FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/9 p. 24-28
  • Nianatra Niantehitra Tamin’i Jehovah Aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nianatra Niantehitra Tamin’i Jehovah Aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanombohan’ireo fitsapana mafy
  • Ilay raharaha momba ny fanekena lembenana
  • Mitombo ny fanenjehana
  • Fifindrana niantsinanana — Avy eo dia fandosirana
  • Fahafahana nefa nisy loza fanampiny
  • Fahalalahana rehefa ela ny ela!
  • Lasa Kristianina Ilay Mpitolona Nafana Fo
    Mifohaza!—2002
  • Tsy Nanary Toky Mihitsy Aho na dia Voasedra Mafy Aza
    Mifohaza!—2002
  • Tena Tapa-kevitra Hiandany Tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra Izahay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/9 p. 24-28

Nianatra Niantehitra Tamin’i Jehovah Aho

NOTANTARAIN’I JÁN KORPA-ONDO

Taona 1942 tamin’izay, ary nambenan’ny miaramila hongroà tany akaikin’i Kursk, any Rosia, aho. Babo azon’ireo fanjakan’ny Axe, izay niady tamin’ny Rosianina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, izahay. Efa voahady ny fasako, ary nomena folo minitra aho mba hanapahako hevitra raha hekeko na tsia ny hanao sonia taratasy iray nilaza fa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony ny tenako. Alohan’ny hitantarako izay nitranga taorian’izany, dia mamelà ahy hitantara aminareo ny fomba nahatongavako tany.

TERAKA tamin’ny 1904 teto amin’ny vohitra kelin’i Zahor, izay any atsinanan’i Slovakia ankehitriny aho. Nanjary anisan’ilay tany vao niforona antsoina hoe Tsekoslovakia, i Zahor, taorian’ny Ady Lehibe Voalohany. Trano 200 teo ho eo sy fiangonana roa, ny iray ôrtôdôksa grika ary ny faharoa kalvinista, no nahaforona ilay tanàna kelinay.

Na dia niangona tany amin’ny Kalvinista aza aho, dia nanao izay danin’ny kiboko aho teo amin’ny fiainako. Nisy lehilahy iray tena hafa tanteraka nipetraka tsy lavitra ny nisy ahy. Indray andro izy io dia nanomboka niresadresaka tamiko, ary nampindrana Baiboly ahy. Sambany aho vao nitazona io boky io teny an-tanako. Tokony ho tamin’io fotoana io, tamin’ny 1926, no nanambadiako an’i Barbora ary tsy ela dia niteraka roa izahay, dia i Barbora sy i Ján.

Nanomboka namaky ny Baiboly aho, nefa nisy zavatra maro tsy azoko. Koa nandeha tany amin’ny pastoranay aho mba hangataka ny fanampiany. “Natao ho an’ny olona nahita fianarana ihany ny Baiboly”, hoy izy, “koa aza manandrana ny hahazo ny heviny akory.” Avy eo dia nasainy hilalao karatra aho.

Nandeha tany amin’ilay lehilahy nampindrana Baiboly ahy aho, taorian’izay. Mpianatra ny Baiboly izy io, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Faly izy nanampy ahy, ary nanomboka takatro ny fahamarinana, fotoana kelikely tatỳ aoriana. Nitsahatra tsy nisotro tafahoatra aho, ary nanomboka nihatsara fitondran-tena; nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba an’i Jehovah mihitsy aza aho. Efa niorina tsara teto Zahor ny fahamarinana ara-baiboly, tany am-piandohan’ireo taona 1920, ary tsy ela dia nisy antokona mpitory narisika, Mpianatra ny Baiboly, nijoro.

Nisy fanoherana ara-pivavahana mafy na dia izany aza. Nanjary nanohitra ahy ny ankamaroan’ny mpianakaviko satria nolazain’ilay pretra teo an-toerana fa lasa adala aho. Nanomboka nanana zava-kendrena anefa ny fiainako, ary nanapa-kevitra tamin’ny fomba hentitra ny hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, aho. Araka izany, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah aho tamin’ny 1930, ary natao batisa.

Fanombohan’ireo fitsapana mafy

Tamin’ny 1938 dia nanjary teo ambany fitondran’i Hongria izay niandany tamin’i Alemaina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ny faritra nisy anay. Vavolombelona 50 teo ho eo izahay tamin’izany, no tao amin’ilay tanàna kelinay nisy mponina latsaka ny arivo. Nanohy nitory izahay na dia nahatandindomin-doza ny fiainanay sy ny fahafahanay aza ny fanaovana izany.

Tamin’ny 1940, dia voantso ho miaramila tao amin’ny tafika hongroà aho. Inona no hataoko? Efa novakiko ny faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ny olona izay manefy ny fitaovam-piadiany ho fitaovana ho amin’ny fandriampahalemana, ary fantatro fa, amin’ny farany, Andriamanitra dia hamongotra amin’ny tany ny ady rehetra. (Salamo 46:9; Isaia 2:4). Noho izany, dia nanjary nankahala ny ady aho, ary nanapa-kevitra ny tsy hiditra tao amin’ny tafika, na inon-kidona na inon-kihatra.

Voasazy 14 volana an-tranomaizina aho, ary nefaiko tany Pécs, any Hongria, io saziko io. Nisy Vavolombelona dimy hafa koa tao amin’io fonja io, ary nankasitrahanay ny fahafahanay nifanerasera. Nisy fotoana anefa nanokanan-toerana ahy irery tao am-ponja, sady nogadraina ny tongotro. Nokapohina izahay rehefa tsy nety nanatontosa asa nifandray tamin’ny ezaka natao hanohanana ny ady. Noterena hanao jery atrika tontolo andro izahay, ka adiny roa monja tamin’ny antoandro no tsy nanaovanay izany. Nitohy am-bolana maro io fahoriana mafy io. Sambatra anefa izahay, satria nanana feon’ny fieritreretana madio teo imason’Andriamanitray.

Ilay raharaha momba ny fanekena lembenana

Indray andro, dia nisy antokona pretra 15 tonga mba hanandrana hampiaiky anay fa zava-dehibe ny hanohananay ny ezaka natao ho an’ny ady, amin’ny firotsahanay ao amin’ny tafika. Hoy izahay nandritra ilay resadresaka: “Raha afaka manaporofo avy ao amin’ny Baiboly ianareo fa tsy mety maty ny fanahy, ary ho any an-danitra izahay raha maty any amin’ny ady, dia hiditra ao amin’ny tafika izahay.” Mazava ho azy fa tsy afaka nanaporofo izany ry zareo, ary tsy naniry hanohy ilay resaka.

Nifarana tamin’ny 1941 ny saziko tany am-ponja, ary tsy andriko izay hiarahana indray tamin’ny fianakaviako. Nifanohitra tamin’izany anefa, fa nentina am-patorana tany amin’ny tobin’ny tafika iray tany Sárospatak, any Hongria, aho. Rehefa tonga tany izahay, dia nivelatra teo anoloako ny fahafahana hahazo famotsorana. “Ny hany ilaina hataonao”, hoy ny nolazaina tamiko, “dia ny manao sonia itỳ fampanantenana ny handoa 200 pengö itỳ, rehefa hody ianao.”

“Ahoana no hetezan’izany?” hoy aho nanontany. “Hataonareo inona izany vola izany?”

“Ho tambin’ilay vola”, hoy ny nolazaina tamiko, “dia hahazo sertifika manambara ny tsy nahalany anao tamin’ny fizaham-pahasalamana ho an’ny tafika ianao.”

Sarotra tamiko ny nandray fanapahan-kevitra tamin’izay. Herintaona mahery no efa niaretako fitondrana tsy nifaditra ovana, ary nihareraka aho. Izao dia nety ho afaka aho raha nanaiky handoa vola. “Hoeritreretiko ny amin’izany”, hoy aho niteny moramora.

Inona no fanapahan-kevitra horaisiko? Teo ny vady aman-janako izay tsy maintsy noeritreretiko. Tokony ho tamin’io fotoana io no nahazoako taratasy avy tamin’ny namana kristianina iray, izay nanomezany fampaherezana ahy. Notononiny ny Hebreo 10:38, izay anononan’ny apostoly Paoly izao tenin’i Jehovah izao: “ ‘Ny oloko marina, dia ho velon’ny finoana;’ fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko”. Fotoana fohy taorian’izay koa, dia niresaka tamiko tao amin’ny trano fitobiana ny manamboninahitra hongroà roa lahy, ka toy izao ny fanamarihana nataon’ilay anankiray: “Asa raha tsapanao fa tena manaja anao tokoa izahay noho ny fanohananao mafy ireo foto-pitsipika ara-baiboly! Aza miala amin’izany!”

Nandeha tany amin’ireo olona vonona ny hanafaka ahy tamin’ny fandoavana 200 pengö aho ny ampitson’io, ka nilaza hoe: “Raha namela ny hanaovana am-ponja ahy i Jehovah Andriamanitra, dia hikarakara ny hanafahana ahy koa izy. Tsy hividy ny fahazoako fanafahana aho.” Nosazina folo taona an-tranomaizina àry aho. Tsy nifarana teo anefa ny fanandramana hampanaiky lembenana ahy. Nanaiky ny hamela ny heloko ny fitsarana raha nanaiky hanompo tao amin’ny tafika nandritra ny roa volana monja aho, ary tsy ho voatery hitondra fitaovam-piadiana akory! Nolaviko koa io fanolorana io, ka dia nanomboka ny fanasaziana ahy tany an-tranomaizina.

Mitombo ny fanenjehana

Nentina tany amin’ny fonjan’i Pécs indray aho. Mbola mafy kokoa aza ny fampijalijaliana tamin’itỳ indray mitoraka itỳ. Nafatotra tao andamosiko ny tanako, ary nahantona tamin’ny tanako nandritra ny adiny roa teo ho eo, aho. Vokatr’izany dia nipitsoka ny soroko roa. Naverina nandritra ny enim-bolana teo ho eo izany fampijalijaliana izany. Afaka misaotra an’i Jehovah ihany anefa aho, satria tsy nilavo lefona.

Tamin’ny 1942 dia nisy taminay — gadra politika sy Jiosy ary Vavolombelon’i Jehovah 26 — nentina tany amin’ny tanànan’i Kursk, tany amin’ny faritra iray teo ambany fifehezan’ny andian-tafika alemà. Natolotra ny Alemà izahay, ary ny asa nampanaovin’izy ireo ny voafonja dia ny fanaterana sakafo sy fiadiana ary fitafiana ho an’ireo miaramila tany am-bava ady. Tsy nety nanao ilay asa izahay Vavolombelona satria nandika ny tsy fombanay Kristianina ny atsy na ny aroa ilay izy. Naverina tany amin’ny Hongroà indray izahay, vokatr’izany.

Nampidirina tao amin’ny fonja teo an-toerana, tany Kursk, izahay, tamin’ny farany. Nokapohina intelo isan’andro tamin’ny hoditra izahay nandritra ny andro maromaro. Voakapoka teo amin’ny fihirifako aho, ka lavo. Rehefa nokapohina aho dia nieritreritra hoe: ‘Hay tsy dia sarotra izany hoe maty izany.’ Nanjary donto ny vatako manontolo, hany ka tsy nahatsapa na inona na inona aho. Tsy nomena na inona na inona hohanina mihitsy izahay nandritra ny telo andro. Avy eo, dia nentina tany amin’ny fitsarana izahay, ary nohelohina ho faty ny enina. Rehefa nampiharina ilay sazy, dia 20 taminay no sisa tavela.

Ireo fitsapam-pinoana nandritra ireny fotoana ireny tany Kursk, tamin’ny Oktobra 1942, no mafy indrindra tamiko hatramin’izay. Ireo tenin’i Josafata Mpanjaka tamin’ny andro fahiny, tamin’ny fotoana niatrehan’ny vahoakany fisalasalana lehibe, dia manambara mazava tsara ny fihetseham-ponay. Hoy tokoa mantsy izy: “Izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ny masonay.” — 2 Tantara 20:12.

Nentina mba hihady ny fasana iombonanay izahay 20 mirahalahy, nambenan’ny miaramila hongroà 18. Rehefa vita ilay fihadiana, dia nilazana izahay fa nanana folo minitra mba hanaovana sonia taratasy iray. Toy izao no vakin’ny ampahany tamin’ilay izy: “Diso ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hino na hanohana izany intsony aho. Hiady ho an’ny tanindrazana hongroà aho (...) Hamafisiko amin’ny alalan’ny sonia fa hiaraka amin’ny Eglizy Katolika Romana aho.”

Rehefa tapitra ny folo minitra dia tonga ilay baiko hoe: “Atrika havanana! Miara-mamindra mankeny amin’ny fasana!” Izao indray no baiko avy eo: “Voafonja voalohany sy fahatelo, midira ao anaty lavaka!” Mbola nomena folo minitra hafa indray izy mirahalahy ireo mba hanapahany hevitra ny hanao sonia ilay taratasy. Niangavy toy izao ny miaramila iray: “Mialà re amin’ny finoanareo, dia mivoaha avy ao am-pasana e!” Tsy nisy niteny. Avy eo dia notifirin’ilay manamboninahitra tompon’andraikitra izy mirahalahy.

“Ahoana ny amin’ny sisa amin’izy ireo?”, hoy ny miaramila iray nanontany ilay manamboninahitra tompon’andraikitra.

“Afatory ireo”, hoy izy namaly. “Mbola hampijalijalintsika mafy kokoa izy, ary hotifirintsika amin’ny enina maraina.”

Nanjary natahotra tampoka teo aho, tsy hoe natahotra sao ho faty, fa natahotra kosa sao tsy ho afaka hiaritra ilay fampijalijaliana ka hanaiky lembenana. Koa nanatona aho, ary niteny hoe: “Mitovy amin’ny an’ireo rahalahinay vao avy notifirinareo ihany ny fahadisoana vitanay, tompoko. Nahoana moa no tsy tifirinareo koa izahay?”

Tsy nanao izany anefa izy ireo. Nafatotra tao andamosinay ny tananay. Avy eo dia nahantona tamin’ny tananay izahay. Rehefa safotra izahay dia notondrahany rano. Faran’izay mafy ilay fanaintainana satria nampipitsoka ny sorokay ny vesatry ny vatanay. Nitohy nandritra ny adiny telo teo ho eo izany fampijalijaliana izany. Taorian’izay, tampoka teo, dia tonga ny baiko nilaza ny tsy hitifirana ny Vavolombelon’i Jehovah intsony.

Fifindrana niantsinanana — Avy eo dia fandosirana

Roatokom-bolana tatỳ aoriana, noho ny zava-kendrena manokana, dia nasaina nandeha an-tongotra nandritra ny andro vitsivitsy izahay, mandra-pahatonganay teo amoron’ny Ony Don. Tsy tokony hoentina hiverina velona, hono, izahay, hoy ireo tompon’andraikitra taminay. Nasaina nanao asa tsy nisy dikany izahay nandritra ny andro, dia ny fihadiana lavaka sy ny fanotofana azy ireny indray avy eo. Nanana fahafahana mba handehandehanana izahay ny hariva.

Rehefa nodinihiko ilay izy, dia nisy zavatra roa nety hitranga. Na ho faty teo mihitsy izahay, na handositra ny Alemà ka hitolo-batana amin’ny Rosianina. Telo taminay monja no nanapa-kevitra ny handositra ka hiampita ny Ony Don namanala. Tamin’ny 12 Desambra 1942, dia nivavaka tamin’i Jehovah izahay ary niainga. Tonga teo amin’ny vava ady rosianina izahay, ary avy hatrany dia natao am-ponja tao amin’ny toby iray niaraka tamin’ny voafonja 35 000 teo ho eo. Voafonja 2 300 teo ho eo no sisa velona rehefa tonga ny lohataona. Maty noho ny hanoanana mafy ny sisa.

Fahafahana nefa nisy loza fanampiny

Tafita velona tamin’ny tapany sisa tamin’ilay ady aho, anisan’izany ireo volana maromaro taorian’ny nifaranan’izy io. Babo rosianina aho tamin’izany. Farany, tamin’ny Novambra 1945, dia niverina nody teto Zahor aho. Potika tanteraka ny toeram-piompiana sy fambolenay, ka voatery nanomboka hatramin’ny voalohany indray aho. Niasa tao amin’io toerana io ny vady aman-janako nandritra ny ady, saingy nalefa niantsinanana izy ireo rehefa nanatona ny Rosianina tamin’ny Oktobra 1944. Norobaina ny fanananay rehetra.

Fa ny zavatra nampalahelo indrindra dia izao: Narary mafy ny vadiko fony aho tafaverina tao an-tokantrano. Nody mandry izy tamin’ny Febroary 1946. Vao 38 taona monja izy tamin’izay. Tsy nanana afa-tsy fotoana kely dia kely nankafizana ny fifankahitanay indray izahay, taorian’ny fisarahana naharitra dimy taona izay sady ela be no nahitam-pahasahiranana.

Nahita fampiononana aho teo anivon’ireo rahalahiko ara-panahy, rehefa nanatrika ireo fivoriana sy nandray anjara tamin’ny fanompoana isan-trano. Afaka nisambo-bola aho tamin’ny 1947, mba hanaovana dia 400 kilaometatra teo ho eo, nankany Brno, mba hanatrehana fivoriambe. Tany no nahazoako fampiononana sy fampaherezana lehibe teo anivon’ireo rahalahiko kristianina, anisan’izany i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society, tamin’izany fotoana izany.

Tsy naharitra ela ny fahafahanay taorian’ny ady. Nanomboka nataon’ny Kômonista tsindry hazo lena izahay tamin’ny 1948. Maro tamin’ireo rahalahy nitari-dalana teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ Tsekoslovakia no nosamborina tamin’ny 1952, ka nomena ahy ny andraikitra hikarakara ireo kôngregasiôna. Nosamborina koa aho tamin’ny 1954, ary nosazina efa-taona an-tranomaizina. Natao an-tranomaizina koa i Ján zanako lahy sy i Juraj zanany, noho ny fihazonan’izy ireo ny tsy fombàn’ny Kristianina ny atsy na ny aroa. Nanefa roa taona tao amin’ny fonjam-panjakanan’i Pankrác, tany Prague, aho. Nafahana aho rehefa nisy fanambarana famotsoran-keloka tamin’ny 1956.

Fahalalahana rehefa ela ny ela!

Rehefa nandeha ny fotoana, tamin’ny 1989, dia afaka tamin’ny vahohon’ny Kômonisma i Tsekoslovakia, ary nosoratana ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia nalalaka ny fiarahanay nivory sy nitory ampahibemaso. Nisy efa ho zato ny Vavolombelona teto Zahor tamin’izany fotoana izany, izany hoe sahabo ho 1 isaky ny olona 10 teto an-tanàna no Vavolombelona. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanorina Efitrano Fanjakana kanto sy nalalaka teto Zahor, izahay. Mahazaka olona 200 eo ho eo izy io.

Tsy tena salama intsony aho izao, hany ka entin’ireo rahalahy amin’ny fiarakodia mankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Finaritra aho tonga any, ary faly manome valin-teny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Sambatra erỳ aho mahita solontenan’ny taranaka telo amin’ny fianakaviako, manompo an’i Jehovah, ka anisan’izany ny maromaro amin’ireo zafikeliko. Efa mpiandraikitra mpitety faritany teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekoslovakia, ny iray tamin’izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana tsy nahafahany nanao izany intsony noho ny andraikiny ara-pianakaviana.

Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny nanatanjahany ahy nandritra ireo fotoam-pitsapana maro be nodiaviko. Ny fampifantohako ny saiko taminy hatrany — “toy ny mahita Izay tsy hita” — no nanohana ahy. (Hebreo 11:27). Eny, tsapako ny famonjen’ny tanany mahery. Izany ankehitriny no mahatonga ahy hiezaka hatrany ho tonga amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna sy handray anjara amin’ny fanambarana ny anarany eny amin’ny fanompoana ampahibemaso, araka izay farany azoko atao, hatramin’izao.

[Sary, pejy 25]

Ny Efitrano Fanjakana eto Zahor

[Sary, pejy 26]

Sarobidy amiko ilay tombontsoa hanome valin-teny any amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara