Iza no Afaka Mitondra Fandriampahalemana Maharitra?
“Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”
AVY ao amin’ny Isaia toko faha-2, andininy faha-4, ao amin’ny Baiboly fandikan-teny malagasy, io teny etsy ambony io. Nanonona an’ireo teny ireo ny Human Development Report 1994, navoakan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana (PNUD), ary avy eo dia nanampy teny toy izao: “Toa tonga tamin’ny faran’ny ady mangatsiaka [tamin’ny 1990] ny fotoana ho an’io faminaniana io. Hatramin’izao anefa, dia hita ho fanantenana mihodivitra izy io.”
Fampihenana ny hery ara-tafika
Anton-javatra iray manamatroka ny fanantenana fandriampahalemana ny hoe tsy narahin’ny fampihenana be dia be teo amin’ny fandaniana ara-tafika ilay fiovana teo amin’ny rivo-piainana politika iraisam-pirenena. Marina fa nisy fihenana sasany. Araka ny tarehimarika nomen’ny ONU, ny fandaniana ara-tafika maneran-tany dia avy tamin’ny $995 000 tapitrisa, tampon’isa ambony indrindra hatramin’izay, tamin’ny 1987, no nidina ho $815 000 tapitrisa tamin’ny 1992. Na dia izany aza, dia tarehimarika goavana ny $815 000 tapitrisa. Mila ho mira sanda amin’ny fitambaran’ny fidiram-bolan’ny antsasaky ny mponina maneran-tany izany!
Anton-javatra hafa iray izay manohitra ny fampihenana fitaovam-piadiana ilay fiheverana hoe mety hitondra filaminana ny hery ara-tafika. Noho izany, na dia efa nifarana aza ny Ady Mangatsiaka, dia olona maro any amin’ireo firenena be indostria no manjohy hevitra fa tokony hitoetra ho ambony foana ny fandaniana amin’ny fepetra hiarovana ny firenena. Nilaza toy izao tamin’ny Antenimiera i James Woolsey tamin’ny Febroary 1993, fony izy lehiben’ny Sampam-pitsikilovana Amerikana (CIA): “Nahafaty dragona lehibe iray [ny U.R.S.S.] isika, saingy ankehitriny isika dia mipetraka ao anatin’ny ala mikitroka iray feno bibilava misy poizina, dia bibilava misy karazany mahazendana.”
Any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, ny fandaniana be ara-tafika dia hamarinina koa hoe fomba iray hisakanana fanafihana avy amin’ireo tany heverina ho mety ho dragona sy bibilava misy poizina. Raha ny tena izy anefa, hoy ny fanamarihan’ny PNUD, “ireo tany an-dalam-pandrosoana dia tsy nanao ady niraisam-pirenena firy, ary maro no nampiasa an’ireo heriny ara-tafika mba hamoretana ny vahoakany”. Raha ny marina, dia nanazava toy izao ilay tatitry ny PNUD: “Any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, ny mety hahafatin’ny fanaovana tsirambina ara-tsosialy (noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ireo aretina azo sorohina), dia avo 33 heny noho ny mety hahafatin’ny ady iray avy amin’ny fanafihana avy any ivelany. Kanefa, amin’ny antsalany, dia misy miaramila tokony ho 20 isaky ny dokotera tsirairay. Na ahoana na ahoana, ireo miaramila dia azo inoana kokoa fa hampihena ny fiarovana ny isam-batan’olona fa tsy hampitombo izany.”
Ny varotra fitaovam-piadiana iraisam-pirenena
Nandritra ny Ady Mangatsiaka, ny ngeza roa tonta dia nivarotra fitaovam-piadiana tamin’ireo mpiray dina taminy mba hanamafisana fihavanana sy hahazoana toeram-pamaharan’ny tafika ary hihazonana ny heriny. Nihanahery ireo tafiky ny firenena maro. Amin’izao fotoana izao, ohatra, dia tany 33 no samy manana tanky fenti-miady maherin’ny 1 000 avy.
Amin’izao efa nifaranan’ny Ady Mangatsiaka izao, dia nihena ny fanamarinana ara-politika sy stratejika ny fivarotana fitaovam-piadiana. Kanefa, mbola mahery ireo fandrisihana ara-toe-karena. Fahafahana hahazoam-bola izany! Koa satria midina ny fangatahana fitaovam-piadiana ao amin’ny taniny, ireo mpanamboatra fitaovam-piadiana dia mandresy lahatra an’ireo fitondram-panjakany hoe ny fomba hitsimbinana asa sy hihazonana ny toe-karena ho salama dia ny fivarotana fitaovam-piadiana any ivelany.
Manome fanazavana toy izao ny gazetiboky World Watch: “Amin’ny fomba mifanohitra, tsy misy hafa amin’ny anesoran’ny ngeza roa tonta an’ireo bala afomangany niokleary lehibe no itadiavany lalana amim-pahadodonana mba hivarotana maro kokoa amin’ireo baombany sy basiny mahazatra, saika amin’izay rehetra mety hividy.” Ny teti-bidy? Araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fikarohana Momba ny Fandriampahalemana any Stockholm, dia $151 000 tapitrisa ny sandan’ny fitaovam-piadiana mahazatra namidy teo amin’ny tsena iraisam-pirenena nandritra ireo taona nanomboka tamin’ny 1988 ka hatramin’ny 1992. I Etazonia no mpanondrana lehibe indrindra, narahin’ireo tany tao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha.
Mitoetra ny fandrahonana niokleary
Ahoana ny amin’ny fandrahonana niokleary? I Etazonia sy ny Firaisana Sovietika (na ireo fanjakana nandimby azy) dia nanao sonia ilay Fifanekena Momba ny Hery Niokleary Salasalany, tamin’ny 1987, sy ireo Fifanekena Momba ny Fampihenana Fitaovam-piadiana Stratejika (START) roa tamin’ireo taona 1991 sy 1993.
Nandrara ny fampiasana bala afomanga apetraka an-tanety izay manana lohany mihoatra ny iray ireo fifanekena START ka nitaky ny hanafoanana, mandra-pahatongan’ny taona 2003, efa ho ny telo ampahefatr’ireo loha niokleary eo amin’ny fitaovana rehetra azo andefasana azy. Na dia nanjavona aza anefa ny fandrahonan’ny Ady Lehibe Fahatelo niokleary, dia mbola mitoetra ireo tahiry goavana misy fitaovam-piadiana niokleary — ampy mba hamongorana imbetsaka ny fiainana rehetra eto an-tany.
Mampitombo ny mety hisian’ny halatra niokleary ny fanasaratsarahana ireny fitaovam-piadiana ireny. I Rosia, ohatra, dia mamaha sy mitahiry loha niokleary tokony ho 2 000 isan-taona ka mahazo avy amin’izy ireny, bolana plutonium mitovy habe amin’ny totohondry antsoina hoe vihy. Ny vihy-na loha niokleary iray izay mitaky fandaniana sy teknolojia goavana ny fanaovana azy, no taharo fototra ao amin’ny baomba niokleary iray. Koa satria hidiana ao anatin’ny soson-tsỳ izay misakana ny taratra radioaktifa ireo vihy mazàna, dia azo eritreretina ny hoe afaka mitondra iray ao am-paosiny ny mpangalatra iray. Amin’izay ny mpampihorohoro iray izay nahazo vihy efa voavoatra, dia afaka mametraka manodidina azy io, fihatsiny fanapoahana mba hamoronana indray baomba manan-kery mahatahotra.
Zavatra mampanahy hafa iray ny fandrahonan’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana niokleary any amin’ny tany mihamaro hatrany. Firenena dimy no ekena fa manan-kery niokleary — i Etazonia, i Frantsa, i Rosia, i Royaume-Uni, sy i Sina — ary firenena hafa maromaro no heverina koa fa afaka mamoaka haingana fitaovam-piadiana niokleary.
Koa satria mihamaro hatrany ireo firenena mahazo fitaovam-piadiana niokleary, dia mitombo ny mety hampiasan’ny olona azy ireny. Tsy hoe tsy misy antony ny atahoran’ny olona ny fampiasana an’ireny fitaovam-piadiana mahatahotra ireny. Araka ny filazan’ilay boky hoe The Transformation of War azy, dia “goavana aoka izany ny herin’izy ireny, hany ka mahatonga an’ireo fitaovam-piadiana mahazatra ho toy ny kilalao izy ireny”.
Fampihenana fitaovam-piadiana sy fandriampahalemana
Ahoana anefa raha toa ka nanesotra an’ireo fitaovam-piadiany enti-mandringana ary fomba ireo firenena? Ho niantoka tontolo iray mandry feizay ve izany? Tsy izany velively. Manao fanamarihana toy izao i John Keegan, miaramila mpanoratra tantara: “Tsy namono olona ireo fitaovam-piadiana niokleary nanomboka tamin’ny 9 Aogositra 1945. Ireo 50 000 000 izay maty tamin’ny ady nanomboka tamin’io daty io, tamin’ny ankamaroany, dia matin’ny fitaovam-piadiana mora vidy, novokarina tambabe, sy ny bala kely, izay ny vidiny dia mihoatra kely noho ny radio transistors sy ny pila tsy mety mitsonika izay nanenika an’izao tontolo izao tao anatin’izany fe-potoana izany.”
Ohatra vao haingana momba ny fampiasana fitaovam-piadiana tsy nampiasana teknolojia ary fomba ny fandripahana tatsy Rwanda, tany iray izay lazain’ny The World Book Encyclopedia (1994) toy izao ny aminy: “Katolika ny ankamaroan’ny olona. (...) Mitantana ny ankamaroan’ireo sekoly fanabeazana fototra sy sekoly ambaratonga faharoa fototra ny Eglizy Katolika sy ireo fiangonana kristiana hafa.” Kanefa, tatsy Rwanda dia hatramin’ny antsasa-tapitrisa no novonoin’ny olona nirongo kalaza. Mazava fa mba hampisy fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao, dia misy zavatra hafa ilaina ankoatra ny fampihenana fitaovam-piadiana mahazatra sy niokleary. Afa-tsy izany koa, dia misy zavatra ilaina ankoatra ireo fampianarana omen’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao.
Mitombo ny fifandrafiana ara-pirazanana
Nanambara toy izao vao haingana i Sadako Ogata, anisan’ny vaomiera ambony ao amin’ny ONU manara-maso ny mpitsoa-ponenana: “Taorian’ny Ady Mangatsiaka avy hatrany, dia nieritreritra isika fa ho voavaha ny olana rehetra. Tsy takatsika fa nanana lafiny hafa ny Ady Mangatsiaka — fa nanome baiko na baiko an-tery teo amin’ireo faritra nofeheziny avy ny ngeza roa tonta. (...) Koa ankehitriny àry, atỳ aorian’ny Ady Mangatsiaka, isika dia mahita ny firongatry ny ady ara-pirazanana nentim-paharazana kokoa, natoritory, angamba karazany nisy talohan’ny Ady Lehibe Voalohany.”
Milaza hevitra mitovy amin’izany i Arthur Schlesinger, mpanoratra tantara sy mpanoratra izay nahazo ny loka Pulitzer: “Soloan’ny karazam-pankahalana hafa ny karazam-pankahalana iray. Ny fanesorana ny fangiazana mafin’ny famoretana ara-pirehan-kevitra tany Eoropa Atsinanana sy ny Firaisana Sovietika teo aloha dia mamoaka fankahalana ara-pirazanana sy feno fanindrahindram-pirenena sy ara-pivavahana ary momba ny fiteny, fankahalana nokobonina izay latsa-paka lalina tao amin’ny tantara sy ny fitadidiana. (...) Raha taonjaton’ny adin’ny firehan-kevitra ny taonjato faha-20, dia manomboka amin’ny maha-taonjaton’ny adin’ireo firazanana kosa ny taonjato faha-21.”
Teo anelanelan’ny 1989 sy 1992, araka ny fanombanan’ny Firenena Mikambana, dia nisy ady 82 nitanam-piadiana, ka ny ankamaroany dia natao tao anatin’ireo tany an-dalam-pandrosoana. Nandritra ny 1993, dia nisy tany 42 nanao ady lehibe ary tany 37 hafa nandia herisetra ara-politika. Nandritra izany fotoana izany, ny Firenena Mikambana — nampiasaina hatramin’ny fetra farany ny tahirim-bolany — dia niady mafy kanefa tsy nahita fahombiazana firy mba hampisy fandriampahalemana tamin’ny opérations 17 monja. Mazava fa tsy maintsy mitodika any an-toeran-kafa ny taranak’olombelona mba hahazoana tontolo iray mandry feizay.
Olana manangasanga
Mihamitombo ny hoe tsy mijery ny hoavy amim-panantenana fiafaran-javatra tsara ny olona maro fa manampo zava-dratsy kosa. Mamintina toy izao fanambarana mialoha iray momba an’ireo am-polony taona ho avy ny fonon’ny The Atlantic Monthly tamin’ny Febroary 1994: “Rava ireo firenena noho ny fitosaky ny mpitsoa-ponenana tsy an-kiato, vokatry ny loza eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy. (...) Misy ady atao noho ny loharanon-karena tsy misy firy, indrindra fa ny rano, ka manjary mitohy amin’ny alalan’ny heloka bevava ny ady, satria misy andia-mpandroba tsy manan-jon’olom-pirenena, mitam-piadiana, mifandona amin’ny mpitandro filaminana manokana ananan’ireo olona ambony.”
Midika ve izany fa tsy mety ho azo ny fandriampahalemana maharitra? Tsy izany velively! Asehon’ny lahatsoratra manaraka ireo antony ahafahantsika mijery ny hoavy amim-patokiana.
[Efajoro, pejy 5]
Ny Fivavahana — Hery ho Amin’ny Fandriampahalemana Ve?
Rehefa mandeha miady ireo firenena, dia mamela an’ireo fampianarana momba ny fandriampahalemana sy ny firahalahiana ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Mikasika ny tarehin-javatra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nilaza toy izao i Frank P. Crozier, général de brigade britanika: “Ireo Fiangonana kristiana no mpanetsika faniriana handatsa-dra, [mpanetsika] tsara indrindra anananay, ary ampiasainay be dia be izy ireo.”
Nitovy hatrany ny anjara asan’ny fivavahana tamin’ny ady nandritra ireo taonjato. Nanaiky toy izao i E. I. Watkin, mpanoratra tantara katolika: “Na dia tsy maintsy mampanaintaina aza ny fiekena izany, isika dia tsy afaka, ho tombontsoan’ny fampivoarana sandoka na ny tsy fivadihana tsy marina, mandà na minia tsy mahalala ilay zava-misy ara-tantara hoe nanohana tamin’ny fomba tsy niovaova an’ireo ady rehetra nataon’ny fitondram-panjakan’ny taniny ireo Eveka.” Ary nanao fanamarihana toy izao ny lahatsoratra nataon’ny mpampanonta ny Sun any Vancouver, Kanada: “Fahalemen’ny fivavahana voalamina, angamba ny rehetra aminy, ny hoe manaraka ny sainam-pirenena ny fiangonana. (...) Ady inona no natao ka tsy nihamboana fa teo amin’ny andaniny tsirairay Andriamanitra?”
Mazava fa tsy hery ho amin’ny fandriampahalemana ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao, fa nampandroso ady sy famonoana olona kosa — araka ny naseho tamin-kery aoka izany tamin’ny ohatra ny amin’ny fandripahana tatsy Rwanda.
[Efajoro, pejy 6]
Ny Maha-tsinontsinona ny Ady
Tao amin’ilay boky hoe I Found No Peace (Tsy Nahita Fiadanana Aho), navoaka tamin’ny 1936, dia nanoratra toy izao i Webb Miller, masoivoho vahiny mpandefa vaovao: “Mahagaga fa tsy nanaitra ahy ny horohoro mandoza nentin’ny [Ady Lehibe Voalohany], tamin’ny hoe naharikoriko sy tsinontsinona tanteraka ilay izy, raha tsy valo taona katroka taorian’ny nifaranany.” Tamin’io fotoana io izy dia nitsidika indray ny saha fiadiana tany Verdun, izay nahafatesan’ny olona 1 050 000, araka ny filazany.
“Nandritra ilay ady dia voafitaka aho, niaraka tamin’ny an-tapitrisany maro hafa”, hoy ny nosoratan’i Miller. “Tsy nahomby afa-tsy tamin’ny famokarana ady vaovao ilay Ady Lehibe. Olona valo tapitrisa sy sasany no matimaty foana, am-polo tapitrisany no niharana horohoro tsy hay lazaina, ary an-jato tapitrisany no nandia fahoriana sy tsy fahampiana ary tsy fahasambarana. Ary nitranga tao anatin’ny fitaka bevava izany rehetra izany.”
Telo taona taorian’ny nivoahan’io boky io, dia nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa. Hoy ny fanamarihan’ny The Washington Post: “ ‘Ady nanaovana ezaka feno’ nanoherana miaramila ary koa sivily ireo ady nataontsika tamin’ny taonjato faha-20. (...) Ady tsy dia nanao ahoana ireo ady baribariàna tamin’ireo taonjato lasa raha ampitahaina amin’izy ireo.” Araka ny fanombanan’ny manam-pahaizana iray, dia 197 tapitrisa no maty nanomboka tamin’ny 1914 tamin’ireo ady sy fikomian’ny sivily tamin’ny fanjakana.
Kanefa, tsy nitondra fandriampahalemana na fahasambarana ireo ady sy fikomiana tamin’ny fanjakana rehetra nataon’olombelona. Araka ny nolazain’ny The Washington Post, dia “tsy nisy rafitra ara-politika na ara-toe-karena hatramin’izao, tamin’itỳ taonjato itỳ, nampitony na nanome fahafaham-po an’ireo olona an-tapitrisany maro misavorovoro”.
[Sary, pejy 7]
Iray tamin’ireo olona ana hetsiny maro ripaka tatsy Rwanda — ny maro taminy novonoin’ny olona mpiray fivavahana taminy — itỳ reny itỳ
[Sary nahazoan-dalana]
Albert Facelly/Sipa Press