Ny Sakafo Haninao — Afaka Mamono Anao Ve?
“Tsentsina be ny mpanelira mifanolotra amin’ny fonao, tsentsina eo amin’ny 95% eo ho eo (...) Amin’izao fotoana izao ianao dia mikotrika aretim-po izay miandry fotoana fotsiny ny fihetsehany.”
SAROTRA tamin’i Joe, izay 32 taona, ny nino ireo teny ireo. Tenin’ny manam-pahaizana momba ny fo izay nizaha azy mba hamantarana ny nahatonga ilay fanaintainana tao amin’ny tratrany, ireo. Efa ho ny antsasak’ireo izay ho faty noho ny aretim-po no tsy mahafantatra akory fa voan’izany izy ireo.
Inona anefa no nahatonga ilay toe-javatra nanjo an’i Joe? ‘Nandritra ny 32 taona aho dia nihinana ny sakafo fihinan’ny Amerikana, dia ny “hena sy ronono” ’, hoy ny fitarainan’i Joe. ‘Tsy fantatra izay tsy nanisiana fiheverana ny hoe mampidi-doza ho an’ny fahasalamako ny sakafo fihinan’ny Amerikana.’
Ny sakafo haninao sy ny aretim-po
Inona no tsy nety tamin’ny sakafo nohanin’i Joe? Raha fotorana, dia nisy cholestérol sy menaka be loatra izy io, indrindra fa ny menaka saturé (toy ny menaka avy amin’ny biby). Nanomboka tamin’ny fahatanorany, i Joe dia nampisetra loza ny tenany tamin’ny aretim-po mifandray amin’ny mpanelira, saiky isaky ny nandrapaka sakafo. Amin’ireo antony folo voalohany mahatonga fahafatesana any Etazonia, dia ny dimy, raha ny marina, no ampifandraisina amin’ny sakafo be menaka. Loha laharana eo amin’ilay lisitra ny aretin’ny mpanelira.
Ny fifandraisan’ny sakafo hanina sy ny aretim-po dia hita eo amin’ny fandinihana iray natao tany amin’ny tany fito, teo amin-dehilahy 12 000, 40 ka hatramin’ny 49 taona. Mampiharihary zavatra indrindra ireo tsy fitoviana lehibe. Nasehon’ilay fandinihana fa ambony ny habetsahana cholestérol tao amin’ny ran’ireo lehilahy failandey izay avy tamin’ny menaka saturé ny 20 isan-jaton’ny kalôria laniny. Ambany kosa anefa ny habetsahana cholestérol tao amin’ny ran’ireo lehilahy japoney izay ny 5 isan-jato monja tamin’ny kalôria laniny no avy tamin’ny menaka saturé. Ary avo enina heny ny fihetsehan’aretim-po eo amin’ireo lehilahy failandey, noho ireo lehilahy japoney!
Tsy mahalana intsony anefa ny aretim-po mifandray amin’ny mpanelira any Japon. Taona maromaro lasa izay, rehefa nanjary tiam-bahoaka tany ireo sakafo maika araka ny fomba tandrefana, dia niakatra hatramin’ny 800 isan-jato ny fihinanana menaka avy amin’ny biby. Ankehitriny ireo ankizilahy japoney dia manana habetsahana cholestérol ambony kokoa ao amin’ny rany, raha oharina amin’ireo ankizilahy amerikana mitovy taona aminy! Mazava fa ny menaka sy ny cholestérol dia anisan’ny mahatonga tsy fahasalamana mandrahona ny aina, indrindra fa ny aretim-po.
Ny anjara asan’ny cholestérol
Tena ilaina amin’ny fiainana ny cholestérol, izay zavatra fotsifotsy, mitovitovy amin’ny savoka. Hita ao amin’ny selan’ny olombelona sy ny biby rehetra izy io. Mamokatra cholestérol ny atintsika, ary hita amin’ny habetsahany samihafa koa izy io, ao amin’ireo sakafo hanintsika. Entin’ny ra mankany amin’ireo sela ny cholestérol ao anatina molekiola antsoina hoe lipoprotéines izay voaforona cholestérol sy menaka ary proteina. Ireo karazana lipoprotéines roa izay mitondra ny ankamaroan’ny cholestérol ao amin’ny ra, dia ny lipoprotéines manana hakitroka (densité) ambany (LDL) sy ny lipoprotéines manana hakitroka ambony (HDL).
Be cholestérol be ireo LDL. Eo am-pivezivezeny ao amin’ny lalan-dra, dia miditra ao anaty sela amin’ny alalan’ireo fitaovam-pandraisana LDL izay eo amin’ny fonon-tsela izy. Ary dia manasaratsaraka azy ireo ny sela mba hampiasana azy. Ny ankamaroan’ny sela amin’ny vatana dia manana fitaovam-pandraisana toy izany, ary ireo no maka LDL sasany. Ny aty anefa dia natao mba ho toerana hitrangan’ny 70 isan-jaton’ny fanesorana LDL tsy ho ao amin’ny lalan-dra, ka ireo mpandray LDL no manao izany.
