Fehezo ny televiziona alohan’ny hifehezany anao
FITAOVANA ahafahana manao zavatra tsy hita noanoa ny televiziona. Rehefa naniry hitaona ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana handray ny televiziona ry zareo Amerikana, dia nampanonofinofy ny filazalazany azy: Tany maro no ho voaova ho efitrano fianarana; na dia ireo faritra mitokana indrindra aza dia handray soa amin’ny fandaharam-pampianarana momba ny foto-kevitra lehibe toy ireo teknikam-pambolena, ny fikajiana ny nofon-tany ary ny famerana ny isan’ny zaza ateraka. Ho afaka hianatra ny fizika sy ny simia ireo ankizy, hahazo soa amin’ny fifanakalozana kolontsaina izay hanitatra ny seha-pahalalany.
Marina aloha fa tsy nahatohitra firy ny zava-misin’ny televiziona ara-barotra ireny fahatsinjovan-javatra nahabe fanantenana ireny, saingy tsy very antsavony avokoa ny zava-drehetra. Tamin’ny 1961, dia sady nilaza ny televiziona ho “tany malalaka midadasika”, i Newton Minow, prezidàn’ny Vaomiera amerikana momba ny fifandraisana, no niaiky fa nanana zava-bita niavaka sasantsasany sy fialam-boly mahafinaritra mampahalaza azy izy io.
Tsy misy isalasalana fa mbola marina hatrany izany. Mampahafantatra antsika ny fisehoan-javatra maneran-tany ireo vaovao an-tsary. Mampiseho amintsika zavatra izay angamba tsy ho hitantsika mihitsy amin’ny fomba hafa ireo sarimihetsika mampahafantatra ny zava-misy momba ny natiora: Ny tena hasoan’ny soikely izay, rehefa ampiadanina ny fandefasana azy an-tsary dia toy ny mitsingevaheva eny amin’ny rivotra; na ny dihy mirindra hafakelin’ny karipetram-boninkazo izay, rehefa hafainganina ny fandefasana azy an-tsary dia mipoitra avy amin’ny tany amin-doko maro be. Aoka tsy hohadinointsika ireo fihetsiketsehana ara-kolontsaina, toy ny dihy mirindra, ny konseritra sy ireo “opéras”. Ao koa ireo teatira, ireo sarimihetsika ary fandaharana hafa maro, ny sasany lehibe sy mampiseho fahiratan-tsaina, ny hafa natao hampiala voly fotsiny.
Misy koa fandaharam-panabeazana natao ho an’ny ankizy. Araka ny Fikambanana amerikana misahana ny fahasalamana ara-tsaina, dia toy ny mety hampianaran’ny herisetra an-televiziona fitiavana setrasetra ireo ankizy no mety hampianaran’ny sary mampiseho ohatra tsara azy ireo fitiava-namana sy hatsaram-panahy ary fifehezan-tena koa. Efa namonjy aina mihitsy aza ny sarimihetsika mampahafantatra ny zava-misy momba ireo fihetsika atao amin’ny vonjy taitra. Izany no nahatonga ity fanamarihana nataon’i Vance Packard ity tao amin’ilay bokiny hoe Tandindomin-doza ireo zanatsika: “Tsy isalasalana fa manohitra mafy loatra ireo ray aman-dreny leony na tofoka ka mametraka ny vata fandraisan-tsariny any amin’ny lakaly na manala izany tanteraka, raha tsy ohatra angaha hoe tsy hainy intsony mihitsy ny mifehy ny tarehin-javatra.”
Fifehezana e!
Miharihary fa raharaham-pifehezana ny zava-drehetra na mahakasika olon-dehibe na ankizy. Moa ve isika no mifehy ny televiziona sa ny televiziona no mifehy antsika? Araka ny filazan’i M. Packard azy, ho an’ny sasantsasany, ny famonjena dia mandalo amin’ny fametrahana an-dakaly ny televiziona. Nahita ny fomba tsy hahatongavana ho andevon’ny vata fahitana lavitra kanefa tsy ho voatery hamoy ireo tombontsoa avy aminy anefa ny maro hafa. Indreto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy:
✔ Raiso an-tsoratra amim-pitandremana ny fotoana laninao sy ny fianakavianao manoloana ilay vata, mandritra ny herinandro iray na roa. Totalio ary manontania tena raha mendrika ny fotoana atokanao ho azy ny televiziona.
✔ Aza mianina fotsiny amin’ny fijerena televiziona, jereo ireo fandaharana mba hifantenana ireo fandaharana mahaliana.
