Fakana Sarin’olona — Ny Fomba Fanaovana Azy Tsara
Zavatra vitsy no ankamamina kokoa noho ny sarin’ireo namana sy mpianakavy tsy foy. Rehefa heverina, dia mihoatra noho ny sary nalailaina fotsiny ny sary tsara dia tsara iray; sary iray izay nokendrena mba hampisehoana ny tena maha-izy ny olona iray izy io!
Izao no olana: mirona ho lafo vidy ny sary alain’ny matihanina — tsy takatry ny volan’ny sasany amintsika. Ary rehefa manandrana maka sary ianao, tsy ela dia hitanao fa mihoatra lavitra noho ny mikendry dia mitifitra fotsiny ny tafiditra amin’izany. Izany no izy satria tsy ilay olona alaina sary ihany no tafiditra amin’izany, fa eo koa ny fahazavana, ny zavatra eo aorianan’ilay olona, ny faritra manodidina, ny fijoro na ny fipetraka, ny fisehoan’ny tarehy, sy ny loko.
Na dia izany aza, raha manana fakantsary ianao ka vonona ny hilofo amin’ny fianarana teknika fototra vitsivitsy, dia afaka maka sary mahafa-po ianao. Amin’ny fomba ahoana? Mba hamaliana izany, dia hametraka fanontaniana sasany amin’ny mpaka sary matihanina iray izay manana fanandraman-javatra maherin’ny folo taona eo amin’io sehatra io, isika.
• Voalohany indrindra, inona no tsiambaratelon’ny fampitsikiana olona iray alaina sary? Ataovy azo antoka fa vonona ny halaina sary ilay olona! Ohatra, aoka hataontsika hoe ta haka sary ankizivavy iray ianao. Raha reraka na noana izy, dia ho sarotra ny hakana azy tsara. Ankoatra izany, dia hiteraka fihenjanana eo amin’ny tarehiny sy ny masony ny havizanana, ka hampihen-danja ilay sary. Koa ampirisiho izy mba hatory kely sy hihinana sakafo maivana, alohan’ny hanombohan’ny fotoana hakana sary.
Manampy koa ny fifampiresahana amin’ilay olona. Aoka ianao hanentanentana sy hampifalifaly. Ampitoneo amin’ny resadresaka izy, kanefa aza manandrana ny hampihomehy azy tafahoatra. Mahatonga ny maso ho somary hikimpy izany, ary mampiakatra ny ra ho eo amin’ny tarehy. Manandrama maka sary fisehoana samihafan’ny tarehy. Arakaraka ny habetsahan’ny sary alainao no mampitombo kokoa ny mety hahazoanao ilay fisehoana mampiavaka an’ilay olona amin’ny fomba tsara indrindra.
• Ahoana ny amin’ny akanjo sy ny fisehoana ankapobe? Amin’ny sarin’ny antokon’olona, dia faniry ny firindran’ny loko. Ohatra, raha maka sary fianakaviana iray ianao, dia manipaza hevitra ny amin’ny hanaovan’izy ireo akanjo manana loko mifanaraka. Na angamba asainao manao akanjo mitovy loko izy rehetra. Tadidio anefa fa tsara indrindra ny fisehoan’ny olona lehibe vatana amin’ny akanjo manana loko matroka ary tsara indrindra ny fisehoan’ny olona manify amin’ny akanjo manana loko mazava.
Tsy maintsy maneho fiheverana ny tsipiriany koa ianao: Mitsotra tsara ve ny akanjo, ka tsy miforiporitra afa-tsy faran’izay kely? Mahitsy tsara ve ny fehitenda? Milamina ve ny volo? Mety tsy hahatsikaritra volo mitsinganga ianao, fa hahatsikaritra izany ny fakantsary! Raha vehivavy ilay alaina sary, mety ve ny fomba nanaovany ny zavatra fanosotra amin’ny tarehy?
• Ahoana ny amin’ny olona manao solomaso? Noho ny hazavana manjelatra, dia mety ho olana izany. Voalohany aloha, dia jereo eo amin’ny fitaratra fijerena raha misy hazavana manjelatra tsy irina. Raha izany no izy, dia asaivo manodina ny lohany moramora ilay olona, mandra-pialan’ilay tara-pahazavana eo amin’ny ivon’ny masony na mandra-panjavony. Indraindray dia hanampy ny fanasana ilay olona hampidina ny saokany — kanefa mitandrema mba tsy hampisy saoka roa sosona!
• Zava-dehibe ve ny zavatra miseho eo aorianany? Tena zava-dehibe mihitsy! Tsy hanao afa-tsy ny hampihen-danja ny sarinao ny taribin’aratra, ny lalana, na ny fiara, mifamahofaho eo aorianan’ilay olona alaina sary. Koa mitadiava zavatra iray hatao eo aoriana izay mety hanatsara na hampitombo endrika ilay olona alainao sary, toy ny hazo, kirihitra mamelana, fefy hazo, na ny ilany amin’ny trano fitoeram-bokatra tranainy iray aza.
• Ahoana raha maka sary ao an-trano ianao? Azonao andramana ny mampipetraka ilay olona alaina sary eo amin’ny seza na saofa, eo anoloan’ny rindrina mazava loko na zavamaniry ao an-trano. Mahaliana indrindra ny maka sary ilay olona eo am-piasana na variana amin’ny fanarian-dia na fanaovan-javatra iray tiany indrindra, miaraka amin’ny latabatra misy fitaovam-piasana, latabatra am-birao, na fitaovana fanjairana, atao eo aorianany.
• Ahoana raha tsy mahita zavatra manintona atao eo aorianany ianao? Andramo atao manjavozavo ny zavatra eo aorianany. Mety indrindra izany amin’ny sary eny alatrano, eo amin’ny toerana ahafahanao mametraka ilay olona lavidavitra ny zavatra eo aorianany. Afaka manao izany ianao amin’ny fanitsiana ny diaphragme, na ny haben’ny fisokafan’ny objectif. Hahatonga ilay olona alainao sary ho mazava tsara, kanefa hampanjavozavo ny eo aorianany, ny isa ambany amin’ny diaphragme, toy ny 5,6. — Jereo ny sary voalohany.
• Inona no hevitra momba ny fiangaliana ny sary? Voalohany indrindra, dia manampy ny fametrahana ny fakantsarinao eo ambonin’ny tongony; amin’izay dia afaka mifantoka bebe kokoa amin’ny fiangaliana ny sary ianao. Amin’ny ankapobeny, ireo sary dia lava, na telo ampahefany ny halavany (eo amin’ny valahana no ho miakatra), na akaiky (ny loha sy ny soroka na ny loha fotsiny). (Jereo ny sary 2.) Ho tsara indrindra amin’ny fakana sarin’olona, ny objectifs eo anelanelan’ny 105 sy 150 milimetatra. Raha tsy afaka manitsy na manova ny objectif amin’ny fakantsarinao ianao, dia andramo ny fanatonana akaiky kokoa ilay olona alainao sary, na ny fihemorana mandra-pahazonao ilay sary tianao. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany itỳ: rehefa manitsy fakana sary iray ny tena, dia fahendrena ny hamelana elanelana eo ambonin’ny loha, manodidina ny andaniny roa, sy eo ambanin’ny tongotra. Amin’izay fomba izay no analaviranao ny fanapahana ny loha, ny tongotra, na ny vatana, raha hanalehibe ilay sary ianao. Arakaraka ny analehibeazanao azy mantsy no mety hahabetsaka ny very amin’ilay sary, miankina amin’ny haben’ilay sary.
Toro lalana iray mahasoa ilay antsoina hoe fitsipika momba ny ampahatelony. Tafiditra amin’izany ny fametrahana ny tarehy na ny mason’ilay olona alainao sary eo amin’ny ampahatelon’ny elanelana avy eo amin’ny tampon’ilay sary, ny fanambaniny, na ny andaniny. (Jereo ny sary 3.) Kanefa, indraindray dia tena mety tsara koa ny hanaovana ny mason’ilay olona eo amin’ny ivon’ilay sary.
• Ahoana ny amin’ny fametrahana ilay olona alaina sary? Asaivo manatrika ny fakantsary amin’ny fitoetra tony ilay olona alainao sary, na mipetraka, na mitsangana, na mihilana mankany aoriana, kanefa mihorirana kely. Raha toa ka boribory loatra ny tarehiny, dia asaivo manodina kely ny lohany na ny vatany ilay olona mba ho ny ilan-tarehiny ihany no ho voazava. Ilay ilan-tarehy ao anatin’ny aloka no tokony ho ny akaiky indrindra ny fakantsary. Hahatonga ilay tarehiny hiseho ho lavalava kokoa izany. Etsy an-danin’izany, raha tianao ny hampiseho ny tarehiny amin’ny fomba feno kokoa, dia asaivo manodina ny lohany na ny vatany ilay olona, mandra-panazava ny tarehiny manontolo.
Asio fiheverana manokana ireo tanana. Tokony ho hita tsy hihenjana sy tokony haka fitoetra izay voajanahary amin’ilay olona alainao sary ireo tanany, toy ny hoe mipetraka moramora eo amin’ny saoka na eo amin’ny takolaka. Raha mitsangana ilay olona, dia halaviro ilay fahadisoana fahita matetika aoka izany hoe mitsotra ireo sandry sady manondro mahitsy ambany ny tanana. Tsara kokoa ny hoe mihazona zavatra ny tanana na mipetraka amin’ny fomba voajanahary.
• Inona no hevitra momba ny fakana sary olon-droa? Andramo ny fanasana azy ireo hampirona kely ny lohany hifanatona. Mazàna dia tsara indrindra ny manalavitra ny hampitovy haavo azy ireo. Azonao andramana ny mametraka azy ireo mba ho ny mason’ny iray no mitovy haavo amin’ny oron’ny iray. — Jereo ny sary 4.
• Andeha isika hiresaka momba ny fahazavana. Oviana no fotoana tsara indrindra amin’ny andro mba hakana sary any alatrano? Amin’ny faramparan’ny tolakandro. Mazàna no tony ny rivotra, ary mafana kokoa ny lokon’ny fahazavana. Andramo ny fametrahana ilay namanao mba hanazavan’ny masoandro ny ilan-tarehiny, ka fahazavana telolafy fotsiny no miseho eo amin’ilay ilan-tarehiny ao anatin’ny aloka. Hisakana ny fanakimpian’ilay olona ny masony izany. Raha tianao ny haka sary mihorirana, dia afindrao ny fakantsarinao ho amin’ilay ilan-tarehiny voaloka. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany itỳ: ataovy azo antoka ny hanakonanao ny objectif-n’ny fakantsarinao amin’ny hazavan’ny masoandro.
• Ahoana raha mahery loatra ny fahazavana? Andramo apetraka miamboho ny masoandro ilay namanao.
• Tsy hanaloka ny tarehiny ve izany? Eny, kanefa afaka mampiasa ny flash-nao ianao mba hanazavana ireo faritra voaloka. Manao izany amin’ny fomba mandeha ho azy ny fakantsary sasany. Vahaolana hafa ny fananana namana iray manampy anao. Afaka mihazona mpanapariaka tara-pahazavana na takela-baoritra fotsy lehibe izy mba hamerenana ny sasany amin’ny fahazavan’ny masoandro miely, ho eo amin’ny tarehin’ilay olona alainao sary.
• Ahoana ny amin’ny fahazavana ao an-trano? Afaka mampiasa ny fahazavana voajanahary ianao amin’ny fametrahana ilay olona eo akaikin’ny varavarankely iray. Afaka mampiely ny fahazavana ny lambam-baravarankely manify iray. Raha tena ilaina izany, dia afaka mampiasa flash malefaka na takela-baoritra mamerina tara-pahazavana ianao mba hanazavana ireo faritra eo amin’ny tarehy izay toa maizina loatra. — Jereo ny sary 5.
• Ahoana raha tsy ampy ny fahazavana azo ampiasaina? Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia tsy maintsy mampiasa ny flash-nao ianao. Andramo apetraka eo amin’ny faritra iray misy rindrina fotsy ilay olona alainao sary. Ahilano ny flash-nao mba hamerenan’ny rindrina ny fahazavana. Noho ny fahazavana avy amin’ny ilany, dia ho afaka hifehy kokoa ny ampahan’ny tarehy ho voazava ianao.
Ekena fa hitaky fanandramana maromaro ny fahazoana vokany tsara. Tsotra anefa ny fotopoto-pitsipika fototra amin’ny fakana sarin’olona. Amin’ny fandaharana mialoha amim-pitandremana sy amin’ny fanehoana fiheverana ny tsipiriany, dia afaka mamorona sary tsara — izay hankamaminao sy ny olon-tianao mandritra ireo taona ho avy — ianao, na dia amin’ny alalan’ny fakantsary tsotra indrindra aza!