Fihetsika Hafahafa Vokatry ny Fanerena Anaty — Mifehy ny Fiainanao ve Izany?
“Mifoha amin’ny enina ora aho isa-maraina”, hoy i Keith.a “Mihitsy ho azy amin’ny enina ora ny famohamandriko. Fantatro fa efa nahitsy izy io. Tsy manova azy io mihitsy aho. Kanefa, tsy maintsy manamarina azy io hatrany aho. Isan’alina dia mijery azy io indimy aho fara fahakeliny alohan’ny handehanako hatory. Ary ny amin’ireo bokotra ahodina eo amin’ny fatana — tsy maintsy manao izay hahazoana antoka aho fa mihidy ny tsirairay avy. Hitako fa mihidy izy ireo, kanefa tsy maintsy miverina sy mijery indray mandeha, indroa, intelo, aho — mba hahazoana antoka fotsiny. Avy eo aho dia tsy maintsy miverimberina manamarina ny varavaran’ny vata fampangatsiahana, mba hahazoana antoka fa mihidy izy io. Avy eo dia eo ny hidin’ny aromoka eo amin’ny varavarana, sy ny hidim-baravarana anankiroa eo amin’ny varavaramben’ny trano (...).”
I KEITH dia mararin’ny obsessive-compulsive disorder (OCD na fikorontanana vokatry ny fanahiana tafahoatra sy ny fanerena anaty), izay faritana ho tsy fahasalamana mampahalemy miavaka amin’ny eritreritra tsy voafehy (fanahiana tafahoatra) sy ny fanaovan-javatra tsy voafehy (fanerena anaty).b Tsapan’ny olona iray voan’ny OCD fa tsy fidiny tanteraka ireo fanahiana tafahoatra sy fanerena anaty ireo. Toy ny hoe miditra an-keriny izy ireo ka mifehy azy.
Ny olona rehetra indraindray dia manana eritreritra tsy nirina sy mahatsapa faniriana mafy tsy nirina. Amin’ny OCD anefa, izy ireo dia manjary maharitra sy miverimberina aoka izany, hany ka manakorontana ny fiainana ara-dalàna sy mahatonga fahadisadisana mafy, miteraka fahaketrahana indraindray. “Nanosika ahy hieritreritra ny hamono tena ilay ady ara-tsaina tsy an-kijanona”, hoy ny marary iray. Diniho ny fisehoana sasany amin’io aretina mahasanganehana io.
Ny hoe mahita dia tsy hoe mino
Rehefa nanitsaka dongona iray tamin’ny fiarany i Bruce, dia nisy tahotra nankarary nanenika azy. ‘Sao nisy mpandeha an-tongotra voahitsako àry teo?’, hoy izy anakampo. Nitombo ilay fihetseham-po mandra-pahatongany ho tsy maintsy niverina tsotra izao tany amin’ilay toerana nitrangan’ilay “heloka bevava” ka nanamarina — tsy indray mandeha monja fa niverimberina! Mazava ho azy fa tsy nahita mpandeha an-tongotra naratra i Bruce. Na dia izany aza, dia tsy nahazo antoka izy! Koa rehefa tonga tany an-trano izy, dia nijery ireo vaovao mba hahitana tatitra momba ny lozam-piarakodia nandosiran’ilay mpamily. Niantso ny polisy mihitsy aza izy mba “hiaiky heloka”.
Tahaka an’i Bruce, dia olona maro voan’ny OCD no ampahorin’ny fisalasalana toy izao: ‘Nandratra olona ve aho? Nanidy ny fatana ve aho rehefa nandao ny trano? Nanidy ny varavarana ve aho?’ Ny ankamaroan’ny olona dia mety hanana eritreritra mitovy amin’izany indraindray, kanefa ilay olona voan’ny OCD dia hanamarina sy hanamarina indray kanefa mbola tsy ho afa-po ihany. “Toa milaza ireo marary mpanamarina tsaboiko fa ‘avy amin’ny alalan’ireo vavahadin-tsaina ihany no hahafantarana ny marina’ ”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Judith Rapoport. “Noho izany, dia tsy maintsy averimberina ahodina ny poignée amin’ny varavarana; ny jiro dia arehitra sy vonoina, arehitra sy vonoina. Mitondra fanazavana eo no ho eo ireo fanaovan-javatra ireo, kanefa tsy mampiaiky azy izany.”
Tsy madio tsara ny madio
Nanahy tafahoatra noho ny tahotra sao hifindran’ny mikraoby ny tovolahy iray 14 taona atao hoe Charles. Tsy maintsy nanadio ny zava-drehetra mety hokasihiny, tamin’ny alkaola 90 degre, ny reniny. Ankoatra izany, dia natahotra i Charles sao hamindra mikraoby avy tany amin’ny arabe ireo mpitsidika.
Nanan-tahotra i Fran teo am-panasana ny lambany. “Raha nikasika ny ilany tamin’ilay milina fanasan-damba ireo lamba rehefa navoakako”, hoy izy, “dia tsy maintsy nosasana daholo indray izy rehetra.”
Tahaka an’i Charles sy i Fran, dia olona maro voan’ny OCD no manana fanahiana tafahoatra izay mifantoka amin’ny mikraoby sy ny fifindran’ny mikraoby. Mety hiteraka fandroana na fanasan-tanana tafahoatra izany, ka indraindray dia tonga hatramin’ny hoe manjary mibontsin-drano — kanefa mbola tsy mahatsapa ho madio ihany ilay marary.
Ampijalijalin’ny saina
Ampahorin’ny eritreritra tsy nahy tsy misy fanajana an’Andriamanitra i Elaine. “Izy ireny dia zavatra izay tsy ho nosaintsainiko mihitsy ary aleoko maty toy izay misaintsaina izany”, hoy izy. Kanefa, maharitra ireo eritreritra ireo. “Indraindray, vokatry ny fiadiana amin’izany isan’andro, dia trotraka ara-bakiteny aho amin’ny alina.”
Manao “voady” amin’Andriamanitra, voady izay atosiky ny fahatsapana ho meloka noho ny fahadisoany, i Steven. “Mampitondra alahelo ahy io fironana io satria toa mifanohitra amin’ny faniriako”, hoy izy. “Aorian’izay, ny feon’ny fieritreretako dia manosika ahy hanatanteraka izay nampanantenaiko. Noho izany, dia voatery nanimba zavatra iray sarobidy be tamiko ara-pihetseham-po aho indray mandeha.”
Na i Elaine na i Steven dia samy manana fanahiana tafahoatra izay tanterahina ao an-tsaina indrindra indrindra. Na dia tsy voamarika mora foana aza ny fisehoan’izy ireny, ireo manana eritreritra avy amin’ny fanahiana tafahoatra dia voahidy ao anatin’ny tamberina fahatsapana ho meloka sy tahotra.
Izany dia sasany fotsiny amin’ireo fisehoana maron’ny OCD.c Inona no miteraka io fikorontanana io? Ahoana no azo anamaivanana azy io?
Fifehezana ny tsy voafehy
Ny dokotera iray dia milazalaza an’ilay fihetsika ateraky ny OCD ho vokatry ny “court-circuit ao amin’ny atidoha” izay tsy ampitan’ny fitatitra (nerf) fanazavana, ka “manjary miverimberina ilay programa”. Inona no mahatonga an’io baiko miverimberina io? Tsy misy mahazo antoka ny amin’izany. Toa tafiditra amin’izany ny neurotransmetteur sérotonine, kanefa dinihina koa ireo lafiny hafa amin’ny atidoha. Milaza ny sasany fa mety hampihetsika ny OCD ny zavatra niainana tany am-boalohany, angamba mitambatra amin’ny fironana nolovana ho mora voa.
Na inona na inona antony anefa, dia mazava ny zava-misy iray: Azo inoana fa tsy hahomby ny filazana fotsiny amin’ireo voan’ny OCD mba hitsahatra tsy hisasa na hitsahatra tsy hanamarina. Mihoatra noho ny fahatapahan-kevitra mafy no voafaoka amin’izany.
Hita ho nanampy olona maro ny fanafody. Ny fomba hafa iray dia mahafaoka fampanatrehana an’ilay marary amin’ilay tarehin-javatra atahorana ary avy eo dia fisakanana ny fihetsiny mahazatra. Ny olona iray zatra miverimberina misasa, ohatra, dia hotakina hihazona zavatra maloto ary avy eo dia hitan-tena tsy hisasa. Mazava ho azy fa tsy manasitrana eo no ho eo ny fitsaboana toy izany. Noho ny fikirizana anefa, dia tsapan’ny sasany fa afaka mitondra fanamaivanana izany.
Ireo manam-pahaizana dia nanadihady koa ny mety hisian’ny hoe, fara faharatsiny amin’ny tarehin-javatra sasany, ny OCD dia mety hiandoha avy amin’ny zavatra niainana tany am-boalohany. Nomarihina fa ankizy maro nentina tamin’ny fomba ratsy no mitombo amin’ny fahatsapana ho tsy mendrika na maloto efa raiki-tampisaka, ary ny sasany amin’izy ireo tatỳ aoriana dia namboly fahazarana misasa miverimberina vokatry ny fanerena anaty.
Fanamaivanana amin’ny fanahiana tafahoatra sy ny fanerena anaty
Raha mararin’ny OCD ianao, dia aza mihevitra fa hafa ianao na angamba ho lasa adala. “Afa-tsy amin’ireo tahotra tsapany manokana”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Lee Baer, “ny olona voan’ny OCD dia mbola mahatsapa ny zavatra tena izy raha ny amin’ny lafiny hafa rehetra eo amin’ny fiainany.” Azo ampiana ianao! Tadidio fa vokatry ny tsy fahatanterahana ny OCD. Tsy mariky ny fahalemena ara-pitondran-tena na ny tsy fahombiazana ara-panahy izy io! Tsy manondro ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra koa izy io. “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” — Salamo 103:8, 14.
Ahoana anefa raha toa feno tsy fanajana na fitenenan-dratsy ireo eritreritra avy amin’ny fanahiana tafahoatra? Amin’ny OCD, dia manetsika fahatsapana ho meloka ireo eritreritra maharikoriko, ary mety hanetsika eritreritra mbola maharikoriko kokoa aza ny fahatsapana ho meloka. “Mahatonga ahy ho saro-po be izany”, hoy i Elaine. “Mahatonga ahy ho sosotsosotra izany — mieritreritra foana aho fa mety ho tezitra amiko i Jehovah.” Mety hihevitra mihitsy aza ny sasany fa mitovy lenta amin’ny fahotana tsy ahazoana famelan-keloka ny eritreritr’izy ireo!
Kanefa, ny fanamarihan’i Jesosy mikasika ny fahotana tsy ahazoana famelan-keloka, fahotana amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia mazava fa tsy niresaka momba ny eritreritra maimaika, avy amin’ny fanahiana tafahoatra. (Matio 12:31, 32). Ireo Fariseo no niantefan’ny tenin’i Jesosy. Fantany fa fanahy niniana tanteraka ny famelezan’izy ireo. Avy tamin’ny fo feno fankahalana ny zavatra ninian’izy ireo natao.
Eny tokoa, ny fanahiana momba ny hoe nanafintohina an’Andriamanitra ny tena dia mety hanaporofo indrindra fa tsy nanota tamin’ny fomba tsy hahazoana famelan-keloka ny tena. (Isaia 66:2). Ankoatra izany, dia manome toky indray ny mahalala fa mahatakatra io fikorontanana io ny Mpamorona. Mamindra fo izy ary “vonona ny hamela heloka”. (Salamo 86:5, NW; 2 Petera 3:9). Na dia rehefa ny fontsika mihitsy aza no manameloka antsika, “Andriamanitra [dia] lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra”. (1 Jaona 3:20). Fantany hoe hatraiza ny eritreritra sy ny faniriana mafy no vokatry ny fikorontanana iray izay tsy ananan’ny tena afa-tsy fifehezana voafetra. Noho izany, ilay mararin’ny OCD izay mahatakatra izany dia afaka mitan-tena tsy hanorisory ny tenany amin’ny fahatsapana ho meloka tafahoatra.
Afaka ny ho velom-pisaorana toy inona moa isika fa mampanantena tontolo vaovao iray izay hisian’ny fanamaivanana amin’ny fahoriana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po rehetra, i Jehovah! (Apokalypsy 21:1-4). Mandra-pahatongan’izany, ireo izay tsy maintsy miaritra an’io fikorontanana io dia afaka manao dingana azo ampiharina mba hampihenana ny fijaliany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
b Tsy manohana fitsaboana manokana na inona na inona ny Mifohaza! Ho tian’ireo Kristiana voan’io fikorontanana io ny hitandrina mba tsy hifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay rehetra mety ho fitsaboana arahin’izy ireo.
c Ny vitsivitsy amin’ireo fisehoany hafa maro be dia mahafaoka fanisana na fanangonan-javatra tafahoatra na fanahiana tafahoatra ny amin’ny fifanandrifian-javatra.
[Efajoro, pejy 12]
Fanomezana Fanohanana
AMIN’NY maha-namana na mpianakavy anao, dia afaka manao zavatra be dia be ianao mba hanohanana ny olona iray miady amin’ny OCD.
• Voalohany, dia fakafakao ny fihetsikao manokana. Raha mino ianao fa malemy, kamo, na kirina ilay marary, dia hahatsapa izany amin’ny fomba tsy miovaova izy ka tsy ho voatosika hihatsara.
• Miresaha amin’ilay marary. Fantaro hoe inona no iadiany. Ny fananana namana amborahana tsiambaratelo, namana izay tsotra sy milaza ny marina, dia matetika no dingana voalohany ataon’ilay marary ho amin’ny fifehezana ny fisehoan’ny OCD. — Ohabolana 17:17.
• Aza manao fampitahana. Miteraka faniriana mafy tsy hay tohaina izay tsy tahaka ireo tsapan’ny tsy marary, ny OCD. Noho izany, dia mazàna no tsy mandaitra ny fitantarana ny fomba iezahanao handresy ny fanirianao tampoka. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 18:13.
• Ampio ilay marary hametra sy hanatratra tanjona mijery ny zava-misy. Mifidiana fisehoana iray amin’ilay aretina, ary manorita fitohitohizana tanjona mba handresena azy io. Manomboha amin’ilay tanjona izay tsy sarotra tratrarina indrindra. Ohatra, ny tanjona iray dia mety ho ny fandroana tsy mihoatra ny fe-potoana voafaritra tsara iray.
• Manaova teny fiderana noho ny fihatsarana. Mandrisika hanana fihetsika tsara ny fiderana. Zava-dehibe ny dingana tsirairay amin’ny fandrosoana — na manao ahoana na manao ahoana ny hakeliny. — Ohabolana 12:25.
Mety handreraka an’ireo mpianakavy ara-pihetseham-po ny fiaraha-miaina amin’ny olona iray mararin’ny OCD. Noho izany, ireo namana dia tokony hahatakatra ny fihevitr’izy ireo sy hanohana azy amin’ny fomba azo ampiharina araka izay azony atao, na amin’ny fomba inona izany na amin’ny fomba inona. — Ohabolana 18:24b.
[Sary, pejy 11]
Fanamarinana sy fisasana tafahoatra — fisehoana roan’ny OCD