✔ Manokàna ho anao fotoana sasantsasany mba hiresadresahana amin’ny fianakavianao ary hanamafisana ny fatoram-pianakaviana. Aza miala amin’io fitsipika io.
✔ Manoro hevitra ny amin’ny tsy maha-tsara ny hananan’ny ankizy madinika na ny zatovo televizera any amin’ny efitranony ny manam-pahaizana manokana sasany. Mety hananosarotra kokoa ho an’ireo ray aman-dreny amin’izay ny hanara-maso izay jeren’ireo zanany.
✔ Mety ho hita ho mora ampiasaina ny “magnétoscope” raha manana fahafahana hanana izany. Amin’ny fanofana horonan-tsary video tsara na amin’ny fandraisana fandaharana tsara ao anatin’ny horonana izay azonao jerena amin’ny fotoana mety, dia azonao ampiasaina ny “magnétoscope” mba hifantenana izay jerenao eo amin’ny televizionanao. Tandremo anefa! Raha tsy mitandrina ianao, ny “magnétoscope” dia mety tsy hisy vokany afa-tsy ny hampitombo ny ora laninao manoloana ny televiziona na hamoha ny varavarana ho amin’ny horonan-tsary video mampiseho faharatsiam-pitondrantena.
Iza no mpampianatra anao?
Tena milina natao hianatra tokoa ny olombelona. Tsy mitsahatra ny manangona filazalazana izay ampitaina any amin’ny atidohantsika amin’ny firindrana singam-panazavana mihoatra ny 100 000 000 isan-tsegondra ireo vavahadin-tsaintsika. Azontsika atao ny manova, amin’ny lafiny sasany, izay raketin’io onjam-panazavana io amin’ny fanapahana izay avelantsika horaisin’ireo vavahadin-tsaintsika. Mety handoto ny saintsika toy ny handotoan’izay hohanintsika na sotrointsika ny tenantsika, izay jerentsika, araka ny anamarinan’ny tantaran’ny televiziona mazava azy.
Ahoana no hianarana izay miseho eo amin’ny tontolo manodidina antsika? Loharanom-panazavana inona no hofidina? Iza na inona no ho mpampianatra antsika? Mariho ireto tenin’i Jesosy Kristy feno fahendrena ireto: “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.” (Lioka 6:40). Raha mandany fotoana tafahoatra isika iarahana amin’ity mpampianatra atao hoe televiziona ity, dia mety hanomboka hanahaka azy, izany hoe handray ireo zavatra heveriny ho sarobidy sy ireo fotopoto-pitsipika asehony. Araka ny lazain’ny Ohabolana 13:20, “izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”
Na dia tsy mampiditra olona adala na ratsy fitondrantena ao an-tokantranontsika aza ny televiziona, dia misy zavatra lehibe tsy omeny antsika. Marina tokoa fa ho very maina foana na tsy hisy vokany velively, ny hitadiavana eo amin’ny vata fahitana lavitra, zavatra hanomezana fahafahampo kely ny filana iray iombonan’ny olona rehetra: ny fiainana ara-panahy. Angamba tena mahomby ny televiziona rehefa hoe hampiseho ny fisafotofotoana mahonena misy an’izao tontolo izao, kanefa inona no ataony mba hanazavana amintsika ireo antony mahatonga ny olona toa tsy ho afaka hanapa-tena? Angamba tena mahomby izy rehefa hoe hampiseho ireo hakanton’ny zavatra noforonina, kanefa inona no mba ataony hampifanatonana antsika amin’ny Mpamorona? Angamba afaka mitondra antsika any amin’ny vazan-tany efatra izy, kanefa afaka milaza amintsika ve izy raha ho afaka hiaina eto amim-piadanana ny olona indray andro any?
“Ny varavarankely iray mivoha eo anoloan’izao tontolo izao” dia tokony hitondra valin’io raharaha ara-panahy tena lehibe io. Izany indrindra anefa no manome vidiny lehibe ny Baiboly. Mahaforona “varavarankely iray mivoha eo anoloan’izao tontolo izao” izy io, mifototra amin’ny fomba fijerin’ny Mpamorona. Nosoratana izy io mba hanampiana antsika hahatakatra hoe inona no zava-kendren’ny fiainana ary mba hanomezana antsika fanantenana mafy orina raha ny amin’ny hoavy. Hita mora foana ao ny valin’ireo fanontaniana mitana ny saina indrindra mety hatao amin’ny tena momba ny fiainana. Tsy miandry afa-tsy ny hamantarantsika azy ao amin’ireo pejiny izay tena mahaliana tokoa, ireny valiny ireny.
Kanefa raha tsy fehezintsika ny televiziona, aiza no hahitantsika fotoana ho amin’izany?