Ireo HDL kosa, etsy an-danin’izany, dia molekiola maniry mafy hahazo cholestérol. Rehefa mandehandeha manerana ny lalan-dra izy ireo, dia mitroka ny cholestérol sisa tavela ka mitatitra izany mankany amin’ny aty. Manasaratsaraka ny cholestérol ny aty, ary manafoana azy io tsy ho ao amin’ny vatana. Araka izany, dia natao tamin’ny fomba mahatalanjona ny vatana mba hampiasa ny cholestérol ilaina fa hanary kosa ny sisa.
Mitranga ny zava-manahirana rehefa misy LDL tafahoatra ao anaty ra. Izany dia mampitombo ny mety hisian’ny zava-mihandrona eo amin’ny sisiny anatiny amin’ny mpanelira. Rehefa mitranga ny fihandronan-javatra, dia mihatery ny mpanelira ary mihena ny habetsahan-dra mitondra oksizena afaka mandalo ao amin’izy ireo. Antsoina hoe athérosclérose io toe-javatra io. Manohy misoko miadana sy tsy misy famantarana izany fisehoan-javatra izany, ka am-polony taona maro vao mampiseho soritr’aretina azo avahana. Soritr’aretina iray ny angine de poitrine, na fanaintainan’ny tratra, toy ilay nahazo an’i Joe.
Rehefa tsentsina tanteraka ny mpanelira iray mifanolotra amin’ny fo, matetika noho ny vaingan-dra, dia maty ilay faritra amin’ny fo izay mahazo ra avy amin’izany mpanelira izany. Vokatr’izany ny fisian’ny faritra maty amin’ny nofom-po — fantatra kokoa amin’ny hoe fihetsehan’ny aretim-po — tampoka, ary matetika mahafaty. Na dia ny ampahany amin’ny mpanelira mifanolotra amin’ny fo aza no tsentsina, izany dia afaka mitarika ho amin’ny fahafatesan’ny tambatselan’ny fo izay mety tsy hiseho amin’ny fanaintainana mafy ara-batana. Ny tsentsina amin’ny mpanelira any amin’ny faritra hafa amin’ny vatana dia mety hahatonga fahatoranana tampoka, faritra maty amin’ny ranjo, sy tsy fiasan’ny voa intsony mihitsy aza.
Tsy mahagaga raha antsoina hoe cholestérol ratsy ny LDL, ary cholestérol tsara kosa ny HDL. Raha betsaka ny LDL, na kely ny HDL hita amin’ny fitsirihana, dia mora dia mora ny mety hahavoan’ny aretim-po ny tena.a Matetika ny fitsirihana fotsiny ny ra dia hilaza loza mananontanona ela be alohan’ny ahatsapan’ny olona iray ireo soritr’aretina azo marihina, toy ny fanaintainan’ny tratra. Zava-dehibe àry ny hanaraha-maso ny habetsahan’ny cholestérol ao amin’ny ranao. Aoka isika izao hijery ny mety ho fiantraikan’ny sakafo haninao eo amin’io habetsahana cholestérol io.
Ny cholestérol ao amin’ny ra sy ny sakafo hanina
Tapany voajanahary amin’ny sakafo avy amin’ny biby ny cholestérol. Ny hena, ny atody, ny trondro, ny akoho amam-borona, ary ireo vokatra azo avy amin’ny ronono dia samy misy cholestérol avokoa. Ny sakafo avy amin’ny zavamaniry kosa, etsy an-danin’izany, dia tsy misy cholestérol.
Mamokatra ny cholestérol rehetra ilainy ny vatana, koa ny cholestérol hanina ao amin’ny sakafo àry dia manginy fotsiny. Ny ankamaroan’ny cholestérol avy amin’ny sakafo dia miafara any amin’ny aty. Raha araka ny mahazatra, rehefa miditra ao amin’ny aty ny cholestérol avy amin’ny sakafo, dia manodina azy io ny aty ary mampihena ny famokarany cholestérol. Izany dia mihazona ny tontalin’ny habetsahana cholestérol ao amin’ny ra ho ara-dalàna.
Inona anefa no mitranga raha betsaka aoka izany ny cholestérol ao amin’ny sakafo hanina ka tsy vitan’ny aty ny manodina azy haingana? Azo inoana fa hitombo ny fidiran’ny cholestérol mivantana ao amin’ireo selan’ny sisiny anatiny amin’ny mpanelira. Rehefa mitranga izany, dia miseho ilay fizotran’ny athérosclérose. Mampidi-doza indrindra ny toe-javatra rehefa manohy manamboatra cholestérol mitovy habetsahana ny vatana, na toy inona na toy inona habetsahana cholestérol avy amin’ny sakafo hanina. Any Etazonia, dia olona 1 isaky ny 5 no manana io zava-manahirana io.
Lalam-pahendrena àry ny hampihenana ny fihinananao cholestérol avy amin’ny sakafo. Misy anefa taharon-tsakafo hanintsika hafa iray izay mbola manan-kery bebe kokoa eo amin’ny habetsahan’ny cholestérol ao amin’ny ra — ny menaka saturé.
Menaka sy cholestérol
Mizara ho sokajiny roa ny menaka: ny saturé sy ny insaturé. Ny menaka insaturé dia mety ho mono-insaturé na ho poly-insaturé. Tsara kokoa ho anao ny menaka insaturé noho ilay saturé, satria mampitombo ny habetsahan’ny cholestérol ao amin’ny ra ny fihinanana menaka saturé. Manao izany amin’ny fomba roa ny menaka saturé: Izy io dia manampy amin’ny famoronana cholestérol betsaka kokoa ao amin’ny aty, ary manakana ny fiasan’ireo mpandray LDL eo amin’ny selan’ny aty, ka mampihena ny hafainganan’ny fanesorana LDL tsy ho ao amin’ny ra.
Ny menaka saturé dia hita indrindra indrindra ao amin’ny sakafo avy amin’ny biby, toy ny dibera, ny tamenak’atody, ny tavin-kenan-kisoa, ny ronono, ny gilasy, ny hena, ny akoho amam-borona. Betsaka koa izy io ao amin’ny chocolat, ao amin’ny voaniho sy ny menaka azo avy aminy, ny dibera avy amin’ny zavamaniry, sy ny menaka palmie. Mandry ny menaka saturé raha amin’ny mari-pana anaty efitrano.
Ny menaka insaturé kosa, etsy an-danin’izany, dia mandranoka raha amin’ny mari-pana anaty efitrano. Ny sakafo izay misy menaka mono-insaturé sy poly-insaturé dia mety hanampy amin’ny fampihenana ny habetsahan’ny cholestérol ao amin’ny ranao raha toa izy io ka misolo toerana ny sakafo misy menaka saturé.b Mampihena ny cholestérol tsara sy ratsy ny menaka poly-insaturé, izay fahita ao amin’ny menaka azo avy amin’ny katsaka sy ny voan-tanamasoandro. Tsy mampihena afa-tsy ny cholestérol ratsy ary tsy misy fiantraikany eo amin’ny cholestérol tsara kosa ny menaka mono-insaturé, izay misy be dia be ao amin’ny menaka avy amin’ny oliva sy ny kôlza.
Mazava ho azy fa tapany tena ilaina amin’ny sakafontsika ny menaka. Raha tsy eo izany, ohatra, dia tsy hisy ny fihinanana vitamina A, D, E, sy K. Kely dia kely anefa ny menaka tadiavin’ny vatana. Azo mora foana amin’ny alalan’ny fihinanana legioma sy voa maina, sy voamadinika ary voankazo izany. Koa tsy manaisotra amin’ny vatana ireo otrikaina ilainy àry ny fampihenana ho faran’izay kely ny fihinanana menaka saturé.
Antony hampihenana ny menaka sy ny cholestérol
Hampitombo ny cholestérol ao amin’ny ra foana ve ny fihinanana sakafo be menaka sy cholestérol? Tsy voatery ho izany. I Thomas, izay voatonona ao amin’ny lahatsoratra fanokafana, dia nanapa-kevitra ny hanao fitsirihana ny ra, taorian’ny fanadinadinana nataon’ny Mifohaza! taminy. Nasehon’ny valin’ny fitsirihana fa amin’ny fetra tokony ho izy ny habetsahan’ny cholestérol ao aminy. Miharihary fa ny atiny dia afaka nitana ny habetsahana cholestérol ho ara-dalàna.
Tsy midika anefa izany fa afa-doza i Thomas. Asehon’ny fandinihana vao haingana fa ny cholestérol avy amin’ny sakafo hanina dia mety hisy akony eo amin’ny mety hahavoan’ny aretim-po mifandray amin’ny mpanelira ny olona iray, tsy miankina amin’ny vokany eo amin’ny cholestérol ao amin’ny ra. “Ny sakafo be cholestérol dia mampiroborobo ny aretim-po, na dia eo amin’ny olona kely cholestérol ao amin’ny ra aza”, hoy ny Dr. Jeremiah Stamler, ao amin’ny Northwestern University. “Ary izany no antony tsy maintsy iahian’ny olon-drehetra ny fihinanana cholestérol kely kokoa, na toy inona na toy inona habetsahan’ny cholestérol ao amin’ny rany.”
Eo koa ny raharaha momba ny menaka ao amin’ny sakafo hanina. Mahatonga ny sela mena ao amin’ny ra hivangongongongo ny menaka be loatra ao amin’ny ra, na avy amin’ny sakafo misy menaka saturé izany, na insaturé. Tsy tafiditra ao anatin’ireo lalan-dra madinika ety ny ra mihamarihitra toy izany, ka mahatonga ny tambatsela tsy hahazo ireo otrikaina ilainy. Ireo sela mivangongongongo izay mandeha manaraka ireo mpanelira dia manakorontana koa ny fizarana oksizena amin’ireo sisiny anatiny amin’ny mpanelira. Izany dia miteraka fahasimbana eo amin’ny ivelan’ilay sisiny anatiny, ka afaka manomboka miforona mora foana eo ny fihandronan-javatra. Misy anefa loza hafa amin’ny fihinanana menaka tafahoatra.
Ny kansera sy ny sakafo hanina
“Ny menaka rehetra — saturé sy insaturé — dia anisan’ny mahatonga ny fitomboan’ny karazana kanseran-tsela sasany”, hoy ny Dr. John A. McDougall. Ny fandinihana iray momba ny fitrangan’ny kanseran’ny tsinaibe sy ny lava-body, ary ny kanseran’ny nono eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia nampiseho ny tsy fitoviana mampahatahotra eo amin’ireo firenena tandrefana izay mihinan-tsakafo be menaka, sy ireo firenena an-dalam-pandrosoana. Any Etazonia, ohatra, dia ny kanseran’ny tsinaibe sy ny lava-body no faharoa amin’ny kansera fahita indrindra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy raha atambatra, ary ny kanseran’ny nono kosa no fahita indrindra eo amin’ny vehivavy.
Araka ny Fikambanana Amerikana Miady Amin’ny Kansera, ireo antokon’olona izay mifindra any amin’ny tany iray be olona voan’ny kansera, dia mahatratra ny tahan’ny karazana kansera ao amin’izany tany izany amin’ny farany, miankina amin’ilay halavam-potoana nilain’izy ireo mba hiovana ho amin’ilay fomba fiaina vaovao sy sakafo fihinana vaovao. “Ireo mpiavy japoney any Hawaii”, hoy ny boky momba ny fandrahoan-tsakafon’ilay fikambanana miady amin’ny kansera, “dia voan’ny kansera mampiavaka ny tandrefana: betsaka ny kanseran’ny tsinaibe sy ny kanseran’ny nono, kely ny kanseran’ny vavony — mifamadika amin’ilay mampiavaka ny japoney.” Miharihary fa mifandray amin’ny sakafo hanina ny kansera.
Raha toa ny sakafo haninao ka be menaka complet, be menaka saturé, be cholestérol sy kalôria, dia mila manao fiovana sasany ianao. Ny fahazarana tsara ara-tsakafo dia afaka mitondra fahasalamana tsara ary afaka mikosoka mihitsy aza ireo voka-dratsy maro avy amin’ny fahazarana ratsy ara-tsakafo. Azo antoka fa aleo izany, rehefa heverina ilay safidy hoe hanaovana fandidiana mampanaintaina izay matetika mahatratra $40 000 (196 000 000 FMG eo ho eo) na mihoatra.
Rehefa mifidy amim-pahendrena izay haninao ianao, dia afaka mihen-danja sy manatsara ny fahatsiarovanao tena ho metimety, ary manampy ny tenanao hanalavitra na hanafoana aretina sasany. Dinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny tsipy hevitra momba izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny miligrama isaky ny desilitatra no andrefesana ny cholestérol. Raha ny tokony ho izy, ny habetsahan’ny cholestérol amin’ny fitambarany — ny fitambaran’ny LDL sy ny HDL ary ny cholestérol any amin’ireo lipoprotéines hafa ao amin’ny ra — dia latsaka ny 200 miligrama isaky ny desilitatra. Heverina fa tsara ny habetsahana HDL 45 miligrama isaky ny desilitatra, na bebe kokoa noho izany.
b Ny Toro Lalana Momba ny Sakafo ho an’ny Amerikana, tamin’ny 1995, dia mampirisika ny tsy hihinanana menaka mihoatra ny 30 isan-jaton’ny kalôria isan’andro, amin’ny fitambarany, ary mampirisika ny hampihenana ny menaka saturé ho latsaka ny 10 isan-jaton’ny kalôria. Ny fihenana 1 isan-jato eo amin’ny kalôria avy amin’ny menaka saturé hanina, dia mazàna mahatonga ny habetsahan’ny cholestérol ao amin’ny ra hidina 3 miligrama isaky ny desilitatra.
[Kisary, pejy 8]
Mpanelira mifanolotra amin’ny fo firaina mitsivalana: 1) misokatra tanteraka, 2) ampahany tsentsina, 3) efa ho tsentsina tanteraka