandaharana amin’ny televizionany i Kenia, tamin’ny fifaranan’ireo taona 80; i Aostralia, 46 %; i Ekoatera, 70 % ary i Espaina, 35 %. Avy any Etazonia ny ankamaroany. Napariaka tany amin’ny tany niisa ho 110 ny karazan-tsarimihetsika mitohitohy amerikana iray, Ilay trano bongo tany anaty akata. Ny iray hafa, Dallas, tany amin’ny tany 96. Nampiaka-peo ny sasany milaza ny alahelony ny amin’ny fihanahan’ny materialisma sy ny môdely amerikana momba ny fanjifana ary ny fanjavonan’ny endrika mampiavaka ny eo an-toerana noho ny fanaovana ny televiziona ho iraisam-pirenena.
Maro ireo tany izay miady amin’io ‘fanjanahana ara-kolontsaina’ io. Mitaraina ireo za-draharaha amin’ny haino aman-jery any Nizeria, ny amin’ny fanimban’ireo karazan-tsarimihetsika mitohitohy avy any ivelany tsikelikely ny kolontsaim-pirenena; manahy izy ireo noho ny fahatsapany fa toa mahafantatra kokoa izay mitranga any Etazonia sy any Grande-Bretagne noho izay ao Nizeria ireo mpijery televiziona nizeriana. Mahazo vahana any amin-dry zareo Eoropeana koa ny fihetseham-po toy io. Tamin’ny fivorian’ny kongresy amerikana vao haingana, dia nanambara tamin-katezerana i Robert Maxwell, mpanam-bola be eo amin’ny tontolon’ny gazety fa “tsy tokony hisy firenena hamela ny kolontsaina vahiny handresy ny azy”. Vokatr’izany, ny fanjakana sasantsasany dia nanomboka nametra fianjatoana amin’ny isan’ny fandaharana vahiny azo apariaka amin’ireo televizionam-pirenena.
Tsy ny kolontsaina irery no mizaka ny vokatr’io ‘fanjanahana ara-kolontsaina io’. Na ny planeta aza dia iharan’ireo vokany. Ny toe-tsain’ny fanjifana — ny faniriana hahazo ‘ny zavatra rehetra, izao ankehitriny izao’ — mampiavaka ny fiaraha-monina tandrefana dia manana anjara andraikitra amin’ny fandotoana ny rivotra, ny fanapoizinana ny rano ary ny fahasimban’ny tany amin’ny ankapobeny. Izany no fanamarihana nataon’ilay gazety mivoaka isan’andro londoniana hoe The Independent: “Nampamirapiratra teo anoloan’izao tontolo izao ny fahatsinjovana mampilendalendan’ny fanafahana ara-pitaovana — firoboroboana amin’ny fomba tandrefana — izay mamitaka, noho ny antony tsotra hoe tsy mety ho tratra raha tsy amin’ny fanimbana tsy azo amboarina intsony ny tontolo iainana, ny televiziona.”
Mazava fa manova izao tontolo izao ny televiziona, ary tsy ho amin’ny tsara hatrany. Misy fiantraikany manokana kokoa ihany eo amin’ny tsirairay anefa izy io. Mety ho mora voan’izany ve ianao?
[Teny notsongaina, pejy 4]
Ahafahana mampiditra hevitra iray ao an-tsain’ny olona miisa ho iray alina ao anatin’ny indray andro ny gazety.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Ahafahana mampiditra hevitra iray ao anatin’ny saina an-jatony tapitrisa maro, ary izany dia miaraka amin’izay, ny televiziona.