Fierenana — Inona no Ataony Amintsika?
MANDRAVA ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro ny fierenana. Manesotra amin’ireo mpierina ny toetra maha-olombelona azy izy io, ary mitondra fanaintainana sy alahelo amin’ny olona voan’izy ireo. Mety hahatsapa tokoa ny vokatry ny fierenana eo amin’ny fiainanao ianao. Na dia ny fangalarana entam-barotra mirantiranty aza, izay fanao fahita matetika, dia mampitombo ny vidin’ny zavatra vidinao. Raha ambany ny karamanao ary tsy takatry ny volanao ny vidin’ny zavatra tena ilaina andavanandro, dia azo inoana fa iharam-pahavoazana noho ny fierenan’olon-kafa ianao.
Ny noana sy ny eo ambavahoana
Misakantsakana ny ezaky ny fitondram-panjakana mba hanampiana amin’ny fomba mandaitra ny mahantra, ny fitadiavana amim-pierenana ny tombontsoam-pirenena. Efa tany amin’ny 1952 i Sir John Boyd Orr, mpahay siansa sy manam-pahaizana momba ny sakafo mahavelona, no nilaza hoe: “Voaomana mba hampiray ny olona sy ny loharanon-karena ho amin’ny ady lehibe iray ireo fitondram-panjakana, saingy tsy voaomana hiray saina mba hanesotra ny hanoanana sy ny fahantrana tsy ho eo amin’izao tontolo izao ireo Herim-panjakana Lehibe.” — Food Poverty & Power, nataon’i Anne Buchanan.
Mazava ho azy fa misy fanampiana kely ihany omena. Manao ahoana anefa ny tena fiainan’ny mahantra, dia ny ankamaroan’ny mponina eo amin’izao tontolo izao izay atao tsirambina? Nambaran’ny tatitra vao haingana iray fa, na dia eo aza ny fitomboan’ny famokarana sakafo any amin’ny faritra sasany, “dia mbola miremby ny ankamaroan’ny mahantra eo amin’izao tontolo izao ihany ny hanoanana sy ny tsy fahampian-tsakafo. (...) Ny ampahadimin’ny mponina maneran-tany [maherin’ny arivo tapitrisa] no noana isan’andro”. Manohy ny teniny toy izao ilay tatitra: “Ho fanampin’izany, dia olona 2 arivo tapitrisa no mijaly noho ny ‘hanoanana miafina’ avy amin’ny (...) tsy fahampian[-tsakafo] izay mitarika ho amin’ny aretina lehibe.” (Developed to Death—Rethinking Third World Development). Azo antoka fa tokony hatao matoam-baovao ireo tarehimarika ireo!
Ny andevozina
Mampanan-karena tena ireo lehiben’ny mpanao heloka bevava amin’ny fampitondrana faisana an’ireo olona voany sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny. Manandevo olona an-tapitrisany maro ny zava-mahadomelina, ny herisetra, ny fivarotan-tena, sy ny fanararaotana ara-bola. Afa-tsy izany koa, dia hoy i Gordon Thomas ao amin’ilay bokiny hoe Enslaved: “Araka ny Fikambanana Miady Amin’ny Fanandevozana, dia misy andevo tombanana ho 200 tapitrisa eo amin’izao tontolo izao. Ankizy ny 100 tapitrisa eo ho eo amin’izy ireo.” Inona no antony fototra mahatonga izany? Hoy ny fanazavan’ilay tatitra: “Mitoetra ho ny lafy ratsin’ny toetra maha-izy ny olombelona ny fironana mafy hanandevo. (...) Vokatry ny filan-dratsy, ny fierenana, sy ny fitiavam-pahefana [ny fanandevozana].”
Maka ny fananan’ny malemy sy ny mora asiana ny mahery, ary mamono mahafaty maro amin’izy ireo. “Tamin’ireo Indiana roa tapitrisa nipetraka tany Brezila fony vao tonga tany ny vazaha, dia angamba roa hetsy monja sisa no velona ankehitriny.” (The Naked Savage). Nahoana? Ny antony fototra dia ny fierenana.
Ny hantsana mihamitombo mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra
Nanao tatitra ny The New York Times fa nambaran’i James Gustave Speth, mpitantan-draharaha ao amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana, fa “misy sarangan’olona ambony maneran-tany izay mipoitra, (...) manangona harem-be sy fahefana goavana, raha mbola mahantra dia mahantra kosa ny maherin’ny antsasaky ny taranak’olombelona”. Vao mainka aharihary kokoa amin’izao teniny izao io hantsana mampidi-doza mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra io: “Mbola maherin’ny antsasaky ny mponina eto amin’ny planety no manana fidiram-bola latsaka ny $2 [8 200 FMG eo ho eo] isan’andro — olona maherin’ny 3 arivo tapitrisa.” Izao no teny nanampiny: “Ho an’ny olona mahantra eto amin’itỳ tontolo misy kilasy roa itỳ, izany dia toe-javatra mampiroborobo ny tsy fananana fanantenana sy ny fahatezerana ary ny fahakiviana.”
Mitombo io tsy fananana fanantenana io noho ny hoe maro amin’ny manankarena no toa sady tsy mihevitra no tsy mangoraka ny fahorian’ny sarambaben’ny olona mahantra fadiranovana sy noana.
Hita hatraiza hatraiza ireo iharam-pahavoazana noho ny fierenana. Diniho, ohatra, ny mason’ireo mpitsoa-ponenana manana fijerin’ny very hevitra, dia ireo mpitsoa-ponenana voafandrika ao anatin’ny ady fahefana any Bosnia, Rwanda, sy Liberia. Jereo ny fanekena ny tsy fidiny hita eo amin’ny endrik’ireo izay efa ho fatin’ny hanoanana eo anivon’ny tontolo manana tondraka. Inona no ao ambadik’izany rehetra izany? Ny fierenana — amin’ny endriny rehetra!
Ahoana no ahafahanao ho velona hatrany nefa voahodidin’ny mpiremby mierina eto amin’ny tontolo iainana tsy mahatamana toy izany? Handinika io fanontaniana io ireo lahatsoratra roa manaraka.