FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/10 p. 20-22
  • Ny kôlera. Fitantarana valanaretina iray any Afrika andrefana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny kôlera. Fitantarana valanaretina iray any Afrika andrefana
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy misy antony tokony hatahorana”
  • Vaky bantsilana ilay vaovao
  • Mitohy ny ady
  • Aretina Nampahatahotra Indrindra
    Mifohaza!—2010
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Mifohaza!—1997
  • Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—2015
  • Fitomboan’ny Fitrangan’ny Vaovao Ratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/10 p. 20-22

Ny kôlera. Fitantarana valanaretina iray any Afrika andrefana

Avy amin’ny masoivohonay any Afrika andrefana

DESAMBRA: Vehivavy iray efa zokinjokiny no voa voalohany. Nanomboka nivalana nandranoka sy naharitra izy. Avy eo dia nandoa. Nivonkina ny siraky (muscle) ny kibony sy ny feny. Nihahaingana ny fisefony no sady nalefaka dia nalefaka, nikentrona ny hodiny ary nihalalina ny masony. Valo amby efapolo ora taorian’izay dia maty izy.

Ny ampitson’io, dia nampiseho fambara aretina mitovy amin’izany ny olona hafa iray tao amin’io trano io ihany, avy eo dia ny hafa iray koa. Taoriana kelin’izay, dia voa koa ny mpifanolobodirindrina sasantsasany. Nipoitra tany amin’ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra nanodidina ilay aretina avy eo. Nitovy hatrany ny zava-nitranga — fivalanana matetika, fandoavana, ary fahafatesana iray amin’ny telo.

Nandinika ny dikin’ny marary maromaro ny “institut Pasteur” ary nanamafy izay nahin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana indrindra. Ilay loza namely firenena 93 tao anatin’izao 25 taona faramparany izao ihany no nitranga, aretina iray mandringana aoka izany hany ka na dia ny fanononana ny anarany fotsiny aza dia mampihoron-koditra: ny kôlera!

Nanana fahafahana aho nahita, tao amin’ny renivohitry ny tany iray eto Afrika andrefana, ny loza tsy misaraka amin’ny fihanahan’io aretina mampahatahotra io. Toy izao no fomba nisehoan’ireo zava-nitranga tamin’io taona io:

“Tsy misy antony tokony hatahorana”

13 febroary: Raha mbola miely ny siosio, ny gazety iray dia mamoaka eo amin’ny pejy voalohany ny hoe: “Aretin-kibo mampivalana: 70 no maty, kanefa mihatsara ny tarehin-javatra.” Manome toky ireo mpamaky azy ilay lahatsoratra fa “tsy misy antony tokony hatahorana valanaretina kôlera iray mihitsy”.

25 aprily: Nanontany ny dokotera L. Bakkaa, mpitsabo aretin-jaza sy tompon’andraikitra amin’ny fandaharam-pirenena momba ny fizahana ny fototra ipoiran’ireo aretina mampivalana aho, raha toa ka marim-pototra ilay siosio maharitra momba ny kôlera. “Eny, hoy izy. Misy ny kôlera ary tena miely aoka izany. Amin’ny faritra 13, dia 10 no voa.”

Nanontany ny amin’ny hahatsara ny hanaovana vaksiny ny mponina aho. “Tsy hanao vaksiny ny olona izahay, hoy izy. Tsy dia mampiova zavatra betsaka ny fanandramana misoroka na manakana ny fihanaky ny valanaretina iray. Tsy maharitra afa-tsy telo ka hatramin’ny enim-bolana ny fahatoherana aretina azo avy amin’ireo vaksiny amin’izao andro izao.”

Gaga aho: “Te hilaza ve ianao hoe tsy manampy mihitsy amin’ny fisakanana valanaretina iray ireo vaksiny?”

“Tsia, ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (O.M.S) no manantitrantitra izany.”

“Moa ve vita vaksiny ny tenanao manokana?”

“Tsia. Kanefa aho dia efa nandeha tany amin’ny faritra maro izay namelezan’ny kôlera, ary efa nitsabo marary maro voan’io aretina io.”

Nanazava tamiko ny dokotera Bakka fa ny bakteria mahatonga ny kôlera dia karazana vibriona iray, miditra ao amin’ny taova amin’ny alalan’ny sakafo na ny rano misy otrikaretina. Mijanona ao amin’ny tsinay ny otrikaretina, mitombo ao ary mamoaka zavatra voapoizina mahatonga ny fivalanana matetika sy ny fandoavana. Ireny vibriona ireny avy eo dia afaka, amin’ny alalan’ny tanana tsy voasasa, ny ho tafiditra ao anatin’ny rano fisotro na ao amin’ny sakafo — ary dia mihanaka ny aretina.

Nanondro ny vavany ilay dokotera no sady nanampy hoe: “Izay miditra ao anatin’ity no tena zava-dehibe.” Lazaina koa hoe: “Mihinana sy misotro kôlera ianao, fa tsy hoe voany.”

Mety ho azo heverina ve ny hahatratraran’ny aretina ny renivohitra? “Efa mitranga izany, hoy ny dokotera Bakka. Androany, dia marary dimy no niditra hôpitaly.”

7 May: Noho izy tsy ampy fitaovana dia sarotra ho an’ny hôpitaly ny miatrika valanaretina kôlera. Atokan-toerana ao amin’ny efitrano lehibe iray, manana ngorodona vita amin’ny rihibato ary tsy misy afa-tsy fitaovana mampisy tso-drivotra madio ao an-trano tokana, mihantona eny amin’ny valin-drihana, ireo marary. Lavitra loatra ireo efitrano fivoahana ka tsy afaka mampiasa izany izy ireo; angonina amin’ny tavin-drano fidiovana ary amin’ny “seaux” plastika ny diky ary vonoina ny otrikaretina aminy alohan’ny hamotehana azy. Tafakatra ho 12 ankehitriny ny isan’ny niditra hôpitaly — lehilahy, vehivavy ary ankizy roa. Hita misoritra eny amin’ny endrik’izy ireo ny fanaintainana sy ny harerahana.

Matory amin’ny dabilio hazo ireo marary. Tsy manana fandriana, na sampan-draharaha mikarakara sakafo, na efitrano manokana ny hôpitaly. Kanefa, dia tsy misy mitaraina. Aina no atolotra ireo tra-doza, efa kaoka sy mikentrona hoditra eto, aina amin’ny endriky ny ranoka nandevonan-javatra mifangaro fiziôlôjika: ao anatin’ny kitapo plastika mahalany iray litatra misy soratra hoe “Ringer lactate”, mamelona ny vatan’izy ireo amin’ny alalan’ny lalandra io ranoka io.

Nianarako fa ny fahaverezan-drano ao amin’ny tena no mahafaty ireo voan’ny kôlera. Mahatonga ny fahaverezan’ny rano sy ny mineraly, tena ilaina mba hahavelona, ao amin’ny taova ny fivalanana matetika sy ny fandoavana; mihasimba àry ny vatana ary fahafatesana no aterak’izany. Manolo ny rano very ao amin’ireo tambatsela ireo fampidirana “lactate”: soloana ny rano very mba hihazonana ny fifandanjan-drano mandra-pijanon’ny fivalanana sy ireo fandoavana — ao anatin’ny andro vitsivitsy amin’ny ankapobeny. Hahafahana mamono ireo vibriona sy hanafohy ny faharetan’ny aretina ny fitsaboana amin’ny “tétracycline”.

Vaky bantsilana ilay vaovao

29 May: Mampiely ny radiao britanika iray, mandritra ny fandaharana filazam-baovao, fa miisa ho 300 ka hatramin’ny 600 ny olona matin’ny kôlera tao amin’ilay tany. Fantatro ny iray tamin’izy ireny. Tamin’ny rainy nandeha niasa, dia mbola nilalao tsara izao ilay zazalahy kely. Nony tonga avy niasa ny rainy ny hariva, dia efa maty ny zanany.

Ny tolakandro, dia nandray fanapahan-kevitra ny handefa any amin’ny kongregasiona rehetra ao amin’ilay tany, fampahafantarana manazava amin’izy ireo ny fomba hiarovan-tena amin’ilay aretina, ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana.

2 Jona: Napetraka tao amin’ny efitrano misy ireo voan’ny kôlera amin’izao fotoana izao ny fandriana voarakotra lamba tsy mety lena. Marary vaovao eo amin’ny roa ambin’ny folo no aiditra hôpitaly isan’andro. Ny sasany efa tsy mahahetsika intsony no tonga eny amin’ny hôpitaly no sady reraka loatra ka tsy azo tsaboina amin’ny famerenana ny rano very sotroina intsony (T.R.O. thérapeutique de réhydratation orale); ampidirana “lactate” àry izy ireo, ary matetika ao anatin’ny adiny iray voalohanyb dia mahazo 3 na 4 litatra izy. Mivoaka ny hôpitaly izy ireny aorian’ny iray na roa andro. Ireo marary izay tsy dia tena voa mafy dia tsaboina amin’ny T.R.O. ary afaka mody any aminy aorian’ny ora vitsivitsy.

Tahirina “Ringer lactate” sy “T.R.O.”, nalefa be dia be ho an’io tany io, no naondrana haingana ho any amin’ireo tobim-pitsaboana any amin’ny provansa, izay mitady izany betsaka kokoa noho ny any an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Mihoatra ny 600 000 ny fatrana T.R.O. efa voazara sahady. Nanome fiarakodia hitaterana ireo antoko-mpiasan’ny fahasalamana sy fitaovana ho any amin’ireo faritra tsy ampy izany ny fanjakana. Najoro ny fampielezan-kevitra fampahafantarana mba hanazavana amin’ny mponina ny fomba hiarovan-tena amin’ilay aretina sy izay tokony hatao rehefa miseho ny fambara aretina. Nampitaina tamin’ny alalan’ny radiao, nosoratana pirinty fohy na koa naparitaka tamin’ny alalan’ny fiarakodia nasiana fanamafisam-peo izay mivezivezy eny amin’ny araben’ny renivohitra ireny filazana ireny.

10 Jona: Tampon’isa amin’ny marary 71 no naiditra hôpitaly tao amin’ny sampam-pitsaboana ho an’ireo voan’ny kôlera. Tafakatra ho 15 amin’izao fotoana izao ny isan’ny mpanampy ny mpitsabo miasa ao amin’ilay hôpitaly. Manampy azy ireo hanome ireo fikarakarana ilaina ny sasantsasany amin’ny fianakavian’ny marary. Feno hipoka ilay efitrano: roa isaky ny fandriana ireo marary, ny sasany aza matory amin’ny tany.

Tonga ny olona, mitondra am-babena ireo voan’ny kôlera. Ny sasany nandeha an-kilaometatra maro toy izany, rakotry ny diky. Azo vakina, ao amin’ny mason’izy ireo mitalaho ny hoe: ‘Azonao vonjena ve ny zanako? ny anadahiko? ny reniko?’

21 Jona: Namoaka izao filazana izao ny gazety iray: “Ny ministeran’ny fahasalamana (...) dia manamafy etoana amin’ny vahoaka fa tsy misy mihitsy antony tokony hampitaintaina na haharesin-tahotra.” Kanefa dia resin’ny tahotra marina tokoa ny olona! Mahare feo izy ireo fa mitohy ihany ny fanangonana “Ringer lactate”. Manjary midangana be ny saran’ny fiarakaretsaka hitondrana ireo marary voan’ny kôlera eny amin’ny hôpitaly — rehefa tsy mandà tsotra izao ny hitondra azy ny mpamily. Hita ireo ankizy, eny an-dalana ho any am-pianarana, manampim-bava sy orona amin’ny tanany rehefa mandalo eo anoloan’ny hôpitaly itsaboana ny kôlera. Ny olona sasany dia manao zavatra tsy amim-piheverana ka mihinana “tétracycline” isan’andro, amin’ny fanantenana amin’izany ny tsy ho tratran’ny aretina.

Eny amin’ny hôpitaly, manombo-dresaka amin’ny Alafia, mpianatra ho mpanampy ny mpitsabo aho. Hita ho velom-panahiana izy. “Tratran’ny kôlera ny mpahandro iray ao amin’ny akany misy anay! hoy izy somary nihiaka. Nisy naka fialan-tsasatra ireo mpanampy ny mpitsabo mba tsy hiatrehana ny valanaretina.”

Tsy ny rehetra anefa no malaina mitondra ny fanampiany. Lehiben’ireo mpanampy ny mpitsabo ao amin’ny hôpitaly iray itsaboana ireo voan’ny kôlera i Susan Johnson. Amin’ny ankapobeny, dia olona sariaka izy; fa kizitina izy androany. Tamin’ny fotoana nidirako tao amin’ilay sampam-pitsaboana iny indrindra, dia naka vera baoritra ny havan’ny marary iray ary nanatsoboka izany tao anatin’ny fitoeran-drano madio. “Aza ataonao ao anatin’io ny tananao! hoy izy nihiaka. Amin’ny alalan’ny rano misy otrikaretina anie no ifindran’ny aretina e!” Nijery ahy izy ary niteny tamin’ny endrika diso fanantenana hoe: “Tena tsy takatr’izy ireo mihitsy.”

Mitohy ny ady

1 Septambra: Miisa ho 10 200 ny fisehoana kôlera, 796 no maty, ao amin’ilay tany manontolo, isa ôfisialy. Ireo antony lehibe indrindra mahatonga fahafatesana eo amin’ireo tra-doza dia, na ny tsy fahampian’ny fitsaboana, na ny fitsaboana diso aoriana loatra vao natao.

Ao amin’ny renivohitra izay nisy marary 3 341 nampidirina hôpitaly, ny isan’ny narary maty dia 1 isaky ny 93, ary ny ankamaroan’ireo izay maty dia efa teo ambavahoana tamin’ny fahatongavany. Ny sasany, noho ny fahaverezan-drano be loatra dia tsy mahatsiaro tena intsony. Rehefa tonga amin’izany ambaratonga izany ny aretina, dia mihamarihitra ny ra, manjary mainty ary mikainkona ny lalandra. Ny fitsaboana vonjy taitra àry dia ny fampidirana mivantana “Ringer lactate” eo amin’ny mpamerindra eo amin’ny tenda (veine jugulaire) na eo amin’ny mpanelira eo amin’ny fe (artère femorale).

30 Desambra: Nitony ny firongatry ny aretina. Olona teo amin’ny 14 000 teo ho eo no voa, ary 1 213 no maty. Mampalahelo! Fantatr’ireo mpitsabo tsara ny kôlera, ireo tsimokaretina tompon’andraikitra, ireo fomba hifindrany ary ny fomba hitsaboana azy. Kanefa na izany aza, dia mbola tsy voafehy velively ilay aretina. Mampisongadina amin’ny fomba mahonena ny fahamarinan’ny tenin’i Jesosy, izay nanambara fa hanamarika ny “andro farany” ny “areti-mandringana” ny tsy fahaizan’ny olombelona misoroka valanaretina toy ireny. — Lioka 21:11; 2 Timoty 3:1-5.

Nasehoko ny dokotera S. Harding, izay nitana anjara asa lehibe nandritra iny valanaretina iny ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly voarakitra ao amin’ny Isaia 33:24. Maminany ny amin’ny fotoana izay ‘tsy hisian’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho’ io andininy io. Namaky tamim-pitandremana io andininy io izy ary niteny toy izao avy eo: “Raha ny Baiboly no milaza izany, dia mety ho marina tokoa izany.” Tsy misy azo isalasalana, tena marina izany! Ho toy inona moa ny fanamaivanana rehefa ho tanteraka io fampanantenana io amin’ny farany!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ireo anarana.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “De l’eau et du sel pour sauver des vies”, nivoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Septambra 1985.

[Efajoro, pejy 22]

Rehefa mananontanona ny kôlera!

Mifindra amin’ny alalan’ny rano fisotro indrindra ny kôlera. Mivoaka amin’ireo diky misy kôlera ireo tsimokaretina tompon’andraikitra ary ny tsy fahampian’ny fahadiovana no mahatonga ny fisian’ny otrikaretina ao amin’ny rano. Tratran’ny aretina ny tena amin’ny fisotroana na amin’ny fampiasana rano izay voaloto toy izany. Ny iray amin’ireo fambara aretina kôlera lehibe indrindra dia ny fivalanana matetika. Tompon’andraikitra amin’ny fahaverezan-drano be izy io, ary mahatonga ny faharerahan’ny vatana sy fahafatesana koa aza. Indreto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy hiarovanao tena amin’ny kôlera:

1. Aza mampiasa afa-tsy rano madio, efa nampangotrahina na nasiana fanadiovana.

2. Sasao amin’ny rano sy savony ny tananao alohan’ny hikasihana sakafo na alohan’ny hihinanana.

3. Sarony ny sakafo mba tsy hipetrahan’ny lalitra.

4. Sasao amin’ny rano madio na efa nasiana fanadiovana ireo sakafo manta.

5. Mampiasà efitrano fivoahana na toerana mety, lavitra ireo lava-drano, ireo renirano sy ireo rano mandeha — aza mivalana eny an-kalamanjana.

6. Raha miseho ny aretina, dia ento haingana any amin’ny dokotera na any amin’ny tobim-pahasalamana ilay marary.

Loharanom-panazavana: Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Sary O.M.S., J. Abcede

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara