Fijerena An’izao Tontolo Izao
Manao Fangatahana An-tsoratra Amin’ny Papa Ireo Katolika
Tamin’ny faramparan’ny taona 1995, ireo Katolika alemana dia nampanao taratasy misy fangatahana an-tsoratra mitaky ny hanavaozana ny eglizy, hoy ny tatitra nataon’ny Süddeutsche Zeitung. Nitaky ny hamelan’ny eglizy an’ireo pretra hanambady sy ny hanokafany ny asan’ny pretra ho an’ny vehivavy ary ny hanovany ny fihetsiny momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy sy ny fandrindram-piterahana, ilay fangatahana an-tsoratra, izay nosoniavin’ny olona tokony ho 1,6 tapitrisa. “Ny papa no olona tena iresahanay mivantana”, hoy ny fanazavan’i Christian Weisner, izay nampanomboka ilay fangatahana an-tsoratra. Nambaran’ilay gazety fa i Karl Lehmann, mpitari-draharahan’ny Kaonferansan’ny Eveka Alemana, dia naneho fandavana mafy raha ny amin’ilay fangatahana an-tsoratra, ka nilaza fa hitarika ho amin’ny fisarahan’ny Katolika tsy tia fiovana sy ny Katolika tia fanavaozana izy io. Na dia izany aza, dia nandeha nankany Vatikana i Lehmann ka nanolotra ilay fangatahana an-tsoratra voasonia tamin’ny papa.
“Segondra Amboniny” Anampy ny Taona 1995
Toa tsy ny fanisana fotoana azo ianteherana indrindra ny fihodinan’ny tany. Araka ny The New York Times, ireo mpahay siansa dia manana fomba fanisana fotoana araka ny marina kokoa — ny ataoma cæsium. Ampiasaina ho hery mampihetsika ny famantaranandro ataomika ny ataoma cæsium, izay mihovotrovotra in-9 192 631 770 katroka isaky ny segondra. Amin’io taha io, ilay famantaranandro ataomika dia ireharehana fa manana “taham-pahadisoana sahabo ho iray segondra ao anatin’ny 370 000 taona”. Raha ampitahaina amin’izany ny fihodinan’ny tany dia latsaka tokony ho avo iray tapitrisa heny raha ny amin’ny fahamarinany, ka izany no antony tsy maintsy anampiana ara-potoana, iray “segondra amboniny” amin’ilay famantaranandro. Nanapa-kevitra ny hanampy izany iray “segondra amboniny” izany tamin’ny faran’ny taona 1995 ny vondrona iraisam-pirenena iray misy ireo mpanisa fotoana. Izany dia namela “ny fihodinan’ny planetantsika sy ny fandrosoan’ny fotoana” hitoetra ho iray fandeha. Tsy mahazo laza velively avy amin’io zavatra sambany vao hita io anefa ireo mpahay siansa. Raha ny marina, “ireo fihetsehan’ny raha bitika ao anatin’ny ataoma ao amin’ilay famantaranandro dia maka tahaka, amin’ny endriny kely, ny firindrana goavan’ireo planeta”, hoy ny Times.
Zazakely sy Teknolojia
“Ankizy mihamaro hatrany no manjary mahay ordinatera, alohan’ny hahaizany taratasy”, hoy ny tatitra nataon’ny The Globe and Mail any Kanada. Mampiasa ordinatera sahady ny zazakely sasany izay mbola tsy nianatra nandeha na niteny akory. Na dia zaza mbola tsy mahapetraka aza dia ampianarina fahaizana ara-teknolojia rehefa ampofoin’ny rainy na ny reniny. Matetika no avy amin’ireo ray aman-dreny izay dodona ny hahaizan’ny zanany tsara any an-tsekoly ny fahamaikana hampifankahalala ny zaza amin’ny ordinatera. Fanampin’izany, dia kompania maro manao programa-na ordinatera no mandoka ny entam-barony ho fitaovana fianarana ho an’ny ankizy. Misy ray aman-dreny sasany anefa mametraka fisalasalana momba ny fanantitranterana ny fifandraisana amin’ny milina, fa tsy amin’ny olona, raha mbola tena kely toy izany. Nilaza toy izao ny reny iray: “Tsy mamboly fifandraisana manokana amin’ny ordinatera isika, na, fara faharatsiny, tsy heveriko fa tokony hanao izany isika.”
Lalan-kivoahana Mora
Any Japon, dia nitombo ny isan’ny fatin’olona natolotra ho amin’ny fikarohana ara-pitsaboana tato anatin’ireo taona faramparany. Araka ny The Daily Yomiuri, dia milaza ny Minisiteran’ny Fampianarana fa “faty iray no ilaina ho an’ny mpianatra ho dokotera roa ary [faty iray] ho an’ny olona efatra mpianatra ho mpitsabo nify, ka izany dia mahatonga ny isan’ny faty ilaina manerana [an’i Japon] ho 4 500 isan-taona”. Nahoana anefa no mihamaro kokoa ny isan’ny olona izay manolotra ny fatiny noho ny isan’ny faty izay tena ilaina? Anisan’ny antony naroso ny tsy fahampian’ny tany hanaovana fasana sy ny fihalemen’ny fehim-pianakaviana.
Mihoatra ny 500 000 ny Voan’ny SIDA any Etazonia
Vao voalohany, tamin’ny 31 Oktobra 1995, no nihoatra ny antsasa-tapitrisa ny tontalin’ny isan’ny voan’ny SIDA nanaovana tatitra tany Etazonia, hoy ny The Journal of the American Medical Association. Amin’io isa io, dia ny 311 381 — 62 isan-jato — no efa matin’ilay aretina. Fisehoan-javatra hafa manjombona ny fitomboana tsy an-kiaton’ny SIDA amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Notondroin’ilay gazety fa nanomboka tamin’ny 1981 ka hatramin’ny 1987, ny ampahan’ny voan’ny SIDA teo amin’ny vehivavy dia 8 isan-jato monja, kanefa nanomboka tamin’ny 1993 ka hatramin’ny 1995, dia niakatra ho 18 isan-jato io tarehimarika io.
Za-dratsy Amin’ny Ordinatera Mifandray
Nampipoitra fahoriana vaovao antsoina hoe “Aretin’ny Fahazaran-dratsy Amin’ny Internet” ilay fahazarana mampiasa ordinatera mifandray an-tariby. Araka ny New Scientist, “dia mitodika any amin’ireo antokon’olona manolotra fanohanana sy fitsaboana mba hampisava ny fanahiany tafahoatra ireo [olona] mitombo isa izay mijaly noho ny fampiasana ordinatera, misy itoviana amin’ny alkaolisma”. Nitarika ny fanombohan’ny Antokon’olona Manolotra Fanohanana Noho ny Fahazaran-dratsy Amin’ny Internet ny Dr. Ivan Goldberg, mpitsabo aretin-tsaina any New York, mba hanampiana an’ireo izay “miady mafy mba hialana” amin’ny autoroutes de l’information. Tafiditra amin’ny soritr’ilay aretina “ny fahatsapana ho mila mandany fotoana betsaka kokoa hatrany eo amin’ny Internet mba hahazoana fahafaham-po, sy ny hevi-dravina na nofinofy momba ny [Internet]”. Lazain’ilay gazetiboky fa i Goldberg dia nahazo “valin-teny maherin’ny 20 avy tamin’ny olona izay milaza fa nanimba ny fiainany ny [Internet]”.
Mampitombo ny Faharisihana Hiasa ny Fahazavan’ny Masoandro
Miteraka “famokarana ambony kokoa” sy “fihenan’ny andro very noho ny tsy fahatongavana miasa” ny fampidirana fahazavana voajanahary bebe kokoa ao anaty trano, hoy ny tatitra nataon’ny The Wall Street Journal. Nampiasaina tany am-boalohany ho fomba fitsitsiana angôvo ilay maritrano izay mampiditra ny fahazavan’ny masoandro ao anatin’ny toeram-piasana, ary dia mitondra tombony lehibe, dia ny fihatsaran’ny faharisihan’ny mpiasa. Ohatra, rehefa nanokatra birao vaovao tany Sunnyvale, Californie, ilay kompania goavana momba ny aérospatiale Lockheed Corporation, ilay drafitra mitsitsy angôvo nanaovana azy io dia “nampidina ho antsasany ny fandaniana angôvo tamin’ny fitambarany”. Tsy nampoizin’ny Lockheed anefa ny hoe ho tia aoka izany ilay toerana vaovao manodidina azy ireo mpiasa, hany ka ‘nidina 15 isan-jato ny tsy fahatongavana miasa’. Tsy hoe tsy voamarik’ireo mpivarotra antsinjarany koa ny tombontsoa azo amin’ny famelana tara-masoandro bebe kokoa hiditra ao anaty trano. Hitan’ny mpivarotra iray fa “tena mandeha kokoa” ny varotra any amin’ireo magazay izay mampiasa fahazavana voajanahary fa tsy fahazavana namboarina.
Tontolo Miambina Rano
“Ho momba ny rano ireo ady amin’ny taonjato manaraka”, hoy ny fampitandreman’i Ismail Serageldin, prezidà lefitra momba ny tontolo iainana ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Araka ny voalazan’i Serageldin, dia tany 80 no efa azon’ny tsy fahampian-drano izay mandrahona ny fahasalamana sy ny toe-karena. Ilay olana anefa dia tsy hoe tsy ampy ny rano azo ampiasaina eto an-tany. “Mihoatra noho izay rehetra azo saintsainina fa ilain’ny olombelona ny tontalin’ny habetsahan’ny rano mamy eto an-tany”, hoy i Robert Ambroggi, manam-pahaizana momba ny rano. Vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny rano ny ankamaroan’ny krizy. Mitsika any ambanin’ny tany na mietona ny antsasaky ny rano ampiasaina amin’ny fitarihan-drano. Misy rano 30 ka hatramin’ny 50 isan-jato, ary indraindray mihoatra noho izany mihitsy aza, mitete avy amin’ireo fitaovana famatsian-drano an-tanàna. “Ho avy ny fotoana”, hoy ny The Economist, “izay tsy maintsy hiheverana ny rano ho loharanon-karena sarobidy, toy ny menaka, fa tsy ho maimaim-poana toy ny rivotra.”
Fatoriana Tsy Misy Fanaintainana
Misy fanafody fampitonena fanaintainana sasany, vidina tsy misy taratasim-panafody, mety ho anisan’ny mahatonga tsy fahitan-tory, hoy ny tatitra nataon’ny Tufts University Diet & Nutrition Letter. “Izany no izy satria misy kafeina mitovy habetsahana, na mihoatra, amin’ny an’ny kafe eran’ny kôpy, ny sasany amin’ireo marika mitana ny loha laharana amin’ireo fanafody manamaivana fanaintainana.” Matetika no ampiana kafeina — mpanaitaitra malefaka — ny aspirine sy ireo fanafody manadonto fanaintainana hafa mba hampitomboana ny heriny. Raha ny marina, ny marika be mpitia sasany dia misy kafeina hatramin’ny 130 miligrama ao anatin’ny pilina roa. Izany dia “ambony lavitra noho ny 85 miligrama hita ao amin’ny [kafe] eran’ny kôpy mahazatra”. Noho izany, ilay gazety dia manolo-kevitra ny amin’ny hijerena ny soratra milaza ireo “taharo misy heriny” ao amin’ny fanafody iray manamaivana fanaintainana, mba hahitana raha misy kafeina izy io na tsia.
“Raboka Hipoaka any Aoriana”
Misy karazana raboka vaovao mahatohitra fanafody maro, mamono olona 10 000 isan-kerinandro any India, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Indian Express. Araka ny voalazan’i Kraig Klaudt ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, i India dia “mipetraka eo ambonin’ny raboka hipoaka any aoriana”. Maneran-tany dia olona 1,75 arivo tapitrisa no voan’ilay bakterian’ny raboka. Milaza ny antokona manam-pahaizana nangonina avy tany amin’ny tany 40 ho amin’ny fivoriana iray notohanan’ilay gazety ara-pitsaboana britanika hoe The Lancet, fa malaina hampiasa vola tena ilaina ho amin’ny fanamboarana fanafody vaovao hamidy ireo kompania mpanamboatra fanafody, satria mitranga any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana mahantra kokoa ny ankamaroan’ireo fisehoan’ilay aretina.
Mpangalatra Tsy Voasazy
Araka ny antontan’isa tamin’ny 1994, any Italia “ireo izay mandroba dia manana fahafahana 94 isan-jato ho mety ho afa-maina amin’izany”, ary “ireo izay mandroba amin-kerisetra dia manana fahafahana 80 isan-jato ho mety hihodivitra ny fanasaziana”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety italiana hoe La Repubblica. Azo tamin’ny tatitra voarain’ireo manam-pahefana ao amin’ny fitsarana avy tamin’ireo masoivoho mpampihatra ny lalàna, ireo tarehimarika ireo. Raha heverina ireo halatra maro izay tsy nanaovana tatitra, dia vao mainka ho ambony kokoa ny ampahany isan-jaton’ny heloka bevava tsy nahazoana sazy.
Mihamiova ny Fianakaviana Italiana
Araka ny fanadihadiana iray momba ny fianakaviana italiana, dia olona tsy mpivady maro kokoa no miray trano, ary mpivady maro kokoa no misara-toerana na misara-panambadiana, hoy ny tatitra nataon’ny La Repubblica. Isan-taona dia fampakaram-bady 18 000 eo ho eo no ankalazaina, ka amin’izy ireo dia ny iray amin’ny mpivady, fara fahakeliny, no manambady indray. Matetika no miteraka fianakaviana miitatra kokoa izay misy zanaka avy tamin’ny fanambadiana teo aloha ireny fanambadiana vaovao ireny. Manova haingana sy tanteraka ny firafitry ny fianakaviana italiana nentim-paharazana io fironana io, omban’ny fitomboan’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny.