FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/3 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Fiatrehana Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/3 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fisakaizana Misaotra anareo amim-pahatsorana aho noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe... Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?” (8 Jona 1996). Nanampy ahy be dia be tsy araka izay mety ho nosaintsaininareo io lahatsoratra io. Nampiseho tamiko izy io fa, na dia eo aza ireo vato misakana, dia azo atao ny manana fisakaizana maharitra. Indraindray isika dia mamoy namana satria mampihemotra ny fandaminana an’ireo tsy fahazoan-kevitra. Io lahatsoratra io dia nanampy ahy hiady amin’ny fahalemeko amin’io lafiny io.

A. M. P., Brezila

Tonga tamin’ny fotoana nety indrindra ilay lahatsoratra. Telo volana lasa izay, dia nanomboka nangatsiaka ny fisakaizana nokolokoloiko tamin’ny ankizivavy iray hafa; efa tsy nifampiteny intsony mihitsy izahay roa vavy. Rehefa tonga ilay lahatsoratra, dia samy namaky azy io izaho sy ilay namako, ary samy nahatakatra fa nitondra tena tamin-kadalana izahay. Niresaka momba ilay raharaha izahay ary nifanazava ny amin’ny tsy fahazoan-kevitra rehetra nifanesisesy. Izao ny fisakaizanay dia mahazo tanjaka vaovao indray.

N. T., Italia

Ny loza nateraky ny volkano Tadidiko ny filazam-baovao momba ny fipoahan’ny volkanon’ny Tendrombohitra Pinatubo tamin’ny 1991. Tsy nieritreritra azy io intsony anefa aho mandra-pamakiko ilay lahatsoratra hoe “Lahars — La seconde colère du Pinatubo”. (22 May 1996, frantsay). Mbola tsy nandre firesahana momba ny lahars mihitsy aho teo aloha ary nahaliana ahy ilay lahatsoratra. Niavaka ny herim-po sy ny fahavononana hanampy nasehon’ny fianakaviana Garcia, na dia tao amin’ny lalana nandalovan’ny lahar aza no nisy azy ireo.

S. F., Kanada

Nanohina lalina ny foko ilay lahatsoratra. Nampihetsi-po ny namaky an’ireo zavatra niainan’ireo rahalahy kristiana izay nihazona ny zotom-pony ho an’ny zavatra ara-panahy, na dia tao anatin’ny toe-javatra tsy nahafinaritra aza izy ireo. Izany dia nampirisika ahy tsy hamela zava-manahirana madinika hahatonga ahy tsy hahavonjy an’ireo fivoriana kristiana na hanakana ahy tsy handray anjara amin’ny asa fitoriana. Misaotra noho ilay lahatsoratra!

S. D., Italia

Mbola tsy nandre firesahana momba ny lahars mihitsy izahay mivady, izao anefa dia takatray ny maha-zava-dehibe sy mampidi-doza azy ireny. Tianay ho fantatr’ireo rahalahinay any Philippines fa mivavaka ho azy ireo sy ho an’ireo izay afaka manampy azy, izahay.

C. A. B., Goatemalà

Tsela-pahazavana Maitso Vao avy namaky an’ilay lahatsoratra hoe “Moa ve Ianao efa Nahita Tsela-pahazavana Maitso?” (8 Jona 1996) aho. Taona vitsivitsy lasa izay, rehefa nisidina teny ambonin’ny kirihitr’alan’i Alaska aho, dia gaga nahita tsela-pahazavana maitso-manga izay tsy naharitra afa-tsy indray mipy maso monja. Mbola tsy nahita lahatsoratra manazava an’io fisehoan-javatra io mihitsy aho hatramin’izao. Nieritreritra aho indraindray hoe tsy maintsy ho zavatra noforonin’ny saiko fotsiny izy io!

G. C., Alaska

Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro Maniry haneho ny fankasitrahako aho noho ilay lahatsoratra hoe “Fiatrehana Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro”. (8 Jona 1996). Voan’ny fihetsehan’aretina toy izany aho nandritra ny enin-taona. Rehefa mpisava lalana (evanjelisitra manontolo andro) nandritra ny herintaona aho, dia tsy maintsy niato satria tsy nanana ny hery handresena ireo fihetsehan’ilay aretina. Malahelo tokoa aho rehefa tsy mahatakatra an’izany ireo namako akaiky, satria toa salama ny fahitana ahy. Sarotra ny milazalaza ny fifaliana tsapako rehefa namaky an’io lahatsoratra io aho.

O. S., Ukraine

Mpanompo manontolo andro nandritra ny valo taona aho izao. Nandritra ny taona maro anefa, dia nahatsapa ny tenako ho tsy mendrika aho ary nizaka fanahiana betsaka. Rehefa namaky an’io lahatsoratra milazalaza famantarana aretina mitovy amin’ny ahy io aho, dia nanomboka nampihatra avy hatrany ny toroheviny. Nanomboka nihatsara ny fihetseham-poko, ary tony kokoa ny foko.

K. M., Thaïlande

Nanaraka fitsaboana noho ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro aho ary nisy fihatsarany. Kanefa, nampahory ahy nangina ilay fanontaniana hoe: ‘Moa ve aho malemy sa kamo eo amin’ny lafiny ara-panahy?’ Ny famakiana an’ilay lahatsoratra dia nanala enta-mavesatra goavana teo an-tsoroko.

P. P., Failandy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara