Ny Fiovan’endriky ny “Kristianisma”—Eken’Andriamanitra Ve?
AOKA hatao hoe mampanao ny sarinao amin’ny mpanao hosodoko iray ianao. Mientam-po ianao rehefa vitany ilay izy, satria mitovy tanteraka aminao. Maka sary an-tsaina an’ireo zanakao, sy ireo zafikelinao, ary ireo zafikelin’izy ireo, mijery ilay sary amim-pireharehana fatratra ianao.
Taranaka maromaro atỳ aoriana anefa, dia mihevitra ny iray amin’ireo taranakao fa manaratsy endrika ilay sary ilay loha somary sola, ka nasainy nampiana volo. Tsy tian’ny iray hafa ny bikan’ilay orona, ka nasainy novana. Nisy “fanatsarana” hafa koa natao tao anatin’ireo taranaka nifandimby, hany ka tsy nisy fitoviana firy taminao intsony ilay sary, tamin’ny farany. Raha fantatrao fa izany no nitranga, ahoana no ho fihetseham-ponao? Tsy isalasalana fa ho sosotra ianao.
Mampalahelo anefa fa, amin’ny ankapobeny, ny tantaran’io sary io dia ny tantaran’ny fiangonana kristianina anarana. Asehon’ny tantara fa, taoriana kelin’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Kristy, dia nanomboka niova ny endrika ofisialin’ny “Kristianisma”, araka ny efa nambaran’ny Baiboly mialoha.—Matio 13:24-30, 37-43; Asan’ny Apostoly 20:30.a
Mazava loatra fa, tena mety ny hampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly amin’ireo kolontsaina sy vanim-potoana samihafa. Zavatra hafa tanteraka anefa ny hoe manova ny fampianaran’ny Baiboly mba hifanarahany amin’ny fomba fihevitra be mpitia. Izany indrindra anefa no nitranga. Diniho, ohatra, ireo fiovana natao tamina sehatra lehibe maromaro.
Manaiky hiray amin’ny fanjakana ny fiangonana
Nampianatra i Jesosy fa ny fanapahany, na ny Fanjakany, dia fanapahana iray any an-danitra izay, amin’ny fotoana mety, dia handrava ny fanapahan’olombelona rehetra ka hanapaka ny tany manontolo. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10). Tsy hanapaka amin’ny alalan’ny rafitra politikan’olombelona akory izy io. “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy. (Jaona 17:16; 18:36). Noho izany, dia nanalavitra hatrany ny politika ireo mpianatr’i Jesosy na dia mpankatò lalàna aza.
Tamin’ny andron’i Constantin, Emperora romanina, tamin’ny taonjato fahefatra, anefa, dia efa tsy nahandry ny fiverenan’i Kristy sy ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny maro izay nitonona ho Kristianina. Niova tsikelikely ny fihetsik’izy ireo nanoloana ny politika. “Talohan’i Constantin”, hoy ilay boky hoe Europe—A History, “dia tsy nitady hitana fahefana [ara-politika], ho toy ny fomba hampandrosoana ny hevitra ijoroany, ireo Kristianina. Taorian’i Constantin, dia nifanindran-dalana ny Kristianisma sy ny politika avo lenta.” Ilay Kristianisma nasiam-panovana dia nanjary ny fivavahana ofisialin’ny Empira Romanina, dia fivavahana “ho an’ny rehetra” na “katolika”.
Milaza ilay rakipahalalana hoe Great Ages of Man fa, teo io fampivadiana ny Eglizy sy ny Fitondrana io, hany ka “tamin’ny taona 385 ar.J.K., 80 taona monja taorian’ilay fanenjehana lehibe farany nahazo an’ireo Kristianina, dia ny Eglizy mihitsy no efa nanomboka namono an’ireo heretika, ary nanana fahefana saika nitovy tamin’ny an’ny emperora ireo mpitondra fivavahana tao aminy”. Nanomboka àry ny vanim-potoana iray, ka tao anatin’izy io, dia ny sabatra indray, fa tsy ny fandresen-dahatra intsony, no fitaovana nentina nampiova finoana, ary nisolo toerana an’ireo mpitory nanetry tena tamin’ny taonjato voalohany ireo mpitondra fivavahana nanana anaram-boninahitra sy nangetaheta fahefana. (Matio 23:9, 10; 28:19, 20). Nanoratra ny amin’ny “tsy fitoviana lalina teo amin’ny” Kristianisma tamin’ny taonjato fahefatra “sy ny fampianaran’i Jesosy avy any Nazareta” ilay mpahay tantara atao hoe H. G. Wells. Nisy fiantraikany teo amin’ireo fampianarana fototra mahakasika an’Andriamanitra sy i Kristy mihitsy aza izany “tsy fitoviana lalina” izany.
Novana Andriamanitra
Nampianatra i Kristy sy ny mpianany fa tsy misy afa-tsy “Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray”, izay miavaka noho ilay anarany manokana hoe Jehovah, ary miseho im-7 000 eo ho eo, ao amin’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly tany am-boalohany, io anarany io. (1 Korintiana 8:6; Salamo 83:18). Noforonin’Andriamanitra i Jesosy; izy no “teraka talohan’izao voary rehetra izao”, hoy ny Fandikan-teny Katolika, ao amin’ny Kolosiana 1:15. Noho izany, amin’ny maha zavaboary noforonina azy, dia nilaza tamim-pahatsorana i Jesosy hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.”—Jaona 14:28.
Tamin’ny taonjato fahatelo anefa, dia efa nanomboka nanova an’Andriamanitra hifanaraka tamin’ny hoe Andriamanitra tokana olona telo ny mpitondra fivavahana sasantsasany to teny. Nambabo azy ireo tokoa mantsy ilay fampianarana momba ny Andriamanitra tokana olona telo, izay tsy inona fa fampianaran’ilay filozofa grika mpanompo sampy atao hoe Platon. Tao anatin’ireo taonjato nanaraka, io foto-pampianarana io dia nanandratra an’i Jesosy hitovy amin’i Jehovah, ary nanao ny fanahy masin’Andriamanitra, na heriny miasa, ho olona. Tsy araka ny Soratra Masina izy io, araka izany.
Hoy ny New Catholic Encyclopedia mahakasika ny nandraisan’ny eglizy an’io hevitry ny mpanompo sampy momba ny Andriamanitra tokana olona telo io: “Tsy mafy orina ilay filazana hoe ‘Andriamanitra tokana olona telo’, ary azo antoka fa tsy noraisina tamin’ny fomba feno ho anisan’ny fiainana kristianina sy ny fanekem-pinoany izy io, raha tsy tamin’ny faran’ny taonjato faha-4. Io filazana io indrindra anefa no voalohany natao hoe foto-pinoana ny amin’ny Andriamanitra tokana olona telo. Teo amin’ireo Ray apostolika, dia tsy nisy na inona na inona mba nanakaiky kely akory an’io foto-pisainana na fomba fijery io.”
Torak’izany koa, fa ny The Encyclopedia Americana dia milaza hoe: “Ny foto-pinoana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray, tamin’ny taonjato fahefatra, dia tsy nanome taratra marina ny fampianaran’ny Kristianina tany am-boalohany ny amin’ny maha izy an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany, fa fihatahana tamin’io fampianarana io kosa izy io.” Antsoin’ny The Oxford Companion to the Bible ho iray amin’ireo “fanekem-pinoana maro tatỳ aoriana” ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy ny Andriamanitra telo izay iray ihany anefa akory no hevitra avy tamin’ny mpanompo sampy noraisin’ny fiangonana.
Novana ny fanahy (âme)
Mazàna no inoana amin’izao andro izao fa, manana fanahy (âme) tsy mety maty izay mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana, ny olombelona. Fantatrao ve anefa fa natsofoka tatỳ aoriana koa io fampianaran’ny fiangonana io? I Jesosy dia nanamafy ilay fahamarinana ara-baiboly hoe “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty fa toy ny hoe matory. (Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11-13). Haverina indray ny fiainana, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, izany hoe ‘fitsanganana indray’ avy amin’ny torimason’ny fahafatesana. (Jaona 5:28, 29). Ny fanahy (âme) tsy mety maty, raha toa ka misy, dia tsy mila hatsangana amin’ny maty, satria tsy misy fahafatesana rehefa eo ny tsy fahafatesana.
Nasehon’i Jesosy tamin’ny ohatra mihitsy ny fampianarana ara-baiboly mahakasika ny fitsanganana amin’ny maty, tamin’ny nananganany olona tamin’ny maty. Raiso ho ohatra i Lazarosy, izay efa maty nandritra ny efatra andro. Rehefa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy, dia olona velona sy niaina izy nivoaka avy tao am-pasana. Tsy nisy fanahy (âme) tsy mety maty, avy tany amin’ny fiainan-tsambatry ny lanitra, niverina mangingina tao amin’ny vatan’i Lazarosy rehefa nifoha avy tamin’ny torimason’ny fahafatesana izy. Raha izany mantsy no izy, dia azo antoka fa tsy naneho hatsaram-panahy taminy i Jesosy tamin’ny nananganany azy tamin’ny maty!—Jaona 11:39, 43, 44.
Avy aiza àry no niavian’ny teorian’ny fanahy (âme) tsy mety maty? Milaza ny The Westminster Dictionary of Christian Theology fa “avy amin’ny filôzôfia grika indrindra indrindra [io hevitra io] fa tsy avy amin’ny fanambarana ao amin’ny Baiboly”. Manazava toy izao ny The Jewish Encyclopedia: “Ny finoana fa mbola mitohy ny fahaveloman’ny fanahy [âme] aorian’ny fahafoanan’ny vatana, dia fanombantombanana filôzôfika na teolojika fa tsy finoana madiodio, hany ka tsy ampianarina mazava na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina.”
Matetika no mitarika ho amin’ny lainga iray hafa ny lainga anankiray, ary marina izany raha ny amin’ny fampianarana momba ny fanahy (âme) tsy mety maty. Nanokatra ny lalana ho amin’ny hevitry ny mpanompo sampy ny amin’ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe izany.b Manambara mazava anefa ny Baiboly fa “fahafatesana no tambin’ny ota”, fa tsy fampijaliana mandrakizay. (Romana 6:23). Noho izany, dia manambara toy izao ny King James Version, raha nilazalaza ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny afobe nanafaka ny maty tao aminy”. Ny Baibolin’i Douay ihany koa dia milaza fa “ny ranomasina (...) sy ny fahafatesana ary ny afobe dia namoaka ny maty tao aminy”. Eny, raha lazaina amin’ny teny tsotra, dia maty, na ‘matory’, araka ny nolazain’i Jesosy, ireo ao amin’ny afobe.—Apokalypsy 20:13.
Mino marina ve ianao fa manintona olona ho amin’Andriamanitra ny fampianarana ny amin’ny fanamelohana mandrakizay ao amin’ny afobe? Azo antoka fa tsia. Mahatsiravina ny olo-marina sy be fitiavana ny mieritreritra an’izany! Ny Baiboly kosa, etsy an-danin’izany, dia mampianatra fa “Andriamanitra dia fitiavana” ary maharikoriko azy ny fahasiahana, na dia ny fitondrana biby amim-pahasiahana aza.—1 Jaona 4:8; Ohabolana 12:10; Jeremia 7:31; Jona 4:11.
Fanimbana endrika ilay “sary” amin’ny andro maoderina
Mitohy hatramin’izao andro izao ny fanimbana endrika an’Andriamanitra sy ny Kristianisma. Vao haingana izay, dia nilazalaza toy izao ilay ady eo anivon’ny fiangonana protestanta misy azy ny mpampianatra fivavahana iray: “Ny fahefan’ny Soratra Masina sy ny fanekem-pinoana no mifanandrina amin’ny fahefan’ny firehan-kevitra mifanipaka aminy sy mandala ny maha olona; ny tsy fivadihan’ny fiangonana amin’ny fahefan’i Kristy amin’ny maha Tompo azy no mifanandrina amin’ny fanovana sy ny fampifanarahana ny Kristianisma amin’ny toe-tsaina mampiavaka ny androntsika. Izao no raharaha tafiditra amin’izany: Iza no mamaritra izay hataon’ny fiangonana (...) Ny Soratra Masina sa ny firehan-kevitra manjaka amin’izao fotoana izao?”
Mampalahelo fa “ny firehan-kevitra manjaka amin’izao fotoana izao” no mbola mirona handresy. Hitam-poko hitam-pirenena, ohatra, fa fiangonana maro no nanova ny toerana tanany mahakasika raharaha samihafa mba hisehoana ho mandroso sy malala-tsaina. Nanjary nalalaka kokoa ny fomba fijerin’ny fiangonana, indrindra mahakasika raharaha ara-pitondran-tena, araka ny voalaza tao amin’ny lahatsoratra fanokafana. Ny Baiboly anefa dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana ny amin’ny hoe fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary “tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra” ireo zatra manao ireo fahotana ireo.—1 Korintiana 6:9, 10; Matio 5:27-32; Romana 1:26, 27.
Fony ny apostoly Paoly nanoratra ireo teny voatonona etsy ambony ireo, dia heniky ny karazana faharatsiana rehetra ny tontolo grika sy romanina nanodidina azy. Afaka nanjohy hevitra toy izao i Paoly: ‘Eny e, nataon’Andriamanitra lavenona sisa i Sodoma sy Gomora noho ny fahotana lehibe teo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, nefa efa 2 000 taona lasa izany! Azo antoka fa tsy mihatra amin’izao vanim-potoana efa mazava izao izany.’ Tsy nitady fialan-tsiny anefa izy, eny, nanda tsy hanolana ny fahamarinana ara-baiboly izy.—Galatiana 5:19-23.
Jereo ilay “sary” tany am-boalohany
Rehefa niresaka tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy tamin’ny androny i Jesosy, dia nilaza fa ‘foana ny fanompoam-pivavahan’izy ireo satria nampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy ireo’. (Matio 15:9). Ny nataon’ireo mpitarika ara-pivavahana ireo tamin’ny Lalàn’i Jehovah nampitaina tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nitovy tsy nisy valaka tamin’izay efa natao ary mbola ataon’ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina amin’ny fampianaran’i Kristy, dia ny famafazana “loko”, na lovantsofina, ho eo amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Nesorin’i Jesosy anefa ny zavatra rehetra tsy izy, mba ho tombontsoan’ireo olona tso-po. (Marka 7:7-13). Nilaza ny fahamarinana i Jesosy, na tiam-bahoaka izy io na tsia. Taminy, dia ny Tenin’Andriamanitra foana no nanam-pahefana.—Jaona 17:17.
Tena mifanohitra amin’ny ankamaroan’ireo mitonona ho Kristianina i Jesosy! Nilaza mialoha tokoa ny Baiboly hoe: ‘Mpampianatra araka ny filàny no hovoriny sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadiny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano.’ (II Timote 4:3, 4, Kat.). Ireny “angano” ireny, izay efa nodinihintsika ny sasany aminy, dia manimba eo amin’ny lafiny ara-panahy, fa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa dia sady mampiorina no mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Io ilay fahamarinana ampirisihan’ny Vavolombelon’i Jehovah hodinihinao.—Jaona 4:24; 8:32; 17:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny nahariharin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary, sy ilay momba ny lalana malalaka sy ety (Matio 7:13, 14), dia mbola hisy olom-bitsy hanohy hanaraka ny Kristianisma marina mandritra ireo taonjato misesy. Ho tsinontsinona anefa izy ireo miohatra amin’ny maro an’isa toy ny tsimparifary, izay hanandratra ny tenany sy ny fampianarany ho toy ny tena endriky ny Kristianisma. Io ilay endrika resahin’ity lahatsoratra ity.
b Ny “afobe” dia fandikana ny teny hebreo hoe Sheol sy ny teny grika hoe Hades, izay samy midika tsotra fotsiny hoe “ny fasana”. Ireo mpandika teny ho amin’ny teny anglisy, nanao ny King James Version, dia nandika in-31 ny Sheol tamin’ny hoe “afobe”. In-31 koa anefa izy ireo no nandika azy io tamin’ny hoe “fasana”, ary in-3 tamin’ny hoe “lavaka”. Mampiseho izany fa midika ho zavatra iray ihany ireo teny ireo.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Ny Niandohan’ ilay Anarana hoe Kristianina
Nandritra ny folo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, fara fahakeliny, dia fantatra ho anisan’ny “làlana” ireo mpanara-dia azy. (Asan’ny Apostoly 9:2, fanamarihana ambany pejy; 19:9, 23, f.a.p.; 22:4, f.a.p.). Nahoana? Satria nihodinkodina nanodidina ny finoana an’i Jesosy Kristy, izay “làlana sy fahamarinana ary fiainana”, ny fomba fiainan’izy ireo. (Jaona 14:6). Avy eo, tsy ela taorian’ny 44 am.f.i., tany Antiokia any Syria, dia ‘nantsoina hoe Kristianina ny mpianatr’i Jesosy, noho ny fitondran’Andriamanitra’. (Asan’ny Apostoly 11:26, NW). Vetivety dia nanjary fampiasan’ny besinimaro ilay anarana, na dia teo anivon’ireo manam-pahefana aza. (Asan’ny Apostoly 26:28). Tsy nanova ny fomba fiaina kristianina, izay nampifanarahina hatrany tamin’ny modely navelan’i Kristy anefa, ilay anarana vaovao.—1 Petera 2:21.
[Sary, pejy 7]
Mitarika ny olona ho amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ireo Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny alalan’ ny fanompoana ataon’izy ireo ho an’ny besinimaro
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Fahatelo avy eo ankavia: United Nations/Photo by Saw Lwin