FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/10 p. 14-16
  • Any Amin’izay Ihanahan’ny SIDA

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Any Amin’izay Ihanahan’ny SIDA
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo voa mafy indrindra
  • “Ny olana ara-pahasalamana lehibe indrindra amin’ny androntsika”
  • Ny fiantraikan’ny SIDA eo amin’ny lafiny sosialy
  • Izay atao
  • Ny vahaolana
  • Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?
    Mifohaza!—1994
  • ‘Ny Areti-mifindra Mandripaka Indrindra Hatramin’izao’
    Mifohaza!—2002
  • Antontan’isa Manaitra Mafy Momba ny SIDA!
    Mifohaza!—2001
Mifohaza!—1995
g95 8/10 p. 14-16

Any Amin’izay Ihanahan’ny SIDA

TAO anatin’ny latsaka ny 15 taona, dia nosembanin’ny rahon’ny SIDA ny kontinenta rehetra eto an-tany. Tao anatin’ny taona vitsivitsy monja, dia nipoaka ka nihanaka hatraiza hatraiza io baomba biolojika io. Notombanan’ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana) fa manerana ny tany manontolo dia olona 5 000 no voan’ny SIDA isan’andro. Izany dia mihoatra ny olona telo isa-minitra! Ireo tany voa indrindra dia ireo tany mahantra kokoa, anisan’ireo izay antsoina hoe tany an-dalam-pandrosoana. Nambaran’ny OMS mialoha fa hahitana ny 90 isan-jaton’ny voan’ny otrikaretina VIH ary amin’ny farany, dia ny 90 isan-jaton’izay rehetra voan’ny SIDA, ireny tany ireny, amin’ny taona 2000.

Ireo voa mafy indrindra

Fito amby roapolo taona i Rose ary nanambady sy nanan-janaka telo fony narary tampoka ny vadiny. Maty izy io volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Tsy fantatra marina tamin’izay fotoana izay ny antony nahafaty ny vadiny. Namantatra ny aretiny ho raboka ny dokotera. Nolazain’ny havany fa namosavin’ny olona izy. Nanomboka nandrombaka ny fananan’i Rose ny havam-badiny. Naka an-keriny ny zanany ireo havany avy amin’ny vadiny, fony izy tsy tao an-trano. Voatery niverina nankany an-tanànany i Rose. Roa taona tatỳ aoriana dia nandoa sy nivalana matetika izy. Tamin’izay no nahatakarany fa matin’ny SIDA ny vadiny ary voa koa izy. Maty i Rose telo taona tatỳ aoriana, teo amin’ny faha-32 taonany.

Fahita ankehitriny ny tantara mampalahelo toy izany. Any amin’ny faritra sasany dia fianakaviana sy vohitra manontolo mihitsy aza no ripaka.

“Ny olana ara-pahasalamana lehibe indrindra amin’ny androntsika”

Voasembantsembana mafy ireo fitondram-panjakana any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana rehefa miezaka mandresy ny SIDA. Noho ny tsy fahampian’ny vola sy ny fisian’ny laharam-pahamehana mahadodona sady andaniam-bola be hafa, dia hita ho vao mainka manampy trotraka ny SIDA. Tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny olana ny fitambotsorana ara-toe-karena maneran-tany, ny tsy fahampian-tsakafo, ny loza araka ny natiora, ny ady, ny fanao ara-kolontsaina, sy ny finoanoam-poana. Lafo be ny fanomezana fikarakarana manokana mitaky fitaovana sy fanafody hitsaboana amin’ny aretina matetika mahazo ny mararin’ny SIDA. Maro amin’ireo hopitaly lehibe no mifanizina sy tsy voakarakara ary tsy ampy mpiasa ankehitriny. Ny ankamaroan’ny marary voan’ny SIDA ankehitriny dia alefa mody mba ho faty any an-trano, mba hanomezana toerana ho an’ireo marary mahantra hafa izay tsy mitsaha-mitombo ny isany. Mifandray amin’ny SIDA ny fitomboana mahatahotry ny aretina fanampiny toy ny raboka. Nanao tatitra ny tany sasany fa nitombo avo roa heny ny matin’ny raboka tao anatin’ny telo taona farany, ary hatramin’ny 80 isan-jaton’ny marary voan’ny SIDA any amin’ny hopitaly no voan’ny raboka.

Ny fiantraikan’ny SIDA eo amin’ny lafiny sosialy

Misy fiantraikany, tsy eo amin’ny rafitra fikarakarana ny fahasalamana ihany, fa eo amin’ny sampana rehetra koa amin’ny toe-karena sy ny fiaraha-monina, ny fihanahan’ny SIDA. Hatramin’ny 80 isan-jaton’ny voan’ny SIDA no eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 40 taona, ilay sokajin-taona afa-mamokatra indrindra eo amin’ny fiaraha-monina. Ny ankamaroan’ny mpitady vola ao amin’ny fianakaviana dia ao anatin’io sokajin-taona io. Miankina amin’izy ireo ny ankamaroan’ireo fianakaviana, kanefa rehefa marary ka maty izy ireo amin’ny farany, dia manjary tsy misy mpanohana ny tena mbola kely sy ny zokiolona. Ao amin’ny fiaraha-monina afrikana rehetra, rehefa maty ny ray aman-drenin’ny ankizy iray, dia atsangana sy ampidirina ao anatin’ny rafi-pianakaviana misy ny havana akaiky ilay ankizy, araka ny fanaon-drazana. Amin’izao andro izao anefa, rehefa maty ny ray aman-dreny, dia matetika no antitra loatra na efa vesaran’ny fiezahana hanome izay ilain’ny zanany manokana ny raibe aman-drenibe na havana hafa mbola velona. Io tarehin-javatra io dia nitarika ho amin’ny fahasahiranana lehibe ho an’ny kamboty sy ny fitomboan’ny isan’ny ankizy mipetraka eny amin’ny arabe. Ambaran’ny OMS mialoha fa any amin’ny faritra atsimon’i Sahara atsy Afrika fotsiny, dia ankizy maherin’ny 10 tapitrisa no ho lasa kamboty amin’ny faran’itỳ taonjato itỳ.

Hitan’ny vehivavy ho mampahory sy mavesatra avo roa heny ny famelezan’ny SIDA. Ny vehivavy no tadiavina voalohany indrindra hanome ny fikarakarana 24 ora isan’andro amin’ny maha-mpitsabo mpanampy, dia ny fikarakarana ilain’ny marary sy ny efa ho faty — izany dia ho fanampin’ny adidy hafa rehetra ao an-tokantrano tsy maintsy tontosainy.

Izay atao

Teo am-piandohan’ireo taona 1980, dia manam-pahefana maro ao amin’ny fitondram-panjakana, izay nanana fitsarana an-tendrony noho ny henatra mifandray amin’ny SIDA sady tsy nahafantatra ny hafaingan’ny fielezan’izy io, no tsy niraharaha sy tsy rototra. Kanefa, tamin’ny 1986, dia nanomboka niady tamin’ny SIDA ny fitondram-panjakana atsy Ouganda. Nandritra ny sivy taona farany, dia voalaza ho nanao ny “ezaka liam-pivoarana indrindra iadiana amin’ny SIDA, amin’ny ezaka natao hatramin’izao” i Ouganda.

Amin’izao andro izao, dia misy fikambanana sy masoivohom-pirenena sy iraisam-pirenena maherin’ny 600 atsy Ouganda, mirotsaka amin’ny fiezahana hifehy ny fielezan’ny SIDA. Nanangana fanaparitahana ny foibe fanabeazana momba ny SIDA manerana an’i Ouganda manontolo ireo masoivoho fanasoavam-bahoaka ireo. Isarihana ny sain’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo fampisehoana tantara, dihy, hira, fandaharana ao amin’ny radio sy ny televiziona, gazety, sy telefaonina, ny fahafantaran’ny besinimaro ny famelezan’ny SIDA. Miaraka amin’ny fikarakarana ao an-tokantrano sy ny fanampiana ara-pitaovana, dia misy torohevitra atolotra an’ireo voan’ny SIDA, ary koa ireo vehivavy maty vady sy kamboty.

Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia heverina ho tapany amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana ny fikarakarana ny kamboty sy ny vehivavy maty vady, na mpitondratena. (Jakoba 1:27; 2:15-17; 1 Jaona 3:17, 18). Tsy miantsoroka ny andraikitry ny mpianakavy amin’ny fikarakarana ny ankohonany ny kongregasiona. Kanefa raha tsy misy mpianakavy akaiky, na raha misy kamboty sy vehivavy maty vady tsy afaka tsotra izao mamelon-tena, dia manolotra amim-pitiavana ny fanampiany ny kongregasiona.

I Joyce, ohatra, dia Vavolombelon’i Jehovah nipetraka tany Kampala, renivohitr’i Ouganda. Voan’ny SIDA izy ary maty tamin’ny Aogositra 1993. Talohan’ny nahafatesany, dia nanoratra izao fitantarana manaraka izao izy: “Nihalehibe tamin’ny naha-Protestanta aho ary tatỳ aoriana dia nanambady Katolika. Kanefa, hitako fa maro tao amin’ny fiangonako no ratsy fitondran-tena, koa nitsahatra tsy nankany aho. Nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zokiko vavimatoa, ary rehefa tonga nitsidika izy, dia nilaza tamiko momba ireo zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly.

“Tena nanohitra mafy ny fianarako Baiboly ny vadiko. Na dia ny ray aman-dreniko aza dia nanomboka nanohitra ahy, indrindra fa ny raiko. Nitohy io fanoherana io nandritra ny roa taona, kanefa tsy nahakivy ahy izany, satria niaiky aho fa nianatra ny fahamarinana. Rehefa nilazako ny vadiko fa naniry ny hatao batisa aho, dia nisafoaka izy. Nikapoka ahy izy ary nilaza tamiko mba hiala ny trano. Koa niala aho ary nipetraka irery tao amin’ny efitrano kely iray nohofana.

“Elaela tatỳ aoriana dia nangataka ahy hiverina ny vadiko. Tsy ela taorian’ny niverenako, dia nanomboka nanjary nalemy sy farofy izy. Gaga aho, satria salama tsara foana izy. Tamin’ny farany dia nanjary fantatray fa voan’ny SIDA izy. Maty tamin’ny 1987 izy. Tamin’izay fotoana izay dia mpisava lalana maharitra [evanjelisitra manontolo andro] aho, ary na dia maty vady sy nanan-janaka dimy aza aho tamin’izay, dia nanohy ny fanompoan’ny mpisava lalana.

“Efa-taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1991, dia tsapako fa voan’ny SIDA avy tamin’ny vadiko aho. Nanomboka nihena ny heriko ara-batana ary nijaly noho ny tandomerina sy ny fihenana haingan’ny lanjako ary ny famelezan’ny gripy tsy an-kijanona aho. Mbola nanohy nanao ny asan’ny mpisava lalana aho ary nitarika fampianarana Baiboly 20, kanefa noho ny fihenan’ny heriko, dia voatery nahenako ho 16 izy ireo. Natao batisa tamin’ny farany ny fito tamin’ireo mpianatra ireo.

“Tsy nahatsiaro tena ho natokantokana na ketraka mihitsy aho, satria tena nanohana ahy ny kongregasiona. Tamin’ny farany, dia voatery tsy nahavonjy fivoriana sasany aho noho ny fahalemeko ara-batana. Noraisin’ireo anadahy feo tamin’ny cassette ho ahy izy ireny, ka voafahana tsy an-kijanona tamin’ny lafiny ara-panahy aho. Nanao lisitra ny loholon’ny kongregasiona mba hahafahan’ireo rahavaviko ara-panahy hifandimby hikarakara izay nilaiko sy hitoetra teo anilako mihitsy aza nandritra ny alina. Nisy zavatra iray nanahiran-tsaina ahy anefa — ny zanako. ‘Inona no hanjo azy ireo rehefa lasa aho?’ hoy aho nanontany tena.

“Eto Afrika dia matetika no alain’ny havana ny fananan’ny olona nody mandry iray, koa nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah momba izany aho. Nanapa-kevitra ny hivarotra ny tranoko aho ka hanorina trano kely kokoa hahofa mba hananan’ny zanako foana toerana hipetrahana sy fidiram-bola tsy tapaka. Nivarotra ny tranoko ho ahy ireo anadahy tao amin’ny kongregasiona ka nanao izay hividianana sombin-tany hafa iray, ary nanorina ireo trano kely kokoa ho ahy izy ireo. Nipetraka tao amin’ny iray tamin’izy ireny aho ary nahatsiaro ho nilamin-tsaina nahafantatra fa hisy hikarakara ny zanako.

“Tezitra mafy ny havako fa namidiko ilay trano, ary nanomboka ady ara-pitsarana hiadiana tamiko izy ireo. Teo indray, dia tonga nanampy ahy ireo anadahy ary nikarakara ilay raharaha ho ahy. Nandresy izahay tamin’ilay raharaha ara-pitsarana. Na dia mahatsiaro tena ho mihamalemy be aza aho izao, dia manampy ahy hiaritra ny fandaminana be fitiavan’i Jehovah sy ny fanantenana ilay Fanjakana. Noho ny toe-pahasalamako dia nampidirina hopitaly aho izao. Mbola tonga eo anilako ireo rahavaviko ara-panahy, mikarakara izay ilaiko andro aman’alina, satria ny hopitaly tsy afaka manome sakafo sy lambam-pandriana ampy.”

Rehefa avy nandany enim-bolana tao amin’ny hopitaly i Joyce dia nalefa hody. Maty izy roa andro tatỳ aoriana. Karakarain’ny anabavy iray mpisava lalana ao amin’ny kongregasiona izay manan-janaka telo koa, ny zanany dimy ankehitriny.

Ny vahaolana

Atsy Ouganda, izay efa ihanahan’ny SIDA, dia nilaza toy izao ny Prezidà Yoweri Kaguta Museveni: “Inoako fa ny valiny tsara indrindra azo asetry ny fandrahonana apetraky ny SIDA sy ny aretina hafa azo avy amin’ny firaisana dia ny hanamafisana indray ampahibemaso sy tsy misy olakolaka ny voninahitra sy ny fanajana ary ny andraikitra tokony hasehon’ny olona rehetra amin’ny mpiara-belona aminy.” Raha fintinina, dia ilaina ny hiverenana amin’ny fari-pitondran-tenan’ny fanambadiana tokana ao anatin’ny fandaharan’ny fanambadiana. Manaiky ny rehetra fa izany no hany fomba miaro sy ny hany fomba azo ifehezana ny SIDA. Vitsy anefa no mino fa azo tratrarina ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena toy izany.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia anisan’ireo izay, tsy vitan’ny hoe mino fotsiny fa azo tratrarina ny fari-pitondran-tena toy izany, fa mampihatra izany koa. Ankoatra izany, dia mino ny fampanantenan’Andriamanitra lanitra vaovao sy tany vaovao izay hitoeran’ny fahamarinana izy ireo, toy ny nataon’i Joyce. (2 Petera 3:13). Ao amin’ny tontolo iray voadio tsy hisy ny faharatsiana rehetra, dia hanatanteraka ilay fampanantenana voarakitra toy izao ao amin’ny Apokalypsy 21:4, i Jehovah Andriamanitra amin’izay: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”

[Sary, pejy 14]

Mitondra ny zanany lahy, izay matin’ny SIDA, halevina ny raim-pianakaviana iray

[Sary nahazoan-dalana]

OMS/E. Hooper

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara