FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/7 p. 18-19
  • Ratsy Foana ve ny hoe Tezitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ratsy Foana ve ny hoe Tezitra?
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiheverana voalanjalanja
  • Fahatezerana ara-drariny
  • Fiatrehana araka ny mety ny fahatezerana
  • Ratsy ve ny hoe Tezitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fahatezerana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny fahatezerana: Inona marina moa izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ahoana no anatrehana ny fahatezerana, ny anao sy ny an’ny hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Mifohaza!—1994
g94 8/7 p. 18-19

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ratsy Foana ve ny hoe Tezitra?

“HADALANA vetivety ny fahatezerana.” Araka izany no nilazan’ilay poety romana fahiny atao hoe Horace, ny fiheverana mahazatra momba ny iray amin’ireo mahery indrindra amin’ny fihetseham-po rehetra. Na dia tsy ny rehetra aza no manaiky fa endriny iray amin’ny hadalana vetivety ny fahatezerana, dia maro no tena mihevitra azy io ho ratsy amin’ny maha-izy azy. Vao tany amin’ny taonjato fahenina am.f.i., dia nisy moanina katolika nanambatra ilay katalaogy malaza momba ny “fahotana mahafaty fito”. Tsy mahagaga raha hita ao amin’io lisitra io ny fahatezerana.

Mora ny ahitana hoe nahoana izy ireo no nihevitra toy izany. Tena milaza ny Baiboly hoe: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana”. (Salamo 37:8). Ary nampirisika ny kongregasiona tany Efesosy toy izao ny apostoly Paoly: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra”. — Efesiana 4:31.

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Izay ihany ve ny fiheveran’ny Baiboly ny fahatezerana? Rehefa dinihina tokoa, tsy naminany koa ve i Paoly fa izao “andro farany” iainantsika izao dia ho “fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina”?’ (2 Timoty 3:1-5, NW ). Moa ve tena antenain’Andriamanitra tokoa ny hiainantsika amin’izao andro izao, izay ahitana olona ‘lozabe, tsy manam-pitiavana izay tsara, tsy misy firaiketam-po voajanahary’ — ka tsy hanjary ho tezitra mihitsy isika na dia kely aza?

Fiheverana voalanjalanja

Ny firesahan’ny Baiboly io foto-kevitra io dia tsy tsotsorina toy izany. Mariho, ohatra, ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:26 hoe: “Tezera, fa aza manota”. Io andininy io dia ho tena saro-takarina raha “fahotana mahafaty”, izay mendrika fanasaziana mandrakizay, avy hatrany ny fahatezerana.

Naka teny tao amin’ny Salamo 4:4, izay amakiana toy izao, i Paoly: “Tezera [“mangovita”, fanamarihana ambany pejy], fa aza manota”. Araka ny Vine’s Expository Dictionary of Biblical Words, ny teny hebreo nadika eto hoe “mangovita”, ra·ghazʹ, dia midika hoe “mangovitra noho ny fihetseham-po mahery”. Kanefa fihetseham-po mahery inona? Ny fahatezerana ve izany? Ao amin’ny fandikan’ny Septante ny Salamo 4:4, ny ra·ghazʹ dia nadika tamin’ny teny grika hoe “natao feno fahatezerana”, ary izany mazava ho azy no tian’i Paoly holazaina eto.

Nahoana ny Baiboly no manome toerana ho an’ny fahatezerana? Satria tsy ny fahatezerana rehetra no ratsy. Ny fiheverana, araka ny nilazan’ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly iray izany, hoe “ny fahatezeran’ny olona dia tsy ara-drariny sy tsy azo ekena amin’ny maha-izy azy fotsiny na oviana na oviana”, dia tsy araka ny Soratra Masina. Nanao izao fanamarihana araka ny marina momba ny Efesiana 4:26 izao ny manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe R. C. H. Lenski: “Ny fari-pitondran-tena izay mandrara ny fahatezerana rehetra sy mitaky fahatoniana tanteraka ao anatin’ny tarehin-javatra rehetra dia mampiseho tsy firaikana fa tsy kristiana.” Nanamarika toy izany ny Profesora William Barclay hoe: “Tsy maintsy misy fahatezerana eo amin’ny fiainana kristiana, kanefa tsy maintsy ho ilay karazana fahatezerana ara-drariny izany.” Kanefa, inona “ilay karazana fahatezerana ara-drariny”?

Fahatezerana ara-drariny

Na dia tsy ny fahatezerana aza no iray amin’ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra, dia lazalazaina miverimberina ao amin’ny Soratra Masina ho mahatsapa sy mampiseho ny fahatezerany izy. Noho ny antony roa anefa, dia ara-drariny mandrakariva ny fisafoahany. Voalohany, tsy tezitra na oviana na oviana tsy misy fotony izy. Ary faharoa, mampiseho ny fahatezerany amin’ny fomba araka ny rariny sy ny hitsiny izy, ka tsy manary ny fifehezan-tenany na oviana na oviana. — Eksodosy 34:6; Salamo 85:3.

Misafoaka noho ny tsy rariny iniana atao i Jehovah. Ohatra, nilaza tamin’ireo Isiraelita izy fa raha nitondra fahavoazana ho an’ireo vehivavy sy ankizy tsy nanam-piarovana izy ireo, dia ‘hihaino tokoa ny fitarainana’ ataon’ny olona toy izany izy. Nampitandrina izy hoe: “Hirehitra ny fahatezerako”. (Eksodosy 22:21-23; ampitahao amin’ny Ohabolana 21:13.) Tahaka ny Rainy, i Jesosy dia nanana fitiavana tao am-pony an’ireo ankizy. Rehefa nanandrana ny hisakana ny ankizy sasany tsy hanatona azy indray mandeha ireo mpanara-dia azy tsara fikasa, dia “tezitra Jesosy” ary nitrotro ireo ankizy. (Marka 10:14-16). Marihina fa ny teny grika ho an’ny hoe “tezitra” dia nanisy firesahana “fanaintainana ara-batana na fahasosorana”, tany am-boalohany. Tena nanana fihetseham-po mahery tokoa izy!

Nisy fahatezerana ara-drariny nipoitra toy izany tao am-pon’i Jesosy rehefa hitany fa nanova ny trano fanompoam-pivavahana tamin’ny Rainy ho “zohy fieren’ny jiolahy” ireo mpivarotra sy mpanakalo vola. Nazerany ireo latabany ary noroahiny niala teo izy ireo! (Matio 21:12, 13; Jaona 2:15). Rehefa nampiseho fiheverana bebe kokoa ireo fitsipiny tsy nisy vidiny momba ny Sabata noho ilay marary izay nila fanampiana ireo Fariseo sy mpanora-dalàna, dia “nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony” i Jesosy sady ‘tezitra nanopy maso manodidina nijery azy ireo’. — Marka 3:5, DIEM.

Toy izany koa, i Mosesy nahatoky tamin’ny andro taloha dia feno fahatezerana ara-drariny tamin’ireo Isiraelita nivadika rehefa nanatonta ireo vato fisaka nisy ny Lalàn’i Mosesy. (Eksodosy 32:19). Ary tezitra aoka izany tamin’ny tsy fankatoavan’ireo Isiraelita ny lalàn’Andriamanitra momba ny fanambadiana i Ezra marina mpanora-dalàna, hany ka notriariny ny fitafiany ary nongotany mihitsy aza ny volony sasany! — Ezra 9:3.

Mikezaka ‘mankahala ny ratsy’ ireo rehetra ‘tia ny tsara’. (Amosa 5:15). Araka izany, ireo Kristiana amin’izao andro izao dia mety hahatsapa fahatezerana ara-drariny mipoitra ao am-pony rehefa mahita fanaovan-javatra feno halozana, fihatsarambelatsihy, tsy fanaovana ny marina, fivadihana, na tsy rariny, iniana atao sy tsy misy fibebahana, izy ireo.

Fiatrehana araka ny mety ny fahatezerana

Tsy kisendrasendra fotsiny raha mampitovy matetika ny fahatezerana amin’ny afo ny Baiboly. Toy ny afo, dia manana ny toerany izy io. Kanefa, afaka mandrava amin’ny fomba mahatsiravina koa izy io. Matetika tokoa, tsy tahaka an’i Jehovah sy i Jesosy, ny olombelona dia mahatsapa fahatezerana tsy misy fotony na mampiseho ny fahatezerany amin’ny fomba tsy ara-drariny. — Jereo ny Genesisy 4:4-8; 49:5-7; Jona 4:1, 4, 9.

Etsy an-danin’izany, dia mety ho tsy ara-drariny koa ny fanindriana fotsiny ny fahatezeran’ny tena sy ny fihamboana fa tsy misy izany. Tadidio fa nanome torohevitra toy izao i Paoly: “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Misy fomba araka ny Soratra Masina hampisehoana fahatezerana, toy ny ‘fieritreretana’, ny famosahana ny fihetseham-ponao amin’ny olona matotra ilazanao tsiambaratelo, na ny fifanatrehana amim-pahatoniana mihitsy aza amin’izay nanao diso. — Salamo 4:4; Ohabolana 15:22; Matio 5:23, 24; Jakoba 5:14.

Noho izany, dia tsy misy isalasalana mihitsy fa tsy ratsy foana akory ny hoe tezitra. Samy efa tezitra i Jehovah sy i Jesosy — ary ho tezitra indray! (Apokalypsy 19:15). Raha ta hanahaka azy ireo isika, dia mety hiatrika mihitsy tarehin-javatra izay maha-diso ny tsy hahatsapana ho tezitra! Ny fanarahana ny torohevitra omen’ny Baiboly no fanalahidiny, ka manao izay hahazoana antoka fa manana antony azo ekena isika amin’ireo fihetseham-pontsika ary fa mampiseho izany amin’ny fomba ara-drariny sy kristiana.

[Sary, pejy 18]

I Kaina sy i Abela

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara