Fomba Nentim-paharazana Indianina Amerikana Tranainy
NA AIZA na aiza alehanao eo amin’izao tontolo izao, dia ho hitanao fa samy manana ny endriky ny vakomanitra azy manokana ny toerana tsirairay. Mety ho hita any amin’ireo fivarotana zavatra hatao fanomezana sy zavatra tsy fahita firy, mazàna, ireo sary hoso-doko, sary vongana kely, sokitra vita amin’ny hazo, asa tanimanga, na zavatra hafa. Efa nividy iray tamin’izy ireny ve ianao mba handravahana ny tranonao? Raha izany no izy, nahoana raha dinihina ka jerena hoe avy taiza marina no nanaovana ilay zavatra. Aza gaga raha mahita ianao fa namboarina tany an-tany hafa ilay izy.
Nandritra ny taonjato maro, ireo mpanao asa tanana dia nametraka ireo litera voalohan’ny anarany ho voasokitra teo amin’ny fanambanin’ny asa tanany mba hampisehoana hoe zava-bitan’iza izy ireny. Amin’izao andro izao anefa, dia azo inoana indrindra fa hahita taratasy kely napetaka na fitomboka ianao, milaza fa novokarina tambabe, fa tsy natao tanana, ilay entam-barotra. Manjary tian’olona kokoa ireny zavatra mitovy bika novokarina tambabe ireny, ary sarotra kokoa ny mahita zavakanto natao tanana nentim-paharazana. Kanefa, mbola azo atao ve ny mahita asa tanana nentim-paharazana, novokarina teo an-toerana?
Fitsidihana toerana voatokana ho an’ny Indianina amerikana
Eny tokoa, azo atao izany, araka ny sambany vao hitanay, rehefa nandeha nitsidika namana indianina amerikana sasany izay mbola manao ny zavakantony manokana nentim-paharazana, izahay. Izy ireo dia anisan’ny foko indianina any Santa Clara Pueblo, fantatra indrindra amin’ny asa tanimangany mainty mangirana — sasany amin’ireo asa tanimanga tsara tarehy indrindra eo amin’izao tontolo izao. Hafa lavitra noho ireo entam-barotra novokarina tambabe hita any amin’ny fivarotana maro any atsimo andrefana amin’i Etazonia, ny asa tanan’izy ireo nentim-paharazana.
Manao asa tanimanga araka ny fomba nentim-paharazana, hatramin’ny taona maro, i Joe sy i Anita namanay. Nanomboka nanao asa tanimanga niaraka tamin-dreniny i Anita fony izy enin-taona. Ny iray tamin’ny asa tanan’i Anita dia ao amin’ny Smithsonian Institution any Washington, D.C., eo amin’ny fampirantian’izy io ny Zavakanto Indianina Amerikana.
Tonga tao an-tranon’i Joe sy i Anita izahay, iny izy ireo nivonona hanomboka asa tanimanga vaovao maromaro iny indrindra. Koa izao dia afaka nahita mivantana ny fomba anaovana azy io izahay. Nanao asa tanimanga koa izahay tamin’ny lasa. Nanao izany araka ny fomba maoderina anefa izahay, niaraka tamin’ny lasitra, fifangaroana tanimanga sy rano voavoatra tsara, sy lafaoro lehibe. Izay efa hatrehinay maso dia ilay fomba tranainy, nampitampitaina tamin’ny taranaka nifandimby. Tsy misy teknika maoderina eo amin’io fomba io. Atao tsy misy fampiasana zavatra efa vita voatra ny zava-drehetra.
Fanangonana an’ireo taharo
Voalohany, dia tsy maintsy nanangona an’ireo taharo i Joe sy i Anita. Nandeha tamin’ny kamiaonetin’izy ireo izahay nankany amin’ny ilan-kavoana iray izay nahitany ilay tanimanga. Ao anatin’ilay toerana voatokana no misy io tanimanga io, ary natao ho an’ireo anisan’ilay foko ihany, izay misy tokony ho 2 400 ao Santa Clara Pueblo. Manao ny asa tanimangany araka ny fomba nentim-paharazana izay nanomboka tokony ho tany amin’ireo taona 1500, ny ankamaroan’izy ireo. Rehefa tonga teo amin’ilay ilan-kavoana izahay, dia naka ny famakiny kitso loha i Joe ka nizotra ho eo amin’ny triatra iray amin’ny vatolampy feno tanimanga.
Miitatra marin-drano ilay triatra eo am-pototr’ilay havoana. Tsy maintsy nihorirana i Joe sady nandoaka teo amin’ilay triatra, nanesotra vongana tanimanga tokony ho tahaka ny biriky ny habeny. Mety hampidi-doza izany, satria arakaraka ny andehananao lalina kokoa no mahabe kokoa ny mety hisian’ny fihotsahana. Rehefa avy nahazo teo anelanelan’ny 60 sy 70 kilaograma tamin’ilay nantsoiny hoe tanimanga tena tsara i Joe, dia vonona ny hanainga izahay. Tsy aritro anefa ny tsy hanontany ny antony tsy nakan’izy ireo indray mandeha an-jatony kilaograma maromaro tamin’ilay tanimanga mba hisorohana fiverenana vitsivitsy. Nilaza toy izao taminay i Anita: “Tsy izany no fomba indianina.” Tsy maka avy amin’ny tany afa-tsy izay hampiasain’izy ireo amin’io fotoana io izy ireo. Be dia be no mety ho lanilany foana raha avela hipetrapetraka eny ilay tanimanga ka hanjary ho mafy.
Avy eo, dia nankany amin’ny ilan-kavoana hafa iray izahay mba haka fasika fotsy. Mora kokoa izany — fandraofana iray na roa siny fotsiny. Avy eo dia niverina nankany an-tranon’izy ireo izahay.
Ilay fomba fanaovana azy
Alòna ao anaty rano mandritra ny andro vitsivitsy aloha ilay tanimanga. Avy eo dia sivanina intelo na inefatra izy io. Sivanina imbetsaka koa ny fasika. Aorian’izay, dia hampifangaro an’izy roa miaraka i Joe mandra-paha-antonona tsara ny harihitra. Tsy afatra na ny tanimanga na ny fasika. Ny fanandraman-javatra ihany no mitondra azy. Tsy maintsy asiana fasika amin’ny ampahany sasany ao amin’ilay tanimanga mba hanampiana an’ilay asa tanimanga hitana ny bikany rehefa dorana. Raha be loatra na kely loatra ny fasika dia hitresaka na hipasaka ilay vazy. Nilaza taminay i Anita fa fony izy sambany vao nanomboka nanao asa tanimanga irery, dia nentiny tany amin-dreniny ilay tanimanga mba hitsapan’ny reniny azy io ka hampahafantarany azy raha ampy ny fasika tao amin’izy io. Tsy ela izy dia nianatra nahafantatra izany samirery.
Tamin’ny fampiasana ny tongony tsy nikiraro, dia novolavolain’i Joe niaraka tamin’ny fasika ilay tanimanga mandra-pahatsapany fa nety tsara ilay izy. Izao dia vonona hanao an’ilay asa tanimanga izy ireo. Tsy nisy lasitra nampiasaina tamin’izany. Tsy manam-paharoa ny asa tsirairay ary volavolaina amin’ny tanana. Mandany ora maro i Anita amolavolana ny asa tanany, alohan’ny hanokanany toerana azy io mba ho maina. Rehefa eo amin’ny fisasahan’ny fahamainany ilay izy sady somary henjana, tonga eo amin’ilay antsoina hoe hamafin’ny hodi-biby, dia azo soritana na sokirina amin’ny tanana, asiana sarisary na tsipika. Avela ho maina tanteraka amin’izay ilay izy, ka mety handany hatramin’ny herinandro izany, miankina amin’ny hamandoan’ny andro. Vonona ny hokikisana amin’ny ampaly izao ilay izy. Mampahalama an’ilay tanimanga izany ka mahatonga azy io ho vonona ho amin’ny fampangiranana azy.
Atao tanana amin’ny alalan’ny vato kilonjy iray ilay fampangiranana. Tsy maintsy atao antonona tsara ilay izy. Raha be loatra na kely loatra ny fampangiranana, dia tsy hamirapiratra ilay asa tanana rehefa avy nodorana. Tsy misy fandokoana atao amin’izany. Ny fampangiranana no manome azy io ny famirapiratany tsara tarehy.
Fomba fandorana tsy fahita firy
Izao dia tonga amin’ny dingana farany isika: fandorana ilay asa tanimanga. Mba hanaovana izany, dia manao afo eo an-tokotaniny izy ireo. Tsy misy lafaoro lehibe ampiasaina eto! Foronina ny lafaoro iray amin’ny fanavangongoana kitay atsangana sy amin’ny fametrahana kitay fanampiny eo ambonin’ny tendron’ireo kitay mitsangana, ka manome azy ireo endrika lafaoro misy vavany hampidirana an’ilay asa tanimanga. Avy eo dia arehitra izy io. Fantatr’izy ireo avy amin’ny fanandraman-javatra ny fotoana maha-antonona tsara ny hafanan’ilay afo mba hanatsofohana an’ilay asa tanimanga.
Rehefa dorana ilay asa tanimanga, dia ho mena ny lokony ara-dalàna. Avy eo, amin’io fotoana io indrindra, dia manao zavatra tsy fahita firy i Joe. Mampiavosa zezi-tsoavaly eo ambonin’ilay afo izy! Izany no mampivadika ho mainty an’ilay asa tanimanga. Rehefa mihena ny oksizena, ny oksida-na vy mena ao amin’ilay tanimanga dia mivadika amin’ny fomba ara-tsimia ho oksida-na vy mainty. Mazava ho azy fa noho ilay fofona, dia azonao atao foana ny milaza ny fotoana andoroan’ny olona iray asa tanimanga mainty eo amin’ilay faritra!
Zavatra azo ireharehana ilay vokatra tonga lafatra, ary olona maro maneran-tany no mankafy ny hatsaran-tarehiny. Tany am-boalohany, dia nampiasaina ho amin-java-kendrena mahasoa, toy ny fitahirizana kojakojan-tokantrano samihafa, ireny asa tanimanga ireny. Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, dia mbola ampiasaina amin’izany fomba izany ihany izy io. Ilay asa tanimanga tsara tarehy novidinay anefa dia hampiasaina handravahana ny tranonay sy hanambarana amim-pireharehana fa nitsidika an’i Santa Clara Pueblo, izay mbola anarahana fomba nentim-paharazana indianina amerikana tranainy, izahay. — Nisy nanome.
[Sary, pejy 25]
Fongarina ny vongana tanimanga mitovy habe amin’ny biriky
Volavolaina amin’ny tanana ilay tanimanga
Dorana ao anatin’ny lafaoro nentim-paharazana ilay asa tanimanga