FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 152
  • Ratsy ve ny hoe Tezitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ratsy ve ny hoe Tezitra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ratsy foana ve ny hoe tezitra?
  • Rahoviana ilay izy no ratsy?
  • Inona no azonao atao raha tezitra ianao?
  • Fahatezerana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ratsy Foana ve ny hoe Tezitra?
    Mifohaza!—1994
  • Ahoana no anatrehana ny fahatezerana, ny anao sy ny an’ny hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny fahatezerana: Inona marina moa izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 152
Totohondry mivonkina

Ratsy ve ny hoe Tezitra?

Valiny ara-baiboly

Resahin’ny Baiboly hoe rehefa tsy mahafehy fahatezerana ny olona iray, dia misy vokany ratsy eo aminy sy amin’ny olon-kafa izany. (Ohabolana 29:22) Rariny isika raha tezitra indraindray. Milaza anefa ny Baiboly hoe tsy ho voavonjy isika raha zatra ‘manapoaka fahatezerana.’ (Galatianina 5:19-21) Inona àry no vahaolana? Misy toro lalana mahasoa ao amin’ny Baiboly.

  • Ratsy foana ve ny hoe tezitra?

  • Rahoviana ilay izy no ratsy?

  • Inona no azonao atao raha tezitra ianao?

  • Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fahatezerana?

Ratsy foana ve ny hoe tezitra?

Tsia. Rariny isika raha tezitra indraindray. “Tezitra be”, ohatra, ilay mpanompon’Andriamanitra atao hoe Nehemia rehefa henony hoe nisy mpiara-mivavaka taminy niharan’ny tsindry hazo lena.—Nehemia 5:6.

Tezitra koa Andriamanitra indraindray. Tantarain’ny Mpitsara 2:13, 14, ohatra, hoe efa “nirehitra” tamin’ny vahoakany ny “fahatezeran’i Jehovah”, taloha. Tsy nivavaka taminy intsony mantsy izy ireo fa lasa nanompo sampy, nefa efa nifanaiky taminy hoe hanompo azy irery ihany. Tsy hoe tezi-dava anefa i Jehovah Andriamanitra. Rariny foana matoa tezitra izy. Voafehiny tsara koa ny fahatezerany.—Eksodosy 34:6; Isaia 48:9.

Rahoviana ilay izy no ratsy?

Ratsy ny fahatezerana rehefa tsy voafehy. Tsy mety koa raha tezitezitra tsy amin’antony isika. Izany anefa matetika no mitranga satria tsy lavorary isika. Ireto misy ohatra:

  • “Tezitra be” i Kaina rehefa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra nataony. Tsy mba niezaka nanindry fo anefa izy, ka nahavita namono ny rahalahiny mihitsy aza.—Genesisy 4:3-8.

  • “Nirehitra” ny fahatezeran’i Jona mpaminany rehefa namindra fo tamin’ny mponina tao Ninive Andriamanitra. Nahitsin’Andriamanitra anefa i Jona. Nohazavainy tamin’i Jona hoe tsy ‘rariny raha tezitra mafy’ izy, satria efa nibebaka ny mponina tao. Tokony mba hamindra fo kosa izy.—Jona 3:10–4:1, 4, 11.a

Hita avy amin’ireo ohatra ireo fa ‘tsy mahavita izay marina eo imason’Andriamanitra’ ny olombelona rehefa tsy mahafehy fahatezerana na tezitezitra tsy amin’antony.—Jakoba 1:20.

Inona no azonao atao raha tezitra ianao?

  • Tadidio hoe ratsy toetra izay zatra manapoaka hatezerana. Misy mieritreritra hoe kanosa izay miezaka manindry fo. Toetra tena ratsy anefa ny hoe tsy mahafehy fahatezerana. “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda” ny olona hoatr’izany. (Ohabolana 25:28; 29:11) Aleo foana manindry fo. Tsy olona kanosa mihitsy ianao raha manao an’izany, sady ho hita hoe ‘mahay manavaka’ ny mety sy ny tsy mety. (Ohabolana 14:29) Hoy ny Baiboly: “Ny tena mahery dia izay maharesy ny hatezerany.”—Ohabolana 16:32, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara.

  • Toneo haingana ny fonao, dia tsy hanao zavatra hanenenanao ianao. Hoy ny Salamo 37:8: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana. Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.” Tsy maintsy apoaka àry ve ny fahatezerana? Tsia! Azo atao tsara ny mifehy azy io. Mety “hanao ratsy” mantsy isika raha tsy izany. Hoy ny Efesianina 4:26: “Tezera fa aza manota.”

  • Aleo miala haingana raha azo atao, dieny mbola tsy tezitra be. Hoy ny Baiboly: “Ny fiandohan’ny fifandirana dia toy ny mamaky tohodrano, koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.” (Ohabolana 17:14) Marina aloha hoe tokony halamina haingana ny disadisa, nefa aleo samy afakafaka ny fonareo vao manao an’izany. Amin’izay ianareo afaka mifampiresaka tsara.

  • Fantaro aloha ny tena marina. Hoy ny Ohabolana 19:11: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina.” Lalin-tsaina ianao raha mamantatra ny tena marina aloha. Mety ho diso hevitra mantsy ianao. Aza mihaino feon-dakolosy tokana fa fantaro tsara ny marina rehetra momba an’ilay olana. Tsy ho tezitezitra tsy amin’antony ianao amin’izay.—Jakoba 1:19.

  • Mivavaha mba ho tony. Hahazo ny “fiadanan’Andriamanitra” ianao raha mivavaka. “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” izy io. (Filipianina 4:7) Hahazo ny fanahy masin’Andriamanitra koa ianao. Hanampy anao ho tsara toetra izany, ohatra hoe ho lasa tia fihavanana sy hanam-paharetana ary hahafehy tena.—Lioka 11:13; Galatianina 5:22, 23.

  • Fidio tsara ny namana. Matetika isika no lasa manahaka ho azy an’izay olona ataontsika namana. (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Tsy mahagaga raha miteny ny Baiboly hoe: “Aza minamana amin’ny olona mora tezitra, ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka.” Nahoana? “Sao ianao hanao toy izany koa ka ho fandrika ho anao izany.”—Ohabolana 22:24, 25.

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fahatezerana?

Ohabolana 16:32: “Ny tena mahery dia izay maharesy ny hatezerany.” (DIEM)

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy kanosa mihitsy ianao raha miezaka mifehy ny hatezeranao.

Ohabolana 17:14: “Ny fiandohan’ny fifandirana dia toy ny mamaky tohodrano, koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aleo miala haingana dieny mbola tsy tezitra be ianao na ilay olona mitady hifamaly aminao.

Ohabolana 19:11: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Fantaro aloha ny marina rehetra momba an’ilay olana. Tsy ho diso hevitra ianao amin’izay, ka tsy ho tezitezitra tsy amin’antony.

Ohabolana 22:24, 25: “Aza minamana amin’ny olona mora tezitra, ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka, sao ianao hanao toy izany koa ka ho fandrika ho anao izany.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha minamana amin’ny olona mora tezitra isika, dia mety ho lasa mora tezitra koa.

Ohabolana 29:11: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aleo manindry fo toy izay entim-po, fa mety ho ratsy be ny vokany.

Galatianina 5:22, 23: “Ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hanampy antsika hanana toetra tsara be dia be ny fanahy masina, na ny hery ampiasain’Andriamanitra. Ho vitantsika ny hifehy ny hatezerantsika amin’izay.

Efesianina 4:26: “Tezera fa aza manota.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy mba tezitra ihany isika indraindray, nefa azontsika atao tsara ny mifehy ny fahatezerantsika.

Jakoba 1:19: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aza mihaino feon-dakolosy tokana, dia tsy ho mora tezitra ianao.

a Azo antoka fa nanaraka ny torohevitr’Andriamanitra i Jona, ka niezaka tsy ho tezitra intsony, matoa nasain’Andriamanitra nanoratra an’ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara