Mpandika Lalàna Aho
TAMIN’NY 1 May 1947 tamin’izay, teto Sisily. Olona 3 000 teo ho eo, anisan’izany ny zaza amam-behivavy, no nivory teo amin’ny hadilanan-tendrombohitra iray mba hanao ny fankalazana isan-taona ny Fetin’ny Asa. Tsy fantatr’izy ireo ilay loza niafina tao amin’ireo havoana teo akaiky. Angamba ianao efa namaky na nahita mihitsy aza sarimihetsika momba ilay loza nahatsiravina nanaraka izany. Nantsoina hoe Fandripahana tao Portella della Ginestra, izay nisy olona 11 maty sy 56 naratra, ilay famonoana feno halozana.
Na dia tsy nanana anjara tamin’io loza nahatsiravina io aza ny tenako, dia anisan’ilay antoko-mpitaky fizakan-tena izay tompon’andraikitra tamin’izy io aho. I Salvatore Giuliano, izay niara-lehibe tamiko tao amin’ny vohitr’i Montelepre, no nitarika azy ireo. Zokiko herintaona monja izy. Tamin’ny 1942, fony aho 19 taona, dia nantsoina hanao fanompoana tao amin’ny tafika aho nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Taloha kelin’izay tamin’io taona io, dia raiki-pitia tamin’i Vita Motisi aho ka nanambady azy. Tatỳ aoriana dia nanan-janaka telo mirahalahy izahay; teraka tamin’ny 1943 ny lahimatoa.
Ny antony nahatongavako ho mpandika lalàna
Tamin’ny 1945, taona nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanatevin-daharana ny andia-miaramila andrefana tamin’ny Tafika Mpilatsaka An-tsitrapo ho An’ny Fahaleovan-tena Sisiliana (EVIS) aho. Izy io no sampana paramilitaire tamin’ny antoko politika mpitaky fizakan-tena fantatra hoe Fihetsiketsehana ho Amin’ny Fahaleovan-tenan’i Sisily (MIS). Notendren’ireo lohandohany tao amin’ny EVIS sy MIS hifehy ilay andia-miaramila nisy anay i Salvatore Giuliano, izay efa mpitsoa-ponenana.
Tafaray noho ny fitiavanay an’i Sisily nosinay sy ny mpiray firenena taminay izahay mirahalahy. Tezitra koa izahay noho ireo tsy rariny nampiharina taminay. Koa nekeko ilay tsangan-kevitry ny antokon’i Giuliano, dia ny hampidirana an’i Sisily ho anisan’i Etazonian’i Amerika amin’ny maha-Fanjakany faha-49. Nisy antony ninoana ny hetezan’izany ve? Nisy tokoa, satria nanome toky anay ireo manam-pahefana tao amin’ny MIS fa nanana fifandraisana akaiky tamin’i Washington, D.C., izy ireo ary koa fa nankasitraka izany fampidirana izany i Harry S. Truman, prezidàn’i Etazonia.
Fanaovan-javatra tamin’ny naha-mpandika lalàna
Fakana an-keriny sy fitanana olona nanan-daza mba hahazoana vidin’avotra no asan’ilay antoko nisy ahy voalohany indrindra. Tamin’izany fomba izany no nahazoanay tahirim-bola mba hividianana ireo vatsy nilaina. Tsy nisy tamin’ireo nalaina an-keriny, izay nantsoinay hoe “vahininay”, nasian-dratsy. Rehefa nafahana izy ireo, dia nomenay rosia mba hampiasaina ho amin’ny famerenana ilay vola vidin’avotra azonay. Nilazana izy ireo fa ho azo ampiasaina ilay rosia mba hahazoan’izy ireo indray ny volany aorian’ny hahazoanay fandresena.
Nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny olona tokony ho 20 aho, ary koa tamin’ny fanafihana nitanam-piadiana ireo tranon’ny Carabinieri, polisim-pirenena nampiofanina toy ny miaramila. Kanefa, faly aho milaza fa tsy namono olona mihitsy aho. Tonga tamin’ny fara heriny ireo fanafihanay mpitaky fizakan-tena, tamin’ilay fanaovan-javatra tsy nampiseho fahendrena tao amin’ilay vohitr’i Portella della Ginestra. Nalamin’ny lehilahy tokony ho roa ambin’ny folo tao amin’ny antokon’i Giuliano ilay izy ary natao hanoherana ny Antoko Komonista.
Na dia tsy fanahy niniana aza ilay famonoana sarambaben’olona — anisan’izany ny mpiara-monina sy ny mpanohana anay — dia nino ireo olona izay nanohana anay sady nahatsiaro hoe narovanay fa namadika azy ireo izahay. Nanomboka tamin’izay, dia tsy nisy fihenany ny fihazana ny antoko-mpandika lalàna notarihin’i Giuliano. Taorian’ny filazana tany amin’ny polisy, dia maro tamin’ireo namako no voasambotra. Tamin’ny 19 Martsa 1950, dia latsaka tao amin’ny fandrika aho ka voasambotra. Ary maty nisy namono tamin’io fahavaratra io i Giuliano.
Fanagadrana sy fanamelohana
Tao amin’ny fonjan’i Palerme, izay nitanana ahy teo am-piandrasako fitsarana, dia nalahelo aho tafasaraka tamin’ny vadiko tanora sy ireo zanako telo mirahalahy. Kanefa, niaro ahy tsy ho azon’ny famoizam-po tanteraka ny faniriana hiady ho an’izay noheveriko fa marina. Nanomboka namaky teny aho mba handaniako andro. Namelona ny faniriako hamaky Baiboly ny boky iray. Izy io dia ny tantaram-piainan’i Silvio Pellico nataon’ny tenany ihany, ary izy dia Italiana nogadrana noho ny antony ara-politika nandritra ny taonjato faha-19.
Nanoratra i Pellico fa nanana dikisionera sy Baiboly niaraka taminy foana izy tao am-ponja. Na dia Katolika aza aho sy ny fianakaviako, dia tena tsy nahare na inona na inona momba ny Baiboly aho. Koa nanao fangatahana tamin’ny manam-pahefana aho mba hahazoana iray. Nilazana aho fa voarara izany, kanefa nomena iray tamin’ny Filazantsaran’i Matio sy i Marka sy i Lioka ary i Jaona aho. Tatỳ aoriana, dia afaka nahazo ny Baiboly manontolo, izay mbola tahiriziko ho fahatsiarovana sarobidy, aho.
Tamin’ny farany, tamin’ny 1951, dia nanomboka ny fitsarana ahy tany Viterbe, akaikin’i Roma. Naharitra 13 volana ilay izy. Nomelohina higadra mandra-pahafaty indroa nampiana 302 taona aho! Nidika izany fa tsy hivoaka velona ny fonja mihitsy aho.
Fianarana ireo fahamarinana ara-baiboly
Rehefa naverina tao amin’ny fonja tany Palerme aho, dia notendrena ho ao amin’ny sampana iray izay nanagadrana koa ny mpikambana iray tao amin’ny antokonay, zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Giuliano. Voasambotra telo taona talohako izy. Taloha kelin’izay, dia nihaona tao am-ponja tamin’ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy any Soisa izy, ary ilay Vavolombelona dia niresaka taminy momba ireo fampanantenana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly. Voasambotra niaraka tamin’ny Vavolombelona iray tahaka azy io lehilahy io, teo am-pitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14, NW ). Nilazana aho tatỳ aoriana fa ireo anisan’ny klerjy no nitarika ny fisamborana azy.
Na dia teo aza ireo fanaovako zavatra tsy araka ny lalàna, dia nino an’Andriamanitra sy ireo fampianaran’ny eglizy aho. Koa akory ny fahatairako nahafantatra fa tsy araka ny Soratra Masina ny fankamasinana an’ireo lazaina fa olo-masina ary koa fa mandrara ny fampiasana sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana ny iray amin’ny Didy Folo. (Eksodosy 20:3, 4). Nanao famandrihana tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, izay nanjary tena sarobidy tamiko, aho. Tsy takatro ny zavatra rehetra novakiko, kanefa arakaraka ny namakiako no nahatsapako bebe kokoa ny ilana handosirana, tsy avy amin’ny tranomaizina, fa avy amin’ny fanagadran’ny lainga ara-pivavahana sy ny fahajambana ara-panahy.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia takatro fa mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia nila nanesotra ny toetrako taloha aho ka nitafy toetra vaovao — toetra malemy fanahy sy mitovy amin’ny an’i Kristy Jesosy. (Efesiana 4:20-24). Nandeha tsikelikely ny fiovako. Saika avy hatrany anefa aho dia nanomboka nanao zavatra ho an’ireo mpiara-nigadra tamiko, ary niezaka hiresaka tamin’izy ireo momba ireo zavatra lehibe indrindra nianarako aho. Noho izany, tamin’ny 1953, dia nanomboka ny fe-potoam-pifaliana ho ahy. Nisy vato nisakana anefa.
Fanoherana avy tamin’ny pretra
Enim-bolana taorian’ny nanaovako famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, dia tapaka ny fanaterana azy ireo. Nankany amin’ny mpanasivana ny taratasin’ireo mpigadra aho ka nanazava ilay raharaha taminy. Nilaza tamiko izy fa ilay pretran’ny fonja no nanao izay hampiatoana ilay fanaterana.
Nangataka ny hahita ilay pretra aho. Nandritra ny fiaraha-nidinika nataonay, dia nasehoko azy izay kely fantatro avy tao amin’ny Baiboly, anisan’izany ireo andinin-teny toy ny Eksodosy 20:3, 4 sy ny Isaia 44:14-17, mikasika ny fampiasana sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana. Novakiko taminy koa ny tenin’i Jesosy, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 23:8, 9, mba ‘tsy hilaza olona etỳ an-tany ho rainareo’. Tezitra izy ka namaly fa tsy afaka nahazo ny hevitry ny Baiboly aho satria olona tsy nahay na inona na inona.
Tsara ny hoe efa nanomboka nanova ny toetrako aho — fa raha tsy izany, dia tsy fantatro izay nety ho nataoko. Nitoetra ho tony aho ka namaly hoe: “Eny, marina izany; tsy mahay na inona na inona aho. Nianatra anefa ianao, ary tsy nanao na inona na inona mba hampianarana ahy ireo fahamarinana ara-baiboly.” Namaly ilay pretra fa mba hahazoana ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy manao fangatahana amin’ny Ministeran’ny Fitsarana aho mba hialana amin’ny fivavahana katolika. Nataoko avy hatrany izany, kanefa tsy nekena ilay fangatahana. Tatỳ aoriana anefa, dia afaka nanao izay hisoratako anarana amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah aho ka afaka nahazo an’ireo gazety indray. Tsy maintsy nikiry be anefa aho.
Efitrano Fanjakana tao am-ponja
Nisy fotoana nangatahako asa tamin’ny lehiben’ny fonja mba hahazoako vola halefa tany amin’ny fianakaviako. Nilaza foana izy fa raha nanome ahy asa izy, dia tsy maintsy hanome asa ho an’ny hafa koa, ary tsy azo natao izany. Tamin’ny marainan’ny 5 Aogositra 1955 anefa, dia nanome ahy vaovao tsara ilay lehibe — hanomboka hiasa amin’ny maha-mpitana kaonty tao am-ponja aho.
Nahatonga ahy hahazo ny fanajan’ilay lehiben’ny fonja ilay asako, ary nanome lalana ahy tamin-katsaram-panahy hampiasa efitra iray fitahirizana entana mba hanaovana fivoriana ho amin’ny fianarana Baiboly izy. Noho izany, tamin’ny 1956, dia nampiasa ny hazo avy tamin’ny lalimoara fitahirizan-taratasy tsy nilaina intsony aho ka nanomana dabilio ho an’izay azo noheverina ho Efitrano Fanjakana, araka ny iantsoana ny toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nivory tao niaraka tamin’ny mpigadra hafa aho isaky ny alahady, ary nahatratra tampon’isan’ny mpanatrika 25 izahay tamin’ny fiaraha-nidinika ara-baiboly nataonay.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia fantatr’ilay pretra ireo fivoriana nataoko, ary nisafoaka izy. Vokatr’izany, tamin’ny fahavaratry ny taona 1957, dia nafindra avy tany Palerme nankany amin’ny fonjan’i Porto Azzuro teo amin’ny nosikely Elbe aho. Nanana laza faran’izay ratsy io toerana io.
Natao batisa tao am-ponja
Rehefa tonga tao aho, dia natokan-toerana nandritra ny 18 andro. Tao aho dia tsy navela hitana ny Baiboliko akory aza. Taorian’izay, dia nanoratra indray tany amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana aho ka nangataka ny hanomezan-dalana ahy hiala tamin’ny fivavahana katolika. Tamin’io fotoana io anefa, dia nangataka ny fanampian’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Roma aho. Taorian’ny folo volana, dia tonga ilay valiny nandrasana ela. Nanaiky ny fiovako fivavahana ilay Minisitera! Tsy nidika fotsiny izany hoe afaka nanana Baiboly, ireo gazety, sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly hafa aho, fa nidika koa hoe afaka nahazo fitsidihana tsy tapaka avy tamin’ny mpitory Vavolombelon’i Jehovah aho.
Tsy nisy fetrany ny fifaliako rehefa nahazo ny fitsidihana voalohan’i Giuseppe Romano, izay avy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Italia, aho. Noho ny fanomezan-dalan’ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja, dia nisy fandaharana natao mba hahafahako haneho ny fanolorako tena ho an’i Jehovah, rehefa ela ny ela, tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano. Tamin’ny 4 Oktobra 1958, teo anatrehan’ny lehiben’ny fonja, ny komandà mpiadidy ny famaizana, sy ireo manam-pahefana hafa, dia nanao batisa ahy, niaraka tamin’ny voafonja hafa iray, tao amin’ny lakam-pandroana makadiry nampiasaina hanondrahana ny zaridainan’ny fonja, ny Rahalahy Romano.
Na dia saika afaka niara-nianatra foana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny voafonja hafa aza aho, dia tsy maintsy nankalaza irery tao amin’ny cellule-ko ny Fahatsiarovana isan-taona ny nahafatesan’i Kristy, satria mitranga aorian’ny filentehan’ny masoandro io fankalazana io. Nakipiko ny masoko dia nivavaka aho, ka naka sary an-tsaina hoe niara-nivory tamin’ireo Vavolombelona tahaka ahy aho.
Fanaovana mpianatra tao am-ponja
Tamin’ny 1968, dia nafindra tany amin’ny fonjan’i Fossombrone, ao amin’ny provans’i Pesaro, aho. Tao aho dia nahita vokatra tsara tamin’ny firesahana tamin’ny hafa mikasika ireo fahamarinana ara-baiboly. Niasa tao amin’ny infirmerie, izay naha-mora ny fahitana fahafahana hanao fanambarana, aho. Fifaliana manokana ny nahita ny fandrosoan’ny voafonja iray, dia i Emanuele Altavilla. Taorian’ny nianarany roa volana, dia takany fa tsy maintsy nampihatra ilay torohevitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:19 izy ka hamotika ny bokiny momba ny fahaizana majika. Tatỳ aoriana, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah i Emanuele.
Ny taona nanaraka, dia nafindra tany amin’ny fonja teo amin’ny nosy Procida, eny ampitan’ny helodranomasina avy eo Naples indrindra, aho. Noho ny fitondran-tenako tsara, dia notendrena indray ho ao amin’ny infirmerie aho. Tao aho dia nihaona tamin’i Mario Moreno, voafonja iray izay Katolika vita confirmation. Nanana toerana nisy andraikitra koa izy, niasa tao amin’ny sampan-draharahan’ny kaonty.
Indray takariva dia nangataka zavatra hovakina tamiko i Mario, koa nomeko azy ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.a Takany avy hatrany ny maha-zava-dehibe izay novakiny, ary nanomboka fampianarana Baiboly izahay. Nitsahatra tsy nifoka ireo fonosan-tsigara telo laniny isan’andro i Mario. Fanampin’izany, dia takany fa tsy maintsy nitondra tena tamim-pahamarinana izy na dia teo amin’ilay asa fanaovana kaonty tao am-ponja aza. Nanomboka nanao fanambarana tamin’ny fofombadiny izy, ary nanaiky ireo fampianaran’ny Baiboly koa izy io. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanao ny fampakaram-badiny tao am-ponja izy ireo. Tamin’ny fivoriambe iray tany Naples tamin’ny 1975, dia natao batisa ny vadin’i Mario. Lehibe ny fifaliany rehefa reny fa natao batisa tamin’io andro io ihany koa tany am-ponja ny vadiny!
Nomen-dalana hiresaka isan-kerinandro tamin’ny Vavolombelona izay nitsidika ahy tao Procida aho. Navela koa aho hanomana sakafo hiarahan-komana tamin’izy ireo tao amin’ny efitrano malalaka ho an’ny mpitsidika. Hatramin’ny folo no nahazo tonga indray miaraka. Rehefa nitsidika ireo mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahazo lalana handefa ireo fampisehoany diapositives aho. Indray mandeha aho dia nanana fahafinaretana nitarika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny fitsidihan’ny Vavolombelona 14. Toa natoky ahy tamin’ny fomba feno ireo manam-pahefana. Tamin’ireo andro voatondro, rehefa nadiva ho takariva, dia nandeha nitory isaky ny cellules aho.
Tamin’ny 1974, taorian’ny nandaniako 24 taona tany amin’ny fonja samihafa, dia nahazo ny fitsidihan’ny mpitsara iray izay nampirisika ahy hameno fangatahana famotsoran-keloka aho. Tsy noheveriko fa nety ny fanaovana izany satria ho fiekena ny amin’ny fandraisako anjara tamin’ilay fandripahana tao Portella della Ginestra izany, kanefa tsy nandray anjara tamin’izy io aho.
Fotoam-pifaliana lehibe
Tamin’ny 1975, dia nisy lalàna vaovao iray namaritra ny fanomezana fahazoan-dalana hivoaka kely ny fonja. Noho izany, dia nanana fahafahana nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany ho ahy aho, tao amin’ny tanànan’i Naples. Nankafy dimy andro tsy hay hadinoina aho, dimy andro izay nihaonako tamin’ny rahalahy sy ny anabavy kristiana maro kokoa noho izay hitako teo aloha.
Ny nitondra fifaliana manokana ho ahy dia ny naha-tafaray ahy tamin’ny fianakaviako, rehefa ela ny ela, taorian’ny taona maro be tokoa. Nitoetra ho nahatoky tamiko i Vita vadiko, ary tovolahy teo amin’ny faha-20 sy ny faha-30 taonany tamin’izay ireo zanako lahy.
Ny taona nanaraka — izay nahazoako fe-potoam-pivoahana ny fonja imbetsaka — dia nisy fanoloran-kevitra ny amin’ny hanaovako fangatahana fanafahana tamin’ny fonja. Tao amin’ny tatitra momba ahy nataon’ilay mpitsara mpanara-maso, dia nanolotra ny hanekena ilay fangatahako izy. Izao no nosoratany: “Azo lazaina tsy misy tahotra ny hotoherina — fa amin’izao fotoana izao i Mannino, raha ampitahaina amin’ilay tanora lian-dra izay nanatanteraka ny baikon’i Giuliano, dia lehilahy hafa; niova tanteraka izy.”
Rehefa nandeha ny fotoana, ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja tao Procida dia nangataka famotsoran-keloka ho ahy. Tamin’ny farany, dia nomena ilay famotsoran-keloka, ary tamin’ny 28 Desambra 1978, dia nafahana avy tao am-ponja aho. Fifaliana toy inona moa, taorian’ny 28 taona mahery nigadrana, ny hoe olona afaka!
Hany fanantenana ny rariny
Tamin’ny naha-mpaka olona an-keriny ahy teo ambany fifehezan’i Salvatore Giuliano, dia niady ho an’izay ninoako fa hitondra tena fahafahana ho an’ny fianakaviako sy ny mpiray tanindrazana tamiko aho. Kanefa, nanjary fantatro avy tao amin’ny Baiboly fa na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahatsoran’ny olombelona, dia tsy afaka na oviana na oviana mampisy ny rariny izay niriko tamim-pahatsorana aoka izany fony aho tanora, izy ireo. Velom-pisaorana aho fa ny fahalalana ara-baiboly dia nanampy ahy hahita fa ny Fanjakan’Andriamanitra eo am-pelatanan’i Jesosy Kristy Zanany no hany afaka manome ilay fanafoanana ny tsy rariny, fanafoanana izay ilaina fatratra aoka izany. — Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44; Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4.
Gazety maro no namoaka fanazavana nanamarina ny fiovana teo amin’ny toetrako, izay ny fahalalana ara-baiboly toy izany no nahatonga izany. Ohatra, nanonona ny tenin’ny mpiambina fonja iray tao Procida toy izao ny Paese Sera: “Raha tahaka an’i Franck ny mpigadra rehetra, dia ho nanjavona ny fonja; tsy azo nokianina ny fitondran-tenany, tsy nifanditra mihitsy izy, ary tsy nahazo fandevilevena mihitsy na dia kely aza.” Nilaza toy izao ny gazety hafa iray atao hoe Avvenire: “Mpigadra fakan-tahaka izy, tsy araka ny fahita. Tsy nampoizina tanteraka ny fiarenany. Manaja an’ireo fandaharana naorina sy manam-pahefana ao amin’ny fonja izy ary manana fitiavana miavaka ny zavatra ara-panahy.”
Fiainana nitondra valisoa
Nanomboka tamin’ny 1984, dia manompo ao amin’ny kongregasiona irain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-loholona sy mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro. Tamin’ny 1990, dia nisy mpiambina fonja iray izay nizarako ny fahalalana ara-baiboly 15 taona talohan’izay, niantso an-telefaonina ka nilaza tamiko fa tonga Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny fianakaviany rehetra.
Ny zavatra niainako nahasambatra indrindra anefa dia tonga tamin’ny Jolay 1995. Tamin’io taona io aho dia nanam-pifaliana lehibe nanatrika ny batisan’i Vita vadiko malalako. Taorian’ny taona maro be tokoa, dia nekeny ireo fampianaran’ny Baiboly. Angamba ireo zanako telo mirahalahy, izay mbola tsy miombona ny finoako ankehitriny, hanaiky koa izay nianarako avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, indray andro any.
Nitondra fahafinaretana tsy misy toy izany ho ahy ireo fanandraman-javatra hitako tamin’ny fanampiana ny hafa hianatra ireo fahamarinana ara-baiboly. Nitondra valisoa toy inona moa ny hoe nanjary manana ilay fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ka afaka mizara azy io amin’ireo olona tso-po! — Jaona 17:3. — Notantarain’i Franck Mannino.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 18]
Ilay hadilanan-tendrombohitra eto Sisily izay nitrangan’ilay fandripahana
[Sary, pejy 19]
Rehefa nivady izahay, tamin’ny 1942
[Sary, pejy 21]
Matetika aho no nizara ireo fahamarinana ara-baiboly tamin’ireo mpiambina fonja
[Sary, pejy 23]
Miaraka amin’ny vadiko