“Ilay Fanambakana Ara-tsiansa Malaza Ratsy Indrindra”
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
Ilay lehilahy Piltdown, hita tamin’ny 1912, no “ilay fanambakana ara-tsiansa malaza ratsy indrindra tamin’itỳ taonjato itỳ”, hoy ny The Times any Londres. Vaky betroka ho izany izy io tamin’ny 1953, rehefa noporofoin’ny fitiliana ara-tsiansa fa tsy mason-drojo tsy ampy eo amin’izay heverina fa tetirazan’ny olombelona vokatry ny evolisiona akory ilay karandoha, fa an’ny lehilahy maoderina iray, ary an’ny rajako iray ilay valanorano ambany. Iza no nanao izany hosoka mampiseho hakingan-tsaina izany?
Nandritra ny taona maro, dia ilay mpisolovava sady jeôlôgy tsy matihanina atao hoe Charles Dawson, izay nahita ilay sisan-javatra, no nahiahina. Ny hafa noheverina fa tafiditra tao koa dia Atoa Arthur Keith, evolisionista mafana fo sady prezidàn’ny Royal College of Surgeons teo aloha, sy Atoa Arthur Conan Doyle, mpanoratra anglisy, ary ny mompera frantsay Pierre Teilhard de Chardin. Tsy nisy porofo nampiaiky anefa, ka i Dawson no ninoana ho tompon’andraikitra tamin’ny farany.
Ankehitriny, dia fantatra ny anaran’ilay tena meloka. Izy io dia i Martin A. C. Hinton, maty tamin’ny 1961, mpiandraikitra ny siansa momba ny biby, teo aloha, tao amin’ny Tranombakoka Momba ny Fandinihana ny Voary, any Londres. Sivy taona lasa izay, dia hita tao amin’ilay tranombakoka ny valizy lamba iray an’i Hinton. Nisy nifin’elefanta sy potipotika fôsilina lalomena ary taolana hafa tao anatiny. Natao analizy tamim-pitandremana izy ireo. Hita fa voatentina vy sy manganezy nitovy fatra tamin’ny natao teo amin’ny taolan’i Piltdown izy rehetra. Fa ny anton-javatra tena mampiaiky dia ny fahitana kraoma tao amin’ilay nify, dia kraoma nampiasaina koa teo amin’ny fanentenana.
Rehefa nampiseho ny zava-nisy ny Profesora Brian Gardiner, avy amin’ny King’s College, Londres, dia nilaza toy izao: “Fantatra ho mpanao vazivazy ratsy i Hinton. (...) Nasehon’ny taratasy sasany ny antony nanosika [azy].” Nanatsoaka hevitra toy izao i Gardiner: “Azoko antoka 100 isan-jato fa izy no nanao ilay izy.” Ny porofo dia toa manondro fa nitady hanao valy faty tamin’i Arthur Smith Woodward, lehibeny, izay tsy nanome azy ny fankasitrahana na ny vola noheveriny fa mendrika ho azy, i Hinton. Voafitaka tsara i Woodward, ary hatreo amin’ny fahafatesany dimy taona talohan’ny namakiana betroka ilay hosoka dia niaiky hatrany izy fa tena izy ilay lehilahy Piltdown. Ny hany fanontaniana nitoetra tsy nisy valiny dia hoe: Nahoana i Hinton no tsy nitsotra raha vao nanaiky ampahibemaso an’ilay fitaka i Woodward? Toa anton’izany ny nanekena an’ilay lehilahy Piltdown tamin’ny fomba haingana aoka izany nanerana ny tontolon’ny siansa, ka nihevitra i Hinton fa tsy nisy zavatra hafa azony natao afa-tsy ny nitana ny laingany.
Noho ny faneken’ny lehilahy nalaza toy izany an’ilay karandohan’i Piltdown, dia voafitaka koa ny sarabambem-bahoaka. Nanasongadina kopia sy sarin’ilay karandoha ireo tranombakoka maneran-tany, raha mbola nampiely haingana an’ilay vaovao ireo gazety. Tsy hita pesipesenina ny voka-dratsin’ny vazivazy ratsin’i Hinton. Mety tsara toy inona moa izao fanamarihan’ny Baiboly izao: “Toy ny olona tsy misy saina manipy vainafo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, dia toy izany ny olona iray mamitaka ny hafa ary manao hoe: ‘Nanao vazivazy fotsiny ange aho e!’ ” — Ohabolana 26:18, 19, Byington.
[Kisary, pejy 31]
Ireo faritra mainty dia silaka karandohan’olombelona
Ny faritra mazava manontolo dia namboarina avy tamin’ny platira
Ireo faritra mainty dia silaka valanorano sy nifin-drajako