FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/9 p. 7-12
  • Ny Fomba Nahaverezan’ny Tontolon’izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Nahaverezan’ny Tontolon’izy Ireo
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Firindrana izay nitarika ho amin’ny ady lahy
  • “Hantsan’ny tsy fahazoan-kevitra”
  • Ilay mpamono nahafaty be indrindra
  • Inona no nitranga tamin’ireo fifanekena?
  • Ilay “Dia Lavitra Be” sy ilay Lalana Nampitomany
  • Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?
    Mifohaza!—1996
  • Amerikana Tera-tany — Ny Faran’ny Vanim-potoana Iray
    Mifohaza!—1996
  • Nanova ny Fiainako ny Anaran’Andriamanitra!
    Mifohaza!—2001
  • Ho Lany Tamingana ve ny Indianina any Brezila?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/9 p. 7-12

Ny Fomba Nahaverezan’ny Tontolon’izy Ireo

NANDRITRA ny taona maro, ny tantaran’i Etazonia dia voafintina tamin’ilay fitenenana hoe: “Ny fomba nahazoana ny Andrefana”. Ireo sarimihetsika novokarin’ny Hollywood dia nampiseho mpiorim-ponenana vazaha mamakivaky an’ireo tany lemaka sy tendrombohitra amerikana, miaraka amina miaramila toa an’i John Wayne sy cow-boys ary mpiorim-ponenana miady amin’ny Indiana mahery setra sady baribariàna, izay mitana tomahawks (famaky kely). Raha mbola teo am-pitadiavana tany sy volamena ny vazaha, ny sasany tamin’ny pretra sy mpitory teny tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nolazaina fa namonjy fanahy.

Ahoana no fahitan’ireo mponina voalohany, dia ny tera-tany any Amerika, io tantara io? Nony tonga ny Eoropeana, ny Indiana dia “noterena hizaka ny fidiran’ny mpiremby tao amin’ny tontolo niainany, dia ny mpiremby fatra-pierina indrindra natrehin’izy ireo hatramin’izay: ny vazaha mpanani-bohitra eoropeana”, hoy ny fanambaran’ilay boky hoe The Native Americans —An Illustrated History.

Firindrana izay nitarika ho amin’ny ady lahy

Teo am-piandohana, dia maro tamin’ny Eoropeana izay tonga voalohany tany Amerika Avaratra Atsinanana no nanehoan’ny tera-tany hatsaram-panahy sy fiaraha-miasa. Hoy ny fitantarana iray: “Raha tsy noho ny fanampian’ny Powhatans, dia tsy ho tafavoaka velona tamin’ilay ririnina namirifiry be nodiaviny voalohany tamin’ny 1607-1608 ny toby britanika tao Jamestown, Virginie, dia ilay antoko-mpiavy anglisy naharitra voalohany tao amin’ny Nouveau Monde. Nitovy tamin’izany koa fa nety ho tsy nahomby ny antoko-mpiavy anglisy tany Plymouth, Massachusetts, raha tsy noho ny fanampian’ny Wampanoags.” Nasehon’ny tera-tany sasany tamin’ireo mpiavy ny fomba fandonahana ny tany sy ny fomba fambolena. Ary ho nahita fahombiazana ve ny dia manokana nalamin’i Lewis sy i Clark tamin’ny 1804-1806 — mba hahitana lalana nampitohy azo nanaovana fitaterana teo anelanelan’ny Faritanin’i Louisiane sy izay nantsoina tamin’izay hoe Tanin’i Oregon — raha tsy noho ny fanampian’ilay vehivavy shoshone atao hoe Sacagawea sy ny fisalovanany? Izy no “antoky ny fihavanana” nananan’izy ireo rehefa nifanehatra tamin’ny Indiana izy ireo.

Kanefa, noho ny fomba nampiasan’ny Eoropeana ny tany sy ny loharanon-tsakafo voafetra, dia niteraka fihenjanana teo amin’ny mpanani-bohitra sy ny tera-tany ny fifindra-monina rodobe nankany Amerika Avaratra. Manazava i Ian K. Steele, kanadiana mpanoratra tantara, fa nisy Narragansett 30 000 tany Massachusetts, tamin’ny taonjato faha-17. I Miantonomo, filohan’izy ireo, “izay nahatsapa loza nananontanona, (...) dia nitady hanitatra ny fifanekeny tamin’ny Mohawk mba hamoronana antoko mpanohitra amerindiana ankapobe”. Nilaza toy izao tamin’ny Montauk, hono, izy tamin’ny 1642: “[Tsy maintsy] miray hina toa azy ireo [ny Anglisy] isika, raha tsy izany dia ho fongotra avokoa isika rehefa afaka fotoana fohy, satria fantatrareo fa nanana diera sy hodi-biby tondraka ny razambentsika, feno diera ny tany lemaka eto amintsika, toy izany koa ny alantsika, sady [feno vorontsiloza], ary ny helodrano kelintsika feno trondro sy vorona. Nahazo ny tanintsika anefa ireo Anglisy ireo, izay manapaka ny ahitra amin’ny antsy fijinjana, ary mandavo ny hazo amin’ny famaky; mihinana ny ahitra ny ombivaviny sy ny soavaliny, ary manimba ny moron-dranontsika fitoeran’ny akorandriaka ny kisoany, ary ho fatin’ny mosary avokoa isika rehetra.” — Warpaths —Invasions of North America.

Nandamòka ny ezaka nataon’i Miantonomo mba hamoronana vondron’ny Amerikana Tera-tany tafaray. Tamin’ny 1643, tamin’ny adim-poko iray, dia voasambotry ny Filoha Uncas avy tao amin’ny foko mohican izy, ary izy io no nanolotra azy tamin’ny Anglisy satria hoe mpikomy. Tsy afaka nanameloka sy namono an’i Miantonomo araka ny lalàna ny Anglisy. Nitady vahaolana nanamora zavatra kokoa izy ireo. Manohy ny teniny toy izao i Steele: “Noho ireo iraka tsy afaka namono [an’i Miantonomo], izay tsy tao anatin’ny fari-piadidian’ny antoko-mpiavy na iza na iza, dia nasain’izy ireo hamono azy i Uncas, ka nisy vavolombelona anglisy teo mba hanaporofo fa vita izany.”

Izany dia mampiseho mazava ny ady tsy an-kiato teo amin’ny mpanjana-tany nanani-bohitra sy ny mponina tera-tany, ary tsy izany ihany fa ny fandrafiana sy ny famadihana nifandripahan’ireo foko koa, izay efa nisy talohan’ny nahatongavan’ny vazaha tany Amerika Avaratra mihitsy. Nanana foko sasany niandany taminy ny Britanika tamin’ireo adiny tamin’ny Frantsay mba hanjanahana an’i Amerika Avaratra, fa ny foko hafa kosa nanohana ny Frantsay. Na andaniny iza na andaniny iza no resy, dia nahita faisana avokoa ny foko rehetra voakasika.

“Hantsan’ny tsy fahazoan-kevitra”

Toy izao ny fiheverana iray momba ny fananiham-bohitra nataon’ny Eoropeana: “Ny zavatra tsy takatr’ireo mpitarika ny vondrom-poko indiana, raha tsy efa tara loatra matetika, dia ny fomba niheveran’ny Eoropeana ny Indiana. Tsy vazaha na Kristiana izy ireo. Baribariàna — olon-dia sy tsy nanan-tsaina — izy ireo, araka ny fiheveran’ny olona maro, entam-barotra nampidi-doza sy mafy fo natao ho an’ny tsenan’ny andevo.” Niteraka vokany nandrava teo amin’ireo foko io toe-tsaina nanambony tena io.

Sarotra tamin’ny Amerikana Tera-tany ny nahatakatra ny fomba fihevitry ny Eoropeana. Nisy ny “hantsan’ny tsy fahazoan-kevitra”, araka ny niantsoan’i Philmer Bluehouse, mpanolo-tsaina navajo, azy, tao amin’ny fanadinadinana vao haingana nataon’ny Mifohaza! Tsy nihevitra ny sivilizasionany ho ambany ny tera-tany, fa nihevitra azy io kosa ho hafa, nanana zavatra noheverina ho sarobidy hafa tanteraka. Ohatra, zava-baovao tanteraka tamin’ny Indiana ny fivarotana tany. Moa ve ianao afaka manana ka mivarotra ny rivotra manodidina antsika, ny rivotra mitsoka, ny rano? Koa nahoana àry no afaka manao izany ny amin’ny tany? Eo izy io mba hampiasain’ny rehetra. Noho izany, dia tsy fantatra ho namefy tany ny Indiana.

Nony tonga ny Britanika sy ny Espaniola ary ny Frantsay, dia nitranga izay nolazalazaina hoe “fihaonana nandoza teo amin’ny kolontsaina roa samy hafa”. Olona efa nanjary nifanaraka tsara tamin’ny tany sy tamin’ny natiora hatramin’ny an-jatony taona maro ny mponina tera-tany ary nahafantatra ny fomba nivelomana hatrany tsy nisy fanakorontanana ny fifandanjan’ny tontolo iainana. Kanefa, tsy ela ny vazaha dia nanjary nihevitra ny mponina tera-tany ho zavaboary tsy nandroso firy, lozabe — ka nanadino mora foana ny habibian’ny tenany tamin’ny fampanekena azy ireo! Tamin’ny 1831, dia namintina toy izao ny fomba fihevitry ny vazaha nahazo vahana tamin’izany momba ny Indiana i Alexis de Tocqueville, frantsay mpanoratra tantara: “Tsy nanao azy ireo hanjary ho olona mandroso ny lanitra; tena ilaina ny hahafatesan’izy ireo.”

Ilay mpamono nahafaty be indrindra

Arakaraka ny nirosoan’ny mpiorim-ponenana vaovao niankandrefana namakivaky an’i Amerika Avaratra, dia niteraka herisetra ny herisetra. Koa na ny Indiana na ny mpanani-bohitra eoropeana no nanafika voalohany, dia samy nanao habibiana ny andaniny roa. Natahorana ny Indiana noho ny lazan’izy ireo hoe nanendaka hodi-doha, fanao inoan’ny sasany fa nianaran’ny Indiana avy tamin’ny Eoropeana izay nanolotra valisoa ho takalon’ny hodi-doha. Kanefa, atody niady tamim-bato ny Indiana — nahery an’isa sy ara-pitaovam-piadiana ny Eoropeana. Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny niafaran’ireo foko dia voatery nandao ny tanindrazany na ho faty. Matetika dia izy roa niaraka — nandao ny taniny izy ireo ary avy eo dia novonoina na matin’ny aretina sy ny mosary.

Kanefa, tsy ny fahafatesana an’ady no antony niteraka fandripahana be indrindra ho an’ireo foko tera-tany. Manoratra toy izao i Ian K. Steele: “Ny fitaovam-piadiana nahery indrindra tamin’ny fananiham-bohitra teto Amerika Avaratra dia tsy ny basy, na ny soavaly, na ny Baiboly, na ny ‘sivilizasiona’ eoropeana. Izy io dia ny areti-mandringana.” Momba ny vokatr’ireo aretina avy tany amin’ny Ancien Monde teo amin’ireo tanin’i Amerika, dia nanoratra toy izao i Patrica Nelson Limerick, profesora momba ny tantara: “Rehefa nentina tany amin’ny Nouveau Monde ireny aretina ireny [izay efa nahazoan’ny Eoropeana hery fanefitra nandritra ny taonjato maro] — nendram-boalavo, kitrotro, gripa, tazomoka, tazo vony, typhus, raboka, ary ambonin’ny zava-drehetra ny nendra — dia tsy voatohitra firy. Nahatratra hatramin’ny 80 na 90 isan-jato ny taham-pahafatesana tany amin’ny vohitra nifandimby.”

Milazalaza ny amin’ny valanaretina nendra izay namely tamin’ny 1837 i Russell Freedman. “Ny Mandans no voa voalohany, ary nandimby azy ireo haingana ny Hidatsas, ny Assiniboins, ny Arikaras, ny Sioux, sy ny Blackfeet.” Saika fongotra tanteraka ny Mandans. Avy teo amin’ny 1 600 teo ho eo ny isan’ny mponina mandan tamin’ny 1834 no nidina ho 130 tamin’ny 1837.

Inona no nitranga tamin’ireo fifanekena?

Hatramin’izao ireo loholona ao amin’ny foko dia afaka mitanisa mora foana ireo datin’ny fifanekena niarahan’ny fitondram-panjakana amerikana sy ny razambeny nanao sonia tamin’ny taonjato faha-19. Inona anefa no nomen’ireny fifanekena ireny raha ny marina? Mazàna dia fanakalozana nahafaty antoka satria ny tany tsara dia natakalo tany voatokana ngazana mbamin’ny fanampiana ara-pivelomana avy tamin’ny fitondram-panjakana.

Ohatra iray ny amin’ny fanamavoana an’ireo foko tera-tany ny zava-nitranga tamin’ny vondrom-poko iroquois (avy any atsinanana no miankandrefana: Mohawk, Oneida, Onondaga, Cayuga, sy Sénèque), taorian’ny nandresen’ny mpiavy amerikana ny Britanika tamin’ny ady ho amin’ny fahaleovan-tena, izay nifarana tamin’ny 1783. Niandany tamin’ny Britanika ny Iroquois, ary ny hany valisoa azon’izy ireo, araka ny voalazan’i Alvin Josephy, Jr., dia ny fandaozana sy ny fanevatevana azy. Ny Britanika, “izay ninia tsy nahalala [ny Iroquois], dia namindra tamin’i Etazonia ny fanapahana teo amin’ny tanin’[ireo Iroquois]”. Manampy teny izy fa na dia ny Iroquois izay nanohana ny mpiavy niady tamin’ny Britanika aza “dia niharan’ny fanerena avy tamin’ny kompania sy ny mpijirika fatra-pierina mikarakara tany ary avy tamin’ny fitondram-panjakana amerikana mihitsy”.

Rehefa natao ny antso hanao fivoriana momba ny fifanekena tamin’ny 1784, i James Duane, izay teo aloha dia solontenan’ny Komitin’ny Antenimiera Kontinentaly Momba ny Raharaha Indiana, dia nampirisika an’ireo masoivohom-panjakana “mba hikiky izay rehetra mety ho fatokian-tena sisa tavela nananan’ny Iroquois, tamin’ny finiavana hitondra azy ireo ho toy ny olona ambany”.

Notanterahina ireo fanoloran-keviny feno fanambonian-tena. Nisy Iroquois sasany nosamborina natao takalon’aina, ary nisy “fifampiraharahana” natao niaraka tamin’ny fandrahonana ho faty. Na dia nihevi-tena ho tsy resy an’ady aza ny Iroquois, dia voatery namoy ny taniny rehetra tany andrefana amin’i New York sy i Pennsylvanie izy ireo ka nanaiky tany voatokana kely velarana tao amin’ny Fanjakan’i New York.

Tetik’ady nitovy tamin’izany no nampiasaina namelezana ny ankamaroan’ireo foko tera-tany. Manambara koa i Josephy fa ireo masoivoho amerikana dia nampiasa “kolikoly, fandrahonana, alkaola, sy fambosiana solontena tsy nahazo lalana mba hakana tany an-keriny tamin’ireo Delawares, Wyandots, Ottawas, Cypowois [na Ojibwa], Shawnees, sy vondrom-poko hafa tany Ohio”. Tsy mahagaga firy raha tsy ela ny Indiana dia nanjary tsy natoky ny vazaha sy ny fampanantenany poaka aty!

Ilay “Dia Lavitra Be” sy ilay Lalana Nampitomany

Rehefa nipoaka ny Ady An-trano Amerikana (1861-1865), dia nahatonga ny miaramila hiala avy tao amin’ny tanin’ny Navajo tany atsimo andrefana izy io. Nanararaotra io fiatoana io ny Navajo mba hanafihana toby amerikana sy meksikana tao amin’ny Lohasahan’i Rio Grande tao amin’ny faritanin’i Nouveau-Mexique. Nandefa ny Kolonely Kit Carson sy ireo Mpilatsaka An-tsitrapo tao Nouveau-Mexique ny fitondram-panjakana mba handresena ny Navajo sy mba hamindrana azy ireo ho ao amin’ny tany voatokana iray tao amin’ny sombin-tany ngazana iray lavalava nantsoina hoe Bosque Redondo. Nampiasa fomba fiady fanimbana ny loharanom-pahaveloman’ny fahavalo i Carson mba hahafatin’ny mosary ka hampivoaka ny Navajo avy tao amin’ny Canyon de Chelly (hantsana be) mahatahotra, any avaratra atsinanana amin’i Arizona. Nanimba hazo paiso maherin’ny 5 000 mihitsy aza izy.

Nanangona Navajo 8 000 teo ho eo i Carson ka nanery azy ireo hanao ilay “Dia Lavitra Be” tokony ho 480 kilaometatra nankany amin’ny toby fihazonan’i Bosque Redondo, tao amin’ny Fort Sumner, Nouveau-Mexique. Hoy ny tatitra iray: “Nangatsiaka izaitsizy ny andro, ary maro tamin’ireo natao sesitany izay zara raha nitafy sady nomena sakafo ambany foitra no maty teny an-dalana.” Nahatsiravina ny toe-piainana tao amin’ilay tany voatokana. Voatery nandavaka teo amin’ny tany ny Navajo mba hahazoana fialofana. Tamin’ny 1868, taorian’ny nahatsapan’ny fitondram-panjakana ny fahadisoana tamin-kadalana nataony, dia nomeny iray tapitrisa hektara sy sasany avy tamin’ny tanindrazany tany Arizona sy Nouveau-Mexique ny Navajo. Niverina izy ireo, kanefa toy inona moa ny vidiny tsy maintsy naloany!

Teo anelanelan’ny 1820 sy 1845, dia Choctaw, Cherokee, Chickasaw, Creeks, sy Séminoles an’aliny maro no nentina niala avy teo amin’ny taniny tany atsimo atsinanana ka noterena handeha an-tongotra hiankandrefana tany ankoatra ny Renirano Mississippi, ho any amin’izay antsoina ankehitriny hoe Oklahoma, an-jatony kilaometatra maro niala avy teo. Tao anatin’ny ririnina namanala izaitsizy, dia maro no maty. Nanjary nalaza ratsy hoe ilay Lalana Nampitomany ilay dia an-tongotra niankandrefana natao an-tery.

Mbola nohamafisin’ny tenin’ilay jeneraly amerikana atao hoe George Crook, izay nanao haza lambo an’ireo Sioux sy Cheyennes tany avaratra, ny tsy rariny nampiharina tamin’ny Amerikana Tera-tany. Hoy izy: “Ny andaniny misy ny Indiana amin’ilay raharaha dia mahalana vao henoina. (...) Avy eo, rehefa tena fantatry ny besinimaro ny fikomian[’ny Indiana] ka mitodika any aminy ny saina, dia ny heloka bevava sy ny habibian’izy ireo ihany no melohina, fa afa-maina tanteraka ireo olona nanao ny tsy rariny izay nahatonga azy ireo hanao izany. (...) Tsy misy olona mahafantatra tsara kokoa io zava-misy io noho ny Indiana, ka noho izany, dia afa-tsiny izy rehefa mihevitra hoe tsy ahitana rariny ny fitondram-panjakana iray izay tsy manao afa-tsy ny manasazy azy, fa mamela kosa ny vazaha handroba azy araka izay tiany.” — Bury My Heart at Wounded Knee.

Manao ahoana ny Amerikana Tera-tany amin’izao andro izao, taorian’ny nanapahan’ny Eoropeana hatramin’ny zato taona mahery? Atahorana hanjavona ve izy ireo vokatry ny nampidirana azy tao anatin’ny kolontsaina hafa? Inona no fanantenan’izy ireo ny amin’ny hoavy? Handinika ireo fanontaniana ireo sy ny hafa ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro, pejy 9]

Fiainana Sarotra ho An’ny Vehivavy

Ny lehilahy no mpihaza sy mpiady tao amin’ny ankamaroan’ireo foko, fa ny vehivavy kosa dia nanana asa tsy nisy farany, anisan’izany ny fitaizana zanaka, ny fambolena sy ny fijinjana voamadinika, sy ny fitotoana azy io ho lafarinina. Manazava toy izao i Colin Taylor: “Ny anjara asa lehiben’ny vehivavy nonina teny amin’ny Tany Lemaka (...) dia ny fikojakojana ny tokantrano voaorina, ny fiterahana, sy ny fikarakarana sakafo. Tao amin’ny fiaraha-monina mpamboly, dia nikarakara saha koa izy ireo (...), fa tao amin’ireo foko tandrefana mpifindrafindra monina sady mpihaza omby dia kosa, dia nanampy tamin’ny famonoana ilay biby izy ireo, nitondra ilay hena nankao an-toby, ary avy eo dia nanomana ilay hena sy nanafina azy io mba hampiasaina amin’ny manaraka.” — The Plains Indians.

Milaza toy izao ny loharanon-kevitra hafa iray mikasika ny Apache: “Asan’ny vehivavy ny asa fambolena ary tsy hoe nampietry na ambany izany. Nanampy ny lehilahy, kanefa nihevitra ny fambolena ho zava-dehibe kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy. (...) Fantatry ny vehivavy foana ny fomba nanatontosana ireo fombafomba tamin’ny fambolena. (...) Nivavaka ny ankamaroan’ny vehivavy teo am-pampidirana rano ho ao amin’ilay tany.” — The Native Americans —An Illustrated History.

Ny vehivavy koa dia nanamboatra fonenana tsy nateza nantsoina hoe tipis, izay mazàna no naharitra tokony ho roa taona. Nanangana azy ireny izy ary nandrava azy ireny rehefa tsy maintsy nifindra ny foko. Tsy isalasalana fa mazana ny fiainan’ny vehivavy. Toy izany koa anefa ny an’ny lehilahy tamin’ny naha-mpiambina ny foko azy ireo. Nohajaina sy nanana zo maro ny vehivavy. Ao amin’ny foko sasany, toy ny Hopi, dia misy vehivavy manana trano sy tany, na dia amin’izao andro izao aza.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Biby Iray Izay Nanova ny Tontolon’izy Ireo

Nampiditra biby iray tany Amerika Avaratra — dia ny soavaly — izay nanova ny fomba fiainan’ny foko maro, ny Eoropeana. Tamin’ny taonjato faha-17, dia ny Espaniola no nanjary ny voalohany nampiditra soavaly tao amin’ilay kontinenta. Nanjary mpitaingin-tsoavaly tsy nisy lasely kinga tokoa ny Amerikana Tera-tany, araka ny hitan’ny Eoropeana mpanani-bohitra tsy ela. Rehefa nanana soavaly ireo tera-tany dia mora lavitra taminy ny nihaza bison. Ary ireo foko mpifindrafindra monina dia afaka tsara kokoa namely tampoka an’ireo foko teny akaikiny nonina am-bohitra tamin’ny fomba raikitra, ka tamin’izany dia naka babo, vehivavy, sy andevo.

[Sarintany/Sary, pejy 7]

(Jereo ny gazety)

Ireo toerana tamin’ny taonjato faha-17 nisy ny sasany tamin’ireo foko tany Amerika Avaratra

Kutenai

Spokan

Nez Perce

Shoshone

Klamath

Paiute tavaratra

Miwok

Yokuts

Serrano

Mohave

Papago

Blackfoot

Flathead

Crow

Ute

Hopi

Navajo

Jicarilla

Apache

Mescalero

Lipan

Cree An-tany Lemaka

Assiniboin

Hidatsa

Mandan

Arikara

Teton

Cheyenne

Sioux

Yanktonai

Pawnee

Arapaho

Oto

Kansa

Kiowa

Comanche

Wichita

Tonkawa

Atakapa

Yankton

Santee

Iowa

Missouri

Osage

Quapaw

Caddo

Choctaw

Ojibwa

Sauk

Fox

Kickapoo

Miami

Illinois

Chickasaw

Alabama

Ottawa

Potawatomie

Érié

Shawnee

Cherokee

Catawba

Creek

Timucua

Algonquin

Huron

Iroquois

Susquehanna

Delaware

Powhatan

Tuscarora

Micmac

Malecite

Abnaki

Sokoki

Massachuset

Wampanoag

Narragansett

Mohican

Montauk

[Sary nahazoan-dalana]

Indiana: Sary miorina amin’izay nalain’i Edward S. Curtis; Amerika Avaratra: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 8]

Fanenomana sy firavaka navajo ara-javakanto

[Sary, pejy 11]

Canyon de Chelly, izay nanombohan’ilay “Dia Lavitra Be”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara