Toko Faha-36
Ahoana no Ahafahako Mifehy ny Fahazarako Mijery Tele?
HO AN’NY olona maro, na tanora na antitra, ny fijerena televiziona dia fahazarana manandevo. Ireo fanadihadiana natao dia mampiseho fa hatreo amin’ny faha-18 taonany, ny tanora amerikana iray dia ho nijery televiziona nandritra ny 15 000 ora eo ho eo! Ary manjary miharihary fa tena fahazarana manandevo marina ilay izy rehefa mitady hiala aminy ny mpijery “raikitra” sasany.
“Hitako ho toa mila tsy ho azo toherina ny fisintonan’ny televiziona. Rehefa mandeha izy io, dia tsy afaka ny mody tsy mahita azy aho. Tsy afaka manapika azy aho. (...) Rehefa handeha haninjitra ny tanako mba hanapihana azy aho, dia miala amin’ny sandriko ny hery; hany ka mipetraka mijery eo tsy an-kiato mandritra ny ora maro aho.” Tanora tsy matotra ve no milaza izany? Tsia, fa mpampianatra teny anglisy iray any amin’ny oniversite! Ny tanora koa anefa dia afaka ny tsy ho afa-miala amin’ny fijerena tele. Mariho ny fihetsiky ny sasany tamin’ireo nanaiky hisian’ny “Herinandro Tsy Misy Tele”:
“Tao anatin’ny fahaketrahana aho (...) Lasa adala mihitsy aho.” — Susan, 12 taona.
“Angamba aho tsy ho afa-miala amin’io fahazarana io mihitsy. Tiako loatra ny mijery tele.” — Linda, 13 taona.
“Nahery tsy nisy ohatra izany ny fanerena hijery. Tsapako foana ilay faniriana hijery. Ny mafy indrindra dia tamin’ny alina, teo anelanelan’ny tamin’ny valo sy tamin’ny folo ora.” — Louis, 11 taona.
Tsy mahagaga àry raha ny ankamaroan’ireo tanora nandray anjara tamin’io “Herinandro Tsy Misy Tele” io no nankalaza ny faran’izany tamin’ny firiotana toy ny adala nankeo amin’ilay vata fahitalavitra. Tsy zavatra natao hampihomehy anefa ny fahazarana manandevo hijery televiziona fa mitondra zava-manahirana tena lehibe maro be kosa. Diniho fotsiny ny sasantsasany amin’izy ireo:
Naoty ratsy: Ny Sampan-draharaham-pirenena Momba ny Fahasalamana Ara-tsaina (any Etazonia) dia nilaza fa ny fijerena televiziona tafahoatra dia mety hitarika ho amin’ny “vokatra ratsy kokoa any am-pianarana, indrindra fa eo amin’ny famakian-teny”. Manome izao fiampangana fanampiny izao ny boky The Literacy Hoax: “Ny televiziona dia mahatonga ny ankizy hanantena fa tokony ho mora, tsy misy fanaovana ezaka ary toy ny fialam-boly ny fianarana.” Araka izany, dia mety ho hitan’ilay olona andevozin’ny televiziona ho fahoriana be ny mianatra.
Tsy fitiavana hamaky teny: Oviana no farany nandraisanao boky iray sy namakianao azy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany? Nitaraina toy izao ny solontenan’ny fikambanana alemanina momba ny famoaham-boky: “Nanjary firenena voaforon’olona mody avy miasa ka resin-tory eo anoloan’ny televiziona isika. Mihamihena hatrany hatrany ny famakiantsika teny.” Ny tatitra iray avy any Aostralia dia milaza zavatra mitovy amin’izany toy izao koa: “Raha mandany adiny iray hamakian-teny ny ankizy aostralianina iray, dia adiny fito no laniny hijerena televiziona.”
Miha-tsy misy fiainam-pianakaviana: Hoy ny nosoratan’ny vehivavy kristiana iray: “Noho ny fijerena televiziona be loatra (...) dia nanjary nanirery aoka izany aho ary nahatsiaro tena ho natokantokana. Toy ny hoe olon-tsy fantatro daholo ny fianakaviako.” Hitanao toy izany koa ve fa, noho ny televiziona, dia mihamihena ny fotoana iarahanao amin’ny fianakavianao?
Fahakamoana: Misy mihevitra fa ilay tsy fihetsehana mifandray amin’ny televiziona mihitsy dia “mety hahatonga [ny tanora iray] hanantena fa ireo zavatra [ilainy] dia ho azony tsy misy fanaovana fiezahana sy amin’ny tsy fanaovana na inona na inona eo anoloan’ny fiainana”.
Fifampikasohana amin’ny fitaomana maloto: Ny fandaharana amin’ny televiziona câble sasany dia mitondra ny sary porno ao an-tokantrano. Ary ny fandaharana tsotra dia manolotra tsy an-kijanona lozam-piarakodia, fipoahan-javatra, tsatoka antsy, fitifirana amin’ny basy ary daka karate. Araka ny fanombanana iray, ny tanora amerikana iray dia hahita vonoana olona 18 000 ao amin’ny televiziona mandra-pahatongan’ny faha-14 taonany, ary tsy lazaina intsony ny ady totohondry sy ny fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony.
Ilay mpanao fikarohana britanika atao hoe William Belson dia nahita fa ireo ankizilahy kely mivelona amin’ireo fandaharana feno herisetra amin’ny televiziona dia azo inoana kokoa fa “hanjary hanao zavatra feno herisetra lehibe”. Nanambara koa izy fa ny herisetra ao amin’ny televiziona dia mety hampirisika “ny fanompana sy ny fitenenan-dratsy, ny fironana hiady eo amin’ny fanatanjahan-tena sy ny lalao, ny fandrahonana hampiasa herisetra amin’ny ankizilahy kely hafa iray, ny fanoratsoratana eny amin’ny rindrina, [ary] ny famakiana fitaratra”. Na dia mety hieritreritra aza ianao fa tsy handaitra eo aminao izany fitaomana izany, ny fandinihana nataon’i Belson dia nahitana fa ny fifampikasohana amin’ny herisetra ao amin’ny televiziona dia tsy “nanova ny fomba fihevitra amim-pahalalana tsara ananan’[ireo] ankizilahy kely eo anoloan’ny” herisetra. Ny fijerena herisetra tsy tapaka dia toa nandrava tsikelikely ireo sakana apetraky ny sainy tsy amim-pahalalana akory eo anoloan’ny herisetra.
Ny zavatra mampanahy kokoa anefa dia ny vokatra mety hoentin’ny fahazarana manandevo mijery herisetra ao amin’ny televiziona eo amin’ny fifandraisan’ny tena amin’Andriamanitra izay ‘mankahala izay rehetra tia herisetra’. — Salamo 11:5, NW.
Ahoana no ahafahako mifehy ny fijereko televiziona?
Izany akory tsy voatery hidika fa tsy maintsy horaisina ho toy ny zava-dratsy tanteraka ny televiziona. Manamarika toy izao ilay mpanoratra atao hoe Vance Packard: “Be dia be amin’izay aseho ao amin’ny televiziona amerikana no mety hahitan-tsoa (...) Matetika, eo am-piandohan’ny takariva, no ahitana fandaharana izay maha-te hidera noho ireo sary mampiseho ny zavaboary — ny fomba fiainan’ireo ramanavy, fosa, biby dia lehibe ary hazandrano madinika. Manolotra fandaharana mahazendana mampiseho ballets, opéras ary musique de chambre ny televiziona. Tena tsara aoka izany ny televiziona raha ny amin’ny fampahafantarana ireo zava-miseho lehibe (...) Indraindray dia misy fampisehoana tantara an-tsehatra mendrika ny hojerena ao amin’ny televiziona.”
Na dia izany aza, dia mety hanimba ny zavatra tsara be loatra. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 25:27.) Ary raha hitanao fa tsy ampy fifehezan-tena mba hanapihana fandaharana manimba ny tenanao, dia tsara ny hitadidianao ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.” (1 Korintiana 6:12). Ahoana àry no ahafahanao manafa-tena amin’ny fanandevozan’ny televiziona sy mifehy ny fijerenao azy?
Manamarika toy izao ilay mpanoratra atao hoe Linda Nielsen: “Ny fifehezan-tena dia manomboka amin’ny fianarana hametra zava-kendrena.” Voalohany aloha, dia fakafakao ireo fahazaranao amin’izao fotoana izao. Mandritra ny herinandro, dia mariho tsara izay fandaharana jerenao, ary koa ny fotoana laninao isan’andro eo anoloan’ilay vata. Moa ve ianao mandefa azy io raha vantany vao miditra ao an-trano? Amin’ny fotoana toy inona ianao no manapika azy? Firy ireo fandaharana “tsy azo avela handalo fotsiny” aseho isan-kerinandro? Mety ho taitra ianao hahita ny valin’ireo.
Avy eo, dia fakafakao tsara ireo fandaharana nojerenao. “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?”, hoy ny fanontanian’ny Baiboly. (Joba 12:11). Mampiasà àry fahaiza-manavaka (ampiarahinao amin’ny torohevitry ny ray aman-dreninao) mba hamantarana izay fandaharana tena mendrika ny hojerena. Misy manapa-kevitra mialoha ny amin’izay fandaharana hojereny ary tsy mandefa ny televiziona afa-tsy amin’ireny fandaharana ireny ihany! Ny hafa kosa manaraka fomba fanao henjana kokoa, toy ny tsy fijerena televiziona amin’ny andro fianarana na ny famerana ny fijerena televiziona ho adiny iray isan’andro.
Ahoana anefa raha maka fanahy tsotra izao ny vata fahitalavitra mangina eo akaiky eo? Nandamina izany zava-manahirana izany tamin’izao fomba izao ny fianakaviana iray: “Avelanay any ambany rihana ny telenay mba tsy ho mora azo (...) Rehefa any ambany rihana ilay izy, dia kely kokoa ny fakam-panahy handefa azy isaky ny miditra ny trano. Voatery manao ezaka fanampiny ianao vao afaka hijery tele.” Mety handaitra toy izany koa ny fametrahana ny telenao ao anaty lalimoara, na ny famelana azy tsy hifandray amin’ny herin’aratra.
Mahaliana fa anisan’ireo ‘fahoriana vokatry ny fialana’ rehetra tsapany nandritra ilay ‘Herinandro Tsy Nisy Tele’, dia hitan’ireo tanora nandray anjara tamin’izany fa misy zavatra tsara azony asolo ny televiziona. Nahatsiaro toy izao ny ankizivavy iray: “Niresaka tamin’i Neny aho. Nanjary olona nahaliana kokoa teo imasoko izy, satria tsy voazarazara taminy sy tamin’ny televiziona ny fahalianako.” Ny ankizivavy hafa iray dia nandany ilay fotoana nianarana nahandro sakafo. Ny ankizilahy iray antsoina hoe Jason aza dia nahita fa nahafinaritra kokoa ‘noho ny televiziona ny fitsangantsanganana tany amin’ny zaridainam-bahoaka’, na ny fanjonoana, ny famakian-teny na ny fandehanana eny amoron-dranomasina.
Ny nitranga tamin’i Wyant (jereo ilay lahatsoratra fanampiny mitondra ny lohateny hoe “Nandevozin’ny Tele Aho”) dia mampiseho fa ny fanalahidy hafa iray hifehezana ny fijerena televiziona dia ny fananana “zavatra be dia be hatao eo amin’ny asan’ny Tompo”. (1 Korintiana 15:58, NW ). Ho hitanao koa fa ny fanatonana akaiky an’Andriamanitra, ny fianarana ny Baiboly amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara be dia be ananantsika, ary ny fanaovana mandrakariva ny asan’Andriamanitra dia hanampy anao handresy ny fahazarana manandevo hijery televiziona. (Jakoba 4:8). Marina fa ny famerana ny fijerenao televiziona dia hidika fa tsy hahita ny sasany amin’ireo fandaharana tianao indrindra ianao. Kanefa nahoana ianao no tsy maintsy hampiasa ny televiziona amin’ny fomba feno, ka hanaraka amim-panandevozana ny fandaharana tsirairay asehony? (Jereo 1 Korintiana 7:29, 31, NW.) Tsara kokoa raha ‘sarotiny mafy’ amin’ny tenanao ianao, toy ny nataon’ny apostoly Paoly tamin’ny tenany, izay nilaza indray mandeha hoe: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko”. (1 Korintiana 9:27). Moa ve izany tsy tsara kokoa noho ny ho andevon’ny vata fahitalavitra?
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ny fijerena televiziona no azo antsoina hoe fahazarana manandevo ho an’ny tanora sasany?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo vokatra tena manimba entin’ny fijerena televiziona tafahoatra?
◻ Inona avy no fomba sasantsasany hifehezana ny fijerena televiziona?
◻ Inona no azonao atao ho solon’ny fijerena televiziona?
[Teny notsongaina, pejy 295]
“Tao anatin’ny fahaketrahana aho (...) Tena lasa adala mihitsy aho.” — Susan, 12 taona, nandray anjara tamin’ilay “Herinandro Tsy Misy Tele”
[Efajoro, pejy 292, 293]
‘Nandevozin’ny Tele Aho’ — Fanadinadinana Iray
Mpanadinadina: Firy taona ianao fony ianao nanjary tsy afa-niala tamin’ny fijerena tele?
Wyant: Folo taona teo ho eo. Raha vao nody avy nianatra aho, dia nandefa ny tele. Voalohany aloha, dia nijery ireo dessins animés sy ireo fandaharana ho an’ny ankizikely aho. Avy eo, dia nandeha ny vaovao, (...) ary nankany an-dakozia aho hitady zavatra hohanina. Taorian’izany, dia niverina teo anoloan’ny tele aho ary nijery mandra-paha-ta hatory.
Mpanadinadina: Ary oviana ianao no nanam-potoana ho an’ireo namanao?
Wyant: Ny tele no namako.
Mpanadinadina: Tsy nanam-potoana hilalaovana na hanaovana fanatanjahan-tena mihitsy izany ianao?
Wyant: [mihomehy] Tsy mahay manao spaoro aho na dia kely aza. Satria aho tsy nanao afa-tsy nijery tele, dia tsy nianatra nanao spaoro mihitsy. Tsy mahay baskety aho. Ary nandritra ny taranja fanatanjahan-tena, dia izaho foana no nofidina farany. Tahaka izay aho anefa nampitombo kokoa ny fahaizako spaoro — tsy hoe mba hireharehana, fa mba hahafahako hahita fahafinaretana fotsiny fara faharatsiny.
Mpanadinadina: Ahoana ny amin’ireo naotinao?
Wyant: Mbola nety ihany aloha tany amin’ny ambaratonga voalohany. Niari-tory aho mba hanaovako ireo entimodiko tamin’ny minitra farany. Fa lasa sarotra kokoa ilay izy tany amin’ny lise, satria tsy nianatra ny fahazarana hianatra aho.
Mpanadinadina: Nisy fiantraikany teo aminao ve izany fijerena tele rehetra izany?
Wyant: Ia. Indraindray, rehefa niaraka tamin’olona aho, dia nijery azy ireny fotsiny — toy ny hoe nijery fandaharana amin’ny tele misy olona miresaka — fa tsy nandray anjara tamin’ilay resaka. Tahaka izay aho mba nahay nifandray kokoa tamin’olona.
Mpanadinadina: Nety tsara mihitsy hatramin’izao ny nataonao tamin’ity fifampiresahana ity. Hitako fa efa afaka tamin’io fahazarana nanandevo anao io ianao.
Wyant: Nanomboka nanafa-tena tamin’ny fijerena tele aho taorian’ny nidirako tany amin’ny lise. (...) Nitady ny hifanerasera tamin’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah aho ary nanomboka nandroso teo amin’ny ara-panahy.
Mpanadinadina: Inona anefa no nifandraisan’izany tamin’ny fijerenao tele?
Wyant: Arakaraka ny nitomboan’ny fankasitrahako ireo zavatra ara-panahy, no nahatakarako fa maro tamin’ireo fandaharana nojereko no tsy dia tena natao ho an’ny Kristiana loatra. Ambonin’izany, dia tsapako fa nila ny nianatra bebe kokoa ny Baiboly sy nanomana ireo fivoriana kristiana aho. Izany dia nidika fa tsy maintsy nanajanona ny ankamaroan’ny fijereko tele aho. Tsy mora anefa ilay izy. Tena tiako ireo dessins animés amin’ny asabotsy maraina. Kanefa tamin’izay, dia nanasa ahy hiaraka aminy teny amin’ny asa fitoriana isan-trano ny asabotsy maraina ny rahalahy kristiana iray tao amin’ny kongregasiona. Nampitsahatra ny fahazarako nijery tele ny asabotsy maraina izany. Ary tamin’ny farany, dia tena nianatra ny hampihena ny fijereko tele aho.
Mpanadinadina: Ahoana ny amin’izao fotoana izao?
Wyant: Mbola eo ihany ny tsy fahavitako na inona na inona rehefa mandeha ny tele. Noho izany dia tsy alefako akory ilay izy amin’ny ankamaroan’ny fotoana. Raha ny marina aza, dia simba ny teleko volana vitsivitsy lasa izay, ary tsy nisahirana nanamboatra azy akory aho.
[Sary, pejy 291]
Fahazarana manandevo ny fijerena televiziona ho an’ny olona sasany
[Sary, pejy 294]
Rehefa apetraka eo amin’ny toerana manavia iray ny televiziona, dia ho kely kokoa ny fakam-panahy handefa azy