Fifandraisana Amin’ny Faritra Ara-panahy
TAO afovoan’ny tanàna mahazatra iray atsy Afrika Andrefana no nijoroan’ny trano mahafinaritra iray tsy misy rihana, voaloko fotsy sy maitso. Tao amin’ny efitrano fandraisana, dia nisy sekretera roa nitendry milina fanoratana. Olona maromaro no nipetrapetraka teo amin’ny seza, niandry mba hahita ny babaláwo, ilay mpisikidy.
Teo ambadiky ny latabatra iray tao amin’ny birao mifanila, teo anilan’ny milina iray fandefasana fax no nipetrahan’ny tenan’ilay babaláwo. Vaventy, efa mihafotsy volo izy, nanao akanjo fotsy lava — lafo vidy sy nisy peta-kofehy. “Mpisikidy ny raiko”, hoy izy. “Voatokana ho amin’ilay fomban-drazana hatramin’ny nahaterahako aho. Nihalehibe tao anatin’izany aho. Tamin’ny fotoana naha-dimy taona ahy, rehefa nandeha nanao sikidy ny raiko, dia niaraka taminy aho. Nijery ny fomba nanaovany izany aho, ary dia naka tahaka azy ambara-pahatongan’izany ho tapany lehibe amin’ny tenako.”
Ilay babaláwo dia nanao fihetsehana nanondro takelaka hazo fampirantiana lehibe iray izay nanoritra ny rafitra fisikidianana be pitsiny izay nampiasain’ny mpiray firenena taminy hatramin’ny taranaka tsy tambo isaina. Miorina amin’ny fanokoana voam-palmie 16 ilay izy, rafitra izay niely patrana nanerana an’i Afrika Andrefana, sy ny ankoatra azy. “Tonga eto amiko ny olona, miaraka amin’izao karazan-java-manahirana rehetra izao”, hoy izy. “Zava-manahirana mahakasika vehivavy, fahamombana, tsy fananana asa, aretin-tsaina, fahasalamana, sy ny toy izany. Miankina amin’ny vokatry ny fisikidianana, dia atao ny fangatahana na amin’ireo razana na amin’ireo persona any an-danitra [ireo andriamanitra]. Na inona na inona amin’ireo no mitranga, dia misy karazana sorona tsy maintsy atao.”
Ireo fanao ara-pivavahana nentim-paharazana, anisan’izany ny fisikidianana, dia miorina tsara any amin’ilay faritra, kanefa dia mba toy izany koa ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Tsy lavitra ny biraon’ilay babaláwo dia misy trano maromaro voalalotra fotsy misy soratra eo anoloana manao hoe: Fiangonana Mpanjaka Solomona II, Kerobima sy Serafima, Fiangonan’i Kristy any An-danitra, Fiangonana Apostolikan’i Kristy, Fiangonan’ireo Mpitsoka Trompetran’i Kristy. Ireo fiangonana ireo dia miara-misy amin’ireo fanaon’ny fivavahana nentim-paharazana, ary indraindray dia mandray azy ireny. Hoy ilay babaláwo: “Tsy ela izay, dia niresaka tamin’ny eveka aho. Tonga teto izy. Rehefa avy nidinidinika tokony ho 30 minitra izahay, dia nilaza izy fa niriny ny handaharanay mialoha karazana fifampiresahana izay hahafahan’ireo Kristiana sy ireo mpitana ny nentim-paharazana hiara-mipetraka mba hifanakalo hevitra sy hampisava ireo tsy fahazoan-kevitra.”
Varavarana mankamin’ny tontolo ara-panahy
Matetika no tafiditra amin’ireny tsy fahazoan-kevitra ireny ny hoe iza ireo izay mipetraka any amin’ny faritra ara-panahy. Manerana an’i Afrika, any atsimon’i Sahara, dia misy ilay finoana miely patrana hoe misy antokon-javamiaina roa mipetraka any amin’ny tontolo ara-panahy. Ilay antoko voalohany dia voaforon’ireo andriamanitra izay mbola tsy tonga olombelona mihitsy. Ilay antoko faharoa dia voaforon’ireo razana, na fanahin’ireo maty, izay manana andraikitra hiantoka ny fahavelomana hatrany sy ny fanambinana ireo fianakaviany eto an-tany. Ireo andriamanitra sy ny razana dia samy inoana fa manana hery hanampy na hanisy ratsy an’ireo eto an-tany. Noho izany, izy roa ireo dia samy tsy maintsy anehoana fanajana sy voninahitra araka ny tokony ho izy.
Hita any amin’ny faritra maro eto an-tany ny finoana mitovy amin’izany. Amin’ny fampiasana fomba maro isan-karazany, hatraiza hatraiza ny olona dia manatona ireo hery mihoatra noho ny an’ny olombelona, mitady fahalalana ny hoavy sy fanampiana ary fitarihana eo amin’ireo zava-manahirana isan’andro eo amin’ny fiainana. Tena azo atao tokoa ve ny mahazo fanampiana avy amin’ny faritra ara-panahy? Nasehon’i Jesosy Kristy, izay efa niaina tany, fa azo atao izany. Hoy izy: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.” (Matio 7:7). Kanefa, mba hahazoana izany fanampiana izany, dia tsy maintsy mangataka amin’ilay persona tokony hanaovana izany isika, mitady amin’ny fomba tokony hanaovana izany sy mandondòna any amin’ny varavarana tokony hanaovana izany. Raha mandondòna any amin’ny varavarana tsy tokony hanaovana izany isika, dia mety hosokafan’olona izay hanisy ratsy, fa tsy soa, antsika izany.
Tena zava-dehibe àry ny hahafantarana hoe iza no mipetraka any amin’ny faritra ara-panahy, ary iza no tsy mipetraka any. Ilaintsika hofantarina koa ny tsy fitoviana eo amin’ireo izay hanampy antsika sy ireo izay hanisy ratsy antsika. Farany, dia ilaintsika hofantarina izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fanampiana avy amin’ireo izay vonona ny hanome izany. Handinika ireo zavatra ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Sary ao amin’ny pejy faha-3-4: The Star, Johannesburg, S.A.