Fandravana Fefy Mba Hanorenana Tetezana
TSY nifidy ny fianakaviana na ny firenena nahaterahantsika isika, no sady tsy nanapa-kevitra hoe kolontsaina inona no hamolavola ny fisainantsika. Tsy manan-kery amin’ireny zavatra ireny isika. Samy fehezin’ny fotoana sy ny tarehin-javatra avokoa isika rehetra. Afaka manan-kery eo amin’ny fomba fijerintsika ny hafa sy ny fomba fihetsitsika eo anoloan’izy ireny anefa isika.
Milazalaza ny amin’ny fomba azontsika anaovana izany ny Baiboly. Diniho ireto fotopoto-pitsipika vitsivitsy ireto izay hanampy antsika hanorina tetezana fampitan-kevitra amin’ireo izay mety hanana fiaviana tsy mitovy amin’ny antsika.
‘Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra (...) [nanao ny firenen’olona rehetra avy tamin’ny lehilahy iray, NW ] ka namponina azy ambonin’ny tany rehetra’. (Asan’ny Apostoly 17:24, 26). Anisan’ny fianakavian’olombelona iray ihany isika rehetra ary, noho izany, dia manan-javatra betsaka iombonana. Manamora kokoa ny fampitan-kevitra ny fitadiavana ireo zavatra iombonantsika. Maniry hanana namana tsara isika rehetra ary mila mahatsapa ho tiana sy hajaina. Mitady izay hanalavirana ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po ny rehetra. Tia mozika sy zavakanto, manao vazivazy, manaiky ny fifanehoana fahalalam-pomba, sy mikaroka fomba hahasambatra, ny olona avy amin’ny kolontsaina rehetra.
“Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” (Filipiana 2:3). Tsy midika akory izany hoe tokony hihevitra ny hafa ho mihoatra noho ny tenantsika amin’ny zavatra rehetra isika. Tokony ho takatsika kosa fa amin’ny lafiny sasany eo amin’ny fiainana, dia mihoatra noho isika ny hafa. Tsy tokony hihevitra mihitsy isika fa isika na ny kolontsaintsika no hany manana ny zavatra rehetra izay tsara.
“Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra”. (Galatiana 6:10). Mahavita zavatra betsaka mba hanisiana tetezana eo amin’ny hantsana ny amin’ny fifampiresahana, ny fanaovana dingana voalohany fotsiny mba ho sariaka amin’ny hafa sy hanampy azy ireo, na inona na inona fiaviany ara-kolontsaina.
“Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19). Tsy maintsy manao mihoatra noho ny miresaka ireo mahay mampita hevitra; tsy maintsy ho mpihaino mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa izy ireo.
“Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay [manana fahaiza-manavaka, NW ] dia mahay manovo azy ihany”. (Ohabolana 20:5). Aoka ianao ho mailaka ny hanavaka ireo fihetseham-po sy raharaha iadian-kevitra izay ao ambadiky ny fisehoana ivelan’ny fitondran-tenan’ny olona iray. Ataovy izay hahafantarana tsara kokoa ny olona.
“Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Filipiana 2:4). Aoka ianao hahay hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa, amin’ny fananana ny fomba fijerin’ilay olon-kafa an’ireo raharaha iadian-kevitra. Aoka ianao tsy ho tia tena.
Fahasamihafana ara-kolontsaina eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah
Ny hoe tena mandaitra tokoa ireo fotopoto-pitsipika ireo dia hita eo amin’ny firaisan-tsaina miavaky ny Vavolombelon’i Jehovah, izay miasa any amin’ny tany 232 maneran-tany. Olona avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo ary tapa-kevitra ny hanaraka ny fitarihana feno fitiavan’i Jehovah eo amin’ny zava-drehetra. — Apokalypsy 7:9; 1 Korintiana 10:31-33.
Tsy mamingavinga ny kolontsain’ny hafa ny Vavolombelona isam-batan’olona. Tsy manary ny kolontsaina nitaizana azy koa ireo izay tonga Vavolombelona, raha tsy hoe tsy mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly angaha izany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia manao fiovana eo amin’ny fiainany izy ireo. Eken’izy ireo fa ao amin’ny kolontsaina tsirairay dia misy lafin-javatra mendri-piderana ary koa fa hatsaraina mihitsy aza izy ireny eo amin’ny olona izay manaraka ny fanompoam-pivavahana marina.
Miezaka hijery ny planetantsika araka ny tsy maintsy ijeren’Andriamanitra azy — mamirapiratra sy manga ary kanto — izay mihodinkodina mamakivaky ny habakabaka, izy ireo. Planeta misy olona sy kolontsaina maro isan-karazany mahatalanjona, izy itỳ. Miandrandra ny fotoana hankafizan’ny rehetra eto an-tany ny fiainana amin’ny maha-fianakaviana tafaray marina tokoa, ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 8]
Nianatra ny fomba androdanana ny sakana ara-kolontsaina ny Vavolombelon’i Jehovah