Ahoana no anatrehana ny fahatezerana, ny anao sy ny an’ny hafa
AO AMIN’NY fitambaran’olona misy antsika, ny toe-javatra mahatonga ho tezitra dia tsy vitsy. Ny fifanjevoana amin’ny fifamoivoizana, ny zava-misy vidiny mifanohitra sady miovaova, ny tsy fifankazahoana, ny tsy fahamarinana ary ireo fahadisoam-panantenana hafa amin’ny fiainana isan’andro dia miteraka fihenjanana maro. Mitombo izy ireny ary saika ny olona rehetra dia manana fetra farany ambony ahazoany mahatanty zavatra. Izany no antony tokony hianarantsika hihalefaka. Amin’ny fikendrena izany, dia aoka isika hanomboka ny andro tsirairay avy amin’ny fahavononana hijery ny lafy tsaran’ny zavatra: aoka isika haneho faharetana, fandeferana sy ho falifaly. Manana fianakaviana izay tia antsika isika amin’ny ankamaroany. Ny kristiana koa dia mana-namana mahatoky ao anatin’ny kongregasiona ary ambonin’izany rehetra izany, dia manana Mpiandry iray feno fitiavana izy, Jehovah Andriamanitra. Tsy tokony hatahorana àry ny iray amin’ireo antony mandrakariva mahatonga fahatezerana, ny fahatsapana fa irery na nilaozana. — Salamo 23:1-6; Hebreo 13:5, 6.
Kanefa raha tsapantsika miakatra ny fahatezerana na miatrika ny fisafoahan’olon-kafa isika, dia tokony hanatrika ny tarehin-javatra amin’ny fomba mety isika mba ho falifaly foana sy ho sambatra. Hoy tokoa mantsy ny Baiboly amintsika: “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” (Ohabolana 16:32). Toy izay hanaram-po amin’ny fahatezerantsika, dia tokony hanontany tena kosa isika ny amin’izay mety ho vokatr’izany. Raha manisa hatramin’ny folo isika dia angamba hisoroka ny fanaovana hadisoana tsy nahy izay hanenenantsika any aoriana. — Ohabolana 14:17.
Raha toa ka tezitra isika nefa tsy mahalala ny antony, dia tokony hangataka fanampiana amim-panetren-tena sy amim-pahatsorana isika. Tsy fahalemena akory ny milaza ny tahotra tsapantsika amin’ny hafa sy ny filantsika fanampiana, indrindra fa amin’ireo olona tia antsika; fanehoana fahendrena sy herim-po izany. Izany fanaovan-javatra izany dia ahafahana mahita ny fototry ny zava-manahirana mahazo antsika. Hoy ny Baiboly: “Ho foana ny fikasana raha tsy misy mpisaina, fa raha maro ny mpanolo-tsaina dia tanteraka izany.” — Ohabolana 15:22.
Raha miezaka mahatakatra ny anton’ny fitondrantenan’ny hafa isika, dia azo antoka kokoa fa hifehy ny fihetseham-pontsika manokana isika. Ankoatr’izany, raha valiantsika toy izao ny olona iray tezitra: “Takatro ny mahatonga anao ho sosotra”, dia mety ho tony haingana izy. Manome izao hevitra feno fahendrena izao ny Baiboly: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” — Ohabolana 19:11.
Raha nanisy ratsy tsy nahy olona iray isika, dia tokony hiala tsiny aminy. Aoka hataontsika hoe nitsahin’olona ny tongotsika ohatra; angamba ny fihetsika voalohany dia ny ho tezitra. Raha miala tsiny anefa izy, dia mampitony ny fahatezerantsika izany. Na dia mbola marary aza ny tongotsika dia voahaja ny fahamendrehantsika. Tahaka izany koa, amin’ny fombantsika tsara, ny fahalalam-pomba tsotra sy ny fandraisana ho hatsikana ny zava-miseho, dia afaka mampangina ny tsy fahafaliana isika sady mihazona ny fifanajana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny vady, ny zanaka, ny sakaizantsika ary ny mpikambana ao anatin’ny kongregasiona kristiana. — Ohabolana 16:24; Kolosiana 4:6; I Petera 3:8.
Eo anatrehan’ny tarehin-javatra iray miteraka fahatezerana, dia ilaina ny hahaizantsika mampiseho izany sady tsy mamely ilay olona miresaka amintsika. Misy fahasamihafana mazava ny amin’ny hoe mamely am-bava ny olona iray (“Tsy misy saina!” na: “Asiako totohondry eo ny tavanao!”) sy ny filazana aminy fa tezitra isika (“Tena sosotra mihitsy aho” na: “Mampalahelo ahy izany”). Amin’ny ankapobeny, ny famelezana am-bava dia tsy mitondra na ho amin’ny inona na ho amin’ny inona, satria manosika ilay hafa hamaly ratsy izany, ny filazana izay tsapan’ny tena kosa anefa dia tsy misy itoviana amin’ny famelezana ka matetika dia manosika ilay hafa hanonitra ny fahadisoany. Mety tokoa ny ilazan’ny Baiboly hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. Izay malaky tezitra manetsika ady, fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.” — Ohabolana 15:1, 18.
Ny fahatezerana ara-drariny
Ara-dalàna raha tezitra ny ankamaroantsika indraindray. Milaza ny Baiboly fa na dia Jehovah aza dia mahatsapa an’io fihetseham-po io (Zefania 2:2, 3; 3:8). Koa tsy mahagaga àry raha ny olona, izay natao tahaka ny endriny, no mahatsapa fihetseham-po mitovy amin’izany (Genesisy 1:26). Noho izany dia tsy ny fihetseham-po hoe tezitra mihitsy akory no fahotana.
Kanefa, rehefa Jehovah no tezitra, dia manana antony tsara foana izy: voadika ny fotopoto-pitsipika marina. Etsy an-daniny koa, ny fihetsiny dia marina foana sy voafehy tanteraka. Hafa noho izany anefa no izy ny amin’ny olombelona tsy tanteraka. Matetika isika no mitady ho tezitra satria voatohina ny hambom-pontsika na voakasika ny iray amin’ireo kilemantsika. Ilaina àry ny mitandrina ny amin’ny fomba fihetsika amin’izay. Ny apostoly Paoly tokoa dia nanome antsika izao fananarana izao: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny Devoly.” (Efesiana 4:26, 27). Eny, mety hanararaotra ny fahatezerantsika tsy voafehy Satana. Raha ny marina, ny “adi-lahy” dia anisan’ny “asan’ny nofo” izay manakana ny fandovana ny Fanjakan’Andriamanitra. — Galatiana 5:19-21.
Izany no antony nanomezan’i Jakoba mpianatra izao torohevitra izao: “Fantatrareo izany ry rahalahy malalako: (...) aoka ny olona rehetra (...) ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra.” (Jakoba 1:19, 20). Na dia voamarina aza ny fahatezerantsika, ny fihetsitsika dia mety tsy ho voafehy sy azo melohina noho ny tsy fahalavorariantsika. Tokony hanaiky hotarihin’ity fotopoto-pitsipika ity foana àry isika: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” (Romana 12:19). Aoka ho tadidiantsika koa fa noho ny tsy fahatanterahantsika dia mety ho diso hevitra isika. Mampidi-doza àry ny fitsarana ny hafa noho ny fahatezerantsika ara-drariny. — Jakoba 2:13; 4:11, 12; 5:9.
Araka ny Soratra Masina, dia miaina amin’ny fotoan’ny farany isika. Amin’izao andro farany izao, dia “tezitra ny firenena maro” ka manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny Devoly dia “manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 11:17, 18; 12:10-12.) Noho izany, ny hany fiarovana marina ananantsika, dia ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra (Salamo 119:105). Tsy ho ela intsony Andriamanitra dia hitsara ireo firenena ka hanadio ny tany amin’ny tsy fahamarinana rehetra (Isaia 35:10; 65:23; Mika 4:3, 4). Eo am-piandrasana, dia tokony hitandrina isika mba tsy hanaraka ny lalan’ity izao tontolo izao ity izay mirona ho amin’ny fahatezerana. Aoka isika hanindry ny fahatezerantsika araka ny tokony ho izy. Izany dia hanampy antsika hitandro ny fifankatiavana eo amin’ny mpivady, ny firaisan-tsaina kristiana, toy izany koa ny fiadanantsika sy ny fahasambarantsika. Ary indrindra indrindra, dia hahazoantsika foana ny fankasitrahana sy ny fitahian’i Jehovah Andriamanitra izany. — Salamo 119:165.