“Fandraisana Fianarana ny Amin’ny Fandeferana”
EO AM-PANATONANTSIKA ny faran’ny taonjato faha-20, moa ve ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny nandray fianarana avy amin’ny tantarany feno herisetra hatramin’ny 1914? Tsy dia feno fanantenana loatra i Federico Mayor, tale jeneralin’ny UNESCO (Fandaminan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina), tao amin’ny lahatsoratra iray nosoratany ho an’ny The Unesco Courier. “Izao tontolo izao, izay azo fantarina ny ho fivoarany (...) dia tsy manome fahatsapana feno risi-po. Fifikirana tafahoatra amin’ny fanao fahiny eo amin’ny ara-pivavahana, fanindrahindram-pirenena, fanavakavahana ara-pirazanana sy ara-poko ary fankahalana ny Jiosy: ny fitsokan’ny rivotry ny fahalalahana dia nandrehitra indray ny tapa-porohan’ny fankahalana. (...) Ny firodanan’ny fandehan-javatra tranainy dia namela saha iray vonona ny handray izao karazana fanapahan-kevitra vaovao rehetra izao, ka ny sasany amin’izany dia faran’izay mikorontana — ary miroborobo ao anatin’ny babangoana ny herisetra.”
Nahoana no miroborobo ny herisetra? Nahoana ny olona no mankahala sy mamono ny hafa noho ny fahasamihafan’ny fivavahana na ny foko niaviana fotsiny? Na any Yogoslavia teo aloha izany, na any India, any Irlandy Avaratra, any Etazonia, na aiza na aiza eto an-tany, ny iray amin’ireo antony fototra dia toa ny fanabeazana diso lalana. Tsy nianatra ny fifandeferana sy ny fifanajana ny olona, fa nianatra ny tsy fitokiana sy ny fankahalana kosa avy amin’ny ray aman-dreniny, ny sekoliny ary ny fitambaran’olona amin’ny ankapobeny.
Nanohy ny teniny toy izao i Federico Mayor: “Aoka isika handao izany fandeferana mampisalasala izany, izay mamela antsika handefitra eo anoloan’ny tsy azo leferina — ny fahantrana sy ny hanoanana ary ny fahorian’olombelona an-tapitrisany maro. Raha manao izany isika, dia hahita ny hafanan’ny fangoraham-po sy ny firahalahiana izay toy ny fahazavan’ny masoandro.” Fihetseham-po mendri-piderana ireo. Kanefa inona avy no fomba azo ampiharina afaka manova ny toe-tsaina maizina iorenan’ny tontolontsika izay lazaina fa nahazo fahazavana?
Maherin’ny 2 500 taona lasa izay, dia nandray an-tsoratra ireto tenin’i Jehovah ireto i Isaia: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Koa satria “Andriamanitra dia fitiavana”, dia tsoahina avy amin’izany fa izay miaina marina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiny dia hianatra ny fihavanana fa tsy ny ady, ny fitiavana fa tsy ny fankahalana, ny fandeferana fa tsy ny tsy fandeferana. — 1 Jaona 4:8.
Iza no mampirisika io fampianarana izay mitarika ny olona ho amin’ny fihavanana sy ny fitiavana ary ny fandeferana io? Iza moa ireo izay miaina ao anatin’ny firaisan-tsaina, na inona na inona fiaviany? Iza no nahazo fanabeazana ara-baiboly izay nanova ny fomba fijeriny ankapobeny feno fankahalana ho fomba fijery feno fitiavana? Manoro hevitra anao izahay mba handinika ireo fampianarana sy zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahitana ny antony ananany tena firaisan-tsaina maneran-tany. — Jaona 13:34, 35; 1 Korintiana 13:4-8.