Efa mba Nanontany Tena ve Ianao Hoe?
AMIN’NY fisian’ny fivavahana sy ny antokom-pivavahana ary ny antokom-pinoana madinika an-jatony maro eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ahoana no ahafahanao mamantatra ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra? Mety ho tahaka ny fitadiavana fanjaitra iray ao anatin’ny antonta-mololo izany. Kanefa mila misava ny singany tsirairay amin’ilay antonta-mololo ve ianao? Tsia. Afaka mampiasa ny fomba iray fanilihana izay tsy izy ianao. Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia miasa toy ny andriamby izay manampy anao hamantatra io ‘finoana iray’ io. — Efesiana 4:5.
Tao amin’ny nomerao iray teo aloha tamin’itỳ gazety itỳ, teo ambanin’ny lohateny hoe “Efa mba Nanontany Tena ve Ianao Hoe?” (8 Janoary 1994 [ frantsay], pejy faha-13), dia nodinihintsika ny fanontaniana momba ny fanahy (“âme”) tsy mety maty. Tamin’ny fampiasana ny fanjohian-kevitra ara-baiboly, dia noporofointsika fa tsy manana fanahy (“âme”) tsy mety maty izay tahina na mijaly aorian’ny fahafatesana, ny olona. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Amin’ny alalan’io fahamarinana tsotra io, dia azontsika atao ny manilika ny fivavahana rehetra mampianatra fa manana fanahy (“âme”) tsy mety maty ny olona. Izany dia mamela fivavahana vitsy kely eo amin’ny fikarohantsika an’ilay ankasitrahan’Andriamanitra. Koa andeha àry isika hametraka fanontaniana hafa sasany izay afaka manampy antsika hampihena bebe kokoa ny isan’ny eo amin’ny lisitra, amin’ny fijerena sy ny fanjohian-kevitra fotsiny miorina amin’ireo andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina voatonona eto ambany.
1. Moa ve ny fanompoam-pivavahana marina manandratra sy manome voninahitra ary manaja tafahoatra olombelona mpitondra fivavahana, ka manome azy ireny anaram-boninahitra tsy araka ny Soratra Masina mihitsy aza? — Salamo 96:5-7; Matio 23:6-12; 1 Korintiana 3:5-9.
2. Moa ve ny fivavahana marina tokony ho fanjarianasa mifantoka amin’ny fitadiavana tombony, hany ka afaka miaina ao anatin’ny haitraitra ireo mpitondra ao aminy? — Matio 6:19-21; Jakoba 2:1-4; 5:1-3.
3. Moa ve ny fivavahana marina tokony homena anarana araka ny fampianarana tokana (toy ny hoe batista, pentekotista), araka ny toerana niaviany (toy ny hoe romana, atsimo, Eglizin’i Angletera), araka ny mpanorina azy tsy lavorary (Luther, Calvin, Wesley), na araka ny endri-pitondrana ampiasainy (toy ny hoe presbyteriana, episkopaly, kongregasionalista)? — Isaia 43:10, 12; Asan’ny Apostoly 11:26.
4. Moa ve ny fanompoam-pivavahana marina mitady hanafina na hanolo ny anaran’Andriamanitra naharihary? — Isaia 12:4, 5; Matio 6:9; Jaona 17:26.
5. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny fivavahana marina ny Baiboly? (Salamo 119:105; Lioka 24:44, 45; Romana 15:4; 2 Timoty 3:14-16). b) Ahoana no tokony hiheverany an’izay lazaina fa fanambarana taorian’ny Baiboly? — Galatiana 1:8, 9.
6. Mampiantefa ny sainy amin’inona sy amin’iza ny mpivavaka marina mba hahazoana famonjena? — Salamo 27:1; Matio 6:33; Romana 16:25-27; 1 Korintiana 15:27, 28; Apokalypsy 11:15.
7. Karazam-pitondran-tena manao ahoana no tokony hovokarin’ny fivavahana marina avy amin’ny fampianarany? — Matio 22:37-40; Efesiana 4:23-29; ampitahao amin’ny Galatiana 5:19-21 ny 5:22, 23.
8. Mitsabaka amin’ny politika sy ny fanindrahindram-pirenena mampisaratsaraka ve ny firahalahiana maneran-tanin’ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra? — Daniela 2:44; 7:14; Jaona 18:36; Romana 16:17; 1 Korintiana 1:10.
9. Manome lalana ny fandraisana anjara amin’ny ady sy ny famonoana ara-pirazanana na ara-poko ve ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra? — Eksodosy 20:13; Isaia 2:2-4; Jaona 13:34, 35.
10. Iza amin’izao andro izao no maneho ny fitiavana kristiana marina manerana izao tontolo izao? Tsy saratsarahin’ny politika, ny firazanana, na ny fanindrahindram-pirenena? Tsy manome voninahitra mpitondra olombelona? Tsy manararaotra ny olona mba hahazoana harena sy toerana? Tsy mandray anjara amin’ny ady? Manana anarana ara-baiboly? Manohana ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny vahaolana maharitra ho an’ny olana eo amin’ny olombelona? — Isaia 43:10, 12.
Efa mba Nanontany Tena ve Ianao Hoe? ny Valiny Omen’ny Baiboly
Indreto manaraka eto ny sasany amin’ireo andinin-teny voatonona miaraka amin’ireo fanontaniana eo amin’ny pejy faha-20:
1. “Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby ô! Fa hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. Fa izay lehibe eo aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.” — Matio 23:6-12
2. “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” (Matio 6:19-21). “He! hianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao. Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo.” — Jakoba 5:1-3.
3. “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy”. (Isaia 43:10). “Tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana [noho ny fitondran’Andriamanitra, NW ].” — Asan’ny Apostoly 11:26.
4. “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. (...) ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.” (Isaia 12:4, 5). “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.
5. a) “Hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. (2 Timoty 3:15, 16). b) “Na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.” — Galatiana 1:8.
6. “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” — Apokalypsy 11:15.
7. “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. (...) ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.” (Matio 22:37-40). “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po[,] fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, [finoana, NW ], fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.” — Galatiana 5:22, 23.
8. “Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” — Jaona 18:36.
9. “Aza mamono olona.” (Eksodosy 20:13). “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:34, 35.
10. “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; (...) dia hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.” — Isaia 43:10, 12.