Mahay Milefitra, Nefa Manaiky Hofehezin’ny Fari-pitsipik’Andriamanitra
“NY OLONA milefitra dia tsy vendrana na oviana na oviana, ary ny olona vendrana dia tsy milefitra na oviana na oviana”, hoy ny ohabolana sinoa iray. Misy fahamarinany betsaka ao amin’ilay ohabolana, satria zava-tsarotra ny milefitra, ka mitaky fanekena hofehezin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena araka ny tokony ho izy. Fari-pitsipika inona avy anefa no tokony hekentsika? Tsy ho ara-dalàna ve ny hanarahana ireo fari-pitsipika naorin’ilay Mpanao ny olombelona, araka ny hazavaina ao amin’ny Teniny, ny Baiboly Masina? Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no manome ny ohatra tsara indrindra eo amin’ny fitandremana ireo fari-pitsipiny.
Ny Mpamorona — Ilay Modelintsika miavaka indrindra
I Jehovah, Andriamanitra Tsitoha, dia manana fahaiza-mandanjalanja tanteraka eo amin’ny fampisehoana fileferana, sady tsy be loatra izany no tsy kely loatra. Nandritra ny an’arivony taona maro izy dia nilefitra tamin’ireo miteny ratsy ny anarany sy ireo manimba ny olombelona ary mampiasa ny tany amin’ny fomba ratsy. Ny apostoly Paoly dia nanoratra, araka ny voarakitra ao amin’ny Romana 9:22, fa Andriamanitra dia “be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”. Nahoana no nilefitra ela be toy izany Andriamanitra? Satria nisy zava-kendrena tamin’ny fileferany.
Mahari-po amin’ny olombelona Andriamanitra satria “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (2 Petera 3:9). Ny Mpamorona dia nanome ny Baiboly ho an’ny olombelona, ary naniraka ny mpanompony mba hampahafantatra hatraiza hatraiza ireo fari-pitsipiny ara-pitondran-tena. Fehezin’ireny fari-pitsipika ireny ny Kristiana marina. Midika ve anefa izany fa tsy maintsy ho henjana amin’ny toe-javatra rehetra ny mpanompon’Andriamanitra?
Hentitra, nefa mahay milefitra
I Jesosy Kristy dia nampirisika an’ireo mitady ny fiainana mandrakizay mba ‘hiditra amin’ny vavahady ety’. Tsy midika hoe tery saina anefa ny fidirana amin’ny vavahady ety. Raha mirona hanjakazaka, na hitompo teny fantatra isika rehefa miaraka amin’ny hafa, dia azo antoka fa hanjary hahafinaritra kokoa ho an’ny rehetra ny fiainana raha mifehy an’io fironana io isika. Amin’ny fomba ahoana anefa? — Matio 7:13; 1 Petera 4:15.
I Theofano, mpianatra grika iray, izay nanazava fa nitarika ho amin’ny fahazoany tsara kokoa ny fihevitry ny olona samy hafa fiaviana ny fotoana nolaniny niaraka tamin’izy ireo, dia nilaza hoe: “Zava-dehibe ny hiezahantsika hanao ny dingana voalohany mba hahalalana ny fomba fiheviny, fa tsy ny hanerentsika azy hanaraka ny antsika.”
Araka izany, amin’ny fahatongavana amin’ny fahalalana tsara kokoa ny olona iray, dia mety ho hitantsika fa tsy hafahafa araka ny niheverantsika azy ny fitiavan-tsakafo azy manokana, ary na dia ny fomba fiteniny aza. Toy izay hoe tsy maintsy hiteny zavatra betsaka indrindra foana na hanizingizina ny amin’ny hananana ny fitenenana farany foana, dia aleontsika mianatra zavatra mahasoa maro amin’ny fihainoana ny fomba fiheviny. Eny tokoa, mandray soa kokoa avy amin’ny fiainana ny olona malala-tsaina.
Na oviana na oviana no tafiditra ny fitiavan-javatra manokana, dia tokony hahay hilefitra isika, ka hamela ny hafa hanana ny safidiny manokana. Kanefa, rehefa raharaha mahakasika ny fankatoavana ny Mpamorona antsika ny fitondran-tena, dia tsy maintsy hentitra isika. Tsy manala tsiny ny karazana fitondran-tena rehetra ilay Andriamanitra Tsitoha. Nasehony tamin’ny fomba nifampiraharahany tamin’ireo mpanompony tamin’ny lasa izany.
Ny fandriky ny fileferana tafahoatra
I Ely, mpisoronabe teo amin’ny firenen’Isiraely fahiny, dia mpanompon’Andriamanitra izay azon’ny fandriky ny fileferana tafahoatra. Niditra tao amin’ny fanaovana fifanekena tamin’Andriamanitra ny Isiraelita, ka nanaiky ny hankatò ny lalàny. Ireo zanak’i Ely roa lahy, i Hofinia sy i Finehasa anefa, dia nierina sy naloto fitondran-tena, ary niharihary ho tsy ampy fanajana ny Tsitoha. I Ely, na dia nahay tsara ny Lalàn’Andriamanitra aza, dia tsy nanao afa-tsy ny nanolotra fananarana tamim-pahalemem-panahy, ary morainy loatra teo amin’ny fifehezany. Nanao fahadisoana izy tamin’ny fiheverana fa hilefitra tamin’ny faharatsiana Andriamanitra. Manisy fiavahana eo amin’ny fahalemena sy ny faharatsiana ny Mpamorona. Noho izy ireo ninia nandika ny Lalàn’Andriamanitra, dia nosazina mafy ireo zanakalahin’i Ely ratsy fanahy — ary araka ny tokony ho izy izany. — 1 Samoela 2:12-17, 22-25; 3:11-14; 4:17.
Ho loza raha milefitra tafahoatra isika ao amin’ny fianakaviantsika, amin’ny fanakimpiana ny maso tsy hahita ny fanaovan-dratsy miverimberina eo amin’ny zanatsika! Ho tsara lavitra toy inona moa ny hitaizana azy “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo”! Midika izany fa ny tenantsika koa dia tsy maintsy mifikitra amin’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena avy amin’Andriamanitra, ary mandentika izany ao amin’ny zanatsika. — Efesiana 6:4.
Toy izany koa, ny kongregasiona kristiana dia tsy afaka ny hilefitra amin’ny faharatsiana. Raha zatra amin’ny fanaovan-dratsy lehibe ny mpikambana iray, ary tsy mety mibebaka, dia tsy maintsy hesorina izy. (1 Korintiana 5:9-13). Kanefa, any ivelan’ny faritry ny fianakaviana sy ny kongregasiona, dia tsy manandrana manova ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny, ny Kristiana marina.
Fifandraisana matanjaka amin’i Jehovah
Miteraka rivo-piainana feno tebiteby ny tsy fileferana. Raha manana fifandraisana manokana sy akaiky amin’Andriamanitra anefa isika, dia mahatsapa filaminan-tsaina, ary izany dia manampy antsika hihazona fahaiza-mandanjalanja araka ny tokony ho izy. “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy”, hoy ny vakintsika ao amin’ny Ohabolana 18:10. Azo antoka fa tsy misy fahavoazana mety hihatra amintsika na amin’ny olo-malalantsika ka tsy hokarakarain’ny Mpamorona amin’ny fotoana mety aminy.
Ny olona izay nandray soa betsaka avy tamin’ny fananana fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra dia ny apostoly Paoly. Tamin’ny naha-Jiosy fantatra tamin’ny hoe Saoly azy, dia nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izy, ary meloka ho nandatsa-dra. Tonga Kristiana anefa ny tenan’i Saoly, ary tamin’ny naha-apostoly Paoly azy, dia nirotsaka tamin’ny asan’ny evanjelisitra manontolo andro izy. Nampiseho fihetsika nalala-tsaina i Paoly, tamin’ny fitoriana tamin’ny olona rehetra, dia “ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry”. — Romana 1:14, 15; Asan’ny Apostoly 8:1-3.
Ahoana no nahafahany niova? Tamin’ny fahazoana fahalalana araka ny marina ny Soratra Masina, ary tamin’ny fitomboana tamin’ny fitiavana ny Mpamorona, izay tsy mizaha tavan’olona. Nianaran’i Paoly fa tsy miangatra Andriamanitra eo amin’ny fitsarany ny isam-batan’olona, tsy araka ny kolontsaina na ny firazanana, fa araka ny maha-izy azy sy ny ataony. Eny, zava-dehibe amin’Andriamanitra ny zavatra atao. Nomarihin’i Petera fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Tsy mitsara an-tendrony ilay Andriamanitra Tsitoha. Izany dia tsy mitovy amin’ny ataon’ny mpitondra sasany eo amin’izao tontolo izao, izay mety hinia hampiasa ny tsy fileferana ho amin’ny zava-kendreny manokana.
Miova ny fotoana
Araka an’i John Gray, any amin’ny Oniversiten’i Oxford, any Angletera, ny fileferana dia “hatsaran-toetra iray latsaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra tato ho ato”. Hiova anefa izany. Handresy ny fileferana izay hampifandanjaina amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra.
Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra efa akaiky, dia tsy hisy intsony ny tsy fileferana. Tsy hisy intsony ireo endriny tafahoatra amin’ny tsy fileferana, toy ny fitsarana an-tendrony sy ny kiry. Tsy hanakantsakana ny fifaliana entin’ny fiainana intsony ny fahateren-tsaina. Amin’izay, dia hisy paradisa iray be voninahitra lavitra noho izay nety ho nisy tao amin’ny Lohasahan’i Cachemire. — Isaia 65:17, 21-25.
Tsy andrinao ve ny hiaina ao amin’izany tontolo vaovao izany? Ho tombontsoa re izany, sady hampientanentana toy inona!
[Sary, pejy 8]
Nampiseho fahaiza-mandanjalanja araka ny tokony ho izy ny apostoly Paoly, satria nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra izy