Afaka Manamamy ny Fiainanao ny Fahaiza-mandanjalanja Araka ny Tokony ho Izy
NY FILEFERANA dia toy ny siramamy atao amin’ny kafe ao anatin’ny kôpy. Afaka manampy hamamiana ny fiainana, ny fatrany antonona. Na dia mety ho malala-tanana amin’ny fampiasana siramamy aza anefa isika, dia matetika no mahihitra kosa amin’ny fampisehoana fileferana. Nahoana?
“Tsy te hilefitra ny olombelona”, hoy ny nosoratan’i Arthur M. Melzer, mpiara-miasa amin’ny profesora ao amin’ny Oniversiten’ny Fanjakan’i Michigan. “Ny tonga ho azy dia (...) ny fitsarana an-tendrony.” Koa ny tsy fileferana àry dia tsy kileman-toetra mahazo olom-bitsy monja ihany; tonga ho azy amintsika rehetra ny fahateren-tsaina satria samy tsy tanteraka ny olombelona rehetra. — Ampitahao amin’ny Romana 5:12.
Mety ho tonga mpiraharaha ny an’olona
Tamin’ny 1991, ny gazety Time dia nitatitra momba ny fitomboan’ny fahateren-tsaina any Etazonia. Ilay lahatsoratra dia nilazalaza ny amin’ny “mpiraharaha ny an’olona raha ny amin’ny fomba fiaina, ka manandrana manery ny rehetra hanaraka ny fari-pitsipiny ara-pitondran-tena. Niharam-pahavoazana tamin’izany ireo tsy tia manaraka ny rafi-pisainana, na ny fanao eken’ny besinimaro. Ohatra, nesorina tamin’ny asany ny vehivavy iray tany Boston noho izy nanda tsy hampiasa zavatra fanosotra amin’ny tarehy. Noroahina tamin’ny asany ny lehilahy iray tany Los Angeles noho izy natavy loatra. Nahoana no misy firehetam-po amin’ny fanaovana izay hanarahan’ny hafa ny besinimaro?
Ny olona tery saina dia tsy mahalala ny antonona, tia tena, kirina, sy mitompo teny fantatra. Tsy ny ankamaroan’ny olona ve anefa no tsy mahalala ny antonona, tia tena, kirina, na mitompo teny fantatra amin’ny fetra sasany? Raha miorina mafy ao amin’ny maha-isika antsika ireo lafin-toetra ireo, dia tery saina isika.
Ahoana ny aminao? Mihifikifi-doha ve ianao amin’ny fitiavan-tsakafo manokan’ny olon-kafa? Eo amin’ny resaka, mandeha ho azy aminao ve ny faniriana hiteny farany? Rehefa miara-miasa amin’antokon’olona ianao, antenainao ve ny hanarahan’izy ireo ny fomba fihevitrao? Raha izany no izy, dia mety hahasoa ny hanampiana siramamy kely ny kafenao!
Kanefa, araka ny voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia mety hiseho amin’ny endriky ny fitsarana an-tendrony feno fankahalana ny tsy fileferana. Ny anton-javatra iray afaka mampitombo ny tsy fileferana dia ny tebiteby mafy.
“Fahatsapana tsy fahazoana antoka lalina”
Nisy manam-pahaizana manokana momba ny foko amam-pirazanana nandinika ny fiainan’ny olombelona tamin’ny lasa, mba hahitana hoe oviana ary taiza no nihariharian’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Hitany fa io karazana tsy fileferana io dia sady tsy mipoitra amin’ny fotoana rehetra, no tsy miharihary amin’ny ambaratonga mitovy koa any amin’ny tany rehetra. Ny gazety alemà momba ny zavaboary, GEO, dia mitatitra fa mipoitra ny romoromo ara-bolon-koditra amin’ny fotoan’ny krizy, rehefa “mahatsapa tsy fahazoana antoka lalina ny olona, ary mahatsiaro fa rahonana ny maha-izy azy”.
Miely patrana ve ny “fahatsapana tsy fahazoana antoka lalina” toy izany, amin’izao andro izao? Tsy isalasalana ny amin’izany. Manao tohy vakana, mbola tsy nisy toy izany mihitsy, ireo krizy mamely ny olombelona. Ny tsy fananana asa, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fihoaran’ny isan’ny mponina, ny fahasimban’ny sosona ozone, ny heloka bevava any an-tanàn-dehibe, ny fandotoana ny rano fisotro, sy ny fisondrotry ny hafanana maneran-tany — ny tahotra manorisory tsy an-kijanona ateraky ny iray amin’ireo, dia mampitombo ny tebiteby. Miteraka tebiteby ny krizy, ary ny tebiteby tafahoatra dia manokatra lalana ho an’ny tsy fileferana.
Mahita hirika ivoahana ny tsy fileferana toy izany, ohatra, rehefa manjary tafaharo ireo antokon’olona samy hafa firazanana sy kolontsaina, toy ny any amin’ny tany eoropeana sasany. Araka ny tatitra nataon’ny National Geographic tamin’ny 1993, dia nandray mpiavy maherin’ny 22 tapitrisa tamin’izay, ireo tany eoropeana tandrefana. Eoropeana maro no “nahatsapa ho tototry ny firohotr’ireo olona vao tonga” izay nanana fiteny, kolontsaina, na fivavahana hafa. Nisy fihetsika tsy tia vahiny nipoitra tany Alemaina, Aotrisy, Belzika, Espaina, Frantsa, Grande-Bretagne, Italia, sy Soeda.
Ahoana ny amin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao? Nandritra ireo taona 1930 sy 1940, i Hitler dia nanao ny tsy fileferana ho paik’adin’ny fitondram-panjakany. Mampalahelo fa mpitondra ara-politika sy ara-pivavahana sasany amin’izao andro izao no mampiasa ny tsy fileferana mba hanatratrarana ny zava-kendren’ny tenany manokana. Izany no hita tany amin’ny toerana toa an’i Aotrisy, i Etazonia, i Frantsa, i Irlande, i Rosia, sy i Rwanda.
Halaviro ny fandriky ny tsy firaharahana
Raha kely loatra ny siramamy atao amin’ny kafentsika, dia tsapantsika fa misy zavatra tsy ampy ao; raha be loatra ny siramamy, dia misy tsirony mamy mankaloiloy ao am-bavantsika. Mitovy amin’izany ny amin’ny fileferana. Diniho ny fanandraman-javatra hitan’ny lehilahy iray, mpampianatra any amin’ny oniversite iray any Etazonia.
Taona vitsivitsy lasa izay, i David R. Carlin, Jr., dia nahita fomba iray tsotra nefa nandaitra, nandrisihana ny fifanakalozan-kevitra tao an-dakilasy. Nilaza zavatra iray natao hihaikana ny fomba fihevitr’ireo mpianany izy, tamin’ny fahafantarana fa hanohitra izy ireo. Fifanakalozan-kevitra nafana no vokany. Tamin’ny 1989 anefa, dia nanoratra i Carlin fa tsy nandaitra intsony izany fomba fanaovan-javatra izany. Nahoana? Na dia mbola tsy nanaiky izay nolazainy ihany aza ireo mpianatra, dia tsy nisahirana hiady hevitra intsony izy ireo. Nohazavain’i Carlin fa izy ireo dia nanaraka ny fomban’ny “fileferana mora atao, asehon’ny olona misalasala ny amin’ny zavatra rehetra” — fihetsika tsy miraharaha tanteraka.
Mitovy ve ny fihetsika tsy miraharaha sy ny fileferana? Raha tsy misy miraharaha izay heverin’ny olon-kafa, na izay ataony, dia tsy hisy fari-pitsipika mihitsy. Ny tsy fisian’ny fari-pitsipika dia tsy firaharahana — tsy fisian’ny fahalianana tanteraka. Ahoana no mety hisehoan’ny tarehin-javatra toy izany?
Araka ny Profesora Melzer, ny tsy firaharahana dia mety hiely ao amin’ny fiaraha-monina izay manaiky fari-pitsipika ara-pitondran-tena maro samy hafa. Manjary mino ny olona fa azo ekena ny fomba fitondran-tena rehetra, ary ny zavatra rehetra dia raharaha mahakasika ny safidin’ny tena manokana fotsiny. Tsy mianatra misaina sy mamotopototra ny amin’izay azo ekena sy tsy azo ekena ny olona, fa “matetika [kosa] dia mianatra ny tsy hisaina mihitsy”. Tsy ananany ny tanjaka ara-tsaina izay manosika ny olona iray hanohitra amin-kerim-po ny tsy fileferan’ny hafa.
Ahoana ny aminao? Tsapanao tampoka ve indraindray fa manaraka fihetsika tsy miraharaha tanteraka ny tenanao? Mihomehy amin’ireo vazivazy vetaveta na mampiseho fanavakavaham-bolon-koditra ve ianao? Avelanao hijery vidéo manindrahindra ny fierenana na ny fahalotoam-pitondran-tena ve ny zanakao lahy na ny zanakao vavy mbola zatovo? Heverinao ve fa tsy mampaninona ny fanaovan’ny zanakao kilalao vidéo mahery setra?
Raha be loatra ny fileferana, dia hijinja fahoriana be ny fianakaviana na ny fiaraha-monina, satria tsy misy olona mahalala — na miraharaha — izay tsara na ratsy. Nampitandrina ny amin’ny “fandrik’izay heverina hoe fileferana kanjo tsy firaharahana”, i Dan Coats, senatera amerikana. Ny fileferana dia mety hahatonga ho malala-tsaina; ny fileferana be loatra — ny tsy firaharahana — dia mety hahatonga no maivan-tsaina.
Koa inona àry no tokony holeferintsika, ary inona no tokony holavintsika? Inona no fanalahidin’ny fahazoana fahaiza-mandanjalanja araka ny tokony ho izy? Izany no foto-kevitry ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 5]
Miezaha mafy mba hanana fihetsika voalanjalanja manoloana ireo tarehin-javatra