Tsy Nanary Toky Mihitsy Aho na dia Voasedra Mafy Aza
NOTANTARAIN’I ANDREJ HANÁK
Ny taona 1943 tamin’izay, ary nafotaka ny Ady Lehibe II. Nampidirina tany amin’ny fonjan’i Budapest, any Hongria, aho satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Tao no nanoloran’ny pretra ortodoksa be volom-bava iray ahy ny Baiboliny, ho takalon’ny anjara mofoko telo andro. Noana mafy aho tamin’izay, nefa inoako fa nety ny fifanakalozana nataoko.
SAROTRA ny nihazona feon’ny fieritreretana madio rehefa nifehy ny taninay ny Nazia, nandritra ny Ady Lehibe II. Niady mafy koa izahay taorian’izay mba hanompoana an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, sady tsy handika ny toro lalana ara-baiboly, nandritra ireo 40 taona mahery nitondran’ny Kominista.
Hilaza ny mombamomba ahy aloha aho, vao hitantara ny nanjo an’ireo tsy nivadika tamin’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Azo antoka fa mahaliana anao ny zavatra niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Aoka aho aloha hilazalaza ny zava-nisy ara-pivavahana, nahatonga ahy tsy hatoky intsony ireo fivavahana lehibe, teo amin’ny toerana nisy anay.
Very hevitra noho ny fivavahana
Tamin’ny 3 Desambra 1922 aho no teraka, tao Pácin, tanàna hongroà eo akaikin’ny sisin-tanin’i Slovakia. Tapany atsinanan’i Tsekoslovakia i Slovakia tamin’izany fotoana izany. Nifehy ny tapany lehibe tamin’i Tsekoslovakia ny Firaisana Sovietika, taorian’ny Ady Lehibe II. Nakisaka 30 kilaometatra tatỳ akaikin’i Pácin àry ny sisin-tany nampisaraka an’i Tsekoslovakia sy Ukraine.
Katolika romanina nafana fo ny ray aman-dreninay. Dimy ny zanak’izy ireo, ary izaho no faharoa. Nahatonga ahy handalina kokoa ny fivavahana ny zava-nitranga fony aho 13 taona. Niaraka nanao fivahiniana masina tamin’i Neny aho, tany amin’ny tanànan’i Máriapócs, any Hongria, 80 kilaometatra niala teo aminay. Nanao io dia an-tongotra io izahay satria nino fa hahazoanay fitahiana bebe kokoa izany. Samy nanao izany fivahiniana masina izany, na ny Katolika romanina, na ny Katolika grika. Nihevitra aho talohan’izay fa tafaray ireo fivavahana katolika roa ireo. Hay tsy izany no izy.
Ny Lamesan’ny Katolika grika no natao voalohany, ary io no natrehiko. Tezitra mafy i Neny avy eo nony fantany fa namonjy azy io aho. Gagagaga ihany aho ka nanontany hoe: “Mampaninona moa ry Neny izay Lamesa atrehintsika? Fa angaha moa tsy tenan’i Kristy iray ihany no raisintsika rehetra?”
Tsy nahavaly ny fanontaniako i Neny, fa hoy fotsiny izy: “Fahotana anaka ny mametraka fanontaniana toy izany.” Tsy afaka tao an-tsaiko anefa ny fanontaniako.
Voavaly ny fanontaniako
Nifindra tany Streda nad Bodrogom aho rehefa feno 17 taona, raha vao nanomboka kelikely ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1939. Tsy lavitra anay no nisy an’io tanàna kely any amin’ny faritra atsinanan’i Slovakia ankehitriny io. Nianatra asa tao amin’ny mpanefy vy iray tao aho. Anisan’izany ny fanamboarana vy fanao amin’ny kitron-tsoavaly sy zavatra hafa natao tamin’ny vy narendrika. Nianatra zavatra sarobidy kokoa noho izany anefa aho, tao amin’io mpanefy vy io.
Vavolombelon’i Jehovah i Mária Pankovics, vadin’ilay mpanefy vy. Nianatra nanefy vy tamin’ny vadiny àry aho nandritra ny andro, fa nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana kosa rehefa alina. Noho izaho nianatra nanefy vy dia lasa takatro tsara kokoa ny Salamo 12:6 hoe: “Ny tenin’i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ny memy ka mitsoriaka amin’ny tany—eny, voadio impito.” Nahafinaritra tokoa ireny takariva nianarana ny tenin’i Jehovah sy namaliana ireo fanontaniako momba ny Baiboly ireny!
Tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe hotsapaina tsy ho ela anie ny finoako vaovao. Nihanafana mantsy ny Ady Lehibe II.
Nampidirina am-ponja noho ny finoako aho
Nasaina niofana ho miaramila ny tovolahy hongroà, taoriana kelin’ny nanombohako nianatra nanefy vy. Tapa-kevitra anefa aho fa hanaraka ny toro lalana ao amin’ny Isaia 2:4 hoe ‘tsy hianatra ady intsony.’ Nampidirina am-ponja nandritra ny folo andro aho noho izany. Nanohy nianatra Baiboly aho rehefa nafahana. Nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano aho, tamin’ny 15 Jolay 1941.
Nanafika ny Firaisana Sovietika i Alemaina Nazia tamin’izany fotoana izany ary rotidrotiky ny ady ny faritra atsinanan’i Eoropa. Nampirisihina mafy ny olona hanohana ny ady ary niely patrana ny fanindrahindram-pirenena. Tsy nomba ny atsy na ny aroa hatrany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny finoany miorina amin’ny Baiboly.
Nenjehina tamin-kabibiana izahay, tamin’ny Aogositra 1942. Nanomana toerana folo ny fitondram-panjakana mba hanatobiana ny Vavolombelona, na antitra na tanora. Nentina tany amin’ireny toerana ireny koa ireo olona fantatra fa nifandray taminay, na dia mbola tsy vita batisa aza. Izaho dia anisan’ireo nentina tany amin’ny fonjan’i Sárospatak, tanàn-dehibe any amin’ny 20 kilaometatra miala an’i Pácin tanànako.
Telo volana ny kely indrindra tamin’ireo voafonja. Nogadraina niaraka tamin’ilay reniny Vavolombelona izy. Nangatahinay hanome sakafo kely ilay mpiambina, fara faharatsiny, ho an’ilay zazakely. Hoy anefa izy: “Avelao izy hitomany eo. Hahatonga azy ho Vavolombelona matanjaka izany.” Nampalahelo anay ilay zazakely. Nalahelo koa anefa izahay, satria nahatonga ilay mpiambina ho mafy fo ny fanindrahindram-pirenena.
Nasaina nanefa sazy roa taona an-tranomaizina aho rehefa notsaraina. Nafindra tany amin’ny fonjan’i Budapest, tany amin’ny lalana 85 Margit Körút aho nony avy eo. Mirefy efatra metatra ny sakan’ilay fonja ary enina metatra ny lavany, nefa feno olona 50 na 60 teo ho eo izy io. Tao izahay nandritra ny valo volana, tsy nisy efitra fandroana na kabine. Sady tsy afaka nisasa àry izahay no tsy afaka nandro, na nanasa akanjo. Feno haofotsy daholo izahay, ary nandadian’ny bibikely ny vatanay maloto rehefa alina ny andro.
Tsy maintsy nifoha tamin’ny efatra maraina izahay. Kafe eran’ny kaopy kely fotsiny no mba sakafo maraina. Toy izay koa ny habetsahan’ny lasopy nohaninay rehefa antoandro, niaraka tamin’ny tapa-mofo sy voamaina kely. Tsy nisy sakafo hariva. Vao 20 taona monja aho ary salama tsara talohan’izay. Nihanalemy tsikelikely anefa aho ka tsy afa-namindra. Nanjary nisy matin’ny hanoanana sy ny aretina ny voafonja.
Tamin’izay fotoana izay no nisy voafonja vaovao tonga tao amin’ny efitra nisy anay. Izy ilay pretra ortodoksa be volom-bava noresahiko terỳ aloha. Navela hihazona ny Baiboliny izy. Niriko mafy erỳ ny hamaky azy io! Tsy navelany hanao izany anefa aho rehefa mba nangataka taminy. Nanatona ahy anefa izy tatỳ aoriana. “O ry tovolahy”, hoy izy. “Afaka mahazo ilay Baiboly ianao. Hamidiko aminao ilay izy.”
“Hamidy? Ohatrinona?”, hoy aho. “Izaho angaha manam-bola.”
Tamin’izay no nanomezany ahy ny Baiboliny ho takalon’ny anjara mofoko telo andro. Tena nahasoa iny fifanakalozana iny! Nandray sakafo ara-panahy aho na dia mosarena aza. Nanatanjaka ahy sy ny hafa izany, nandritra ireny fotoam-pisedrana ireny. Mbola voatahiriko io Baiboly io hatramin’izao.—Matio 4:4.
Nosedraina izahay satria tsy nanao raharaha miaramila
Nentina tany Jászberény, tanàna akaikin’i Budapest, ny tovolahy Vavolombelona 160 teo ho eo, avy tamin’ny faritra rehetra teto Hongria, tamin’ny Jona 1943. Nampidirina tao anaty fiara mpitatitra entana izahay, ary nentina tany amin’ny garan’i Kőbánya any Budapest, rehefa tsy nety nanao satroka miaramila sy fehy sandry telo loko. Nony tonga tany izahay dia nantsoin’ilay komandy tsirairay avy tao amin’ireo fiara mpitatitra entana. Nasainy nanolo-tena hanao raharaha miaramila izahay.
Nobaikoina izahay hilaza hoe: “Heil Hitler”, izany hoe “Hoderaina anie i Hitler.” Nokapohina mafy ny Vavolombelona tsirairay, satria tsy nety nanao izany. Reraka ireo mpampijaly rehefa ela ny ela, ka hoy ny iray tamin’izy ireo: “Iray sisa no hokapohinay, fa tsy ho tafavoaka velona eo izy.”
Nahazo ny lisitry ny Vavolombelona tao anaty fiara i Tibor Haffner, Vavolombelona tranainy sady zokiny kokoa. Nibitsibitsika tamiko izy hoe: “Ianao no manaraka, ry rahalahy. Mahereza! Matokia an’i Jehovah.” Tamin’izay no nantsoina aho. Nasaina nidina aho rehefa nitsangana teo am-baravaran’ilay fiara. Hoy ny miaramila iray: “Taolana mifono hoditra io sisa ka tsy misy hokapohina intsony.” Hoy izy avy eo: “Ataonay izay hiasanao any an-dakozia, hanao sakafo, raha manaiky hanao miaramila ianao. Ho faty ianao raha tsy izany.”
“Tsy hanao raharaha miaramila aho”, hoy ny navaliko. “Te hiverina hiaraka amin’ny rahalahiko ao anatin’ny fiara fitaterana entana aho.”
Nitsetra ahy ny miaramila iray ka nibata sy nanipy ahy tao anatin’ilay fiara fitaterana entana. Tsy nanahirana azy ny nanao izany satria tsy ampy 34 kilao aho. Nanatona ahy ny rahalahy Haffner, ary namihina ahy tamin’ny sandriny ilany. Nanafosafo ny tarehiko izy, ary nanonona ny Salamo 20:1 hoe: “Hihaino anao anie Jehovah amin’ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ny avo anie ny anaran’Andriamanitr’i Jakoba.”
Tao amin’ny toby fiasana an-tery vozona
Taorian’izay dia nentina tamin’ny lakana izahay, nanaraka ny reniranon’i Danube mandra-pahatonga tany Iogoslavia. Tonga tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona, teo akaikin’ny tanànan’i Bor izahay, ny Jolay 1943. Io no anisan’ny tanàna nisy toerana lehibe indrindra fitrandrahana varahina tany Eoropa. Feno olona 60 000 avy tamin’ny firenena maro samy hafa ilay toby, rehefa nandeha ny fotoana. Anisan’izany ireo Jiosy tokotokony ho 6 000 sy ireo Vavolombelon’i Jehovah 160 teo ho eo.
Natao tao anaty trano fitobiana lehibe iray ny Vavolombelona. Nisy latabatra sy dabilio teo afovoan’izy io, ary nivory indroa isan-kerinandro tao izahay. Gazety Ny Tilikambo Fiambenana nampidirina an-tsokosoko tao amin’ilay toby no nianaranay. Ilay Baiboly natakaloko ny anjara mofoko iny no novakinay. Niara-nihira sy nivavaka koa izahay.
Niezaka nifandray tsara tamin’ny hafa koa izahay, ary nahasoa izany. Narary mafy ny tsinain’ny rahalahy iray, nefa tsy nety nanao na inona na inona hanampiana azy ireo mpiambina. Nanaiky hanao ny fandidiana ny dokotera jiosy iray, anisan’ny voafonja, rehefa nihombo ilay aretina. Nomeny fanafody manadonto faran’izay tsotra ilay rahalahy, ary nataony tamin’ny alalan’ny tahon-tsotro noranitina ilay fandidiana. Sitrana ilay rahalahy ary nody izy rehefa nifarana ny ady.
Nandreraka ny asa tao amin’ilay toerana fitrandrahana, ary kely dia kely ny sakafo. Nisy rahalahy roa maty noho ny loza teo am-perinasa, ary nisy iray hafa matin’aretina. Nananontanona ny tafika rosianina tamin’ny Septambra 1944, ka tapaka ny hevitra fa handao ilay toby ny rehetra. Tsy ho nino ny zava-nitranga taorian’izay mihitsy aho raha tsy ny masoko no nahita.
Dia an-tongotra nampihorohoro
Tonga tany Belgrade izahay sy ireo voafonja jiosy maro taorian’ny dia an-tongotra nandreraka, nandritra ny herinandro. Mbola nandeha an-tongotra andro maromaro indray izahay avy eo, ka tonga tany amin’ny tanànan’i Cservenka.
Nasaina nilahatra tsidimidimy àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Avy eo dia nisy Vavolombelona iray nesorina isaky ny laharana roa. Nanganohano ny ranomasonay rehefa nijery ireo nentina nandeha, satria noheverinay fa hovonoina ry zareo. Niverina anefa izy ireo rehefa afaka kelikely. Fa nisy inona? Notadiavin’ny miaramila alemà hihady lavaka hatao fasana izy ireo. Nanazava anefa ny komandy hongroà iray fa tsy nihinan-kanina nandritra ny herinandro izy ireo, ka tsy manana hery hiasana.
Nalefa tao anaty efitra iray nifanolotra tamin’ny tafon’ny trano iray fanamainana biriky izahay Vavolombelona rehetra, ny harivan’io. Hoy ny komandy alemà iray: “Aza mitabataba ary mijanòna ato. Hahatsiravina ity alina ity.” Nohidiany ny trano avy eo. Minitra vitsy taorian’izay, dia nivazavaza ny miaramila hoe: “Haingana e! Haingana e!” Nisy feona basimarovava avy eo, narahina fahanginana nahatahotra. Renay indray ilay hoe “Haingana e! Haingana e!” dia poa-basy indray.
Hitanay avy teo amin’ny tafo izay nitranga. Nentin’ny miaramila teo amoron’ny lavaka iray ny Jiosy maromaro, nasainy nijoro teo, dia notifiriny. Nanipazany grenady ireo faty misavovona avy eo. Fantatra raha vao nangiran-dratsy ny andro, fa valo sisa ny Jiosy tsy maty, ary efa nandeha nitsoaka ireo miaramila alemà. Reraka tanteraka ny vatanay sy ny sainay. Anisan’ireo Vavolombelona nanatri-maso io famonoana olona io i János Török sy Ján Bali izay mbola velona.
Voatsimbina
Nanohy ny dianay niankandrefana sy nianavaratra izahay sady nambenan’ny miaramila hongroà. Imbetsaka izahay no nasaina nanao raharaha miaramila, nefa nanda izany foana sady mbola velona aina.
Latsaka teo anelanelan’ny tafika alemà sy ny tafika rosianina izahay ny Aprily 1945, tao amin’ny tanànan’i Szombathely, eo akaikin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Hongria sy Aotrisy. Rehefa nampandrenesina ny olona fa hisy fanafihana ana habakabaka, dia nanontany ny kapiteny hongroà iray niambina anay hoe: “Afaka miaraka aminareo hitady fialofana ve aho? Hitako fa momba anareo Andriamanitra.” Nandao ilay tanàna izahay rehefa tapitra ny zera baomba, ary namakivaky lalana feno fatim-biby sy fatin’olona.
Novoriny izahay rehetra rehefa hifarana ny ady. Hoy izy: “Misaotra anareo nanaja ahy. Ity misy dite sy siramamy ho anareo tsirairay. Mba misy an’io aloha, fara faharatsiny.” Nisaotra azy izahay satria tsara fanahy taminay izy.
Tonga ny Rosianina rehefa afaka andro vitsivitsy, ary nanomboka nandeha nitsitokotoko nody izahay. Tsy nifarana velively anefa ny fahorianay. Nampidirin’ny Rosianina tao am-ponja izahay nony tonga tao Budapest. Voantso ho miaramila indray izahay, hiaraka amin’ny tafika sovietika.
Dokotera, manam-pahefana ambony rosianina, no nitantana ny raharaha. Tsy nahatadidy azy izahay raha vao niditra ilay efitra, fa izy kosa nahatadidy anay. Tafaraka taminay tao amin’ny toby fiasana an-tery vozona tany Bor izy, ary anisan’ireo tsy novonoin’ny Nazia nandripaka Jiosy. Nobaikoiny toy izao ny mpiambina nony nahita anay izy: “Avelao hody ireo lehilahy valo ireo.” Nisaotra azy izahay, ary indrindra indrindra nisaotra an’i Jehovah noho ny fiarovany anay.
Mbola tsy manary toky aho
Tafody tany Pácin ihany aho tamin’ny farany, tamin’ny 30 Aprily 1945. Niverina tany amin’ilay mpanefy vy tany Streda nad Bodrogom aho taoriana kelin’izay, mba hamita ilay fiofanako. Maro ny soa noraisiko avy tamin-dry Pankovics: Tsy asa fivelomana ihany, fa zava-dehibe kokoa, dia ny fahamarinana ara-baiboly izay nanova ny fiainako. Nanome ahy zavatra hafa koa izy ireo tamin’izay fotoana izay. Nivady izahay sy ilay zanak’izy ireo vavy nahafatifaty atao hoe Jolana, ny 23 Septambra 1946.
Nanohy ny asa fampianarana Baiboly sy ny asa fitoriana indray izahay sy Jolana. Niampy ny fitahiana azonay tamin’ny 1948, satria teraka i Andrej zanakay lahy. Tsy naharitra ela anefa izany fahalalahana ara-pivavahana izany. Tsy ela dia nifehy ny firenenay ny Kominista, ka nanomboka indray ny fanenjehana. Voantso ho miaramila aho tamin’ny 1951, ka ny fitondram-panjakana kominista tany Tsekoslovakia indray no nanao izany. Niverina indray ilay fisehoan-javatra: fitsarana, fampidirana am-ponja, asa an-tery vozona, ary hanoanana. Tafavoaka velona indray anefa aho noho ny fanampian’Andriamanitra. Maro no nahazo famotsoran-keloka tamin’ny 1952, ka anisan’izany aho ary namonjy ny fianakaviako tany Ladmovce, Slovakia.
Nanohy ny fanompoanay masina izahay, na dia norarana nandritra ny 40 taona aza ny asa fitorianay. Nahazo tombontsoa ho mpiandraikitra mpitety faritany aho nanomboka tamin’ny 1954 ka hatramin’ny 1988. Nitsidika ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho isaky ny faran’ny herinandro, ary nampahery ireo rahalahy sy anabavy mba hitoeran’izy ireo ho mahatoky. Niaraka tamin’ny fianakaviako kosa aho nandritra ny herinandro, ary niasa mba hivelomanay. Nahatsapa ny fitarihana feno fitiavana avy tamin’i Jehovah izahay nandritra ireny fotoana ireny. Hitako fa marina tokoa ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Raha tsy Jehovah no nomba antsika, raha nitsangana hamely antsika ny olona. Dia nitelina antsika velona izy, raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany.”—Salamo 124:2, 3.
Faly erỳ izahay sy Jolana rehefa nanambady i Andrej ary lasa mpiandraikitra matotra tatỳ aoriana. Lasa Kristianina mavitrika koa i Eliška vadiny ary i Radim sy Daniel zanakalahiny. Tsapako hoe tena banga ny fiainako rehefa maty i Jolana malako, tamin’ny 1998. Io no fisedrana mafy indrindra tamiko. Malahelo azy isan’andro aho. Mionona anefa aho noho ilay fanantenana sarobidy momba ny fitsanganana amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29.
Efa 79 taona aho izao, ary anti-panahy eto amin’ny tanànan’i Slovenské Nové Mesto, atỳ Slovakia. Ny tena mahafaly ahy atỳ dia ny mizara amin’ny mpiara-belona amiko ny fanantenana sarobidy avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa mitodika ny lasa sy ireo 60 taona mahery nanompoako an’i Jehovah aho, dia miaiky fa afaka miaritra ny zava-manahirana sy fisedrana rehetra isika, noho ny fanampian’i Jehovah. Toy izao voalazan’ny Salamo 86:12 izao ny faniriako sy fanantenako: “Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.”
[Sary, pejy 20]
Ilay Baiboly natakaloko ny anjara mofoko
[Sary, pejy 21]
Nampahery ahy nandritra ny fisedrana i Tibor Haffner
[Sary, pejy 22]
Vavolombelona tany amin’ilay toby fiasana an-tery vozona, tany Bor
[Sary, pejy 22]
Fandevenana Vavolombelona tany amin’ilay toby fiasana an-tery vozona tany Bor, natrehin’ny miaramila alemà
[Sary, pejy 23]
Nanatrika ny fandripahana koa i János Török sy Ján Bali (sary kely)
[Sary, pejy 23]
Nivady izahay sy Jolana tamin’ny Septambra 1946
[Sary, pejy 24]
Miaraka amin’ny zanako lahy sy ny vadiny ary ny zafikeliko