FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/1 p. 3-4
  • Mitosaka ny Zavatra Simika Voatr’olombelona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitosaka ny Zavatra Simika Voatr’olombelona
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Midika ho loza betsaka kokoa ve ny zavatra simika betsaka kokoa?
  • Zavatra Simika — Namana sa Fahavalo?
    Mifohaza!—1999
  • Manapoizina Anao ve ny Tranonao?
    Mifohaza!—1999
Mifohaza!—1999
g99 8/1 p. 3-4

Mitosaka ny Zavatra Simika Voatr’olombelona

AZO antsoina tsara hoe vanim-potoan’ny simia ity taonjato ity. Nanova ny fiainantsika ny taharo simika maro voatr’olombelona. Mameno ny tranontsika sy ny biraontsika ary ireo orinasantsika ny ranoka afantsitsitra, ny solon-tsiramamy sentetika, ny zavatra fanosotra amin’ny tarehy, ny loko, ny ranomainty, ny fanafody famonoana bibikely, ny fanafody, ny plastika, ny zavatra miteraka hatsiaka, ny ravin-damba sentetika — mety hahafeno boky maro ny lisitra.

Mba hanomezana fahafaham-po ny fitadiavan’izao tontolo izao ireo vokatra ireo, dia mamokatra zavatra simika mirasanda amin’ny 1,5 tapitrisa tapitrisa dolara amerikanina eo ho eo isan-taona izao tontolo izao, araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Manao tatitra ny OMS fa zavatra simika 100 000 eo ho eo ankehitriny no eny amin’ny tsena, ary zavatra simika vaovao 1 000 ka hatramin’ny 2 000 no anampiana izany isan-taona.

Izany fitosahan’ny zavatra simika izany anefa dia mahatonga fanontaniana momba ny vokatra entin’izy ireny eo amin’ny tontolo iainana, mbamin’ny fahasalamantsika manokana. Mazava tokoa fa mita rano tsy fantatra isika. “Taranaka anaovana andrana isika rehetra, ary mbola tsy ho fantatra ato anatin’ny am-polony taona maro ho avy ny ho vokatra manontolon’izany andrana izany”, hoy ny dokotera iray.

Midika ho loza betsaka kokoa ve ny zavatra simika betsaka kokoa?

Ny olona iharan’ny vokatry ny fandoto simika matetika indrindra, hoy ny fanamarihan’ny OMS, dia “ireo olona mahantra sy tsy mahay taratasy, izay tsy nahazo fampiofanana sahaza na fanazavana fototra firy, na tsy nahazo mihitsy, momba ny loza entin’ny zavatra simika ampiasain’izy ireo mivantana na tsy mivantana isan’andro”. Marina indrindra izany raha ny amin’ny fanafody famonoana bibikely. Misy vokany eo amintsika rehetra anefa ny zavatra simika.

Tokotokony ho ny 20 isan-jaton’ny lava-drano any Kalifornia, hoy ilay boky hoe A Green History of the World, no misy loto betsaka mihoatra ny fetra lazain’ny tompon’andraikitra fa tsy ahitan-doza. Anisan’izany loto izany ny fanafody famonoana bibikely. “Tany Florida”, hoy ihany ilay boky, “dia lava-drano 1 000 no nakatona satria voaloto; any Hongria, dia tsy azo sotroina ny rano ao amin’ny vohitra sy tanàna 773; any Grande-Bretagne, dia ny folo isan-jaton’ny rano any ambanin’ny tany no misy loto betsaka mihoatra ny fetra lazain’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana hoe tsy ahitan-doza; ary any amin’ny faritra sasany any Grande-Bretagne sy any Etazonia, dia tsy azo omena zaza menavava ny rano avy amin’ny raobine, satria be nitirata.”

Zavatra simika iray hafa ilaina, nefa mety hanapoizina, ny volavelona (mercure). Mihanaka eo amin’ny tontolo iainana izy io amin’ny alalan’ny zavatra maro, manomboka amin’ny fantson-tsetroky ny orinasa ka hatramin’ny jiro an’arivo tapitrisany maro izay mandefa tara-pahazavana manjelanjelatra. Mitovy amin’izany koa fa ahitana firamainty (plomb) ao amin’ny zavatra maro novokarina, manomboka amin’ny solika ka hatramin’ny loko. Mety hanapoizina koa anefa ny firamainty, toy ny volavelona ihany, indrindra fa ho an’ny ankizy. Eo amin’ny ankizy, dia mety hihena “hatramin’ny isa efatra ny tarehimarika manondro ny fahiratan-tsaina”, raha mifoka setroka misy firamainty izy, hoy ny tatitra iray avy any Le Caire, Ejipta.

Araka ny voalazan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana, isan-taona dia volavelona 100 taonina eo ho eo, firamainty 3 800 taonina, fôsifaty 3 600 taonina, ary ranoka fanadiovana 60 000 taonina, no tafiditra ao amin’ny Ranomasina Mediterane, vokatry ny ataon’ny olombelona. Tsy mahagaga àry raha ao anatin’ny krizy ny ranomasina. Tsy ny Ranomasina Mediterane ihany anefa. Raha ny marina, dia nambaran’ny Firenena Mikambana ho Taona Iraisam-pirenena Momba ny Ranomasina ny taona 1998. Mahita olana ny ranomasimbe rehetra maneran-tany, vokatry ny fandotoana indrindra indrindra.

Na dia nanome antsika vokatra betsaka izay manampy antsika aza ny teknôlôjia momba ny zavatra simika, dia manimba be ny tontolo iainana ny fampiasantsika sy ny fanariantsika ny maro amin’izy ireny. Moa ve isika nanao ny tenantsika ho “sambo-belon’ny fandrosoana”, araka ny nilazan’ny mpanoratra an-gazety azy, vao haingana?

[Efajoro, pejy 4]

Zavatra Simika sy Fiota Ara-tsimia

Ny hoe “zavatra simika” dia manondro ny raha fototra rehetra mahaforona ny tontolo manodidina antsika, anisan’izany ny singa fototra maherin’ny zato, toy ny vy, ny firamainty, ny volavelona, ny karbônina, ny ôksizenina, ny nitirôzenina. Anisan’ny taharo simika, na fitambarana singa samy hafa, ny zavatra toy ny rano, ny asidra, ny sira mineraly ary ny alkaola. Voajanahary ny maro amin’ireny taharo ireny.

Ny atao hoe “fiota ara-tsimia” dia “fiovana ara-tsimia eo amin’ny raha iray ho lasa raha hafa”. Fiota ara-tsimia ny afo; manova zavatra iray mety mirehitra, toy ny taratasy, ny lasantsy, ny hidirôzenina, sy ny toy izany, ho zavatra iray na maromaro, hafa tanteraka, izy io. Misy fiota ara-tsimia maro mitranga tsy an-kijanona manodidina antsika sy ao anatintsika.

[Sary, pejy 3]

Ny mahantra no voa mafy indrindra avy amin’ny fandoto simika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara