FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 28
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Vidina Lafo ny Heloka Bevava
  • Fanoherana An’ireo Mpisoloky Gagilahy
  • Tsy Fahampian’ny Taova
  • Noana Metaly Mafonja
  • Fomba Fiaina Tsy Mahasalama — Manao Ahoana ny Halafony?
    Mifohaza!—1997
  • Soavalin-dranomasina Mahay Mandihy
    Mifohaza!—2005
  • Metaly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 28

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Vidina Lafo ny Heloka Bevava

Tombanan’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa fanaovana heloka bevava tokony ho 94 000 no atao any Etazonia isan’andro. Manao ahoana ny fatiantoka entin’ireny heloka bevava ireny amin’ny olom-pirenena amerikana? Araka ny voalazan’i Ed Rubenstein, mpandinika momba ny toe-karena, dia manakaiky ny 20 000 tapitrisa dolara isan-taona ireo fatiantoka mivantana — anisan’izany ny famoizana fananana manokana, toy ny fiara, lelavola, sy firavaka. Fanampin’izany anefa, dia eo ireo fatiantoka mifandray amin’ny fampiharana ny lalàna, ny fitsarana, ny tranomaizina, sy ny rafitra momba ny fanafahana voafonja arahina fepetra. Mampiakatra ilay tarehimarika ho manodidina ny 100 000 tapitrisa dolara izany. Afa-tsy izany koa, satria mijaly matetika noho ny fihetsehan’ny tahotra, ny fikorontanana anaty, na ny fahaketrahana, ireo niharam-pahavoazana tamin’ny heloka bevava, dia maro no miezaka handresy ireo fihetseham-po tsy manorina ireo amin’ny fijanonana ao an-trano fa tsy miasa. Noho izany, ny fatiantoka eo amin’ny famokarana dia afaka mampiakatra mora foana “ny tontalin’ny fatiantoka ho an’ireo niharam-pahavoazana tamin’ny heloka bevava”, ho “$250 000 ka hatramin’ny $500 000 tapitrisa isan-taona”, hoy i Rubenstein.

Fanoherana An’ireo Mpisoloky Gagilahy

Taorian’ny nandaniany 17 taona nanaovana ny asan’ny mpikaro-baovao momba ny mpanjifa, ho an’ny foiben’ny televiziona eo an-toerana any Boston, Massachusetts, dia natambatr’i Paula Lyons ho lisitra iray ireo fomba handresena an’ireo “fahaizana amin-kafetsen-dratsy sy ny fikirizan’ireo mpisoloky gagilahy”. Araka ny lahatsoratra iray ao amin’ny Ladies’ Home Journal, dia izao no tafiditra amin’ireo fanoloran-kevitr’i Lyons: Aza manaiky hanao fandraharahana amin’ny olona tsy fantatra iray miantso anao an-telefaonina. Aza mampiasa vola na oviana na oviana amin-javatra tsy azonao ny heviny. Aza mandoa vola na oviana na oviana mba hahazoana loka “maimaim-poana”. Aza mino loatra an’ireo antoka hoe haverina ny vola. Halaviro ny fanolorana fanomezana ho an’ireo fikambanana mpanao asa soa tsy fantatrao. Aza mividy na oviana na oviana fiara efa niasa raha tsy efa nojeren’ny mécanicien hafa aloha ilay izy. “Mety ho somary be fitandremana ireo fitsipika ireo”, hoy i Lyons, kanefa “afaka miaro anao amin’ny sasany amin’ireo fanao ratsy indrindra ao amin’ny tontolon’ny varotra izy ireo.”

Tsy Fahampian’ny Taova

Tamin’ny 1994, “ny isan’ny olona nila taova hafindra” taminy tany Etazonia dia “nihoatra efa ho ampahatelony amin’ny isan’ireo mpanome [taova]”, hoy ny The Journal of the American Medical Association. Nanomboka tamin’ny 1988 ka hatramin’ny 1994, ny isan’ny olona nahazo taova nafindra dia nitombo 49 isan-jato, fa ny an’ireo mpanome taova kosa dia nitombo 37 isan-jato monja. Koa satria nihoatra ny tolotra ny tinady, dia nisy marary mafy sasany maty teo am-piandrasana taova ho azo ampiasaina. Manome fanazavana momba io olana saro-bahana io ny gazetiboky New Scientist, ka manao hoe: “Koa satria manjary fanao mahazatra kokoa ny fandidiana amindrana taova, dia olona mihamaro kokoa no maniry azy ireny ka mampitombo ny lisitra.” Noho izany, dia milaza ilay tatitra fa “nanjary iharam-pahavoazana noho ny fahombiazany ihany ny famindrana taova”.

Noana Metaly Mafonja

Rehefa mandoto ny nofon-tany ireo metaly mafonja, toy ny nikela, ny firamainty, ny fanitso, sy ny cadmium, dia manjary mampidi-doza sy tsy azo ampiasaina ny tany. Ireo fomba fanadiovana amin’izao fotoana izao dia mitaky fikikisana ny fanambonin’ny tany sy fametrahana azy io eny amin’ny fandevenam-pako, na fanesorana ny nofon-tany voaloto sy fanisiana eo aminy asidra mahery izay mampiala ireo metaly voatana. Tena andaniam-bola be anefa ireo fomba fanadiovana ireo. Ankehitriny ireo mpahay siansa dia eo am-pandinihana fomba tsy andaniam-bola sy madio lavitra mba hanampiana amin’ny famahana ilay olana. Antsoina hoe fitsaboana amin’ny zavamaniry izy io. Tafiditra amin’ilay fomba fanaovana azy ny fampiasana zavamaniry izay mifoka metaly mafonja avy ao amin’ny nofon-tany ka mamindra ilay metaly ho ao amin’ireo raviny, vatany, sy tapany hafa amin’ilay zavamaniry eo ambonin’ny tany. Rehefa avy voasintona avy ao amin’ny tany ireo metaly mafonja, dia azo ahodina ireo zavamaniry ary azo ampiasaina indray ireo metaly sarobidy kokoa, hoy ny gazetiboky Science.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara