FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/1 p. 9-10
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Fierenana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tontolo Iray Tsy Hisy Fierenana
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana momba ny fampianarana ve?
  • Fisalovanan’Andriamanitra
  • ‘Hanimba izay manimba ny tany’
  • Misy Afaka Manova Tanteraka An’ity Tontolo Ity ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Misy Olona Iray Tena Miahy ny Hafa Tokoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fierenana — Inona no Ataony Amintsika?
    Mifohaza!—1997
  • Miovaova Hevitra ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/1 p. 9-10

Tontolo Iray Tsy Hisy Fierenana

“RAHA tsy misy ny fivoarana maneran-tany eo amin’ny sehatry ny fahatsapan-tenan’ny olombelona, dia tsy hisy zavatra hiova ho tsara kokoa ho antsika olombelona, ary ny loza amin’antambo hatonin’ny tontolo misy antsika (...) dia tsy ho azo ialana.” — Václav Havel, prezidàn’ny République tchèque.

Olona maro no mahatakatra fa tsy afaka ny haharitra hatrany ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Misy mihevitra, toa an’i Václav Havel, fa ny fiovana maneran-tany eo amin’ny fisainan’olombelona sy ny ataony no hany vahaolana. Ohatra, hoy ny olona iray mpandinika ny tarehin-javatra misy ankehitriny eo amin’izao tontolo izao: “Ho an’ny olona ana hetsy tapitrisany maro amin’ireo mahantra faraidiny, dia tsy hihatsara kokoa ny fanantenana sakafo sy zavatra tena ilaina hafa eo amin’ny fiainana, (...) raha tsy hoe manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra angaha ny firenena eo amin’izao tontolo izao mba hanovana ny fironana misy ankehitriny.” — Food Poverty & Power.

Fijerena ny zava-misy ve anefa ny ametrahantsika ny fanantenantsika ny ho velona hatrany, eo amin’ny karazana fiovana tanteraka eo amin’ny toetra maha-izy ny olombelona? Moa ve isika afaka mitoky amim-patokiana amin’ny fitondram-panjakana mba ‘hanao zavatra amim-pahatapahan-kevitra mba hanovana ny fironana misy ankehitriny’? Misy mihevitra toy izany. ‘Nanome antsika safidy malalaka Andriamanitra, ary anjarantsika ny manova ny toe-javatra’, hoy izy ireo. Mampipoitra fanontaniana lehibe momba ny fanirian’ny olombelona sy ny fahafahany hanao ireo fanovana ilaina anefa ny zava-misy henjana eo amin’ny tantara. Tsy hoe mijery ny lafy ratsin-javatra akory izany fomba fijery izany, fa mijery ny zava-misy kosa. Moa ve ianao hametraka ny fiainanao ho eo am-pelatanan’ny mpandidy iray, raha fantatrao fa maty avokoa ny marary teo alohanao rehetra nodidiany?

Olana momba ny fampianarana ve?

“Olana momba ny fampianarana ilay izy”, hoy i Ted Trainer, ao amin’ilay hoe Developed to Death—Rethinking Third World Development. Milaza izy fa raha tsy hoe ampianarina angaha ny olona mba hahita fa ilaina ny fiovana tanteraka, “dia tsy afaka manantena ny hahavita tetezamita ho amin’ny fandehan-javatra mandaitra eo amin’izao tontolo izao isika”. Tsy isalasalana fa ilaina ny mampianatra ny olona momba ny maha-zava-dehibe ny fiovana eo amin’ny toe-tsaina sy ny atao, raha tiana haharitra hatrany izao tontolo izao. Raha ny marina, dia tena ilaina izany, ary miresaka ny amin’ny fandaharam-pampianarana toy izany ny Baiboly. Lazainy fa ho “henika ny fahalalana an’i Jehovah” ny tany. Amin’izay, dia tsy hisy “handratra na hanimba” na aiza na aiza eto an-tany. — Isaia 11:9.

Tsy misy fampianarana anefa, na toy inona na toy inona habetsahany, na dia ny fandaharam-pampianaran’Andriamanitra aza, hanesotra amin’izao tsy ho amin’ny tany ny olona mierina izay manao fanimbana be sy mahatonga fandravana miely patrana. Tsy hiteraka fiovana afa-tsy eo amin’ny olona maniry hiova, olona maniry hanaiky ny fari-pitsipik’Andriamanitra, ny fampianarana. Araka ny voalazan’i Jesosy Kristy, dia vitsy izy ireo. (Matio 7:13, 14). Koa ny Baiboly dia tsy manorina ny fampanantenany fiovana, eo amin’ny hevi-dravina hoe indray andro any, ny olombelona rehetra dia hifoha ka hahatsapa ny halehiben’ilay olana ary dia hanova ny lalany. Lazainy fa hanao zavatra mivantana Andriamanitra mba hanesorana tsy ho amin’ny tany ny olona mierina.

Fisalovanan’Andriamanitra

Olona maro no mihevitra an’io fanaovan’Andriamanitra zavatra mivantana io ho nofinofy na hevi-dravina. “Ny fandrosoana ara-pahakingan-tsaina tamin’ny taonjato fahavalo ambin’ny folo dia nanery antsika hanilika ilay hevitra mampionona ny amin’ny fisian’ny Andriamanitra iray misalovana izay hanarina ny taranak’olombelona”, hoy ilay hoe World Hunger: Twelve Myths. Moa ve anefa isika tokony hametraka ny finoantsika amin’ny fanaporofoan-kevitra sy ny filozofia ara-pahakingan-tsain’ireo izay tsy manam-pinoana intsony ny “Andriamanitra iray misalovana”? Moa ve tsy hevi-dravina fotsiny ny vahaolana atolotr’izy ireo?

Fahendrena kokoa ny manorina ny fanantenantsika ny ho velona hatrany, eo amin’ny faminaniana tsy mety diso hita ao amin’ny Baiboly, izay misarika ny saina ho amin’ny fisalovanan’Andriamanitra. Tsy hoe “hevitra mampionona” fotsiny ny finoana ny fampanantenan’Andriamanitra — izany no hany fanantenana mijery ny zava-misy ananantsika raha ny amin’ny hahavelomana hatrany!

‘Hanimba izay manimba ny tany’

Inona marina moa no ampanantenain’Andriamanitra? Voalohany aloha, dia mampanantena ny hanesotra tsy ho amin’ny tany ireo izay mandoto sy manimba ny tontolo iainana izy. Ambaran’ny Apokalypsy 11:18 fa manana “fotoana” izy ‘hanimbana izay manimba ny tany’. Inona no ho dikan’izany? Hidika ho farany ho an’izay rehetra mampahory ankehitriny ny mahantra sy ny malemy izany. “Hitsara ny olona ory [Andriamanitra], sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.” Hanesotra an’ireo mpierina izy ka hamela ny olona tsy manan-tsiny voan’izy ireo hiroborobo. “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy (...). Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy”. — Salamo 72:4, 12-14.

Ho toy inona moa ny fiovana hoentin’izany! Araka ny voalazan’ny apostoly Petera, io fiovana io dia ho amin’ny fomba feno aoka izany, hany ka hamokatra “lanitra vaovao sy tany vaovao”. (2 Petera 3:13). Ao amin’io “tany vaovao” io, ny rehetra dia hahazo ny anjara sahaza azy amin’ny vokatry ny tany. (Mika 4:4). Na dia ankehitriny aza, dia misy sakafo tondraka ho an’ny rehetra. Ny fizarana tsy mitovy no mahatonga ny olana. “Notombanana fa afaka mamokatra ampy isika eo amin’ny faritra azo volena eto amin’ny bolan-tany mba hamelomana olona 38 000-48 000 tapitrisa”, hoy i Anne Buchanan, ao amin’ilay bokiny hoe Food Poverty & Power.

Haharitra hatrany itỳ planety itỳ. ‘Tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronan’ny Mpamorona azy itỳ, fa nataony honenana’. (Isaia 45:18). Hidika ho fotoana fohy hisian’ny “fahoriana lehibe” ny famelezan’Andriamanitra ny olona mierina. (Matio 24:21). Amin’izay ireo ho tafita velona amin’io fahoriana io dia hankafy tany zary paradisa, honenan’ny olona ho afaka tanteraka amin’ny fierenana. (Salamo 37:10, 11; 104:5). Ho tahaka izay ampanantenain’ny Baiboly toy izao izany: “Jehovah (...) hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. — Isaia 25:8.

Afaka ny ho iray amin’ireo olona sambatra handray soa amin’ny fanadiovan’Andriamanitra ny tany tsy hisy fierenana ianao. Raha tianao tokoa ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ampiasao ny fanampiana rehetra omena mba hanampiana anao ho velona hatrany dieny izao eto amin’ny tontolo iray mierina. Manaova zavatra mba ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. Vonona ny hanampy anao hianatra izay ilainao hofantarina ny Vavolombelon’i Jehovah. Aza misalasala mifandray amin’izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana, na manorata any amin’ny adiresy akaiky indrindra ny misy anao voalaza eo amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara