Iray amin’ireo hairaha mampiavaka an’i Madagasikara
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! eto Madagasikara
NANINTONA anay ny fampisehoana mahafinaritra ireo vazy, vilany, ary kaserôla vita amin’ny tanimanga rehefa nandeha nivezivezy teny an-tsenan’Antsirabe, eto Madagasikara nosy fonenanay izahay. Na dia mivolontakatra (brun) avokoa aza ireo vilany, dia misy pentina mainty lehibe izay toy ny nodorana aminy. Ny fahalianana ta hamanta-javatra no nanosika anay hanontany ilay tovolahy tambanivohitra nivarotra azy ireny raha toa ka marina ny fanombantombananay.
“Eny”, hoy izy, “tsy maintsy nodorana izy ireny mba hahatonga azy ho tahaka izao. Tsy manana lafaoro môderina sy ary fomba tahaka ireo any an-tanàn-dehibe anefa izahay. Mampiasa ireo fomba fanao mahazatra nampianarin’ireo razambenay izahay.”
Na dia namaly tamin-katsaram-panahy ireo fanontanianay fanampiny aza ilay tovolahy, izay nolazainy mihitsy dia nanaitra ny fanirianay hahita ny fomba fanamboarana ireo fitaovana vita amin’ny tanimanga toy ireny. Koa dia lasa àry izahay nandeha fiarakodia ho any amin’ilay toerana lavitra tany ambanivohitra, misy mponina manam-pahaizana amin’ny fanaovana vilany. Nalemy fanahy sady tia nandray vahiny avokoa izy rehetra. Koa satria faly izy ireo noho ny hoe nety hahaliana ny mponina an-tanàn-dehibe izay ataon’izy ireo, dia vao mainka vonona ny hampiseho taminay ny tsiambaratelo momba izany izy.
Voalohany indrindra, dia hitanay fa ny tanimanga ampiasain’izy ireo dia tsy ilay tanimanga fahita mahazatra akory. Ilay tanimanga fahita mahazatra, hoy izy ireo, dia mora vakivaky rehefa mafana. Karazan-tany antsoina hoe tanimanga (“tany mangamanga” ara-bakiteny) no ampiasainy, ka eny ambanivohitra sy eny amoron’ny ony na renirano mikoriana ihany no ahitana azy. Nitarika anay teny amoron’ny renirano iray ny zazalahy iray ary dia nangady tany. Teo amin’ny 30sm teo ho eo, dia indro niseho ny zavatra mandomando, tany volombatolalaka — ilay tanimanga! Mifanohitra amin’ny anarany anefa fa, any amin’ny toerana sasany, ny tanimanga dia mainty na vonivony mihitsy aza. Mandrakariva anefa dia samy hafa amin’ny tany mena mivolon-daoranjy fahita any amin’io faritra afovoan’ny nosy io izany.
Nilaza taminay avy eo ny lehilahy iray fa mba hanaovana vazy na vilany maromaro, dia mampifangaro tanimanga iray gony amin’ny fasika malemy ampahatelon’ny gony izy, hita eny amoron-drano ihany koa io fasika io. Avy eo dia rarahany rano kely mba hampahalemilemy ilay fifangaroan-javatra. Toy inona izany hoe “kely” izany? Tsy misy fatra voafetra tsy maintsy arahina. Avy amin’ny fahazarana manao zavatra, no anajanonan’ilay mpanefy vilany ny rano ararany rehefa tsapany fa efa marihitra tsara ilay fifangaroan-javatra — tsy mafy loatra na malemy loatra.
Manaraka izany, io fifangaroana tanimanga, fasika, ary rano io dia apetraka eo amin’ny tany voadio tsara, tsy misy vatovato na mololo. Hitsakitsahin’ilay mpanefy vilany mandritra ny fotoana maharitra izany avy eo. Izany dia mba hahazoana antoka fa mifangaro tsara amin’ny fasika ilay tanimanga, izay miantoka ny faharetan’ireo vazy na ireo vilany. Teny maromaro amin’ny fiteny malagasy no milazalaza io dingana tena ilaina amin’ny fanaovam-bilany io: hitsahina, disahina, tehafina, volavolaina, totoina. Ireo teny rehetra ireo anefa dia manazava fanatanterahana asa mitovy ihany — fanitsakitsahana ilay fifangaroana tanimanga. Rehefa azon’ilay mpanefy vilany antoka tsara fa mety ilay fifangaroan-javatra, dia vonona hanomboka ny tena fanamboarana ireo fitaovana amin’izay izy ireo.
Voalohany dia zarazarainy ho vongana boribory tahaka ny haben’ny totohondrintsika ilay fifangaroan-javatra. Mba hanaovana ny fanambanim-bilany, dia maka vongana iray izy ireo ary dia tsindriany hifanaraka amin’ny fanambanin’ilay lasitra izany — mazàna vilany tany efa tonta na tranainy — mba hahazoana ny bikany. Aorian’ny fanesorana ilay lasitra, dia mampiasa vongana hafa iray indray izy ireo hanamboarana ny molony na ny vavan’ilay vilany. Mandritra izany asa izany, dia mitandrina tsara ilay mpanefy vilany mba tsy hamela ilay fifangaroan-javatra ho maina loatra, satria izany dia hahamora vaky azy.
Avela ho maina eo amin’ny masoandro amin’izay ireo vilany mandritra ny indray andro maninjitra. Aorian’izay vao ho voaomana ho amin’ny dingana farany izy ireo: ny fandorana toy ny fandoro biriky. Nefa izany koa dia atao tsikelikely. Sesehana mololo sy ravin-kazo maina ireo vilany sy vazy rehetra ary apetraka amin’ny ilany eo amin’ny tany. Dorana io zavatra mora mirehitra io ary avela hirehitra mandritra ny 10 na 15 minitra eo ho eo. Manamafy sady manatanjaka ilay tanimanga izany.
Aorian’io fandorana voalohany io, dia apetraka eo amin’ny toerana hafa norakofana mololo sy ravin-kazo maina ireo vilany. Amin’io fotoana io anefa dia amboarina mba hifampitohoka ny molotr’ireo vilany. Avy eo dia asian’ireo mpanefy vilany mololo sy ravin-kazo maina eo ambony sy ny manodidina ireo vilany mandra-paharakony. Avy eo dia hodidinin’izy ireo bongan-tany io faritra io mba hisakanana ny afo tsy hivoaka io faritra io sady mba tsy hahatonga ireo vilany hikodiadia. Dorana indray ilay zavatra mora mirehitra ary avela hirehitra mandritra ny 30 minitra mandra-pahafatin’ny afo ho azy. Rehefa mangatsiaka ireo vilany, dia esorina avy ao anatin’ireo lavenona ary azo ampiasaina amin’izay.
Tamin’ny fandinihana akaiky ireo vilany, no nahafahanay nahatakatra amin’izay ny nahatonga ireo pentina mainty amin’izy ireo. Ireo no faritra izay nitehika tamin’ny afo. Ny sisa amin’ilay vilany dia loko fahita amin’ny tanimanga nodorana — volontakatra manopy volon-daoranjy.
Nafindrafindra tamin’ireo taranaka nifandimby io hairaha fanaovam-bilany io. Nihaona tamin’ny namana iray izay niasa tao amin’ny orinasa lehibe fanaovan-damba tao an-tanàna kanefa nahazo vola amboniny hafa tamin’ny fanamboarana sy fivarotana vilany koa izahay. Nianatra ilay hairaha tamin’ny rainy izy, ary io kosa nianatra izany tamin’ny rainy koa. Koa azonay antoka àry fa io lehilahy mbola tanora io dia tsy hanadino ny fahafahana hampianatra izany an’ireo zanany koa.