FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/9 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana Aho no Tsy Mahay Mianatra?
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/9 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Planeta Tandindomin-doza Manoratra momba ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Notre planète est-elle condamnée?” aho. (8 Janoary 1996, frantsay). Mahafinaritra ny hoe afaka mamaky zavatra mampahery. Ny lahatsoratra fahatelo amin’io fitohitohizan-dahatsoratra io dia manome antsika fanantenana Paradisa, izay tsy hahavoatery antsika intsony hanahy momba ny fifandraisan’ny zavaboary sy ny tontolo iainany na ireo loaka eo amin’ny soson’ny ozone! Manantena ny hiaina ao amin’io Paradisa io miaraka amin’ny fianakaviako sy ireo namako aho.

A. C., Etazonia

Tianay ilay faritra voafefy manome fanazavana eo amin’ny pejy faha-8 sy faha-9 izay nivaofy momba ireo olana toy ny fandripahana ala, ny tsy fahampian-drano, sy ny karazana tandindomin-doza. Nahatonga anay hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny tarehin-javatra misy ny planetantsika ankehitriny, ireo lahatsoratra. Mahatsiaro ho milamin-tsaina isika mahafantatra fa ny hany vahaolana amin’io olana lehibe io dia ananan’ny Mpamorona antsika.

O. P. sy F. J. O., Espaina

Famelabelaran-kevitr’i Jessica Vao avy namaky ilay hoe “Ny Famelabelaran-kevitr’i Jessica” tao amin’ny nomerao 8 Janoary 1996 mihitsy aho izao. Nampahery ahy aoka izany izy io! Rehefa mahita tanora manan-toetra miavaka manompo an’i Jehovah amim-pifaliana sy amim-pahatokiana aoka izany aho, dia mahatonga ahy hirehareha izany. Mampahatsiahy ahy ny ilana hanome fanambarana isaky ny misy fahafahana, ny fitantaran’i Jessica.

A. H., Etazonia

Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana Tena nanohina ny foko ilay lahatsoratra hoe “Tsy Nanana Tanjona Aho Kanefa Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana”. (8 Janoary 1996). Teo am-pamakiana azy io aho dia toa nahita ny tenako. Izaho koa dia nirenireny tsy nanan-java-kendrena sady nanana fomba fijery nanjombona momba ny hoavy. Nasaina hankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho ka nanomboka nianatra ny Baiboly. Ankehitriny aho dia mandray anjara amim-pifaliana amin’ny asa fitoriana manontolo andro, ka manampy ny hafa hahita ilay fanantenana mahatalanjona izay nasehon’i Jehovah ahy.

C. R., Etazonia

Fitsaboana Fahamombana Nisarika ny saiko ilay lahatsoratra hoe “Un espoir pour les couples stériles?” ao amin’ny “Fijerena Izao Tontolo Izao”. (22 Septambra 1995, frantsay). Nasehoko tamin’ny biolojista iray izy io, ary nilaza izy fa ny tenany dia mbola tsy nandre mihitsy ny amin’ilay fomba fanaovan-javatra voalazalaza, izay ampiasana tsindrona faran’izay manify mba hampidirana tsirilahy tokana ao amin’ny tsirivavy iray “ao anatin’ny vehivavy”.

E. K., Alemaina

Niorina tamin’ny tatitra iray nataon’ny masoivohom-baovao frantsay France-Presse izay nivaofy momba ny lahateny iray nataon’i Anders Nyboe Andersen, dokotera danoà, ilay lahatsoratra navoakanay. Mampalahelo fa tsy nanaovana tatitra tamin’ny fomba marina ny hevitra sasany. Nilaza tamin’ny “Mifohaza!” ny Dr. Andersen fa ny fampidirana tsirilahy amin’ny alalan’ny tsindrona faran’izay manify, raha ny marina, dia atao “in vitro”, izany hoe ivelan’ny vatan’ny vehivavy. Avy eo ilay tsirivavy vokatra dia ampidirina ao amin’ilay vehivavy. Nambaranay tamin’ny fomba marina fa ahafahana mampiasa “tsirilahin’ny vady, fa tsy ny an’ny mpanome tsy fantatra anarana [io fomba fanaovan-javatra io] — ka, noho izany, dia misoroka raharaha iadian-kevitra ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana saro-pady”. Raha izany no izy, ny mpivady kristiana iray dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra manokana mikasika io fomba fanaovan-javatra io. (Jereo “Ny Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 1 Desambra 1981, pejy faha-31.) — MPAMPANONTA.

Namana Mania Manoratra momba ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Tokony Hataoko Raha Miditra ao Amin’ny Fahasahiranana ny Namana Iray?”, aho. (8 Febroary 1996). Voaroaka ny iray tamin’ireo mpinamana be tamiko, herintaona lasa izay. Kivy izaitsizy aho. Tsaroako ho toy ny hoe tsy ampy ny fanampiako azy sy ny fiarahako taminy, sy hoe tsy tena namana tsara aho. Rehefa novakiko hoe tsy fahadisoako ny nialany tamin’ny fahamarinana, dia tsaroako ho toy ny hoe nisy enta-mavesatra lehibe iray nesorina teo an-tsoroko!

L. T., Etazonia

Raha ny amiko, ilay olona akaiky ahy izay nanomboka “nanaraka fomba fiaina mampiahiahy” dia tsy vitan’ny hoe namako fa reniko tsy hay soloana sady nalemy fanahy. Tamin’ny farany dia nankany amin’ireo loholon’ny kongregasiona aho mikasika ilay tarehin-javatra nisy azy, ary dia voaroaka izy. Nanome tsiny ny tenako aho noho ny nitenenako tamin’ny loholona. Ankehitriny aho dia maniry hiady amin’ilay fahatsapana ho meloka nahadiso hevitra ahy, amin’ny fampiharana ireo fanoloran-kevitra ao amin’io lahatsoratra io.

I. Y., Japon

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara