FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/7 p. 3-4
  • Vohitra Iray Maneran-tany Saingy Mbola Misara-bazana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vohitra Iray Maneran-tany Saingy Mbola Misara-bazana
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mifandray ireo firenena
  • Ny antony mbola mampisara-bazana ny olona
  • Mety ve Indraindray ny Mankahala Olona Noho ny Fiaviany?
    Mifohaza!—2003
  • Ahoana no Hahafoana ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Fandravana Fefy Mba Hanorenana Tetezana
    Mifohaza!—1996
  • Ireo Fefy Misakana ny Fampitan-kevitra
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/7 p. 3-4

Vohitra Iray Maneran-tany Saingy Mbola Misara-bazana

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY NIZERIA

MOA ve ianao efa nandre tantara momba ny foko iray voaforon’olona izay tsy nanam-bava ka, noho izany, dia tsy afaka nihinana na nisotro? Nolazaina fa nivelona tamin’ny fanamboloana zavatra, indrindra fa paoma, izy ireo. Hamono azy ireo ny fofona ratsy.

Nisy koa angano momba ny olona teto Afrika Andrefana izay nanam-bolamena natao takalo. Nanao tatitra toy izao ny kapitenin-tsambo portogay iray tamin’izany fotoana izany: “Valonjato kilaometatra mahery any ambadiky [ny] fanjakan’i [Mali] no ahitana tany iray misy mponina manana loha sy nifin’alika ary rambo toy ny alika. Mainty Hoditra tsy mety hiresaka izy ireo, satria tsy maniry hahita olon-kafa.” Izany no sasany tamin’ireo hevitra hafahafa ninoana taona maro lasa izay, talohan’ny fotoan’ny fanaovana dia lavitra sy ny fahitana zavatra tsy fantatra teo aloha.

Mifandray ireo firenena

Noheverina fa marina ireny tantara ireny nandritra ny taonjato maro. Rehefa nitety ny planetantsika anefa ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra, dia tsy nahita mpanambolo paoma tsy manam-bava, na olona manana lohan’alika, izy ireo. Amin’izao andro izao dia tsy misy zava-miafina firy momba an’ireo izay mipetraka any ambadiky ny sisin-tanintsika. Nanjary vohitra iray maneran-tany izao tontolo izao. Mitondra an’ireo tany sy olona any ivelan’ny misy antsika ho ao an-tranontsika ny televiziona. Mahatonga ny fitsidihana an’ireny tany ireny ho azo atao ao anatin’ny ora maromaro ny fandehanana fiaramanidina; olona an-tapitrisany maro no manao izany isan-taona. Mifindrafindra toerana noho ny antony ara-toe-karena na ara-politika ny hafa. Manambara toy izao ny tatitra iray nataon’ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Mponina: “Amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny tantara — ary azo antoka fa hitombo izany — ny olona maneran-tany dia miala amin’ny tanindrazany ka mifindra monina eo am-pikarohana fiainana tsara kokoa.” Olona tokony ho 100 tapitrisa no mipetraka any ivelan’ny tany nahaterahany.

Mitombo ny fifampiankinan-doha ara-toe-karena eo amin’ireo firenena. Misy rafitra mampitohy ny fifandraisan-davitra maneran-tany, toy ny rafi-pitatitra foibe goavana iray, mampifandray ny firenena rehetra eto an-tany. Arakaraka ny ifanakalozana hevitra sy fanazavana ary teknolojia no ifangaroan’ny kolontsaina ka ifanarahany. Manerana ny tany manontolo dia manao fitafiana sahalahala kokoa tsy toy ny teo aloha ny olona. Manan-javatra betsaka iombonana ireo tanàna eo amin’izao tontolo izao — polisy, hotely fatoriana be haitraitra, fifamoivoizana, fivarotana, banky, fandotoana. Noho izany, arakaraka ny ifandraisan’ireo olona eo amin’izao tontolo izao no ahitantsika maso izay lazalazain’ny sasany hoe kolontsaina vao mipoitran’izao tontolo izao.

Ny antony mbola mampisara-bazana ny olona

Na dia mifangaro aza anefa ireo olona mbamin’ireo kolontsaina, dia mazava fa tsy mifampihevitra ho mpirahalahy ny rehetra. “Mailaka ny hanome tsiny ny tsy tompon-tany ny rehetra”, hoy ny nosoratan’ny mpanoratra tantara an-tsehatra grika iray, maherin’ny 2 000 taona lasa izay. Mampalahelo fa marina koa izany amin’izao andro izao. Tsy lavitra akory ny porofo fa ao amin’ireo tatitra an-gazety momba ny fitompoan-teny fantatra, ny fankahalana vahiny, ny “fanadiovana ara-pirazanana”, ny ady lahy ara-poko, ny rotaka ara-pivavahana, ny fandripahana sivily, ny saha famonoana, ny toby fametavetana vehivavy, ny fampijalijaliana, na ny famonoana an-kitsirano antokon’olona iray.

Mazava ho azy fa ny ankamaroantsika dia tsy afaka manao zavatra firy na tsy afaka manao na inona na inona mba hanovana ny fizotran’ny fifandrafiana ara-pirazanana. Mety ho tsy miantraika amintsika mivantana akory aza izy ireny. Ho an’ny maro amintsika anefa, ny olana dia avy amin’ny tsy fahampian’ny fampitan-kevitra amin’ny vahiny izay ifandraisantsika — mpiara-monina, mpiara-miasa, na mpiara-mianatra.

Tsy toa hafahafa ve ny hoe matetika aoka izany no hitan’ny olona avy amin’ny antokom-pirazanana samy hafa fa sarotra ny mifampatoky sy ny mifankasitraka? Rehefa heverina, ny planetantsika dia planeta ahitana fahasamihafan-javatra maro be, zavatra isan-karazany tsy hita fetra. Ny ankamaroantsika dia mankasitraka ny sakafo sy ny mozika ary ny loko maro be isan-karazany, ary koa ny karazany maro amin’ny zavamaniry sy ny vorona ary ny biby. Tsy tafiditra foana amin’ny fankasitrahantsika ny fisian-javatra isan-karazany anefa ny olona izay tsy mihevitra sy tsy manao zavatra amin’ny fomba mitovy amin’ny antsika.

Tsy mijery ny lafiny manorina amin’ny fahasamihafana eo amin’ireo olona ny maro, fa mirona kosa hifantoka amin’ireo tsy fitoviana ka mampiasa azy ireny ho antony hifandirana. Nahoana no izany no izy? Soa inona no azo avy amin’ny fiezahana hifandray amin’ny olona izay tsy mitovy amin’ny antsika ny kolontsainy? Ahoana no azontsika androdanana ireo fefy mampisaraka ny fampitan-kevitra ka anoloana azy ireo amin’ny tetezana? Hiezaka hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara