Hitako ny Fahamarinana Rehefa Ela ny Ela
Tany amin’ny faramparan’ny Aogositra 1939 aho dia nijanona tao Moscou, tamin’ny diako hody tany Budapest, Hongria. Vita sonia andro maromaro talohan’izay, ny 23 Aogositra, ny Dinan’ny Tsy Fifanafihana nifanaovan’ny Alemà sy ny Sovietika, ary dia noravahana saina nazia misy “croix gammée”, ny rindrin’i Kremlin. Nahoana aho no tany Rosia, ary inona no niandry ahy tany an-trano?
VOALOHANY, dia mamelà ahy hiverina any Veszprém, tanàna kely hongroà izay nahaterahako tamin’ny 15 Janoary 1918. Izaho no zokiny indrindra taminay efatra mianadahy, ary nataon’ny ray aman-dreninay izay hahazoana antoka fa nandeha niangona tsy tapaka izahay. Rehefa dimy taona aho, dia nanampy tamin’ny Lamesa tao amin’ny couvent katolika romana iray. Tao an-trano aho dia nanao kilalao Lamesa tamin’ireo iray tam-po tamiko, sady nanao akanjo fitondra amin’ny Lamesa, namboariko tamin’ny taratasy.
Rehefa valo taona aho, dia nandao ny fianakaviana i Dada, ka i Neny, nampian’ny reniny, no nikarakara anay. Herintaona taorian’izay, dia matin’ny kansera i Neny. Nandritra ireo taona nanaraka, dia nosarahan-toerana izahay ankizy, ary napetraka tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty maro samihafa, sy tany amin’ny tokantrano nanaiky hitaiza zanak’olon-kafa. Tany akaikin’i Budapest no nisy ilay trano fitaizana zaza kamboty nipetrahako farany. Niadidian’ireo Frères Maristes (Anadahin’i Maria), izay fikambanan’ny frera mpampianatra katolika frantsay, izy io. Tena nanana fitiavana an’Andriamanitra aho, hany ka rehefa 13 taona aho, dia nekeko ny fanolorana fanabeazana nataon’io fikambanana relijiozin-dry zareo io.
Fampiofanana ara-pivavahana niitatra
Nalefa tany Gresy aho ny taona nanaraka, ary tany dia nandeha tany amin’ny sekoly iray an’ireo Frères Maristes, izay nampiasa ny teny frantsay. Nanomana ahy ho mpampianatra io sekoly io. Efa-taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1936, dia nahazo taratasy fanamarinana izay nahatonga ahy hahafeno fepetra hampianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra aho. Rehefa nahazo diplaoma aho, dia tonga frera tao amin’io fikambanana relijiozy io, ka nanao izao voady misy lafiny telo izao: voadin’ny fahantrana sy fanekena ary fahadiovana. Na dia nanao ny fitafian’ny relijiozy sy nampianatra katesizy aza izahay frera, dia tsy mba nianatra ny Baiboly mihitsy izahay.
Tamin’io fahavaratra io aho dia nanao fangatahana hampianatra tany Sina, ary nekena izany. Niondrana an-tsambo tao Marseille, Frantsa, aho, tamin’ny 31 Oktobra 1936. Tonga tany Shanghaï aho, tamin’ny 3 Desambra 1936. Avy teo aho dia nanohy ny diako tamin’ny lamasinina nankany Beijing, renivohitra any avaratra amin’i Sina.
Tany amin’ny faritra iray be tendrombohitra tany amin’ny tokony ho 25 kilaometatra avy teo Beijing, dia nanana sekoly lehibe iray sy trano fatoriana ary trano fiompiana, ny fikambanana relijiozin’ny Frères Maristes. Teo akaikin’ny fonenan’ny emperora amin’ny fahavaratra no nisy ilay toerana, ary nisy zaridaina voavoly sy hazo fihinam-boa nahafinaritra izy io. Tao aho dia nanjary nianatra mafy fiteny sinoa sy anglisy. Tsy mba nianatra ny Baiboly mihitsy anefa izahay.
Teo anivon’ny fisafotofotoana izaitsizy
Tany am-piandohan’ireo taona 1930, dia naka an-keriny an’i Mandchourie, izay tapany amin’i Sina, ho fananany, i Japon. Nifandona tany akaikin’i Beijing ireo andian-tafika japoney sy sinoa tamin’ny Jolay 1937. Nanangana fitondram-panjakana vaovao iray voaforona Sinoa nofidiny, ny Japoney nandresy. Izany dia nitarika ho amin’ny ady nataon’ireo mpiady anaty akata sinoa hanoherany ilay fitondram-panjakana vaovao.
Koa satria nekena ho toy ny faritany teo ambany fahefana frantsay ny monasiteranay izay tany ivelan’i Beijing, dia voatsimbina tamin’ny ady nivantana izy io. Na dia izany aza, izahay dia voan’ny bala very ihany, izay nandratra ny sasany tamin’ireo Sinoa maherin’ny 5 000 nitady fialofana tao amin’ny monasiteranay. Nandritra izany fotoana izany, dia nanapaka tany ambanivohitra ireo mpiady anaty akata sinoa.
Tamin’ny Septambra 1937, dia nanafika ny tranonay ireo mpiady anaty akata sinoa tokony ho 300 nitam-piadiana, ka nitady fiadiana sy vola ary sakafo. Iray tamin’ireo Eoropeana folo notanana an-keriny aho. Rehefa avy notanana nandritra ny enina andro izahay, dia izaho no anisan’ireo notanana an-keriny novotsorana voalohany. Nandraiky narary aho noho ny fihinanana sakafo voaloto, hany ka nandany iray volana tany amin’ny hopitaly.
Taorian’ny nivoahako ny hopitaly dia nafindra tany amin’ny sekoly hafa iray niadidian’ilay fikambanana relijiozy aho, tany amin’ny faritra iray azo antoka kokoa tao Beijing. Tamin’ny Janoary 1938, dia nalefa tany Shanghai aho mba hampianatra, nefa tamin’ny Septambra, dia niverina indray tao Beijing mba hampianatra tao. Kanefa, taorian’ny taom-pianarana, dia tsy nohavaoziko ny voady tamin’ny naha-relijiozy ahy. Fito taona no nanarahako fiainana sy fanabeazana ara-pivavahana, kanefa tsy nahazo fahafaham-po tamin’ny fitadiavako ny fahamarinana aho. Koa nilaozako ilay fikambanana relijiozy, ka nody tany Budapest aho.
Tamin’izay dia niangona ny raho-mitataon’ny Ady Lehibe Faharoa. Nampirisika ahy ireo Frantsay lehibeko mba handray ny Lamasinina Transsibérien, izay namakivaky ireo faritra any amin’ny Firaisana Sovietika. Tamin’io dia io no nahatongavako tao Moscou, tamin’ny 27 Aogositra 1939, ka nahitako ny rindrin’i Kremlin voaravaka saina nazia.
Tontolo iray niady
Tafody tao Budapest aho tamin’ny 31 Aogositra 1939. Nanafika an’i Polonina i Alemaina ny ampitson’io, ka nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa. Tatỳ aoriana, dia nandika ilay dinan’ny tsy fifanafihana nifanaovany tamin’ny Firaisana Sovietika, i Alemaina, ary tamin’ny 22 Jona 1941, dia nanafika ny Firaisana Sovietika, ny tafik’i Hitler. Nidiran’izy ireo avokoa hatrany amin’ireo faritanàna nanamorona an’i Moscou, kanefa tsy azony ilay tanàna.
Niara-nanao sonia fifanekem-pihavanana tamin’i Alemaina ny governoran’i Hongria, ka nomena fahafahana hamakivaky an’i Hongria ireo tafika alemà. Nanambady aho tamin’ny 1942, ary tamin’ny 1943, dia voantso hiditra tao amin’ny Tafika Hongroà aho. Tamin’ny Martsa 1944, dia nanafika an’i Hongria i Alemaina, satria tsy nahafa-po an’i Hitler ny fanohanan’i Hongria ny ezaka nataony ho amin’ny ady. Teraka tamin’ny fahavaratr’io taona io ny zanakay lahy. Mba hanalavirana ny daroka baomba efa izaitsizy namelezana an’i Budapest, dia nifindra nonina tany ambanivohitra niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, ny vady aman-janako.
Niova ny fizotran’ny ady, ary nandroso nihazo an’i Budapest ny Tafika Sovietika, ka tonga tamin’ny 24 Desambra 1944. Voasambotry ny Rosiana aho ka nanjary mpigadra an’ady. An’arivony taminay mpigadra no noterena handeha an-tongotra tokony ho 160 kilaometatra nankany Baja, eto Hongria. Tany izahay dia natao fatra-tsaonjo hiditra tao anatin’ny lamasinina mpitatitra biby fiompy, ary nafindra tany Timisoara, ka napetraka tao amin’ny toby lehibe iray. Mpigadra 20 000 fara fahakeliny, tamin’ireo 45 000 no maty nandritra ny valanaretina tefoedra, tany am-piandohan’ny 1945.
Nentina tany amin’ny Ranomasina Mainty, ireo tafita velona 25 000 tao amin’ilay toby, tamin’ny Aogositra. Avy teo no nandefasana an-tsesitany tokony ho 20 000, nankany amin’ny Firaisana Sovietika. Kanefa, nisy hafa 5 000 teo ho eo, izay narary, anisan’izany ny tenako, no naverina teto Hongria, ary nafahana. Toy izany no nifaranan’ireo valo volana nahatsiravina tany amin’ny fahababoana. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tafaray indray izaho sy ny vady aman-janako, ary niverina nipetraka tao Budapest izahay.
Taorian’ny ady, dia mbola nitohy ny fijaliana ho an’ny maro. Tsy nisy firy ny sakafo, ary faran’izay mafy ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Izay zavatra azon’ny iray forint hongroà tamin’ny 1938, dia nila maherin’ny 1 000 000 000 000 000 000 000 000 000 000 forints mba hividianana azy tamin’ny 1946! Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nihatsara ny fiainanay rehefa nahazo asa tao amin’ny biraon’ny lalamby aho.
Fahitana ny fahamarinana
Tamin’ny 1955, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray nipetraka tao amin’ny trano avo nisy anay tao Budapest, nanomboka niresaka momba ny Baiboly tamin’i Anna vadiko. Taitra ny fahalianako rehefa nilaza tamiko i Anna fa ny Baiboly dia tsy mampianatra hoe toeram-pijaliana ny afobe. (Mpitoriteny 9:5, 10; Asan’ny Apostoly 2:31). Tamin’ny naha-Katolika ahy, dia mbola tsy nianatra mihitsy ny Baiboly aho, eny fa na dia nandritra ny fandraisako fampiofanana manokana tany amin’ireo sekolim-piangonana aza. Nekeko fotsiny ireo fampianarana katolika tsy araka ny Soratra Masina, toy ny afobe mirehitra. Ankehitriny aho dia nanjary tia ireo fahamarinana ara-baiboly, indrindra fa ireo mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba hanatanterahan’izy io ny fikasan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa. (Matio 6:9, 10; Lioka 23:42, 43; Apokalypsy 21:3, 4). Nahatsiaro ho dibo-kafaliana mbola tsy nisy toy izany mihitsy aho.
Tamin’izay fotoana izay, dia natao haza lambo ny Vavolombelon’i Jehovah teto Hongria, ary natao an-tranomaizina noho izy ireo nampianatra tamin-kerim-po ireo fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Novakiko avokoa ireo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelona nety ho hitako tamin’ny fiteny hongroà, ary afaka nahazo ireo zavatra vita an-tsoratr’izy ireo tamin’ny fiteny anglisy sy frantsay aho, dia ireo mbola tsy voadika tamin’ny fiteny hongroà. Velom-pankasitrahana toy inona moa aho fa nianatra ireo fiteny hafa ireo!
Tamin’ny Oktobra 1956, dia nikomy tamin’ny fanapahana komonista naneren’ny Rosiana azy, ny Hongroà. Faran’izay mafy ny ady tao Budapest. Maro tamin’ireo olona tany am-ponja, no nafahana, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra izany fotoana izany no nanaovana batisa anay mivady, ho mariky ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah Andriamanitra. Herinandro tatỳ aoriana, dia noresen’ny andian-tafika rosiana ilay fikomiana. Naverina tany am-ponja indray ireo Vavolombelona efa nafahana.
Tombontsoa sarobidy iray
Koa satria tany am-ponja ny ankamaroan’ireo Vavolombelona tompon’andraikitra tamin’ny asa fitoriana, dia nisy Kristiana iray tahaka ahy nanatona, ary nanontany raha afaka mandika sasantsasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baibolintsika aho. Tamin’ny voalohany, dia taratasy manokana avy tany Soisa nirakitra lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, nosoratana tamin’ny milina tamin’ny fiteny frantsay no nomena ahy. Nadikako tamin’ny fiteny hongroà izy ireny, ary avy eo dia nomena hampiasain’ny kongregasiona ireo kopian’ny lahatsoratra voadika.
Rehefa nafahana i János Konrád, mpiandraikitra ny sampana teto Hongria, tamin’ny 1959, rehefa avy tany am-ponja nandritra ny 12 taona noho ny fialanalanana kristiana, dia voatendry ho mpandika teny aho. Taorian’izay no nahazoako zavatra tamin’ny fiteny anglisy hadika. Mazàna dia vehivavy iray tsy fantatro anarana izay mpitondra taratasy, no nanome izany. Araka izany, raha sanatria ka tratra aho ary hampijalijalina, dia tsy ho afaka hamosaka ny anarany.
Rehefa voadikako Ny Tilikambo Fiambenana, dia notsarain’ny Rahalahy Konrád ilay izy raha araka ny marina. Avy eo, dia nisy anabavy nanoratra tamin’ny milina teo amin’ny taratasy tena manify ireo lahatsoratra voadika, ka nampiasa papier carbone mba hahazoana hatramin’ny kopia 12. Araka izany, indraindray, dia samy nanana ny kopian’ny lesona voasoratra tamin’ny milina, an’ny tenany manokana, ireo rehetra nanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa avy eo, dia nomeny ny antokona mpianatra hafa ny kopiany. Matetika anefa izahay no tsy afaka namokatra afa-tsy kopia-na Ny Tilikambo Fiambenana iray monja ho an’ny antokona mpianatra tsirairay. Koa voatery nihaino tamim-pitandremana manokana ireo mpanatrika rehetra, sy nandray an-tsoratra mba handraisan-tsoa feno tamin’ny fiaraha-midinika ny Baiboly.
Nanomboka tamin’ny fotoana nisantarako ny fandikan-teny tamin’ny 1956 ka hatramin’ny 1978, dia tsy naely afa-tsy tamin’ny fiteny hongroà nosoratana tamin’ny milina Ny Tilikambo Fiambenana. Nanomboka tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1990, dia kopia-na Ny Tilikambo Fiambenana natao polycopies no nomena. Ary fitahiana toy inona moa nanomboka tamin’ny Janoary 1990, ny fananana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! vita pirinty amin’ny fiteny hongroà sady miloko tsara tarehy!
Teo ambany fanapahana komonista, dia tsy maintsy nanana asa fivelomana ny rehetra. Koa nandritra ny 22 taona, mandra-pahatongan’ny fisotroan-dronono ho ahy tamin’ny 1978, dia nandritra ireo ora tsy niasako no nanaovako ny fandikan-teny. Mazàna izany dia vao maraina be sy tamin’ny alina be. Rehefa nisotro ronono aho, dia nanompo manontolo andro tamin’ny naha-mpandika teny. Tamin’izany fotoana izany, dia niasa tany an-tranony ny mpandika teny tsirairay, ary noho ny fandrarana dia sarotra taminay ny nifandray. Tamin’ny 1964, dia nanao be midina tamin’ny fotoana iray ihany tany an-tranon’ireo mpandika teny ny polisy, ary naka tamim-pahefana ny fitaovanay. Nandritra ny taona maro tatỳ aoriana, dia matetika izahay no nahazo ny fitsidihan’ny polisy.
Fitahiana mahatalanjona
Tamin’ny 1969, dia nekena ny fangatahako pasipaoro, koa afaka nanao dia avy teto Hongria nankany Paris izaho sy i János Konrád, mba hanatrika ilay Fivoriambe Niraisam-pirenena hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Fitahiana toy inona moa ny nihaona tamin’ireo Vavolombelona namana avy tany amin’ny tany hafa, sy ny nandany andro sasantsasany tany amin’ny biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Berne, Soisa! Tamin’ireo taona 1970, dia Vavolombelona maro avy teto Hongria no afaka nandeha nanatrika fivoriambe tany Aotrisy sy Soisa.
Taorian’ny taona maro nisian’ny fameperan’ny fitondram-panjakana, dia tamin’ny 1986 izahay no nahazo ny fivoriambenay voalohany neken’ny Fanjakana, natao tao amin’ny Sahan’ny Tanora ao amin’ny Alan’i Kamara, tao Budapest. Nisy ranomasom-pifaliana teny amin’ny mason’ireo olona maherin’ny 4 000 tonga teo, rehefa niarahaba ireo rahalahiny sy anabaviny izy ireo, ary namaky ny soratra fiarahabana tonga soa tamin’ny fivoriantsika, teo ambonin’ny vavahady fidirana tao amin’ilay saha.
Farany, tamin’ny 27 Jona 1989, dia neken’ny fitondram-panjakana ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nambara tao amin’ny televiziona sy ny radio hongroà ilay vaovao izay nahafaly ireo rahalahy sy anabavintsika. Natao tsy nisy fameperana na dia iray aza, tamin’io taona io, ireo fivoriamben’ny distrika nalaminay voalohany, satria efa ho 40 taona talohan’izay no nandrarana ny asanay. Maherin’ny 10 000 no nanatrika ilay fivoriana tao Budapest, ary an’arivony maro fanampiny no tonga tany amin’ireo fivoriambe efatra hafa natao teto. Fifaliana toy inona moa ny ahy nahita an’i László, zandriko faralahy, sy ny vadiny natao batisa tao Budapest!
Avy eo, tamin’ny Jolay 1991, izahay dia nahazo fitahiana izay nihoatra noho ny nofinofy maminay indrindra — dia fivoriambe iray tao amin’ny kianja midadasik’i Népstadion ao Budapest, natrehin’ny solontena maherin’ny 40 000. Tao aho dia nanana tombontsoa nandika ireo lahateny nataon’ireo mpikambana ao amin’ny foibe any Brooklyn.
Amin’izao andro izao, izaho sy i Anna, ary koa maherin’ny 40 amin’ireo rahalahy sy anabavy malalanay dia miasa ao amin’ny birao kanton’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao amin’ny faritanàna manamorona an’i Budapest. Eto aho dia miara-manompo amin’ny ekipa tsara dia tsara voaforona tanora ao amin’ny Sampan-draharaha Fandikan-teny, ary i Anna dia mandray anjara amin’ny asa an-trano ao amin’ireo fitambaran-trano.
Na dia teo aza ny ezaka nataonay mba hampitana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny zanakay lahy, dia tsy nanaiky izany izy rehefa lehibe. Maneho fihetsika tsara manoloana ny fahamarinana anefa izy ankehitriny, ary manantena izahay fa hanompo an’i Jehovah izy rehefa mandeha ny fotoana.
Tena velom-pankasitrahana tokoa izahay mivady fa nahita ny fahamarinana momba ilay Andriamanitsika be fitiavana, dia i Jehovah, ary afaka manompo azy efa hatramin’ny 40 taona mahery izao. — Notantarain’i Endre Szanyi.
[Sary, pejy 21]
Miaraka amin’ny vadiko