Mpandeha Lavitra Marefo Nefa Matanjaka
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY KANADA
Manao sary hoso-doko azy ireny ireo mpanakanto, ary manoratra momba azy ireny ireo poety. Misy karazany maro be mipetraka any amin’ireo ala tropikaly be orana. Maro no mipetraka any anaty ala, eny an-tsaha, sy eny amin’ny tany lava volo. Ny sasany mahatanty ny hatsiaka eny an-tampon-tendrombohitra; ny hafa mahatanty ny hafanan’ny tany efitra. Nolazalazaina ho ny iray amin’ireo tsara tarehy indrindra amin’ny bibikely rehetra izy ireny.
TSY isalasalana fa fantatrao tsara io zavaboary mahafinaritra sy tsara bika io — ny lolo. Misy karazana lolo iray anefa, nanjary nalaza maneran-tany noho ny zava-bitany mahazendana amin’ny fanaovana dia. Io mpandeha lavitra marefo nefa matanjaka io dia ny lolo mpanjaka. Andeha isika hijery akaiky kokoa an’io zavatra noforonina sarobidy io sy ny fifindrany monina sarotra inoana.
Zavatra noforonina sarobidy sy marefo
Alao sary an-tsaina ny tenanao eo amin’ny tany rakotra ahitra amin’ny andro mafana, ary mibaliaka ny masoandro. Aoka ny masonao hifantoka amin’ireo zava-mahagaga manana elatra tsara bika ireo, izay mitselika etsy sy eroa eo anivon’ireo voninkazo dia, eo am-pikarohany tsy misy farany sakafo sy zava-pisotro. Aza mihetsika ianao sady ahinjiro ny sandrinao. Iny misy iray mihamanatona. Oay, andeha hipetraka eo amin’ny sandrinao ilay izy! Mariho fa malefaka erỳ ny fomba ipetrahany.
Izao dia jereo akaiky kokoa izy io. Diniho ireo elatra roa marefo mivolondaoranjy misy vovobovoka, misoritsoritra mainty, sady be kojakojany ny firafitry ny sisiny. Voalaza fa ireo mpanorim-ponenana anglisy tany Amerika, izay nampifandray azy io tamin’i Guillaume d’Orange, mpanjakany, no nanome ny anaran’ilay lolo mpanjaka. Eny tokoa, tena “mpanjaka” io lolo io. Io lolo tsara tarehy marefo io anefa, izay milanja antsasa-grama monja ary mirefy valo ka hatramin’ny folo santimetatra ny elanelan’ny tendron’ny elany roa mivelatra, dia mahavita manao dia lavitra sy sarotra.
Fanidinana mahatalanjona
Na dia lazaina aza fa ny lolo sasany dia mifindra monina lasa lavitra kokoa eo am-piandohan’ny ririnina (atỳ amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra), dia ny lolo mpanjaka irery no manao dia lavitra aoka izany sady manana toerana aleha mazava tsara ary mandeha manao andiany maro be aoka izany. Tena fisehoan-javatra miavaka vitan’ny lolo tokoa ny fifindra-monin’ny lolo mpanjaka. Diniho ny sasany amin’ireo zava-bita mahatalanjon’ireo mpandeha lavitra matanjaka ireo.
Mihoatra ny 3 200 kilaometatra ny elanelan-tany anidinany avy eto Kanada amin’ny fararano mba hamonjena ireo faritra handaniany ny ririnina any Californie na any Meksika. Miampita farihy, renirano, tany lemaka, sy tendrombohitra lehibe, izy ireo. An-tapitrisany maro amin’izy ireo no mamita amim-pahombiazana ilay fifindra-monina mankany amin’ny toerana avo iray eny amin’ireo tendrombohitra Sierra Madre any afovoany amin’i Meksika.
Vao mainka mahazendana ireny fanidinana ireny rehefa heverinao fa mbola tsy nanao io fanidinana io mihitsy teo aloha ireo lolo zanany, sady mbola tsy nahita mihitsy ireo toerana handaniany ny ririnina. Amin’ny fomba tsy mety diso anefa, dia tsapan’izy ireo hoe aiza ny zotran’ilay fanidinana ary fantany rehefa tonga any amin’ireo fonenany amin’ny ririnina izy. Ahoana no anaovan’izy ireo izany?
Hoy ny fanambaran’ny Canadian Geographic: “Mazava fa misy programa zenetika ary fomba ao amin’ny atidohakeliny, angamba fomba famantarana ny zoron’ny tara-masoandro, toy ny ataon’ny tantely, na [famantarana] ny sahan’andriamby avy amin’ny tany, izay toa mitari-dalana an’ireo vorona. Mety hanampy [azy] ny fahaiza-mamantatra ny maripana sy ny hamandoana voafaritra tsara, amin’ny faran[’ilay dia]. Hatramin’izao anefa, dia nihodivitra ny siansa ireo valim-panontaniana.” Tahaka ireo zavaboary voalaza ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly, dia “hendry sady mahay ho azy izy ireo”. — Ohabolana 30:24, NW.
Mpanidina kinga koa ireo lolo mpanjaka. Misosa tokony ho 12 kilaometatra isan’ora izy ireo, misidina ambony tokony ho 18 kilaometatra isan’ora, ary mitselika haingana kokoa, tokony ho 35 kilaometatra isan’ora — araka ny fantatr’izay efa nitady hisambotra lolo iray. Havanana indrindra izy ireo amin’ny fanararaotana ny rivotra mitsoka — amin’ny fihilanana mihitsy aza manohitra ny rivotra mitsoka matetika avy any andrefana mba handrosoana hianatsimo andrefana hamonjy ny toerana alehany. Mampiasa fomba fanidina sarotra izy ireo eo am-piatrehana ny fiovaovan’ny hafainganam-pandeha sy ny zotran’ny rivotra. Be itoviana amin’ny an’ny mpanamory fiaramanidina tsy misy maotera sy ny an’ny papango ny fomba anararaotany rivotra mafana miakatra mba hitondra azy. Araka ny loharanon-kevitra iray, dia mazàna no mandeha hatramin’ny 200 kilaometatra isan’andro, ireo lolo mpanjaka. Tsy manidina izy ireo raha tsy amin’ny andro. Miala sasatra izy ireo amin’ny alina, ka matetika no amin’ny toerana tsy miova isan-taona.
Hitan’i David Gibo, mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Toronto, fa mihoatra noho ny hoe mpisidina ambony na mpisosa tsindraindray ny lolo mpanjaka. Izao no tatitra nataony: “Ireo lolo dia tsy maintsy manararaotra ny rivotra mitsoka, amin’ny fomba heveriko fa mampiseho hakingana lavitra noho ny an’ireo gisa mpifindra monina.” Ny fahazarana arahiny rehefa mikopakopaka elatra sy misidina ambony ary misakafo dia mamela an’ireo lolo mpanjaka ho tonga any Meksika hatavy tsara mba ho velona hatrany mandritra ny ririnina sy ny fiandohan’ny fanidinany miverina hianavaratra amin’ny lohataona. Hoy koa ny Profesora Gibo: “Ny fisosana no fomba anaovany ilay dia lavitra ka mahatonga azy ho tomady sy ho salama amin’ny faran[’ilay dia].”
Fifindra-monina tambabe
Fantatra hatramin’ny ela ho mifindra monina mianatsimo ka mandany ny ririnina any Californie, ireo lolo mpanjaka any andrefana amin’ny Tendrombohitra Rocheuses. Azo atao ny mahita azy ireo mikiraviravy mivondrombondrona eny amin’ny hazo kesika sy hazo kininina, eo amin’ireo toerana manaraka ny moron-tsiraka atsimo amin’i Californie. Nitoetra ho zava-miafina nandritra ny fotoana elaela anefa ny toerana naleha tamin’ny fifindra-monin’ny lolo mpanjaka maro be tany atsinanana amin’i Kanada.
Tamin’ny 1976, dia nanjary fantatra ilay zava-miafina. Hita rehefa ela ny ela ireo toerana nandaniany ny ririnina — tampony iray rakotr’ala teo amin’ireo tendrombohitra Sierra Madre any Meksika. Lolo an-tapitrisa tapitrisany no hita nifanizina teo amin’ireo sampana sy vatan’ireo karazan-kazo kesika mijoalajoala, mivolondavenona sy maitso. Mbola zava-manintona mahasondriana hatrany an’ireo mpitsidika io zavatra hojerena mahatalanjona io.
Iray amin’ireo toerana tsara indrindra eto Kanada mba hijerena ireo lolo mpanjaka amin’ny fitambarany ny ao amin’ny Valam-pirenena Point Pelee, Ontario, izay ivondronany, eo am-piomanana ho amin’ny fifindrany monina hianatsimo. Amin’ny faran’ny fahavaratra, dia mivory eo amin’io toerana atsimo eto Kanada io izy ireo, ka miandry eo amin’ny morony avaratra amin’ny Farihy Érié, mandra-paha-tsara ny rivotra mitsoka sy ny maripana, alohan’ny hiaingana ho amin’ny diany hianatsimo hamonjy ireo toerana fandaniany ny ririnina any Meksika.
Toerana alehany
Manomboka ao Point Pelee, dia mitety nosikely misesy izy ireo amin’ny fiampitana ny Farihy Érié mba hanombohana ilay dia lavitra iampitana an’i Etazonia an-tanety. Eny an-dalana, dia misy andiana lolo mpanjaka hafa manatevin-daharana azy ireo amin’ilay fifindra-monina. Eny amin’ny toerana avo eo amin’ireo tendrombohitra avaratra andrefan’i Mexico no ivorian’ny lolo zato tapitrisa, araka ny tombana, mba handany ny ririnina.
Misy fifindra-monina hafa mitranga mamakivaky an’i Floride sy miampita an’ireo Caraïbes, ary mety hiafara any amin’ny toerana aleha mbola vao hozahana any amin’ny Saikinosy Yucatán na any Guatemala, izy ireny. Na any Meksika na any amin’ireo toeram-pialokalofany hafa amin’ny ririnina, dia miara-mifanizina eo amin’ny faritra miavaka vitsivitsy somary kely ao amin’ny alan’ny tendrombohitra, ireo lolo mpanjaka.
Mety hisy hieritreritra fa hitondra azy ireo ho any amin’ny tany lava volo mafana, azon’ny hainandro, fanaovana vakansy, ny fanidinany lavitra hamonjy ny fonenany amin’ny ririnina. Tsy izany anefa no izy. Mangatsiaka ilay Tandavan-tendrombohitra Volkanika any Meksika, izay alehan’izy ireo. Mety tsara ho amin’ny fandaniany ny ririnina anefa ilay toetr’andro eo amin’ireo tampon-tendrombohitra. Antonona tsara ny hatsiaka mba hahatonga azy ireo handany ny fotoanany saika tsy mihetsika tanteraka — ka amin’izany dia manalava ny androm-piainany ho valo na folo volana, ka mamela ny fanidinana ho any Meksika sy ny fandaniana ny ririnina any ary ny fanombohana hiverina. Mety hilaza ianao hoe karazana vakansy izany.
Tonga ny lohataona, ary manjary miasa indray ireo lolo mpanjaka. Rehefa mihalava ny andro, ireo lolo dia mikopakopaka elatra eo amin’ny hazavan’ny masoandro, manomboka mivady, sy manomboka ny diany miverina hianavaratra. Inoana fa mety hisy sasany hamita ilay dia manontolo miverina, kanefa, amin’ny ankapobeny, dia ireo zanany ihany no tonga any amin’ireo tandavan-kavoana eto Kanada amin’ny fahavaratra sy any avaratra amin’i Etazonia. Atody, fanday, samoina, sy lolo, mahaforona taranaka telo na efatra no miverina miakatra miandalana eto amin’itỳ kontinenta itỳ. Mikopakopaka elatra mamakivaky ireo faritra miavaka misy voninkazo dia, ny vavy — vesaran’atody lonaka zato na mihoatra — ary mametraka ny atodiny, iray isaky ny mandeha, eo amin’ny fanambanin’ny ravina laiteron tanora sy malemy. Ary, noho izany, dia mitohy ilay tsingerina, ary mitohy ilay dia ho any amin’ny fonenan’ny lolo mpanjaka amin’ny fahavaratra.
Marina tokoa fa zavaboary mahasondriana ny lolo mpanjaka. Toy inona moa ny tombontsoa ananan’ny olombelona mandinika sy mianatra momba ny zavatra ataon’izy ireny. Tsy mahagaga anefa raha rahonan’ny orinasan’olombelona ireo toerana fandanian’ny lolo mpanjaka ny ririnina any Meksika, izay nitoetra ela ho zava-miafina, sy ireo toerana alehany any Californie. Ny fiheverana fa manan-toeran-kafa halefa ireny zavatra noforonina tsara tarehy marefo ireny dia mety hahatonga azy ho lany tamingana. Mendri-piderana fa misy ezaka atao mba hiarovana azy ireo amin’izay mety ho fiafarana toy izany. Ho fatratra toy inona moa rehefa hiantohana toeram-pialokalofana tsy hisy hatahorana ireny mpandeha lavitra marefo nefa matanjaka ireny, ao amin’ny tany zary Paradisa nampanantenain’ny Mpamorona, efa antomotra dia antomotra izao!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Lolo: Parks Canada/J. N. Flynn
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pejy 16 ambony sy ambany: Parks Canada/J. N. Flynn; afovoany: Parks Canada/D. A. Wilkes; pejy 17 ambony: Parks Canada/J. N. Flynn; afovoany sy ambany: Parks Canada/J. R. Graham