FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/1 p. 3-4
  • Ny fiadanana sy ny filaminana: toe-piainana tena ilaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fiadanana sy ny filaminana: toe-piainana tena ilaina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ady Niokleary?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fiandohan’ny fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Iza no Afaka Mitondra Fandriampahalemana Maharitra?
    Mifohaza!—1996
  • “Ady Hamarana ny Ady Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/1 p. 3-4

Ny fiadanana sy ny filaminana: toe-piainana tena ilaina

“Amin’ny lafiny madinika rehetra, dia mihafeno habibiana sy mahafaty ary mampietry hatrany ny ady amin’izao taonjato faharoapolo iainantsika izao. (...) Namarana ady iray ireo baomba nalatsaka tany Hiroshima sy Nagasaki. Nanaporofo mazava koa izany fa tsy tokony hanapoaka ady hafa intsony mihitsy isika. Izany no fianarana tokony hotsoahin’ny mpanao politika sy filoha ara-politika any amin’ny tany rehetra avy amin’ny Tantara. Araka ny hevitro, dia rehefa ho takatr’izy ireo ihany izany vao ho hitany ny lalana mitarika ho amin’ny fiadanana maharitra. Tsy misy fanafodiny hafa noho izany.” — Henry Stimson, “Ny fanapahan-kevitra hampiasa baomba ataomika” (anglisy), Harper’s, febroary 1947.

IREO teny ireo dia notononina herintaona indrindra taorian’ny namoronan’Atoa. Stimson, mpitantsoratry ny fanjakana amerikana tamin’ny ady 1940 ka hatramin’ny 1945, ny Firenena mikambana. Eo amin’ny 40 taona atỳ aoriana, moa ve nanatsoaka “ny fianarana” resahina ny olombelona? Mahita “fiadanana maharitra” ve isika noho ny Firenena mikambana? Mba hahafantarana izany, dia aoka hojerentsika ny zavatra mavesatra tsy maintsy naloan’ny olombelona ho an’ny ady sy ireo fiomanana hiady nanomboka tamin’ny ady lehibe faharoa.

NY VIDINY TAMIN’NY AIN’OLOMBELONA: Ain’olona firy moa no nafoy tamin’ireo ady nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, ary izany dia na dia tao aza ny fiezahan’ny Firenena mikambana mikendry ny hanorina ny fiadanana? “Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia ady lehibe 105 ([nahatonga] fahafatesan’olona 1 000 isan-taona fara fahakeliny) no nipoaka tany amin’ny tany sy faritany 66. Ireo ady napoaka taorian’ny 1945 dia nahafaty olona 16 tapitrisa, betsaka lavitra tamin’ny sivily noho ny tamin’ny miaramila nandray anjara tamin’ireo ady. (Tsy feno io isa io, satria ny niharam-pahavoazana, indrindra fa teo amin’ny sivily, dia tsy voaisa ara-dalàna tamin’ny ankamaroan’ny ady.)” — World Military and Social Expenditures 1983, nataon’i Ruth Sivard.

Tsy azo lavina fa mihamanalavitra kokoa ihany isan’andro ny fiadanana sy ny filaminana; mihamatetika ny fisian’ny ady. Manao izao fanamarihana izao ny boky voatonona eo aloha: “Tao anatin’ireo taona dimampolo, ny ara-kevin’ny [isan’ny ady] dia 9 isan-taona; tao anatin’ireo taona enimpolo, 11 isan-taona; ary tao anatin’ireo taona fitopolo (...), 14 isan-taona.”

NY VIDINY ARA-TOE-TSAINA: Nanomboka tamin’ny zavatra nampangitakitaka nitranga tany Hiroshima, dia miaina ao anatin’ny tahotra ny ady noklehera foana ny olombelona. Tokony holazaina fa nitombo ny fiadiana noklehera vitsivitsy nisy tamin’ny 1945. Niisa ho 50 000 izany naneran-tany tamin’ny 1983. Ary betsaka kokoa hatrany ihany no amboarina! Mazava ho azy fa arakaraka ny itomboan’ny isan’ireny fiadiana ireny sy ny firenena manana azy, no mahalehibe kokoa ny mety hisian’ny ady noklehera iray. Fa inona no vokatry ny tahotra ady toy izany eo amin’ny toe-tsaina?

Manambara izao manaraka izao ny boky iray mivaofy ny amin’io raharaha io: “Ilaina maika dia maika ny handinihana akaiky kokoa ny vokatra ateraky ny zava-mahatahotra momba ny ady noklehera eo amin’ny faniriana sy ny fitondrantenan’ny ankizy sy ny olon-dehibe. (...) Izany dia mifanitsy amin’ny vidiny avo dia avo ho an’ireo fitambaran’olona eo amintsika, dia vidiny hovesaran’ny zanabola ho an’ireo taranaka vao misondrotra. Inona no vidin’ny nofin-jaza iray?” — Preparing for Nuclear War — The Psychological Effects.

Tsy isalasalana fa manohina ny tanora indrindra ny tsy fisian’ny filaminana. Porofon’izany izao famoaboasan-kevitra izao nangonina vao haingana tamin’ny fitsapan-kevitra natao teo amin’ny mpianatra aostraliana 10 ka hatramin’ny 12 taona: “Heveriko fa rehefa lehibe aho, dia hisy ady ka ho faty ny olona rehetra eto Aostralia.” “Horavana izao tontolo izao; hisy faty hatraiza hatraiza ary hofoanana tsy hisy eo amin’ny sarintany Etazonia.” Maherin’ny 70 isan-jato tamin’ny ankizy nanontaniana no “nilaza fa azo inoana hipoaka ny ady noklehera iray”. Matahotra ireo mpandinika ny toe-tsaina sao ny tsy fisian’ny filaminana anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fihetsika hoe “izay alehany alehany” manjaka eo amin’ny tanora ka manosika azy ireny hikatsaka fahafinaretana tafahoatra.

NY VIDINY ARA-TOE-KARENA: Talohan’ny antenatenan’ireo taona telopolo, ny fandaniana ara-tafika teto amin’izao tontolo izao dia tafakatra ho 400 lavitrisa ariary eo ho eo isan-taona. Tamin’ny 1982 anefa io tarehi-marika io dia niakatra ho 6 000 lavitrisa ariary ary, araka ny fantatry ny rehetra, dia tsy mitsahatra ny mitombo izany. Mba hahazoana an-tsaina izay asehon’izany, dia manao izao fampitahana manaraka izao ny boky iray (World Military and Social Expenditures 1983): “Ankizy 30 no maty isa-minitra noho ny tsy fisian’ny sakafo sy ny vaksiny tsy dia lafo akory. Ao anatin’izany fotoana izany ihany anefa, ny tetibola ara-tafika eo amin’izao tontolo izao dia mitelina 1,3 tapitrisa dôlara [eo amin’ny 110 tapitrisa ariary] avy amin’ny volam-bahoaka.” (Izahay no manipika). Amin’izao fotoana izao, roa taona atỳ aoriana, io tarehi-marika io dia mahatratra 2 tapitrisa dôlara (eo amin’ny 170 tapitrisa ariary) isa-minitra.

Rehefa heverina amin’ny vidiny mihoapampana aloan’ny olona ho an’ny ady sy ny fiomanana hiady, dia zavatra iray loha no azo antoka: tsy afaka nahita irery “ny lalana mitarika ho amin’ny fiadanana maharitra” izy. Mendrika ny hampitodihana ny sainao anefa ireto fanontaniana manaraka ireto: Moa ve amin’izao androntsika izao misy lalana iray mitarika ho amin’ny fiadanana sy ny filaminana maneran-tany? Inona no tena mety ho loharanon’izany? Tokony hitodika any amin’ny Firenena mikambana ve? Raha tsy izany, ahoana no hanorenana ny fiadanana sy ny filaminana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara