Fikarohana Mahavariana An’ireo Fanafody Vaovao
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Angletera
Inona no iombonan’ny fingotra amin’ny kakao sy ny landihazo ary ny fanafody mampitony fanaintainana? Izy rehetra ireo dia samy mety ho azo avy amin’ny zavamaniry avokoa. Ho fanampin’ny siramamy sy ny oksizena amboariny amin’ny alalan’ny fotosentezy, ireo zavamaniry maitso dia mamokatra koa foto-javatra maro karazana mahatalanjona avy amin’ny fifangaroan-javatra simika fototra hafa. Ireny fifangaroan-javatra simika fanampiny ireny no manome ho an’ny zavamaniry tsirairay ireo toetra mampiavaka azy manokana.
NY MALAILAY amin’ny orties (karazana agy), ny tsiro marikivin’ny paoma iray, ary ny famerovero mahafinaritry ny raozy dia samy avy amin’ny fikambanana samy hafa eo amin’ireo foto-javatra simika amboarin’ny tenan’ny zavamaniry ihany. Araka izany, izay mety hoheverina ho zavatra tokana, dia tsy inona matetika, raha ny marina, fa fifangaroan-javatra tena be kojakojany.
Ireo ozinina simikan’ny natiora
Hevero ny fofona mampiavaka ny sokola. Fantatrao ve fa, hatramin’izao ireo mpahay siansa dia nahita raha simika 84 samy hafa azo ovana ho etona, izay mikambana mba hanome io hanitra tsy manam-paharoa io? Faran’izay be kojakojany ny ao anatin’ny voan’ny kakao, ary tamin’ireo taona faramparany dia nisy ezaka be natao mba hamantarana azy ireo. Ary vao vokatra eo amin’ny natiora iray monja izany.
Ny cholestérol dia foto-javatra be menaka, angamba fantatra indrindra noho ny mety ho fifandraisany amin’ny aretim-po mahazo ny olombelona. Ao amin’ny zavamaniry sasany anefa, dia izy io no fototra mba hanamboarana antokona raha simika tena ilaina antsoina hoe stéroïdes. Ireo stéroïdes dia mahatafiditra vitamina D sy hormonina (toy ny cortisone) ary fanafody toy ny bêtaméthasone izay anti-inflammatoire. Ny diosgénine, stéroïde ampiasaina amin’ny fanamboarana fanafody tsy mampiteraka izay ampidirina amin’ny vava, dia azo avy amin’ny karazana ovy fantaka sasany maniriniry ho azy. Etsy an-danin’izany, ny cortisone dia amboarina avy amin’ny hécogénine izay stéroïde voajanahary nalaina avy amin’ny nofon’ny ravin-taretra aorian’ny fiforonan’ny kirany. Maro amin’ireo fanafody vaovao amin’izao andro izao no nalaina avy tamin’ny zavamaniry aloha.
Ny zavamaniry sy ny olombelona
Na dia fivoaran’ny fitsaboana maoderina aza ny fampiasan’ny olona ireo fanafody simika namboarin’olombelona, dia efa hatramin’ny an’arivony taona maro no nampiasana zavatra nalaina avy tamin’ny zavamaniry mba hitsaboana ireo aretina mahazatra. Ireo firaketana an-tsoratra asyriana tany am-boalohany dia milazalaza ny fampiasana ny anémone (ahitra misy voniny eny an-tsaha) mahazatra mba hampihenana fanaintainana. Ny papyrus egyptiana ara-pitsaboana tamin’ny andron’ireo Farao dia mampiharihary fa niely patrana ny fampiasana raokandro (zavamaniry atao fanafody).
Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana dia nandrakitra an-tsoratra raokandro 20 000 eo ho eo ampiasaina maneran-tany. Eto Angletera fotsiny, dia tombanana ho zavamaniry 6 000 ka hatramin’ny 7 000 taonina no ampiasaina isan-taona ho taharon’ireo zavatra sahabo ho 5 500 samy hafa vita amin’ny zavamaniry. Ary any Etazonia, dia notombanana fa maherin’ny antsasak’ireo fanafody rehetra asain’ny dokotera vidina dia avy amin’ny zavamaniry.
Fahitana fanafody vaovao
Misy karazan-javamaniry 250 000 fantatra maneran-tany, ka ny tsirairay aminy dia samy manana ny fikambanan-javatra simikany manokana avy. Eo anatrehan’izany ireo mpahay siansa dia mitady famantarana tsy an-kijanona mba hahitana fanafody mahasoa. Iray amin’ireo fomba miharihary ny fandinihana ny fomba fitsaboan’ny olona aretina amin’ny fampiasany ireo zavamaniry eo amin’ny toerana misy azy.
Ny nahitana voalohany ny cocaïne dia nanomboka tamin’ny fandinihana fa nampitony ny fanaintainana mafy nateraky ny hanoanana sy nanamaivana ny havizanana ny fitsakoana ravina coca. Tamin’ny fakana nitokana sy tamin’ny fanovana ny rafitry ny molekiolan’ny cocaïne, ireo simista dia namokatra zavatra simika vitan’olombelona avy amin’izany, ka izy io dia natao ho fanadontoana faritra iray amin’ny vatana. Raha nanindrona anao ny mpitsabo nifinao mba “hahangoly” ny tapany amin’ny valanoranonao mba tsy handrenesanao maharary, dia tena azo inoana fa nandray soa avy tamin’izany fikarohana izany ianao.
Misy filazana sarobidy maro be mahakasika ny fampiasana ireo zavamaniry mbola tsy nampahafantarina ny besinimaro. Nisy mpahay siansa nandany maherin’ny efa-taona nandinihana santionan-javamaniry roa tapitrisa sy sasany tao amin’ny Trano Fitahirizana Santionan-javamaniry Gray sy tao amin’ny Toerana Voavoly Hazo Fanaovana Fikarohana Arnold, ao amin’ny Oniversiten’i Harvard. Ireo mpahay siansa ireo dia afaka namantatra tsara karazan-javamaniry maherin’ny 5 000 izay tsy fantatra ho nety ho loharanom-panafody teo aloha.
Ny fomba famotopotorana hafa iray dia ny fampitahana ireo zavatra simika raketin’ny zavamaniry. Raha mirakitra taharo mahasoa ny karazana iray, dia mety ho sarobidy koa ireo karazana iray tarika aminy. Ny fikarohana ara-tsiansa dia nahazo castanospermine, poizina iray mampiseho fiasan’ny mpamono virosy, avy tamin’ilay hazo any Aostralia avaratra atao hoe châtaignier de Moreton Bay. Taorian’izay ireo manam-pahaizana manokana momba ny zavamaniry izay nikaroka hazo iray tarika amin’io, dia nanipy hevitra ny mba hijerena an’ilay hazo atao hoe Alexa any Amerika Atsimo.
Fikarohana fanafodin’ny homamiadana
Indraindray ireo famantarana dia mety hamitaka ary avy eo dia mitondra vokatra tsy nampoizina. Voalaza, ohatra, fa ireo zavatra nalaina avy amin’ny voanenin’i Madagasikara dia azo itsaboana diabeta. Nanomboka nanao fanandramana tamin’izy io ireo mpanao fikarohana kanadiana. Akory anefa ny fahagagany fa ilay zavatra nalaina avy tamin’ny voanenina dia nanakana ny fiasan’ny rafi-kery fanefitra (système immunitaire) tamin’ny fampihenana ny famokarana liofotsy ao amin’ny ra. Izany dia nanome hevitra an’ireo dokotera mba hanao fanandramana raha toa ilay zavatra nalaina avy tamin’ny voanenina ka mandaitra amin’ny leucémie, izay homamiadan’ny liofotsy amin’ny ra.
Tamin’ny farany, dia foto-javatra 90 no azo, ka ny roa tamin’izany izay fantatra ho ny vincristine sy ny vinblastine dia hita fa nahasoa ara-pitsaboana. Kely dia kely aoka izany izy ireo ao anatin’ilay zavamaniry, hany ka sahabo ho iray taonina amin’izy io no ilaina mba hamokarana vincristine roa grama. Amin’izao andro izao, ireo taharo ireo sy ireo foto-javatra azo avy aminy dia manome fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafody simika izay ampiasaina maneran-tany amin’ny fitsaboana ny leucémie eo amin’ny ankizy.
Tamin’ny faramparan’ireo taona 1950, ny National Cancer Institute any Etazonia dia nanomboka fandaharam-pandinihana voalamina tsara iray naharitra 25 taona. Ka nandritra izany dia nisy zavatra 114 000 nalaina avy tamin’ny karazan-javamaniry 40 000 nanaovana fanandramana mba hiadiana amin’ny fiasan’ny fivontosana (tumeur) teo amin’ny homamiadana nambolena tao amin’ny laboratoara. Nisy vokany tsara homarihina izay mendrika ny hanaovana fandinihana fanampiny ny 4 500 teo ho eo tamin’izy ireo. Nanazava toy izao anefa ny Dr. W. C. Evans, mpanolo-kevitra momba ny pharmacognosie: “Faran’izay tsy azo inoana ny hoe tena hahita fanafodin’ny homamiadana izay handaitra amin’ny mikraoby maro samihafa ny olona”, ho vokatr’izany fikarohana izany mivantana, na dia lehibe toy inona aza izy io. Miovaova be ny homamiadana, ary ny nampiasaina tamin’ireo fanandramana ireo, dia selana homamiadana mitombo haingana vitsivitsy ihany izay nambolena tao amin’ny laboratoara.
Fanafody vaovao avy amin’ny zavamaniry tranainy
Misy zavamaniry fantatra tsara izay mbola mahalasa saina an’ireo mpanao fikarohana ihany. Ny sakamalao, ohatra, dia ampiasaina ankehitriny ho fisakanana na ho fanamaivanana ny salebolebo na ny fandoavana. Mandaitra indrindra izy io amin’ny tsy fahazakana dia lavitra amin’ny fiarakodia na sambo na fiaramanidina.a Mbola zava-dehibe kokoa fa, ny sakamalao dia hita fa fanalana fanaintainana sarobidy ho an’ireo mararin’ilay aretina avy amin’ny katsentsitra tropikaly atao hoe bilariziozy. Nisy fanandramana natao tamin’ny ankizy mpianatra voan’ilay aretina tany Nizeria. Tamin’ny fampiasana pilina vita tamin’ny vovoka sakamalao, dia nitsahatra ny fisehoan’ny ra tao amin’ny fivalanandranon’izy ireo, ary nihena ny isan’ireo atodina sokoraty (bilharzies).
Ireo mpanao fikarohana dia zara raha vao nanomboka ilay asa fandinihana ny fizarana lehibe amin’ny zavamaniry mba hikarohana fanafody maro kokoa. Na dia ireo zavamaniry azo lazaina ihany hoe fantatra tsara aza, dia mbola mitana tsiambaratelo maro. Tena be mpitia izao ny réglisse (fakan-javamaniry mangananganana) satria ireo raha simika hita ao aminy dia anti-inflammatoire mandaitra ary ireo zavatra azo avy aminy dia afaka manome fampitonena ho an’ireo olona mararin’ny godro. Ireo mpahay siansa koa dia eo am-pandinihana ny pitipoa mahazatra noho ny vokany mamono champignons sy mamono mikraoby.
Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, dia misy fanimbana tsy misy antra atao amin’ireo karazan-javamaniry, alohan’ny nahavoatana an-tsoratra ny amin’izy ireo. Izany dia midika fa tsy maintsy manohy mihazakazaka ny fikarohana fanafody vaovao. Mitoetra ho eo amin’ny laharam-pahamehana ambony indrindra ny famakafakana amim-pitandremana ara-tsimia an’ireo zavamaniry sy ny fitanana tsy ho simba ireo toetra nolovany. Atao izany na dia amin’ireo zavamaniry efa fantatra tsara aza. Mbola misy zava-miafina iray tokony hofantarina anefa: Inona no ilan’ireo zavamaniry ireo ny maro amin’ireny raha simika mahatalanjona ireny? Nahoana, ohatra, ny pourpier (anana misy voniny) no mamokatra noradrénaline marihitra aoka izany, dia hormonina iray izay hita fa tena ilaina mba hahasoa ny olombelona?
Tena mbola faran’izay voafetra tokoa ny fahalalantsika ireo kojakojany amin’ny fiainan’ny zavamaniry. Izay efa fantatsika anefa dia manondro famolavolana iray mahafaoka ny zava-drehetra, ka ny laza amin’izany dia ho an’ny Mpamolavola Lehibe iray.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (anglisy) tamin’ny 22 Jolay 1982, pejy faha-31.
[Sary, pejy 16]
Ny sakamalao dia ampiasaina ho fanefitra amin’ny tsy fahazakana dia lavitra amin’ny fiarakodia na sambo na fiaramanidina