FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/12 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2000
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/12 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Ilay Namako Malalako Tiako ny haneho ny fankasitrahako amim-pahatsorana noho ilay lahatsoratra mahasondriana hoe “Ilay Namako Malalako”. (8 Martsa 1996). Nahafinaritra ny namaky fa nisy ny fisakaizana kanto toy izany, na dia teo aza ny tsy fitovian-taona. Mampiseho amin’ny ohatra izany fa tsy tena ilain’ny tanora ny tsy manana namana akaiky azy indrindra afa-tsy ireo mitovy taona aminy. Misy olona be taona maro manan-javatra betsaka hatolotra eo amin’ny lafiny fanandraman-javatra, fahendrena, sy hatsikana.

S. T., Angletera

Noporofoin’ilay lahatsoratra fa afaka mifanaraka tsara ny tanora sy ny antitra ary koa fa afaka mandray soa avy amin’ny fanandraman-javatra maro ananan’ny be taona ny tanora. Ny tenako mihitsy dia niara-nandany ora maro nahaliana sy nahafinaritra tamin’ny namana be taona iray. Nanao zavatra betsaka izy mba hanampiana ahy hiatrika olana, toy ny faneren’ny mitovy taona amiko.

W. S., Aotrisy

Tsy Fananana Asa Misaotra anareo indrindra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Tsy Fananana Asa — Misy ny Vahaolana”. (8 Martsa 1996). Tonga tamin’ny fotoana nivoahako nitady asa, kanefa tsy nahitako na dia iray aza, izy io. Niezaka hamorona asa tao an-trano aho, araka ny voalazanareo eo amin’ny pejy faha-11, ary dia mandaitra izany ho ahy. Misaotra an’i Jehovah noho ny nataonareo!

J. M., Guyane

Nilazalaza ny tarehin-javatra nisy ahy vao haingana, ireo lahatsoratra. Nandritra ny volana vitsivitsy, dia tsy maintsy nizatra tamin’ny fanaovana “karazan’asa rehetra” aho, tsy misy hafa amin’izay nolazain’ny lahatsoratra iray. Tsy nanjary kivy anefa aho. Niezaka hanana fomba fijery manorina aho, ary tamin’ny farany, dia nahita asa tsy niovaova. Nandritra izany fe-potoana izany, dia nanana ny fanampian’ny vadiko, izay nitsitsy be teo amin’ny fiantsenana, aho. Misaotra indray noho ilay fanazavana izay manampy anay hampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra.

U. C., Italia

Tiako indrindra ilay faritra voafefy hoe “Famoronana Asa ao An-trano”. Mpisava lalana maharitra, evanjelisitra manontolo andro, aho, ary nandritra ny roa taona, dia nanao akanin-jaza nahazoan-dalana tao an-tranoko. Niandry ankizy aho talohan’ny nidirany sy taorian’ny niravany tany an-tsekoly, ary nahazo fidiram-bola tsara. Namela ahy hitory nandritra ny antenatenan’ny andro izany, ary tsy niasa afa-tsy adiny efatra monja isan’andro aho. Ray aman-dreny be dia be no velom-pankasitrahana satria sarotra ny mahita fikarakarana tena tsara. Manantena aho fa ho afaka ny hahita asa izay hanampy azy ireo eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa ny hafa.

T. K. L., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara