Topy Maso Eran-tany
Mpamono Ratsy Indrindra Eran-tany
Milaza ny gazety alemà Frankfurter Allgemeine Sonntagszeitung, fa “mbola ny aretina ateraky ny virosy sy ny bakteria ary ny katsentsitra ihany no antony voalohany mahafaty ny olona, eran-tany.” Ny SIDA sy ny tazo ary ny tioberkilaozy fotsiny dia “mahavoa olona an-jatony tapitrisa isan-taona, ka efa ho folo tapitrisa no maty.” Manazava ilay gazety hoe: “Manam-pahaizana maro no nieritreritra, teo antenatenan’ny taonjato faha-20, fa ho zavatra tsy dia manao ahoana intsony ny areti-mifindra atsy ho atsy. Nanjary niharihary anefa fa [mbola] zava-misy mampahory ny mikraoba mifindra mandrahona ny olona sy ny biby, satria nirongatra be ny SIDA, sy ny aretin’ny ombivavy adala ary vao haingana indray ny aretim-biby antsoina hoe fièvre aphteuse ... Nipoitra tampoka naneran-tany ny virosy sy bakteria mampidi-doza.” Ny karazan’ireny virosy sy bakteria ireny mihitsy matetika no mahatonga izany, kanefa vao mainka mampitombo sy manaparitaka azy ireny ny fomba fiaina sy ny fitondran-tenan’ny olona.
Ratsy ve ny Faha-49 Taona?
‘Mitandrema ianareo 49 taona’, hoy ny gazety Asahi Shimbun. Lehilahy 49 taona ny ankamaroan’ny voasambotra noho ny famonoana olona na fanandramana hamono olona tany Japon. Izy ireo koa no voalohany amin’ny fandratrana olona, manarakaraka ny olona 47 taona, sy ny 48 taona, ary ny 45 taona. Fa maninona loatra ny olona amin’io sokajin-taona io? Milaza ny mpitsabo aretin-tsaina iray any Tokyo fa, tonga eo amin’ny sampanan-dalan’ny fiainany ny lehilahy manakaiky ny faha-50 taonany. “Lasa mahaleo tena ny zanany, tsy maintsy mikarakara ny ray aman-dreniny be taona izy, ary mihasarotra ny fifandraisany amin’ny vadiny”, hoy ihany izy. “Manjary tsy mahafehy tena loatra izy, amin’io fotoana io, ary misy manao zavatra maimaika, na dia hitany aza fa mety hitera-doza izany.” Milaza ilay gazety fa sahiran-tsaina mafy ireo lehilahy mananika ny faha-50 taonany noho ny vidin-trano aloa tsikelikely, ny saram-pianaran’ny ankizy, ny olana any am-piasana, ny tsy fananana asa, sy ny asa tsy azo antoka.
Raboka Tsy Laitram-panafody
“Mitombo ary afaka mamono fianakaviana manontolo mihitsy ny raboka tsy laitram-panafody”, hoy ny gazety Star any Johannesburg. Eto Afrika Atsimo, hoy io gazety io, dia “mety ho betsaka noho ny olona voan’ny raboka tsotra no ho voan’io raboka tsy laitram-panafody io, ao anatin’ny taona vitsivitsy ho avy.” Milaza ny Fikambanana Afrikanina Tatsimo Miady Amin’ny Raboka, fa mety ho voan’ny raboka tsy laitram-panafody ny olona voan’ny raboka tsotra raha ajanony aloha loatra ny fihinanany fanafody, na ataony tapatapaka. Mety hifindra amin’ny olona mbola tsy voan’ny raboka hatramin’izay ny mahery indrindra amin’ny raboka tsy laitram-panafody. Avo 20 heny noho ny an’ny raboka tsotra ny halafon’ny fitsaboana ny raboka tsy laitram-panafody. Tsy mandaitra loatra anefa ilay izy satria ny antsasaky ny marary voan’io karazana raboka io no maty. “Mihamirongatra tsy tana mihitsy” ny raboka eto Afrika Atsimo, hoy ilay gazety, “na dia tsaboina maimaim-poana aza.” Efa misy raboka miotrika ao anatin’ny androatokon’ny mponina, ka ny tsimokaretina VIH no mora mampihetsika azy.
Mahavery Tadidy ve ny Fandrosoana?
Araka ny gazety The Sunday Times any Londres dia lazain’ny dokotera japoney sy amerikanina ary anglisy, fa ny fampiasana ordinatera na zavatra elektronika no mahatonga olona maro ho very tadidy. Lazain’ireo dokotera ireo fa noho ny fisian’ny fitaovana eletronika kely maoderina, dia manjary tsy mampiasa saina mba hamahana olana intsony ny olona, ka na dia ireo mpiasa mbola eo amin’ny faha-20 sy faha-30 taonany aza dia tsy mahatadidy anarana, na zavatra nosoratana, na fotoana nifanaovana. Nilaza toy izao ny Dr. David Cantor, avy ao amin’ny Ivon-toerana Momba ny Psikolojia, any Atlanta, Géorgie any Etazonia: “Manam-pahaizana maro no mihevitra fa lasa sarotra amin’ny olona sasany ny mitadidy zavatra vaovao satria be loatra ny efa voarainy ... Manjary be fanadinoana izy, satria mbola variana amin-javatra hafa ny sainy.” Milaza ny Dr. Takashi Tsukiyama, avy any Tokyo, fa “tsy misy idiran’ny fahanterana mihitsy izany olana izany, fa ny fomba fiainanao no mahatonga izany. Anisan’izany ny tsy fampiasana loatra ny atidohanao.”
“Olana Goavana ho An’ny Fahasalamam-bahoaka”
Araka ny antontan’isa navoakan’ny fanjakana, dia ny famonoan-tena no antony fahavalo mahafaty ny ankamaroan’ny olona any Etazonia. Amerikanina 30 000 mahery isan-taona no mamono tena any, ary 650 000 isan-taona no manandrana manao izany. Milaza ny masoivohom-baovaon’ny Reuters fa misy famonoan-tena mihoatra ny telo isaky ny vonoan’olona roa. Samy milaza ny fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana fa “olana goavana ho an’ny fahasalamam-bahoaka” ny famonoan-tena. Hoy i David Satcher, minisitry ny fahasalamana amerikanina: “Vitsy ny olona tsy voakasiky ny vokatry ny famonoan-tena.” Milaza ny Reuters fa anisan’ny mahatonga ny olona hamono tena ny “fahaketrahana, ny famoizam-po sy ny fahatsapana ho tsy afa-manoatra, ny fidorohana toaka sy zava-mahadomelina hafa.”
Ranona Pamplemosy sy ny Fanafody
Milaza ny gazety momba ny fahasalamana Berkley Wellness Letter fa mety vao mainka “hiteraka vokany hafa na [hampisy] fiantraikany ratsy indraindray” ny fihinanana fanafody miaraka amin’ny ranona pamplemosy. Tena voakasika amin’izany ny fanafody fampihenana kôlesterôla, ny fanafody mampidina tosidra sy ny fanafody sasany fampitonena fanaintainana. Mahagaga anefa fa tsy amin’ny olona rehetra no misy vokany ratsy io fifangaroan-javatra io, ary tsy ny ranona pamplemosy rehetra no miteraka olana toy izany. Milaza ilay gazety hoe: “Tokony hanontanianao ny mpivarotra fanafody hoe inona no mety ho vokany raha mbola mihinam-panafody ianao nefa sady misotro ranona pamplemosy.”
Mahay Mitadidy toy ny Elefanta Hoe?
Hitan’ny mpanao fikarohana ao amin’ny Valam-pirenena Amboseli atsy Kenya, fa iankinan’ny ain’ny andiana elefanta ny fitadidian’ny elefanta vavy zokiny indrindra. Milaza ny gazety Science News fa “ny elefanta vavy zokiny indrindra amin’ny andiany iray, izany hoe 55 taona, fara fahakeliny, dia mahay manavaka kokoa ny feon’ny namany ... raha oharina amin’ny elefanta 35 taona.” Mahatadidy antso famantarana ny elefanta zokiny indrindra, ka angoniny mba hiaro tena ny andiany, raha vao fantany fa misy feo tsy mahazatra. Lazain’ilay tatitra fa “mahafantatra ny feon’ny namany miisa 100 eo ho eo ny elefanta vavy anankiray.” Tena voa mafy àry ny andian’elefanta iray manontolo, raha misy elefanta vavy efa antitra vonoin’ireo mpihaza tsy ara-dalàna.
Tsy Mahay Baiboly
Nohindrahindrain’ny Amerikanina foana ny Baiboly, nefa nasehon’ny fandinihana natao vao haingana fa ny 16 isan-jato monja amin’ireo milaza tena ho Kristianina no nilaza fa mamaky Baiboly isan’andro. Miresaka momba ny fandinihana hafa natao ny gazety The Sun Herald any Biloxi, any Mississippi, Etazonia, ka milaza fa olona 2 ao anatin’ny 10 no nahafantatra hoe iza no nanao ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Telo na efatra tamin’ny Didy Folo koa no mba hain’ireo nanontaniana.
Tena Mahafaty
“Zatovo 55 000 isan-taona no matin’ny toaka”, hoy ny gazety frantsay Le Figaro. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), fa ny toaka no tena mahafaty ny lehilahy eoropeanina, eo anelanelan’ny 15 sy 29 taona, ary mbola ny toaka koa no mahafaty ny ampahefatry ny Eoropeanina rehetra. Lazain’ilay gazety fa tafiditra amin’izany ny fahafatesana noho ny “fimamoana, ny lozam-piarakodia, ny famonoan-tena, ary ny famonoan’olona.” Any Eoropa Atsinanana no tena ratsy indrindra, satria “tsy maintsy ho faty tsy ho ela vokatry ny fisotroan-toaka tafahoatra ny ampahatelon’ny tovolahy.” Nambaran’ny Dr. Gro Harlem, tale jeneralin’ny OMS, tamin’ilay zaikabe natao tany Stockholm, any Soeda, fa mahery vaika ny dokam-barotra ataon’ny mpamokatra toaka, ka vao mainka sarotra ho an’ny zatovo ny “mihevitra ny toaka araka ny tokony ho izy, mifanaraka amin’ny fahasalamany.”
Inona no Mahasambatra?
Nasehon’ny fandinihana vaovao nataon’ny psikology fa “tsy ny fananana vola be any amin’ny banky akory no mahatonga ny fiainana ho ampoky ny soa. Fahafaham-po kely dia kely, raha ny marina, no mety ho azo noho ny fananana harena sy laza ary fahefana.” Nilaza toy izao i Kennon Sheldon, psikology ao amin’ny Oniversiten’i Missouri-Columbia, Etazonia: “Betsaka ny dokam-barotra atỳ amin’ny firenena tandrefana, milaza fa tokony ho tsara tarehy sy malaza ary manankarena isika. Mety hampandeha tsara ny varotra izany, nefa tsy ireo nahatratra izany tanjona izany akory no sambatra indrindra.” Milaza ny gazety Independent any Londres fa rehefa nadinadinina ny mpianatra 700 tany amin’ny oniversite, dia hita fa ny “fananana haja”, sy ny “fifandraisana akaiky amin’ny olon-kafa” no tena mahasambatra azy ireo. Ny vola foana matetika no voatonona farany indrindra amin’ny antony mahasambatra. Nilaza ilay gazety fa “tsy nisy nihevitra izy ireo hoe ‘tsy mahafantatra ny tombontsoa azo amin’ny vola izay mihevitra fa tsy mahavidy fahasambarana ny vola.’”