FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 4-9
  • Fandresena sy Faharesena Mampahonena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandresena sy Faharesena Mampahonena
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanafody nanasitrana, rehefa ela ny ela!
  • Fiverenan’ilay mpamono
  • Nahoana no niverina ilay mpamono?
  • VIH sy raboka — Fahasahiranana roa sosona
  • Raboka tsy andairam-panafody maromaro
  • Fisorohana sy fitsaboana
  • Aina Afoy Mila Hahatratra ny Isan’ny Maty An’ady
    Mifohaza!—1998
  • Mamely Indray Ny Raboka!
    Mifohaza!—1996
  • Vahaolana Maneran-tany — Mety Hisy ve Izany?
    Mifohaza!—1998
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 4-9

Fandresena sy Faharesena Mampahonena

“Tantaram-pandresena sy faharesena mampahonena ny an’ny raboka nandritra ireo 30 taona lasa: ny fandresen’ireo mpahay siansa izay nanome ireo fomba hisakanana sy hamongorana ilay aretina amin’ny farany, sy ny faharesena mampahonena noho ny tsy nampiasana tsara ireo zava-baovao hitan’izy ireo, na taiza na taiza.” — J. R. Bignall, 1982.

EFA namono olona hatramin’ny ela ny raboka. Nampahory ny Incas tany Peroa, ela be talohan’ny nandehanan’ny Eoropeana an-tsambo nankany Amerika Atsimo, izy io. Namely ny Egyptiana tamin’ny andron’ireo farao nanapaka tao anatin’ny famirapiratana, izy io. Asehon’ireo asa soratra tranainy fa nandrahona, na ny olona ambony na ny olona ambany, tany Babylona fahiny sy tany Grisia ary tany Sina, ny raboka.

Nanomboka tamin’ny taonjato faha-18 ka hatreo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia ny raboka no antony voalohany indrindra niteraka fahafatesana tany amin’ny tontolo tandrefana. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1882, dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny dokotera alemà atao hoe Robert Koch fa hitany ilay basiliosy nahatonga ilay aretina. Telo ambin’ny folo taona taorian’izay, i Wilhelm Röntgen dia nahita ny taratra X, izay hahafahana hitaratra ny havokavoky ny olona velona mba hahitana soritry ny fahavoazana nateraky ny raboka. Nanaraka izany, tamin’ny 1921, dia nisy mpahay siansa frantsay namorona vaksiny fanefitra amin’ny raboka. Nampitondraina ny anaran’ireo mpahay siansa nahita azy ny BCG (Basiliosy Calmette-Guérin), izay mbola ny hany vaksiny azo ampiasaina ho fanefitra amin’ilay aretina. Na dia izany aza, dia nanohy nijinja ain’olona maro ny raboka.

Fanafody nanasitrana, rehefa ela ny ela!

Nalefan’ny dokotera tany amin’ny sanatôriôma ireo nararin’ny raboka. Matetika ireny hopitaly ireny no naorina teny an-tendrombohitra, izay nahafahan’ireo narary niala sasatra sy nifoka rivotra madio. Avy eo, tamin’ny 1944, dia nisy dokotera tany Etazonia nahita ny streptômisinina, ny antibiotika voalohany indrindra hita ho nandaitra tamin’ny raboka. Nanaraka haingana taorian’izany ny fanamboarana fanafody hafa fitsaboana ny raboka. Ela ny ela ka azo nositranina ireo nararin’ny raboka, na dia tany an-tranony ihany aza.

Koa satria nihena be dia be ny isan’ny olona voa, dia toa nibaliaka ny hoavy. Nakatona ireo sanatôriôma, ary najanona ny famoriam-bola ho an’ny fanaovana fikarohana momba ny raboka. Nialana ireo fandaharan’asa fisorohana ilay aretina, ary nitady olana ara-pitsaboana vaovao ireo mpahay siansa sy dokotera.

Na dia mbola nijinja ain’olona maro tany amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana aza ny raboka, dia azo antoka fa hihatsara ny toe-javatra. Efa navalon’ny tantara ny raboka. Izany no noheverin’ny olona, kanefa diso hevitra izy ireo.

Fiverenan’ilay mpamono

Teo antenatenan’ireo taona 1980, dia nanomboka niverina indray ny raboka, nitondra horohoro sy fahafatesana. Avy eo, tamin’ny Aprily 1993, dia nanambara ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), fa “zava-doza maneran-tany ilana fanaovan-javatra maika” ny raboka, ary nanampy teny izy io fa “hijinja ain’olona 30 tapitrisa ao anatin’ny folo taona ho avy ilay aretina, raha tsy hoe misy fepetra raisina avy hatrany angaha mba hisakanana ny fielezany”. Izany no fanambarana voalohany indrindra toy izany nataon’ny OMS.

Nanomboka tamin’izay, dia tsy nisy ‘fepetra noraisina avy hatrany’ nahasakana ny fielezan’ilay aretina. Vao mainka niharatsy ny toe-javatra, raha ny marina. Vao haingana izay no nanaovan’ny OMS tatitra fa maro kokoa ny olona matin’ny raboka nandritra ny taona 1995, noho ny tamin’ny taona hafa teo amin’ny tantara. Nampitandrina koa ny OMS fa hatramin’ny dimanjato tapitrisa ny isan’ny olona mety hararin’ny raboka ao anatin’ny 50 taona manaraka. Hihamitombo ny isan’ny olona ho voan’ny karazana raboka izay matetika no tsy azo sitranina, satria tsy andairam-panafody maromaro.

Nahoana no niverina ilay mpamono?

Izao no antony iray: Nandritra ireo 20 taona lasa, dia nihasimba na tsy nisy intsony ireo fandaharan’asa niadiana tamin’ny raboka tany amin’ny faritra maro teo amin’izao tontolo izao. Nanjary nangatahana andro àry ny fizahana sy ny fitsaboana ireo voan’ilay aretina. Izany indray kosa dia niteraka fahafatesan’olona maro kokoa sy fielezan’ilay aretina.

Antony iray hafa nampipoitra indray ny raboka ny fitomboan’ny isan’ny olona mahantra sy tsy ampy sakafo, izay mipetraka any amin’ireo tanàn-dehibe mifanizina, indrindra fa any amin’ireo tanàn-dehibe goavana any amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana. Tsy voafetra ho amin’ny mponina mahantra ihany ny raboka — na iza na iza dia mety ho voany. Na dia izany aza, dia manamora kokoa ny fifindrafindran’ilay otrikaretina amin’ny olona ny faritra iainana tsy ara-pahasalamana sy mifanizina. Mety hampihena be koa ny hery fanefitry ny olona ny faritra toy izany, ka tsy hahatohitra ilay aretina izy ireo.

VIH sy raboka — Fahasahiranana roa sosona

Olana lehibe iray ny hoe nifandray tendro tamin’ny VIH, izay virosin’ny SIDA, ny raboka, tamin’ny fitondrana fahafatesana. Tamin’ireo olona notombanana fa iray tapitrisa maty noho ny antony nifandray tamin’ny SIDA, nandritra ny taona 1995, dia angamba ny ampahatelony no matin’ny raboka. Izany no izy satria mampahalemy ny herin’ny vatana hanohitra ny raboka, ny VIH.

Ao amin’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mihombo ho aretina mihitsy ny fidiran’ny otrikaretin’ny raboka. Nahoana? Satria voafefy ao anatin’ireo sela antsoina hoe sela mpitelina ireo basiliosin’ny raboka. Ao izy ireo dia voahidin’ny hery fanefitr’ilay olona, izany hoe voahidin’ireo sela T (karazana liofotsy), raha ny marina kokoa.

Toy ny bibilava voahidy ao anaty harona misy sarony mafy hidy, ireo basiliosin’ny raboka. Ny harona dia ireo sela mpitelina, ary ny sarony dia ireo sela T. Rehefa tonga anefa ny virosin’ny SIDA, dia esoriny ny saron’ireo harona. Rehefa mitranga izany, dia afa-mivoaka ireo basiliosy ka tsy voasakantsakana mba hanimba faritra na inona na inona ao amin’ny vatana.

Noho izany, dia manan-tombo be lavitra ny mety hahavoan’ny raboka an’ireo mararin’ny SIDA noho ny mety hahavoa an’ireo olona manana hery fanefitra matanjaka. “Faran’izay mora voa ny olona manana VIH”, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny raboka, any Ekosy. “Voan’ilay aretina ny marary roa nanana VIH, tao amin’ny klinika iray any Londres, rehefa avy nipetraka teo amin’ny lalantsara iray raha nandalo ny olona iray nararin’ny raboka, natosika tamin’ny farafara misy kodiarana.”

Araka izany, dia nanampy mba hampiroborobo ny valanaretina raboka, ny SIDA. Araka ny fanombantombanana iray, amin’ny taona 2000, vokatry ny valanaretina SIDA, dia olona 1,4 tapitrisa no ho voan’ny raboka, nefa tsy tokony ho voa akory. Izao no anton-javatra lehibe mampiely ny raboka: Tsy vitan’ny hoe faran’izay mora voan’ilay aretina ireo mararin’ny SIDA, fa afaka mamindra ny raboka amin’olon-kafa, anisan’izany ireo tsy voan’ny SIDA, koa izy ireo.

Raboka tsy andairam-panafody maromaro

Anton-javatra iray farany izay manasarotra kokoa ny ady amin’ny raboka ny fipoiran’ny karazana raboka tsy andairam-panafody. Loza mitatao entin’ireny karazany mahery ireny ny hahatonga ilay aretina ho tsy azo sitranina indray, toy ny tamin’ny vanim-potoana talohan’ny antibiotika.

Mahatsikaiky fa ny fihinanana tsizarizary ireo fanafody raboka no antony voalohany indrindra mahatonga ny fipoiran’ny raboka tsy andairam-panafody maromaro. Maharitra enim-bolana, fara fahakeliny, ny fitsaboana mandaitra amin’ny raboka, ka mitaky ny hihinanan’ny marary karazam-panafody efatra tsy tapaka mihitsy. Mety hilain’ilay marary koa ny mitelina pilina hatramin’ny roa ambin’ny folo isan’andro. Raha tapatapaka ny fihinanan’ny marary ireo fanafody na tsy vitainy hatramin’ny farany ilay fitsaboana, dia hipoitra ny karazana raboka ho sarotra resena na tsy mety resy. Misy karazany sasany izay tsy andairam-panafody mahazatra hatramin’ny fito.

Tsy vitan’ny hoe sarotra fotsiny ny fitsaboana marary misy raboka tsy andairam-panafody maromaro, fa lafo be koa. Mety hanakaiky ny avo 100 heny noho ny lany amin’ny fitsaboana olon-kafa mararin’ny raboka, ny lany amin’izany. Any Etazonia, ohatra, dia mety hihoatra ny 250 000 dolara (1 325 000 000 FMG eo ho eo) ny vola aloa amin’ny fitsaboana olona iray monja!

Tombanan’ny OMS fa olona tokony ho 100 tapitrisa maneran-tany no mety ho efa voan’ny karazana raboka tsy andairam-panafody, ka ny sasany dia tsy azo sitranina amin’izay rehetra mety ho fanafody raboka fantatra. Mora mifindra toy ny karazany mahazatra kokoa ireny karazany mahafaty ireny.

Fisorohana sy fitsaboana

Inona no atao mba hiadiana amin’io zava-doza maneran-tany ilana fanaovan-javatra maika io? Ny fomba tsara indrindra hisakanana ilay aretina dia ny fitiliana sy ny fitsaboana ireo olona voa, dieny vao miandoha ilay izy. Tsy vitan’ny hoe manampy an’ireo efa marary izany, fa misakana ny fielezan’ilay aretina amin’ny hafa koa.

Rehefa avela amin’izao ka tsy tsaboina ny raboka, dia mamono mihoatra ny antsasaky ny isan’ny olona voany. Rehefa voatsabo araka ny tokony ho izy anefa ny raboka, dia azo sitranina amin’ny ankamaroan’izay voany, raha tsy nateraky ny karazany iray izay tsy andairan-karazam-panafody maromaro ilay izy.

Araka ny efa hitantsika, ny fitsaboana mandaitra dia mitaky ny hamitan’ny marary ny fatram-panafody hatramin’ny farany. Matetika anefa no tsy manao izany izy ireo. Nahoana? Mazàna no manjavona ao anatin’ny herinandro vitsivitsy taorian’ny nanombohan’ny fitsaboana ny kohaka sy ny fanaviana ary ny famantarana hafa. Koa marary maro no manatsoaka hevitra fa efa sitrana izy ireo, ka mitsahatra tsy mihinam-panafody intsony.

Mba hiadiana amin’izany olana izany, dia mametraka fandaharan’asa antsoina hoe DOTS, izay midika hoe “fitsaboana arahi-maso mivantana, mandritra ny fotoana fohy”, ny OMS. Araka ny tondroin’ilay anarana, ireo mpiasan’ny fahasalamana dia manara-maso mba hahazoana antoka fa mitelina ny fatram-panafody tsirairay ireo marariny, mandritra ny roa volana voalohany itsaboana azy, fara fahakeliny. Kanefa, tsy mora foana akory izany, satria maro amin’ireo voan’ny raboka no manaraka fomba fiaina tsy mahazatra ny fiaraha-monina. Koa satria matetika ny fiainan’izy ireo no feno fisafotofotoana sy olana — ny sasany aza tsy manan-kialofana — dia mety ho sarotra be ny hanaovana izay hahazoana antoka tsy tapaka fa mihinana ny fanafodiny izy ireo.

Koa misy àry ve ny fanantenana fa ho resy amin’ny farany io loza mamely ny taranak’olombelona io?

[Efajoro, pejy 5]

Fanazavana Momba ny Raboka

Famaritana: Aretina iray izay mazàna mamely sy manimba tsikelikely ny havokavoka ny raboka, kanefa afaka miely amin’ny faritra hafa ao amin’ny vatana koa izy io, indrindra fa ny atidoha, ireo voa, sy ireo taolana.

Famantarana ilay aretina: Afaka miteraka kohaka, mampahia, mampahalain-komana, mahatsembo-dratsy amin’ny alina, mampahalemilemy, mampisefosefo, sy mankarary ny tratra, ny raboka ao amin’ny havokavoka.

Ny fomba ahafantarana azy: Ny porofon-koditra amin’ny alalan’ny tioberkiolina dia afaka mampiseho raha nidiran’ny basiliosy ny olona iray. Mety hampiharihary ny fahasimban’ny havokavoka ny fitarafana amin’ny taratra X, ka mety hanondro fa vaky ny raboka. Ny fandinihana any amin’ny laboratoara ny rehoky ny marary no fomba azo ianteherana indrindra hitiliana ny basiliosin’ny raboka.

Izay tokony hanaovana fitsirihana: Ireo izay ahitana famantarana ny raboka, na efa nifampikasoka akaiky sy matetika tamin’ny mararin’ny raboka — indrindra fa tao amin’ny efitra tsy azon-drivotra firy.

Vaksiny: Tsy misy afa-tsy vaksiny tokana monja — fantatra hoe BCG. Misoroka ny fahazoan’ny ankizy raboka mahery vaika izy io, saingy tsy misy heriny firy eo amin’ny zatovo sy ny olon-dehibe. Raha tsara indrindra, dia manome fiarovana mandritra ny 15 taona eo ho eo ilay vaksiny. Tsy miaro afa-tsy ireo izay mbola tsy nidiran’ilay otrikaretina ny BCG; tsy mahasoa ny olona efa nidirany izy io.

[Efajoro, pejy 6]

Lamaody ny Raboka

Toa hafahafa nefa dia zava-nisy nandritra ny taonjato faha-19 ny nampisehoana ny raboka tamin’ny endrika nampanonofinofy, satria ninoan’ny olona fa nanatsara ny fitiavana zavakanto ireo famantarana ilay aretina.

Nanoratra momba ny tany am-piandohan’ireo taona 1820 i Alexandre Dumas, Frantsay mpanoratra tantara an-dampihazo sy tantara noforonina, tao amin’ny Mémoires, nanao hoe: “Lamaody be mihitsy ny narary tratra; voan’ny raboka ny rehetra, indrindra fa ireo poety; ara-damaody ny maty talohan’ny nahatratrarana ny faha-30 taonan’ny tena.”

Voalaza fa niteny toy izao ilay poety anglisy atao hoe Lord Byron: “Ho tiako ny ho fatin’ny raboka (...), satria amin’izay ireo andriambavy dia hilaza hoe: ‘Jereo ange i Byron fa mahafatifaty erỳ ny endriny eo am-pialana aina e!’ ”

Nanoratra toy izao i Henry David Thoreau, mpanoratra amerikana, izay toa matin’ny raboka: “Matetika no maha-te ho tia ny fiharatsiam-pahasalamana sy ny aretina, toy ny (...) hamenan’ny tarehin’ny olona manavy noho ny raboka.”

Nilaza toy izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny The Journal of the American Medical Association momba io fahalianana mafy tamin’ny raboka io: “Nanenika ny fitiavan-javatra teo amin’ny fanarahana lamaody io firaiketam-po hafahafa tamin’ilay aretina io; niezaka mafy hanana endrika hatsatra sy malemilemy ny vehivavy, nampiasa zavatra fanosotra manafotsy tarehy, ary tia kokoa ny akanjo manify mifintina — be itoviana amin’ny zavatra tadiavin’ny mannequins amin’izao andro izao izay toa matahotra mafy sao hatavy.”

[Efajoro, pejy 7]

Mora ve ny Hahatonga ny Olona ho Voan’ny Raboka?

“Tsy misy toerana azo iafenana amin’ny bakterian’ny raboka”, hoy ny fampitandreman’ny Dr. Arata Kochi, talen’ny Fandaharan’asan’ny OMS Miady Amin’ny Raboka Maneran-tany. “Na iza na iza dia mety ho voan’ny raboka, amin’ny fifohana fotsiny otrikaretin’ny raboka eny amin’ny rivotra avy tamin’ny kohaka na ny evina. Afaka mitoetra mihevaheva eny amin’ny rivotra mandritra ny ora maro ireny otrikaretina ireny; mandritra ny taona maro mihitsy aza. Samy mety ho voa avokoa isika rehetra.”

Alohan’ny hararian’ny olona iray noho ny raboka anefa, dia misy zavatra roa tsy maintsy mitranga. Voalohany aloha, dia tsy maintsy ho nidiran’ny bakterian’ny raboka izy. Faharoa, dia tsy maintsy mihombo ho aretina ilay izy.

Na dia mety hidiran’ilay otrikaretina aza ny tena amin’ny fifampikasohana vetivety amin’ny olona iray mamindra be, dia azo inoana fa hiely be tokoa ny raboka amin’ny fifampikasohana miverimberina amin’ny marary, toy izay mitranga eo anivon’ny mpianakavy miara-mipetraka ao amin’ny faritra mifanizina.

Mitombo ao amin’ny tratra ireo basiliosy nofohin’ny olona iray nidirany. Ao amin’ny olona 9 amin’ny 10 anefa, dia misakana ny fielezan’ilay otrikaretina ny hery fanefitra, ary tsy manjary marary ilay olona nidiran’ilay otrikaretina. Indraindray anefa, dia mety hahery ireo basiliosy matoritory, raha manjary malemy kely ny hery fanefitra noho ny VIH, ny diabeta, ny fitsaboana kansera amin’ny raha simika, na noho ny antony hafa.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

New Jersey Medical School—National Tuberculosis Center

[Sary, pejy 7]

Toy ny bibilava votsotra avy ao anaty harona ireo basiliosin’ny raboka novahan’ny virosin’ny SIDA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara