FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/9 p. 12-16
  • Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanabeazana ny Amerikana Tera-tany
  • Tany manan-kasina
  • Zava-tsarotra amin’izao andro izao
  • Fiadiana amin’ny zava-mahadomelina sy ny alkaola
  • Ny trano filokana sy ny filokana ve no vahaolana?
  • Inona no Tahirizin’ny Hoavy?
  • Fiainana ao amin’ny tontolo vaovao hisian’ny firindrana sy ny rariny
  • Nanova ny Fiainako ny Anaran’Andriamanitra!
    Mifohaza!—2001
  • Ny Fomba Nahaverezan’ny Tontolon’izy Ireo
    Mifohaza!—1996
  • Tendrombohitra Novana ho Tsangambaton’i Soavaly Dia
    Mifohaza!—2002
  • Nanandrana Nanompo Tompo Roa Aho
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/9 p. 12-16

Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?

TAO amin’ny fanadinadinana iray nataon’ny Mifohaza!, dia nilaza i Lawrence Hart, filoha cheyenne mpandala fihavanana, fa iray amin’ireo olana mahazo ny Indiana “ny hoe miatrika ireo herin’ny fiovan’ny kolontsaina sy ny fampidirana anay ao anatin’ny kolontsaina hafa izahay. Ohatra, mihavery ny fiteninay. Nisy fotoana naha-tetik’ady ninian’ny fitondram-panjakana natao an’izany. Nisy ezaka lehibe natao mba ‘hampandrosoana’ anay tamin’ny alalan’ny fampianarana. Nalefa tany amin’ny sekoly ho an’ny kilasimandry izahay ary norarana tsy hiresaka tamin’ny fitenin-drazanay”. Mahatsiaro toy izao i Sandra Kinlacheeny: “Raha niteny navajo aho tany amin’ny sekoly ho an’ny kilasimandry nisy ahy, dia nanasa ny vavako tamin’ny savony ny mpampianatra!”

Manohy ny teniny toy izao ny Filoha Hart: “Anton-javatra iray mampahery tato ho ato ny nisian’ny fahatsapan-tenan’ny foko samy hafa. Takatr’izy ireo fa hanjavona ny fiteniny raha tsy misy ezaka atao mba hiarovana azy ireny.”

Olona folo monja sisa no miteny karuk, fitenin’ny iray amin’ireo foko any Californie. Tamin’ny Janoary 1996, dia maty teo amin’ny faha-76 taonany i Red Thunder Cloud (Carlos Westez), ilay Indiana farany niteny catawba. Tsy nisy olona afaka nifampiresaka taminy tamin’io fiteny io nandritra ny taona maro.

Ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany voatokana ho an’ny Navajo sy ny Hopi any Arizona, dia saika ny rehetra no miteny navajo na hopi sy anglisy. Na dia ireo Vavolombelona tsy indiana aza dia mianatra ny fiteny navajo. Mila mahay miteny navajo ireo Vavolombelona mba hanaovany ny asany fampianarana Baiboly, satria Navajo maro no tsy mahay tsara afa-tsy ny fiteniny ihany. Mbola tena velona tsara ny fiteny hopi sy navajo, ary ampirisihina hampiasa azy ireo any an-tsekoly ny tanora.

Fanabeazana ny Amerikana Tera-tany

Misy sekoly ambony indiana 29 any Etazonia, ary ahitana mpianatra 16 000. Nisokatra tany Arizona ny voalohany tamin’ny 1968. “Izany no iray amin’ny fivoarana mahatalanjona indrindra ho an’ny Indiana, dia ny zo hampianatra araka izay tianay”, hoy ny Dr. David Gipp, avy ao amin’ny Komity Indiana Amerikana Momba ny Fampianarana Ambony. Ao amin’ny Oniversiten’i Sinte Gleska, dia taranja tsy maintsy atao ny fiteny lakota.

Araka ny voalazan’i Ron McNeil (foko lakota hunkpapa), prezidàn’ny Tahirim-bolan’ny Sekoly Ambony Indiana Amerikana, dia manomboka eo amin’ny 50 isan-jato ka hatramin’ny 85 isan-jato ireo tarehimarika momba ny tsy fananana asa eo amin’ny Amerikana Tera-tany, ary manana ny halavan’ny androm-piainana fohy indrindra sy ny taha ambony indrindra amin’ny diabeta sy ny raboka ary ny alkaolisma ny Indiana, raha oharina amin’ny antokon’olona na iza na iza any Etazonia. Iray monja amin’ireo fepetra raisina mety hanampy, ny fampianarana tsara kokoa.

Tany manan-kasina

Ho an’ny Amerikana Tera-tany maro, dia manan-kasina ny tanindrazany. Toy izao no nilazan’i White Thunder (Kotroka Fotsy) izany tamin’ny senatera iray: “Ny taninay eto no zavatra lalainay indrindra eto an-tany.” Rehefa nanao fifanekena sy fifanarahana ny Indiana, dia matetika no nihevitra fa natao izy ireny mba hampiasan’ny vazaha ny taniny, fa tsy hoe mba hananan’ny vazaha tsotra izao ny taniny ka ho lasany. Namoy tany sarobidy teo amin’ny Black Hills any Dakota ireo foko sioux indiana tamin’ireo taona 1870, fony nirohotra nankao ireo mpitrandraka volamena. Tamin’ny 1980, dia nandidy ny fitondram-panjakana amerikana mba handoa onitra tokony ho $105 tapitrisa tamin’ny foko sioux valo ny Fitsarana Tampony amerikana. Hatramin’izao dia tsy nety nandray ilay vola ireo foko — tiany ny hamerenana aminy ny taniny manan-kasina, dia ny Black Hills any Dakota Atsimo.

Indiana sioux maro no tsy faly mahita ireo sarin’ny tarehin’ny prezidà vazaha natao sokitra teo amin’ny Tendrombohitra Rushmore, eo amin’ny Black Hills. Eo amin’ny tendrombohitra iray eo akaiky, dia misy mpanao sokitra mamorona sary vao mainka lehibe kokoa. Izy io dia ny an’i Crazy Horse, ilay mpitari-tafika sioux oglala. Ho vita amin’ny Jona 1998 ilay tarehiny.

Zava-tsarotra amin’izao andro izao

Mba hahavelona azy hatrany eo amin’ny tontolo maoderina, dia tsy maintsy nanao izay hahazatra azy tamin’ny fomba samihafa ny Amerikana Tera-tany. Maro ankehitriny no nahita fianarana sy niofana tany amin’ny sekoly ambony, ka manana fahaizana izay azon’izy ireo ampiasaina tsara eo amin’ny foko. Ohatra iray i Burton McKerchie malefa-piteny, cypowois avy any Michigan. Nanao ho sarimihetsika fisehoan-javatra tena nisy ho an’ny Sampan-draharaham-panjakana Momba ny Fampielezam-peo izy, ary ankehitriny dia miasa ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray ao amin’ny Tany Voatokana ho an’ny Hopi any Arizona, ka mandrindra fotoam-pianarana ho an’ny sekoly ambony ampiasana vidéo, manerana ny Fanjakan’i Arizona. Ohatra hafa iray i Ray Halbritter, filohan’ny vondrom-poko oneida, nianatra tao Harvard.

Nanazava i Arlene Young Hatfield, izay nanoratra tao amin’ny Navajo Times, fa tsy manana fanandraman-javatra na manao sorona toy ny nataon’ny ray aman-dreniny sy ny raibe aman-drenibeny fony izy ireny nihalehibe, ny Navajo tanora. Nanoratra toy izao izy: “Noho ny fisian’ny zavatra mampiadana [maoderina], dia tsy nanangona na nikapa kitay, na nantsaka rano, na niandry ondry toy ny nataon’ny razambeny, izy ireo. Tsy mandray anjara amin’ny fiveloman’ny fianakavianay toy ny nataon’ny ankizy fahiny ela be, izy ireo.” Hoy ny fanatsoahan-keviny: “Tsy azo atao ny mandositra ny olana sosialy maro izay hisy fitaomana amin’ny fomba tsy azo ialana eo amin’ny zanakay. Sady tsy afaka mampitoka-monina ny fianakavianay izahay, na mampisaraka ny tany voatokana tsy hiaraka amin’ny sisa amin’izao tontolo izao, no tsy afaka miverina amin’ny fiainana nananan’ny razambenay.”

Eo ilay zava-tsarotra ho an’ny Amerikana Tera-tany — ahoana no ifikirana amin’ireo fombany nentim-paharazana sy zava-tsarobidiny ara-poko tsy manan-tsahala sady ifankazarana amin’ny tontolo mihamiova haingana eny ivelany.

Fiadiana amin’ny zava-mahadomelina sy ny alkaola

Hatramin’izao dia manimba ny fiaraha-monina amerikana tera-tany ny alkaolisma. Nilaza toy izao ny Dr. Lorraine Lorch, izay dokoteran’ankizy sy mpitsabo aretina ankapobe teo amin’ny mponina hopi sy navajo nandritra ny 12 taona, rehefa nadinadinin’ny Mifohaza! izy: “Olana lehibe na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy ny alkaolisma. Vatana matanjaka no voan’ny cirrhose [karazana aretin’aty], matimaty foana, mamono tena, sy mamono olona. Mampalahelo ny mahita ny alkaolisma omena ny laharam-pahamehana alohan’ny ankizy, ny vady, sy Andriamanitra mihitsy aza. Miova ho ranomaso ny hehy, [miova ho] herisetra ny fahalemem-panahy.” Nanampy teny toy izao izy: “Na dia ny sasany amin’ireo fombafomba aza, izay noheverin’ny Navajo sy ny Hopi ho nanan-kasina teo aloha, dia zimbazimbaina izao indraindray amin’ny alalan’ny fahamamoana sy ny filibana ara-nofo. Manesotra amin’ireo olona tsara tarehy ireo ny fahasalamany, ny fahakingan-tsainy, ny fahaizany mamoron-javatra, sy ny tena maha-izy azy, ny alkaola.”

I Philmer Bluehouse, mpampihavana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fitsarana eo amin’ny vondrom-poko navajo ao Window Rock, Arizona, dia nilazalaza tamim-panesoana ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fibobohana alkaola ho “fitsaboan-tena”. Mampisinda ny alahelo sy manampy ny tena handositra ny zava-misy henjana eo amin’ny fiainana tsy ananana asa ary matetika no tsy ananana zava-kendrena, io fidorohana io.

Kanefa, Amerikana Tera-tany maro no niady tamim-pahombiazana tamin’ilay fisotroana “ratsy” izay nampidirin’ny vazaha, ka niady mafy mba hahazoana fandresena tamin’ny fahazaran-dratsy amin’ny zava-mahadomelina. Ohatra roa ny amin’izany i Clyde sy i Henrietta Abrahamson, avy ao amin’ny Tany Voatokana ho An’ny Indiana ao Spokane ao amin’ny Fanjakan’i Washington. Manana vatana tomady i Clyde, ary mainty ny volony sy ny masony. Nanazava toy izao tamin’ny Mifohaza! izy:

“Nihalehibe tao amin’ilay tany voatokana izahay nandritra ny ankamaroan’ny fiainanay, ary avy eo dia nifindra tao amin’ny tanànan’i Spokane mba hankanesana tany amin’ny sekoly ambony. Tsy tianay ny fomba fiainanay, izay nampiasana alkaola sy zava-mahadomelina. Io no hany karazam-piainana fantatray. Nihalehibe tamin’ny fankahalana ireo hery fitaomana roa ireo izahay noho ny olana hitanay naterak’izy ireo teo amin’ny fianakaviana.

“Avy eo dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Mbola tsy nandre mihitsy momba azy ireo izahay talohan’ny nankanesanay tao amin’ilay tanàna. Niadana ny fandrosoanay. Angamba izany no izy satria tsy tena nitoky tamin’ny olona tsy fantatray izahay, indrindra fa tamin’ny vazaha. Nanao fianarana Baiboly tapatapaka izahay nandritra ny telo taona teo ho eo. Ny fahazarana sarotra nialana indrindra tamiko dia ny fifohana marijuana. Nifoka nanomboka teo amin’ny faha-14 taonako aho, ary 25 taona aho talohan’ny niezahako niala tamin’izy io. Mamon’ny marijuana foana aho tamin’ny ankamaroan’ny fahatanorako. Tamin’ny 1986, dia namaky ilay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 22 Janoary [frantsay] nitondra ny lohateny hoe ‘Tous les autres se droguent — Pourquoi pas moi?’, aho. Nahatonga ahy hieritreritra izy io hoe hadalana ny fifohana marijuana — indrindra taorian’ny namakiako ny Ohabolana 1:22, izay manao hoe: ‘Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, sy hifalian’ny mpaniratsira amin’ny faniratsirana, ary hankahalan’ny adala ny fahalalana?’

“Natsahatro ilay fahazarana, ary tamin’ny lohataonan’ny 1986, dia nivady izahay sy i Henrietta. Natao batisa tamin’ny Novambra 1986 izahay. Tamin’ny 1993, dia tonga loholona tao amin’ny kongregasiona aho. Natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelona azy ny zanakay mirahavavy tamin’ny 1994.”

Ny trano filokana sy ny filokana ve no vahaolana?

Tamin’ny 1984, dia tsy nisy filokana notantanan’ny Indiana tany Etazonia. Araka ny The Washington Post, tamin’itỳ taona itỳ dia foko 200 no nanana fandraharahana filokana 220 tao amin’ny fanjakana 24. Maningana amin’ny fomba miavaka ny Navajo sy ny Hopi, izay nahatohitra ilay fakam-panahy hatramin’izao. Ny trano filokana sy ny trano filalaovana bingo (loka karatra) ve anefa no lalana mitondra ho amin’ny fanambinana sy ny fananana asa bebe kokoa ho an’ireo ao amin’ny tany voatokana? Nilaza toy izao tamin’ny Mifohaza! i Philmer Bluehouse: “Sabatra roa lela ny filokana. Izao no fanontaniana: Ho maro kokoa ve ny olona hahita soa aminy noho ny olona simbany?” Manambara ny tatitra iray fa namorona asa 140 000 teo amin’ilay firenena manontolo ireo trano filokana indiana, saingy hazavainy fa 15 isan-jato monja amin’izy ireny no an’ny Indiana.

Naneho ny heviny tamin’ny Mifohaza! i Hart, filoha cheyenne, raha ny amin’ny fiantraikan’ny trano filokana sy ny filokana eo amin’ireo ao amin’ny tany voatokana. Hoy izy: “Mifanohitra ireo fihetseham-poko. Ny hany zavatra tsara dia ny hoe mitondra asa sy fidiram-bola ho an’ireo foko izy io. Etsy an-danin’izany, dia nomarihiko fa be dia be amin’ireo clients no olona avy aminay ihany. Ny sasany dia fantatro fa nanjary za-dratsy amin’ny bingo, ary miala aloha ao an-trano izy ireo mba hankanesana any, alohan’ny hodian’ny ankizy avy any an-tsekoly mihitsy aza. Avy eo ireo [ankizy] dia manjary mpiambin-trano mandra-piverin’ny ray aman-dreniny avy any amin’ny filalaovana bingo.

“Ny olana lehibe dia ny fiheveran’ny fianakaviana fa handresy izy ireo ka hampitombo ny fidiram-bolany. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy izany no izy; resy izy ireo. Hitako izy ireo nandany ny vola efa natokana hividianan-tsakafo na hividianana fitafiana ho an’ny ankizy.”

Inona no Tahirizin’ny Hoavy?

Manazava i Tom Bahti fa misy fiheverana roa fahita matetika rehefa mandinika ny hoavin’ireo foko tatsimo andrefana. “Ny voalohany dia manambara mialoha tsotra izao ny fanjavonana mananontanon’ireo kolontsain’ny tera-tany ao anatin’ny fizotran’ny fiainana amerikana. Ny faharoa dia manjavozavo kokoa. (...) Izy io dia miresaka amim-pahalemem-panahy ny amin’ny fandehan’ny fiovan’ny kolontsaina, toa manondro fampifangaroana amim-pieritreretana tsara ny ‘tsara indrindra avy amin’izay tranainy sy ny tsara indrindra avy amin’izay vaovao’, karazana filentehan’ny masoandro ara-kolontsaina mivolom-bolamena, izay mety hitoeran’ny Indiana ho tsy maharaka ny toetr’andro nefa mahafinaritra eo amin’ny asa tanany, ho mareva-doko eo amin’ny fivavahany, sy ho hendry eo amin’ny filozofiany — kanefa mbola mahalala ny antonona ihany eo amin’ny fifandraisany amintsika (ny kolontsaina ambony [ny an’ny vazaha]) mba hananana fomba fijery toy ny antsika.”

Avy eo dia mametraka fanontaniana iray i Bahti. “Tsy azo ialana ny fiovana, kanefa iza no hiova ary noho ny zava-kendrena inona? (...) Manana fahazarana manorisory mihevitra ny olon-kafa rehetra ho Amerikana tsy mandroso fotsiny, isika [ny vazaha]. Mihevitra isika fa tsy maintsy ho tsy afa-po amin’ny fomba fiainany sy may hiaina sy hihevitra toa antsika izy ireo.”

Manohy ny teniny toy izao izy: “Zavatra iray no azo antoka — mbola tsy tapitra ny tantaran’ny Indiana Amerikana, kanefa mbola ho hita eo ny fomba hifaranany na hoe raha hifarana izy io. Mbola misy angamba ny fotoana anombohana mihevitra an’ireo vondron’olona indiana sisa tavela ho loharanon-kolontsaina sarobidy, fa tsy ho olana sosialy mahavery hevitra fotsiny.”

Fiainana ao amin’ny tontolo vaovao hisian’ny firindrana sy ny rariny

Avy amin’ny fiheveran’ny Baiboly, dia fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah ny hoavy mety ho hitan’ny Amerikana Tera-tany sy ny olona avy amin’ny firenena sy ny foko ary ny fiteny rehetra. Nampanantena i Jehovah Andriamanitra fa hamorona “lanitra vaovao sy tany vaovao”. — Isaia 65:17; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1, 3, 4.

Tsy midika akory io fampanantenana io hoe hisy planeta vaovao iray. Araka ny fantatry ny Amerikana Tera-tany tsara tokoa, itỳ tany itỳ dia vatosoa iray rehefa hajaina sy entina araka ny tokony ho izy. Tondroin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly kosa ny fanapahana vaovao iray any an-danitra izay hisolo ny fitondram-panjakana mpanararaotra eo amin’ny olombelona. Hovana ho paradisa hisy ala, tany lemaka, renirano, sy biby dia, ho tafaverina amin’ny laoniny, ny tany. Handray anjara tsy amim-pitiavan-tena amin’ny fitantanana ny tany ny olona rehetra. Tsy hanjaka intsony ny fanararaotana sy ny fierenana. Hisy sakafo tsara tondraka sy asa mahasoa.

Ary noho ny fananganana ny maty, dia ho foana ny tsy rariny rehetra tamin’ny lasa. Eny, fa na dia ny Anasazi (teny navajo ilazana ny hoe “ny ntaolo”) aza, ireo razamben’ny ankamaroan’ny Indiana pueblo, izay mipetraka any Arizona sy Nouveau-Mexique, dia hovelomina indray mba hanana ny fahafahana hiaina mandrakizay eto amin’ny tany tafaverina amin’ny laoniny. Afa-tsy izany koa, ireo filoha nalaza teo amin’ny tantaran’ny Indiana — i Géronimo, i Sitting Bull, i Crazy Horse, i Tecumseh, i Manuelito, ireo Filoha Joseph sy Seattle — ary ny maro hafa, dia mety ho velona indray amin’ny alalan’io fananganana nampanantenaina io. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15). Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona toy inona moa no atolotry ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’izy ireny sy ho an’izay rehetra manompo azy ankehitriny!

[Sary, pejy 15]

“Hogan” navajo mahazatra, vita amin’ny hazo norakofana tany

[Sary, pejy 15]

Sarin’i Crazy Horse, fototra niaingana nanaovana ilay sary sokitra eo amin’ilay tendrombohitra erỳ aoriana

[Sary nahazoan-dalana]

Photo by Robb DeWall, courtesy Crazy Horse Memorial Foundation (tsy maka tombony)

[Sary, pejy 15]

Mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakanany, izay toeram-panakalozana vokatra teo aloha ny Vavolombelona hopi sy navajo any Keams Canyon, Arizona

[Sary, pejy 16]

Fonenan’ny Anasazi nanomboka tamin’ny 1 000 taona mahery lasa izay (Mesa Verde, Colorado)

[Sary, pejy 16]

Géronimo (1829-1909), filoha apache nalaza

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Mercaldo Archives/Dictionary of American Portraits/Dover

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara